Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Galatianina, Efesianina, Filipianina ary Kolosianina

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Galatianina, Efesianina, Filipianina ary Kolosianina

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Galatianina, Efesianina, Filipianina ary Kolosianina

NIALA tamin’ny fivavahana madio ny Kristianina sasany tao amin’ireo ‘fiangonana tany Galatia’, noho ny fitaoman’ny Mpomba ny Fivavahana Jiosy. Nanoratra hafatra mafonja ho azy ireo àry ny apostoly Paoly, teo anelanelan’ny taona 50 sy 52. (Gal. 1:2) Mirakitra torohevitra mivantana sy fampirisihana mafy ilay taratasy.

Nanoratra ho an’ireo fiangonana tany Efesosy sy Filipy ary Kolosia i Paoly, folo taona tatỳ aoriana, tamin’izy “voafonja noho ny amin’i Kristy Jesosy”, tany Roma. Nanome torohevitra tsara sy fampaherezana feno fitiavana ho azy ireo izy. (Efes. 3:1) Handray soa amin’izany isika, raha mandinika ny boky nosoratany ho an’ireo fiangonana ireo.—Heb. 4:12.

IZA NO “AMBARA FA MARINA”?

(Gal. 1:1–6:18)

Nitady hanala baraka an’i Paoly tamin-kafetsena ireo Mpomba ny Fivavahana Jiosy. Nilaza tsipiriany momba ny fiainany àry izy, mba hanaporofoana ny maha apostoly azy. (Gal. 1:11–2:14) Nanohitra ny fampianaran-dison’izy ireo izy, ka nilaza hoe: “Ny finoana an’i Kristy Jesosy no hany fomba anambarana olona iray ho marina, fa tsy ny asan’ny lalàna.”—Gal. 2:16.

Nilaza i Paoly fa ‘nividy an’izay teo ambanin’ny lalàna’ i Kristy mba “hanafahany azy ireo”, ka olona afaka izy ireo. Nampirisika mafy ny Galatianina àry izy hoe: “Mijoroa tsara, ary aza mety hogejaina indray ao amin’ny ziogan’ny fanandevozana.”—Gal. 4:4, 5; 5:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:16-18, 28, 29—Mbola manan-kery ve ny fifanekena tamin’i Abrahama? Eny. Tsy solon’ny fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny fifaneken’ny Lalàna, fa fanampiny. Mbola nanan-kery àry ny fifanekena tamin’i Abrahama, rehefa ‘nofoanana’ ny Lalàna. (Efes. 2:15) Nandova ny fampanantenana voalazan’io fifanekena io ny tena ‘taranak’i’ Abrahama, dia i Kristy Jesosy sy ireo “an’i Kristy.”

6:2—Inona “ny lalàn’i Kristy”? Anisan’izy io ny zavatra rehetra nampianarin’i Jesosy sy nandidiany, ary indrindra fa ilay didy mba ‘hifankatia.’—Jaona 13:34.

6:8—Inona no atao hoe “mamafy ho an’ny fanahy”? Mamela ny fanahin’Andriamanitra hanan-kery eo amin’ny fiainany ny olona mamafy ho an’ny fanahy. Mandray anjara amin’ny fo manontolo izy, amin’ireo asa mahatonga an’io fanahy io hiasa eo aminy.

Lesona ho antsika:

1:6-9. Mila manao zavatra haingana ny anti-panahy, rehefa misy olana eo anivon’ny fiangonana. Tokony hahay hampisaintsaina sy hampiasa ny Soratra Masina izy, mba hampiharihariana hevi-diso.

2:20. Fanomezan’Andriamanitra ho antsika tsirairay ny vidim-panavotana. Tokony hiezaka hihevitra azy io ho toy izany isika.—Jaona 3:16.

5:7-9. ‘Hisakana antsika tsy hankatò ny fahamarinana’ ny naman-dratsy. Tsara àry ny manalavitra azy ireny.

6:1, 2, 5. Ny olona “araka ny fanahy” dia afaka manampy antsika amin’izay ‘manavesatra’ antsika. Anisan’izany ny olana noho ny fahadisoana tsy nahy nataontsika. Isika tsirairay anefa no tsy maintsy miantsoroka ny andraikitra kristianina ananantsika.

‘FANANGONANA AO AMIN’I KRISTY NY ZAVA-DREHETRA’

(Efes. 1:1–6:24)

Ny firaisan-tsaina kristianina no foto-kevitra nasongadin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina. Nilaza izy fa ‘hanangana fitantanan-draharaha [Andriamanitra] rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro’, mba ‘hanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.’ Nanolotra “lehilahy ho fanomezana” i Kristy, mba hananan’ny rehetra “zavatra inoana iray ihany.”—Efes. 1:10; 4:8, 13.

Tokony “hitafy ny toetra vaovao” ny Kristianina, sady ‘hanaiky ny namany avy, amin’ny fahatahorana an’i Kristy.’ Hanome voninahitra an’Andriamanitra izany, sady hampitombo ny firaisan-tsaina. Mila ‘manohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’ koa izy ireo, ka hitafy ny fiadiana rehetra avy amin’Andriamanitra.—Efes. 4:24; 5:21; 6:11.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:4-7—Inona no dikan’ny hoe notendrena ela be talohan’ny nahaterahany ny Kristianina voahosotra? Ilay vondron’olona misy azy ireo no notendren’Andriamanitra mialoha, fa tsy nofaritany hoe iza avy izy ireo. Nitranga izany, talohan’ny namindran’ny razambentsika voalohany ny ota tamin’ny taranany. Talohan’ny niterahan’izy ireo mantsy no nanononana ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15. Voalaza ao ny fikasan’Andriamanitra hifidy Kristianina hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.—Gal. 3:16, 29.

2:2—Nahoana no oharina amin’ny rivotra ny toe-tsain’izao tontolo izao? Nahoana no azo lazaina fa mampihatra fahefana eto an-tany izy io? Miely toy ny rivotra iainantsika “ny fanahin’izao tontolo izao” na ny toe-tsainy, dia toe-tsaina tsy tia mankatò sy te hanao izay tiana. (1 Kor. 2:12) Mampihatra fahefana eto an-tany izy io, satria manan-kery tsy an-kijanona eo amin’ny olona.

2:6—Inona no dikan’ny hoe ‘eo amin’ny toerana any an-danitra’ ny voahosotra, nefa izy ireo mbola eto an-tany? Tsy ilay lova any an-danitra nampanantenaina azy ireo ilay hoe ‘toerana any an-danitra.’ Izy io kosa dia ny toerana ambony tanan’izy ireo eo imason’Andriamanitra, satria ‘nasiana tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina’ izy ireo.—Efes. 1:13, 14.

Lesona ho antsika:

4:8, 11-15. “Nitondra babo” i Jesosy Kristy, izany hoe nanafaka lehilahy teo ambany fahefan’i Satana. Nataony fanomezana hanorenana ny fiangonana kristianina izy ireo. Ahoana no ahafahantsika ‘hitombo amin’ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fitiavana, mba hifanaraka amin’i Kristy’? Tokony hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo anivontsika isika, ary hanaraka ny fandaharana ataon’izy ireo eo anivon’ny fiangonana.—Heb. 13:7, 17.

5:22-24, 33. Tokony hanaiky sy hanaja ny vadiny ny vehivavy. Ahoana no ampisehoany izany? Hiezaka hanana “toetra tony sy malemy paika” izy, sady hanome voninahitra ny vadiny. Hiresaka zavatra tsara momba azy izy, ary hanohana azy mba hisy vokany tsara ny fanapahan-keviny.—1 Pet. 3:3, 4; Tit. 2:3-5.

5:25, 28, 29. “Mamelona” ny tenany ny lehilahy, ka tokony hanome izay ilain’ny vadiny eo amin’ny ara-batana sy ara-pihetseham-po koa, sady hanampy azy hifandray tsara amin’i Jehovah. Tokony hihevitra ny vadiny ho sarobidy izy, ka hanokana fotoana ampy hiarahana aminy, sady ho tsara fanahy aminy, na amin’ny teny na amin’ny atao.

6:10-13. Tokony ho tapa-kevitra ny hitafy ny fiadiana avy amin’Andriamanitra isika, raha te hahatohitra ny demonia.

‘MANDEHANA HATRANY’ AMIM-PILAMINANA

(Fil. 1:1–4:23)

Ny fitiavana no nantitranterin’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipianina. Hoy izy: “Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka.” Fandrika ny fatokian-tena loatra, ka nanampy azy ireo hanalavitra izany izy. Hoy izy: “Miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, hahazoanareo ny famonjena anareo.”—Fil. 1:9; 2:12.

Nampirisika ny Kristianina matotra izy ‘hiezaka ho tonga amin’ny tanjona, mba hahazoana ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra.’ Hoy izy: “Araka izay fandrosoana efa vitantsika no aoka mbola handehanantsika hatrany araka ny efa nahazatra antsika.”—Fil. 3:14-16.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:23—Inona no zavatra roa nahatonga an’i Paoly ho sahiran-kevitra, ary inona no ‘fanafahana’ niriny? Sahiran-kevitra i Paoly satria zavatra roa no nety ho nihatra taminy noho ny toe-javatra niainany: ny fiainana na ny fahafatesana. (Fil. 1:21) Tsy nolazainy izay nofidiny. Nilaza ny faniriany kosa izy, dia “ny hafahana sy ny hiaraka amin’i Kristy.” (Fil. 3:20, 21; 1 Tes. 4:16) Hitranga mandritra ny fanatrehan’i Kristy izany ‘fanafahana’ izany, rehefa hahazo ny valisoa nomanin’Andriamanitra ho azy izy.—Matio 24:3.

2:12, 13—Inona no ampiasain’Andriamanitra mba hahatonga antsika ‘haniry sy hanatanteraka’? Afaka miasa ao am-po sy ao an-tsaintsika ny fanahy masin’i Jehovah, mba hampitombo ny faniriantsika hanao izay tsara indrindra eo amin’ny fanompoana azy. Manana mpanampy àry isika eo ‘am-piezahantsika mafy hahazo ny famonjena.’

Lesona ho antsika:

2:5-11. Hita tamin’ny modely navelan’i Jesosy hoe tsy fahalemena ny fanetren-tena fa porofon’ny herim-po. Asandratr’i Jehovah koa ireo manetry tena.—Ohab. 22:4.

3:13. Mety ho anisan’ireo “zavatra any aoriana” ny asa nahazoam-bola be, na ny famatsiana ara-bola avy tamin’ny fianakaviana mpanankarena. Mety ho anisan’izany koa ny fahotana lehibe tamin’ny lasa, izay nialantsika ka “voasasa madio tsara” isika. (1 Kor. 6:11) Tokony hohadinointsika ireny rehetra ireny, izany hoe tsy tokony hiasantsika saina intsony. ‘Hikely aina hanatratra ny eo aloha’ kosa isika.

4:14-16. Nalala-tanana ny Filipianina, na dia nahantra aza. Modely ho antsika izy ireo.—2 Kor. 8:1-6.

“TSY HO VOAHOZONGOZONA AMIN’NY FINOANA”

(Kol. 1:1–4:18)

Nanohitra ny hevi-dison’ireo mpampianatra sandoka i Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Kolosianina. Nanazava izy fa tsy izay mitandrina ny zavatra takin’ny Lalàna no ho voavonjy, fa izay “maharitra amin’ny finoana.” Nampirisika ny Kolosianina izy mba “ho tafaray foana amin[’i Kristy], ary hamaka sy hiorina hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” Inona no tokony ho vokatr’izany?—Kol. 1:23; 2:6, 7.

Hoy i Paoly: “Ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io. Aoka koa ny fiadanan’i Kristy hanjaka ao am-ponareo.” Hoy ihany ilay apostoly: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” Hoy koa izy: “Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona” tsy anisan’ny fiangonana.—Kol. 3:14, 15, 23; 4:5.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:8—Inona ireo “zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity” izay nampitandreman’i Paoly? Izany dia ireo toro lalana na hevitra fototra ijoroan’ny tontolon’i Satana, ary mitari-dalana azy na manosika azy hanao zavatra. (1 Jaona 2:16) Anisan’izany ny filozofia, ny fitiavan-karena, ary ny fivavahan-diso.

4:16—Nahoana no tsy anisan’ny Baiboly ilay taratasy ho an’ny Laodikianina? Angamba tsy dia ilaina ankehitriny ny fanazavana raketin’izy io, na efa ao amin’ireo taratasy hafa ao amin’ny Baiboly ny hevi-dehibe ao anatiny.

Lesona ho antsika:

1:2, 20. Manampy hanana feon’ny fieritreretana madio sy fiadanan-tsaina ny vidim-panavotana. Nomen’Andriamanitra noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa izy io.

2:18, 23. Ny “fanetren-tena sarintsariny” dia fisehoana ho manetry tena mba hampitolagaga ny hafa. Mety hahafoy ny harenany ilay olona na hampijaly tena. Ny olona ‘mirehareha noho ny fisainany araka ny nofo’ no manao an’izany.