Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Masina Amin’ny Fitondran-tena Rehetra Isika

Tsy Maintsy Masina Amin’ny Fitondran-tena Rehetra Isika

“Aoka ho masina ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.”1 PET. 1:15.

1, 2. a) Inona no takin’Andriamanitra amin’ny vahoakany? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

NASAIN’I Jehovah namerina teny avy ao amin’ny Levitikosy ny apostoly Petera, mba hanasongadinana fa tokony ho masina toy ny Israelita fahiny ny Kristianina. (Vakio ny 1 Petera 1:14-16.) “Masina” i Jehovah ary tiany hanao izay rehetra azo atao ny voahosotra sy ny “ondry hafa” mba ho masina amin’ny fitondran-tenany rehetra, fa tsy amin’ny zavatra sasany fotsiny.—Jaona 10:16.

2 Tena hahasoa antsika ny mandinika lesona sarobidy hafa ao amin’ny Levitikosy. Ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra isika raha mampihatra azy ireny. Hodinihintsika ato ireto: Ahoana no tokony hiheverantsika ny hoe mampandefitra ny fitsipik’i Jehovah? Inona no ianarantsika ao amin’ny Levitikosy momba ny hoe manohana ny zon’i Jehovah hitondra? Ary inona no lesona raisintsika avy amin’ny fanatitra voaresaka ao?

MITANDREMA MBA TSY HAMPANDEFITRA NY FITSIPIK’I JEHOVAH

3, 4. a) Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hampandefitra mihitsy ny fitsipika sy ny toro lalan’ny Baiboly? b) Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty na hitana lolompo?

3 Tsy mety ny manao tsinontsinona na mampandefitra ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany, raha te hampifaly azy. Tsy maintsy mankatò foana azy ireny kosa isika. Marina fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy isika, nefa hitantsika ao amin’izy io hoe inona no eken’Andriamanitra sy tsy ekeny. Nomena didy, ohatra, ny Israelita hoe: “Aza mamaly faty na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Jehovah.”—Lev. 19:18.

4 Tsy tian’i Jehovah hamaly faty na hitana lolompo isika. (Rom. 12:19) Ho faly ny Devoly ary ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah, raha tsy miraharaha ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany isika. Aza manao an-dolompo na dia misy manao fanahy iniana mampahatezitra anao aza. Nomen’i Jehovah tombontsoa lehibe isika, satria heveriny ho toy ny “vilany tany” misy harena sarobidy, dia ny fanompoana. (2 Kor. 4:1, 7) Tsy mety raha atao ao anaty vilany iray ny harena sarobidy sy ny lolompo, izay toy ny asidra manimba.

5. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga rehefa maty ny zanak’i Arona? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Resahin’ny Levitikosy 10:1-11 fa nisy fahoriana nanjo ny fianakavian’i Arona. Maty i Nadaba sy Abiho zanany lahy, rehefa nisy afo avy tany an-danitra nandoro azy ireo, tao amin’ny tranolay masina. Azo antoka fa nalahelo be ry Arona mianakavy. Tsy nahazo nisaona anefa izy ireo. Tena fitsapam-pinoana ho azy ireo izany. Ary ianao? Miezaka ny ho masina ve ianao, ka tsy mifandray amin’ny mpianakavinao voaroaka na ny voaroaka hafa?—Vakio ny 1 Korintianina 5:11.

6, 7. a) Inona avy no ilaina dinihina rehefa hanapa-kevitra hoe handray anjara amin’ny mariazy any am-piangonana sa tsia? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Ahoana no azo anazavana ny antony tsy andraisantsika anjara amin’ny mariazy any am-piangonana?

6 Mety tsy hiatrika fitsapana mafy be toy ny an-dry Arona isika. Ahoana anefa raha voasa amin’ny mariazin’ny havanao tsy Vavolombelona ianao, ka asainy miditra am-piangonana sy mandray anjara amin’izay atao any? Tsy misy didy mazava mandrara antsika tsy ho any, ao amin’ny Baiboly. Misy toro lalana mifandray amin’izany anefa ao. *

7 Mety ho very hevitra ny havantsika, rehefa hitany fa tapa-kevitra ny hampifaly an’i Jehovah sy ho masina foana isika. (1 Pet. 4:3, 4) Marina fa hiezaka tsy hampahatezitra azy ireo isika. Tsory aminy anefa ny anton’ilay fanapahan-kevitra ary miezaha ho tsara fanahy. Tsara ny miresaka aloha be. Afaka misaotra azy ireo isika ary milaza hoe faly fa nomeny anjara amin’ilay fampakaram-bady. Afaka milaza isika avy eo hoe mety hanamatroka ilay andro malaza na hahasanganehana azy ireo sy ny olon-kafa ny fandehanantsika any am-piangonana, satria tsy handray anjara amin’izay atao any isika noho ny antony ara-pivavahana. Tsy mampandefitra ny zavatra inoantsika sy ny finoantsika isika raha miresaka toy izany.

TOHANO NY ZON’I JEHOVAH HITONDRA

8. Nahoana no azo lazaina fa manasongadina ny zon’i Jehovah hitondra ny Levitikosy?

8 Asongadina ao amin’ny Levitikosy fa i Jehovah no manana zo hitondra. Voalaza ao in-30 mahery mantsy fa avy aminy ireo lalàna voasoratra ao. Nanaiky an’izany i Mosesy ka nanao izay nasain’i Jehovah nataony. (Lev. 8:4, 5) Izany koa no tokony hataontsika, izany hoe mankatò foana an’i Jehovah, ilay Mpitondra antsika. Manampy antsika hahavita izany ny fandaminany. Mety hotsapaina anefa ny finoantsika rehefa irery isika, toa an’i Jesosy tany an-tany efitra. (Lioka 4:1-13) Tsy hisy hahavita hampatahotra antsika na hitarika antsika hampandefitra ny fitsipik’i Jehovah, raha mieritreritra foana ny zony hitondra isika sady matoky azy.—Ohab. 29:25.

9. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no halan’ny olona any amin’ny firenena rehetra?

9 Enjehina isika any amin’ny firenena eran-tany, satria mpanara-dia an’i Kristy sy Vavolombelon’i Jehovah. Efa ampoizintsika izany satria hoy i Jesosy: “Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Mitory sy miezaka ny ho masina foana anefa isika, na dia ankahalaina aza. Nahoana isika no halan’ny olona nefa manao ny marina, madio, tsara fitondran-tena, ary mankatò lalàna? (Rom. 13:1-7) Satria manaiky an’i Jehovah ho Tompo Fara Tampony isika. “Ho azy irery ihany” ny fanompoana masina ataontsika, ary tsy hampandefitra ny lalàny sy ny toro lalany marina mihitsy isika.—Mat. 4:10.

10. Inona no nitranga tamin’ny rahalahy iray nanaiky hanao miaramila?

10 “Tsy anisan’izao tontolo izao” koa isika, ka tsy mandray anjara amin’ny ady sy ny politikan’ity tontolo ity. (Vakio ny Jaona 15:18-21; Isaia 2:4.) Nanaiky lembenana anefa ny mpanompon’i Jehovah sasany efa nanokan-tena, ka nandray anjara tamin’ny ady na ny politika. Maro tamin’izy ireny no nibebaka, ka nifandray tsara indray tamin’ilay Raintsika be famindram-po. (Sal. 51:17) Nisy vitsivitsy tsy nibebaka anefa. Nogadraina tsy amin’antony, ohatra, ny rahalahy maro tany Hongria nandritra ny Ady Lehibe II. Nangonin’ny manam-pahefana ny 160 tamin’izy ireo, izay latsaky ny 45 taona. Nentina tany amin’ny tanàna iray izy ireo, ary noterena hanao miaramila. Tsy nanaiky mihitsy ireo rahalahy tsy nivadika. Nisy sivy anefa nanaiky hanao ny voadin’ny miaramila sy hanao fanamiana. Nasaina nitifitra an’ireo rahalahy tsy nivadika ny iray tamin’izy ireo, roa taona tatỳ aoriana. Hay iray tam-po aminy ny iray tamin’ireo nasaina notifiriny! Soa ihany fa tsy notanterahina ilay famonoana.

OMEO NY TSARA INDRINDRA I JEHOVAH

11, 12. Inona no ianarantsika avy amin’ny sorona nataon’ny Israelita fahiny?

11 Voalaza mazava tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny sorona tokony hatolotry ny Israelita. (Lev. 9:1-4, 15-21) Tsy tokony hisy kilema ireo sorona, satria nifanitsy tamin’ny sorona lavorary nataon’i Jesosy. Nisy fombafomba tsy maintsy narahina koa arakaraka izay sorona natao. Izao, ohatra, no voalazan’ny Levitikosy 12:6 momba ny sorona nasaina natolotry ny reny tera-bao: “Rehefa tapitra ireo andro fidiovany noho ny niterahany zazalahy na zazavavy, dia hitondra ondrilahy kely tsy mihoatra ny herintaona izy, ho fanatitra dorana, ary zana-boromailala iray na domohina iray ho fanatitra noho ny ota. Ary hoentiny any amin’ny mpisorona ireo, eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.” Voafaritra tsara ny zavatra notakin’i Jehovah, nefa hita tamin’ny Lalàna fa be fitiavana sy mahay mandanjalanja izy. Afaka nanolotra domohina roa na zana-boromailala roa ilay reny, raha tsy takatry ny volany ny ondry iray. (Lev. 12:8) Na nahantra aza izy, dia nankasitrahan’i Jehovah sady tiany, toy ireo nitondra fanatitra lafo kokoa. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

12 Nampirisika ny mpiray finoana taminy mba hanao “sorona fiderana” ho an’Andriamanitra ny apostoly Paoly. (Heb. 13:15) Tokony hiresaka amin’ny besinimaro momba ny anarana masin’i Jehovah isika. Manao tenin’ny tanana ny rahalahy sy anabavy marenina mba hiderana an’i Jehovah. Midera azy koa ireo Kristianina tsy afaka mivoaka ny tranony, rehefa mitory an-taratasy na an-telefaonina, na mitory amin’izay mikarakara na mamangy azy. Tokony ho arakaraka ny fahasalamantsika sy ny fahaizantsika ny sorona fiderana ataontsika ho an’i Jehovah, nefa tokony ho ny tsara indrindra koa.—Rom. 12:1; 2 Tim. 2:15.

13. Nahoana isika no tokony hamerina ny tatitra momba ny fanompoantsika?

13 Tia an’Andriamanitra isika ka manolotra sorona fiderana an-tsitrapo ho azy. (Mat. 22:37, 38) Asaina mamerina tatitra momba ny fanompoantsika anefa isika. Ahoana no tokony hiheverantsika azy io? Mamerina tatitra isam-bolana isika mba hampisehoana fa mahafoy tena ho an’Andriamanitra. (2 Pet. 1:7) Tsy tokony hisy hahatsiaro ho voatery hitory ela be, amin’izay hoe mba betsaka ny ora soratana ao amin’ny tatitra. Na 15 minitra monja aza no vitan’ny mpitory iray mandritra ny volana, noho izy be taona na marary, dia afaka mamerina tatitra izy. Ankasitrahan’i Jehovah ireny minitra ireny ary heveriny ho ny fanatitra tsara indrindra avy amin’ilay mpitory. Raisiny ho porofon’ny fitiavan’ilay mpitory azy izy ireny, sady fomba ampisehoan’izy io fa ankasitrahany ilay tombontsoa lehibe hoe anisan’ny Vavolombelony. Sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony na dia voafetra aza ny azony atao. Afaka mamerina tatitra izy ireny, toa an’ireo Israelita izay afaka nanao fanatitra ihany, na dia tsy afaka nanao fanatitra lafo vidy kokoa aza. Ny tatitra ataontsika tsirairay no mitambatra ho lasa tatitra maneran-tany, ka manampy ny fandaminana hanomana mialoha an’izay ilaina mba hielezan’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy rariny àry ve raha asaina mamerina tatitra isika?

NY FAHAZARANTSIKA MIANATRA SY NY SORONA FIDERANA ATAONTSIKA

14. Nahoana isika no tokony handinika ny fahazarantsika mianatra?

14 Nandray lesona sarobidy avy tao amin’ny Levitikosy isika, ka mety hieritreritra ianao hoe: ‘Mazava kokoa amiko izao hoe nahoana ny Levitikosy no anisan’ny Tenin’Andriamanitra.’ (2 Tim. 3:16) Azo inoana fa tapa-kevitra kokoa ny ho masina ianao izao, tsy satria fotsiny hoe mitaky an’izany i Jehovah, fa satria mampifaly azy izany ary mendrika ny hampifaliana izy. Vao mainka angamba ianao izao te handalina kokoa ny Soratra Masina rehefa mieritreritra an’izay nianaranao tao amin’ny Levitikosy, tato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay teo aloha. (Vakio ny Ohabolana 2:1-5.) Diniho ny fahazaranao mianatra ary mivavaha momba izany. Azo antoka fa tianao heken’i Jehovah ny sorona fiderana ataonao. Lasa variana amin’ny fandaharana amin’ny tele, lalao video, fanatanjahan-tena, na fialam-boly ve anefa ianao ka tsy afaka mandroso tsara eo amin’ny ara-panahy? Mety hahasoa anao ny misaintsaina ny zavatra nolazain’i Paoly ao amin’ny Hebreo, raha izany.

Ataonao loha laharana ve ny fianarana Baiboly sy ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? (Fehintsoratra 14)

15, 16. Nahoana i Paoly no tsy niolakolaka rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina hebreo?

15 Tsy niolakolaka mihitsy i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo, fa sahy nilaza hoe “tsy mazoto mihaino” izy ireo. (Vakio ny Hebreo 5:7, 11-14.) Nahoana? Satria tena tia an’ireo Kristianina ireo izy ary nanahy ny amin’izy ireo, toa an’i Jehovah. Nivelona tamin’ny ronono mantsy izy ireo, izany hoe nianina tamin’ny fahalalana fototra ao amin’ny Soratra Masina. Marina fa ilaina ny fahalalana fototra. Mila “ventin-kanina” anefa ny olona iray mba ho lasa Kristianina matotra, izany hoe mila an’ireo fampianarana lalina kokoa ao amin’ny Baiboly.

16 Tokony ho efa mpampianatra ireo Hebreo, nefa mbola nila mpampianatra ihany. Nahoana? Satria tsy nety nandray “ventin-kanina” izy ireo. Eritrereto àry hoe: ‘Mankasitraka an’ireo fampianarana lalina ao amin’ny Baiboly ve aho? Mazoto mianatra azy ireny ve aho? Sa izaho tsy mandalina ny Baiboly sady tsy mivavaka? Sao dia mba ny fahazarako mianatra no olana?’ Tsy ampy ny mitory, fa mila mampianatra sy manampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy koa isika.—Matio 28:19, 20.

17, 18. a) Nahoana isika no tokony handray ventin-kanina ara-panahy foana? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola alohan’ny fivoriana?

17 Marina fa tsy manery antsika hianatra Baiboly i Jehovah. Mety ho sarotra amin’ny maro amintsika koa ny mianatra azy io. Tokony handray ventin-kanina ara-panahy foana anefa isika, na vao haingana no nanokan-tena ho an’Andriamanitra na efa ela. Tena ilaina izany raha te ho masina foana isika.

18 Mila mandinika tsara ny Soratra Masina sy mankatò an’i Jehovah isika raha te ho masina. Eritrereto i Nadaba sy Abiho zanakalahin’i Arona, izay novonoina satria nanolotra “afo tsy ara-dalàna.” (Lev. 10:1, 2) Mamo angamba izy ireo tamin’izay. Mariho izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Arona. (Vakio ny Levitikosy 10:8-11.) Te hilaza ve io andininy io hoe tsy mahazo misotro zava-pisotro misy alkaola mihitsy ny Kristianina alohan’ny handehanana hivory? Diniho ireto: Tsy eo ambanin’ny Lalàna isika. (Rom. 10:4) Misotro zava-pisotro misy alkaola araka ny antonony, mandritra ny sakafo, ny mpiray finoana amintsika any amin’ny tany sasany, alohan’ny hivory. Kaopy efatra nisy divay no nampiasaina tamin’ny Paska. Nasain’i Jesosy nisotro divay ny apostoliny tamin’izy nanao ny Fahatsiarovana voalohany, ary mifanitsy amin’ny rany ilay divay. (Mat. 26:27) Mandrara ny fisotroana tafahoatra sy ny fimamoana ny Baiboly. (1 Kor. 6:10; 1 Tim. 3:8) Maro koa ny Kristianina mifidy ny tsy hisotro zava-pisotro misy alkaola mihitsy alohan’ny hanaovany fanompoana masina, satria izay no mety amin’ny feon’ny fieritreretany. Tadidio fa tsy mitovy ny toe-javatra any amin’ny firenena samihafa. Ny zava-dehibe dia hoe mila ‘mahay manavaka ny zavatra masina sy tsy masina’ ny Kristianina, mba ho masina foana ny fitondran-tenany ka hampifaly an’Andriamanitra.

19. a) Ahoana no azo anatsarana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sy ny fianarana samirery? b) Tapa-kevitra hanao inona ianao mba ho masina foana?

19 Mbola maro ny lesona sarobidy ho hitanao ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, raha mikaroka ao ianao. Ampiasao izay fitaovana fanaovana fikarohana anananao mba hanatsarana ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo sy ny fianaranao samirery. Miezaha hahalala bebe kokoa an’i Jehovah sy ny fikasany. Manatòna azy bebe kokoa. (Jak. 4:8) Mivavaha aminy, ka tahafo ilay mpanao salamo izay nihira hoe: “Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin’ny lalànao.” (Sal. 119:18) Aza mampandefitra ny lalàna sy ny toro lalan’i Jehovah mihitsy. Ankatoavy amin’ny fo ny lalàn’i Jehovah, ilay “Masina.” Mazotoa koa mandray anjara amin’ilay “asa masina momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra.” (1 Pet. 1:15; Rom. 15:16) Aoka isika rehetra ho masina amin’ny fitondran-tenantsika, amin’izao andro farany feno faharatsiana izao. Amin’izay dia ho hita fa ekentsika hoe manan-jo hitondra i Jehovah, ilay Andriamanitra masina.

^ feh. 6 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002.