Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifidiana ny Fiainana, mba ho Velona Hianao”

“Mifidiana ny Fiainana, mba ho Velona Hianao”

“Mifidiana ny Fiainana, mba ho Velona Hianao”

“Nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao.” —DEOTERONOMIA 30:19.

1, 2. Inona no dikan’ny hoe natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona?

“ANDEHA Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” Ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny Baiboly no misy an’izany tenin’Andriamanitra izany. Notanterahiny tokoa izany, araka ny Genesisy 1:26, 27, manao hoe: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy.” Araka izany, dia samy hafa tanteraka tamin’ny zavaboary rehetra teto an-tany ny olombelona voalohany. Tahaka ny Mpamorona azy izy, izany hoe afaka nisaintsaina, naneho fitiavana, nanao ny rariny, ary nanana fahendrena sy hery. Nanana feon’ny fieritreretana koa izy, ka afaka nandray fanapahan-kevitra hahasoa ny tenany sy hampifaly ilay Rainy any an-danitra. (Romanina 2:15) Nanana safidy malalaka i Adama, raha tsorina. Nilaza toy izao i Jehovah, rehefa nandinika an’io zavaboariny io: “Indro, tsara indrindra izany.”—Genesisy 1:31; Salamo 95:6.

2 Tahaka ny endrik’Andriamanitra koa isika, satria taranak’i Adama. Tena manan-tsafidy anefa ve isika amin’izay ataontsika? Marina fa hain’i Jehovah ny mamantatra mialoha izay hitranga. Tsy mandahatra izay rehetra hataontsika tsirairay sy izay hiafarantsika anefa izy. Tsy mamaritra mialoha ny safidin’ny olombelona izy. Zava-dehibe àry ny hanaovantsika safidy tsara. Haka lesona avy amin’izay nanjo ny firenen’ny Israely isika, mba hahitana izany.—Romanina 15:4.

Nanana safidy malalaka ny Israelita

3. Inona no voalohany tamin’ny Didy Folo, ary ahoana no nankatoavan’ny Israelita azy io?

3 Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana.” (Deoteronomia 5:6) Nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta ny Israelita, tamin’ny 1513 T.K. Noho izany, dia afaka natoky tanteraka an’ireo teny ireo izy. Nilaza toy izao tamin’ny alalan’i Mosesy i Jehovah, tao amin’ny voalohany amin’ny Didy Folo: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” (Eksodosy 20:1, 3) Nifidy ny hankatò ny Israelita tamin’izay. Nanaiky an-tsitrapo izy ireo fa i Jehovah irery ihany no hotompoiny.—Eksodosy 20:5; Nomery 25:11.

4. a) Inona no safidy nananan’ny Israelita, araka ny tenin’i Mosesy? b) Inona no safidy ananantsika ankehitriny?

4 Mbola nantitranterin’i Mosesy tamin’ny Israelita indray ny safidy nananan’izy ireo, 40 taona tatỳ aoriana. Hoy izy: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao.” (Deoteronomia 30:19) Manan-tsafidy koa isika ankehitriny: Na hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ka hiaina mandrakizay, na tsy hankatò azy ka hizaka ny vokany. Hodinihintsika izay nitranga tamin’ireo olona nanao safidy tsara sy ireo nanao safidy ratsy.

5, 6. Inona no safidy nataon’i Josoa, ary inona no vokany?

5 Nitondra ny Israelita niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa, tamin’ny 1473 T.K. Nanao kabary nampieritreritra ho an’ilay firenena manontolo izy talohan’ny nahafatesany, ary nampirisika azy ireo hoe: “Raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo.” Niresaka momba ny fianakaviany izy avy eo, ka niteny hoe: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.”—Josoa 24:15.

6 Nilaza tamin’i Josoa i Jehovah talohan’izay hoe: “Mahereza sy matanjaha.” Nampirisika azy koa izy mba tsy hiala tamin’ny Lalàny. Nampanantena izy fa ho lavorary izay rehetra ataon’i Josoa, raha mamaky ny bokin’ny Lalàna andro aman’alina izy. (Josoa 1:7, 8) Tanteraka tokoa izany. Nahazo fitahiana i Josoa, noho ny safidy nataony. Hoy izy: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah tamin’ny taranak’Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.”—Josoa 21:45.

7. Inona no safidy nataon’ny Israelita sasany tamin’ny andron’i Isaia, ary inona no vokany?

7 Nifanohitra tamin’izany kosa no nataon’ny Israelita, 700 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Maro tamin’izy ireo no nanaraka ny fanaon’ny mpanompo sampy. Nivory nanodidina ny latabatra iray feno sakafo matsiro sy divay mamy izy ireo, ohatra, tamin’ny andro farany tamin’ny taona. Tsy fivoriam-pianakaviana fotsiny anefa ilay izy, fa fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra andriamani-diso roa. Nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo, ary toy izao no fiheverany izany, araka ny tenin’i Isaia mpaminany: “Mahafoy an’i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina [ianareo], sady mamelatra latabatra ho an’i Gada [andriamanitry ny Anjara] sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ [andriamanitry ny Vintana].” Nino izy ireo fa ny famalifaliana ny andriamanitry ny Anjara sy ny Vintana no hahazoany vokatra, fa tsy ny fitahian’i Jehovah. Nijinja ny voka-dratsin’ny fikomiany sy ny safidiny anefa izy ireo. Hoy i Jehovah: “Hotendreko ho voan’ny sabatra hianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly hianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino hianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.” (Isaia 65:11, 12, fanamarihana ambany pejy) Ringana izy ireo noho ny safidy ratsy nataony, ary tsy nahavonjy azy ny andriamanitry ny Anjara sy ny Vintana.

Manaova safidy tsara

8. Inona avy no ilaina mba hanaovana safidy tsara, araka ny Deoteronomia 30:20?

8 Nilaza zavatra telo tokony hataon’ny Israelita i Mosesy, rehefa nampirisika azy ireo hifidy ny fiainana. Nampirisihiny izy ireo mba ‘ho tia an’i Jehovah Andriamaniny, hihaino ny feony, ary hifikitra aminy.’ (Deoteronomia 30:20) Andeha hodinihintsika tsirairay ireo, mba hahafahantsika hanao safidy tsara.

9. Ahoana no anaporofoantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah?

9 Fitiavana an’i Jehovah Andriamanitsika: Mifidy ny hanompo an’i Jehovah isika, satria tia azy. Mandray lesona avy amin’izay nanjo ny Israely fahiny isika, ka manohitra ny fakam-panahy haloto fitondran-tena. Mitandrina koa isika mba tsy hanana fomba fiaina izay mety hahavoatarika antsika ho matimatin-karena, toy ny olona eo amin’izao tontolo izao. (1 Korintianina 10:11; 1 Timoty 6:6-10) Mifikitra amin’i Jehovah isika ary mitandrina ny didiny. (Josoa 23:8; Salamo 119:5, 8) Nampirisika ny Israelita toy izao i Mosesy, talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika hianareo, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo holovana. Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy.” (Deoteronomia 4:5, 6) Izao no fotoana tokony hanaporofoantsika ny fitiavantsika an’i Jehovah, ka hanaovantsika ny sitrapony ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika. Azo antoka fa handray fitahiana isika, raha manao izany safidy izany.—Matio 6:33.

10-12. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa?

10 Fihainoana ny feon’Andriamanitra: ‘Nitory ny fahamarinana’ i Noa. (2 Petera 2:5) Saika ny olona rehetra niaina talohan’ny Safodrano anefa no variana, ka “tsy niraharaha” ny fampitandremany. Inona no vokany? ‘Tonga ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.’ Nampitandrina i Jesosy fa ho toy izany no hitranga amin’ny androntsika, mandritra “ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” Ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa àry, dia fampitandremana mazava tsara ho an’ny olona mifidy ny tsy hankatò ny hafatr’Andriamanitra.—Matio 24:39.

11 Maniratsira ny fampitandremana ampitain’ny mpanompon’Andriamanitra ny olona sasany ankehitriny. Tokony ho fantatr’izy ireo anefa hoe inona no ho vokany raha tsy miraharaha an’izany izy ireo. Hoy ny apostoly Petera momba ireny mpaneso ireny: “Minia tsy mahalala izy ireo fa efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano. Tahirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra sy ny tany ankehitriny ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.”—2 Petera 3:3-7.

12 Diniho kosa anefa ny safidy nataon’i Noa sy ny fianakaviany. “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara ..., rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy.” Nanaraka fampitandremana i Noa, ka voavonjy izy mianakavy. (Hebreo 11:7) Enga anie isika ho mailaka hihaino ny hafatr’Andriamanitra sy hankatò izany.—Jakoba 1:19, 22-25.

13, 14. a) Nahoana no tena ilaina ny ‘mifikitra amin’i Jehovah’? b) Ahoana no amolavolan’i Jehovah, ilay Mpanefy Tanimanga, antsika?

13 Fifikirana amin’i Jehovah: Tsy ampy ny hoe tia an’i Jehovah sy mihaino azy, raha tiantsika ny ‘hifidy ny fiainana sy ho velona.’ Tsy maintsy ‘mifikitra aminy’ koa isika, izany hoe maharitra manao ny sitrapony. Hoy i Jesosy: “Raha miaritra ianareo dia ho voavonjinareo ny ainareo.” (Lioka 21:19) Mampiharihary izay ao am-pontsika, ny safidy ataontsika amin’io lafiny io. Hoy ny Ohabolana 28:14: “Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.” Manaporofo ny fahamarinan’io tapany faharoa io, ny tantaran’i Faraon’i Ejipta. Vao mainka nanamafy ny fony i Farao, fa tsy natahotra an’Andriamanitra, rehefa nifandimby niseho tao Ejipta ireo Loza Folo. Nanan-tsafidy io mpitondra nieboebo io, fa tsy hoe i Jehovah no nanery azy tsy hankatò. Na inona na inona anefa nataon’i Farao, dia tanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Nilaza toy izao momba an’i Farao mantsy izy, araka ny nohazavain’ny apostoly Paoly: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”—Romanina 9:17.

14 Nilaza toy izao i Isaia mpaminany, taonjato maro taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tamin’ny fanandevozan’i Farao: “Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ny tànanao izahay rehetra.” (Isaia 64:7) Manjary mitafy tsikelikely ny toetra vaovao isika, rehefa manaiky hovolavolain’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fianarana samirery sy ny fampiharana ny Teniny. Lasa malemy fanahy kokoa sy mora atoro isika, ka mora kokoa amintsika ny mifikitra foana amin’i Jehovah, satria irintsika amin’ny fo manontolo ny hampifaly azy.—Efesianina 4:23, 24; Kolosianina 3:8-10.

‘Ampahafantaro izany’

15. Inona no andraikitra roa nampahatsiahivin’i Mosesy ny Israelita, araka ny Deoteronomia 4:9?

15 Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita, rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina izy ireo: “Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, ary andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.” (Deoteronomia 4:9) Nisy andraikitra roa nankinin’i Jehovah Andriamanitra tamin’izy ireo, raha tiany ny hahazo ny fitahiany sy ny fanambinany tao amin’ilay tany holovan’izy ireo. Tsy tokony hohadinoin’izy ireo ny zava-mahagaga nataon’i Jehovah teo imasony, ary tokony hampianarin’izy ireo ny taranany izany. Tsy maintsy manao toy izany koa isika vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, raha te ‘hifidy ny fiainana sy ho velona.’ Inona àry no zava-mahagaga nataon’i Jehovah ho antsika, ka hitan’ny masontsika?

16, 17. a) Inona no zava-bitan’ireo misioneran’i Gileada, raha ny fitoriana no resahina? b) Milazà mpitory fantatrao hoe manana zotom-po tsy mety lefy.

16 Tena faly tokoa isika mahita fa tahin’i Jehovah, ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika. Mitarika ny asa fampianarana any amin’ny tany maro ny misionera, nanomboka tamin’ny nisokafan’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada tamin’ny 1943. Efa be taona sy osa ankehitriny ireo voalohandohany nahazo diplaoma tamin’io sekoly io. Mbola mazoto mitory ilay Fanjakana foana anefa izy ireo hatramin’izao. Ohatra tena tsara amin’izany i Mary Olson, izay nahazo diplaoma tamin’ny 1944. Misionera tany Orogoay izy tamin’ny voalohany, avy eo tany Kolombia, ary izao any Porto Rico. Mafana fo amin’ny fitoriana foana izy, na dia voafetra aza ny vitany noho ny aretina vokatry ny fahanterana. Mampiasa tsara ny fahaizany miteny espaniola izy, ka manokana fotoana isan-kerinandro mba hiaraha-manompo amin’ny mpitory any an-toerana.

17 Mbola manompo any Bahamas ankehitriny i Nancy Porter, izay nahazo diplaoma tamin’ny 1947 ary efa maty vady. Misionera be atao foana amin’ny asa fitoriana koa izy. Hoy izy tao amin’ny tantaram-piainany: ‘Loharanom-pifaliana miavaka ny mampianatra ny hafa ny fahamarinana ara-baiboly. Manampy ahy hanana fandaharana ara-panahy tsara izany, ka mahatonga ny fiainako hilamina sy ho tony.’ * Tsy manadino izay nataon’i Jehovah ny Anabavy Porter sy ny Kristianina mahatoky hafa, rehefa mitodika ny lasa. Ary isika? Moa ve isika mankasitraka ny fomba itahian’i Jehovah ny asa fitoriana eo amin’ny faritra misy antsika?—Salamo 68:11.

18. Inona no soa raisintsika avy amin’ny famakiana ny tantaram-piainan’ireo misionera?

18 Tena mahafaly antsika ny zava-bitan’ireny Kristianina efa nanompo hatry ny ela ireny, sy izay mbola ataony. Mampahery antsika ny mamaky ny tantaram-piainan’izy ireo. Manjary tapa-kevitra kokoa hanompo an’i Jehovah mantsy isika, rehefa mahafantatra izay nataony ho an’ireny mpanompony mahatoky ireny. Mamaky sy misaintsaina tsy tapaka an’ireny tantara mahafinaritra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ireny ve ianao?

19. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny tantaram-piainana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana?

19 Nampahatsiahy ny Israelita i Mosesy fa tsy tokony hohadinoin’izy ireo ny zava-drehetra nataon’i Jehovah ho azy. Ary tokony horaketiny ao am-pony mandritra ny androm-piainany izany. Nilaza koa izy hoe: “Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany.” (Deoteronomia 4:9) Manohina ny fo tokoa ny tantaram-piainana tena nisy. Mila modely ny tanora. Afaka miana-javatra avy amin’ny tantaram-piainan’ireo anabavy be taona sy mahatoky ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ny anabavy mpitovo. Afaka manitatra ny fanompoany ny rahalahy sy anabavy, na dia ao amin’ny taniny ihany aza, ka mandeha any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Ry ray aman-dreny, nahoana raha mampiasa ny tantaran’ireo misionera mahatoky sy ireo Kristianina hafa, mba hampirisihana ny zanakareo hifidy ny fanompoana manontolo andro?

20. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te ‘hifidy ny fiainana’ isika?

20 Ahoana àry no ahafahantsika tsirairay ‘mifidy ny fiainana’? Tokony hampiasaintsika mba hampisehoana ny fitiavantsika an’i Jehovah ny safidy malalaka, izay fanomezana tena tsara. Mila manao araka izay fara herintsika foana koa isika eo amin’ny fanompoana azy, raha mbola omeny tombontsoa hanao izany. I Jehovah mantsy ‘no fiainantsika sy fahamaroan’ny androntsika’, hoy i Mosesy.—Deoteronomia 30:19, 20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ny lahatsoratra hoe “Faly sy Velom-pankasitrahana na dia Namoy Olon-tiana Aza”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2001, pejy 23-27.

Tadidinao Ve?

• Inona no ianaranao avy amin’ireo olona nanao safidy tsara sy ireo nanao safidy ratsy?

• Inona ireo zavatra telo tsy maintsy ataontsika, raha te ‘hifidy ny fiainana’ isika?

• Inona avy ireo andraikitra roa tokony horaisintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

“Nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana”

[Sary, pejy 29]

Voavonjy i Noa sy ny fianakaviany, satria nihaino ny feon’Andriamanitra

[Sary, pejy 30]

Mary Olson

[Sary, pejy 30]

Nancy Porter