Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy ny Zokiolona Andriamanitra

Miahy ny Zokiolona Andriamanitra

Miahy ny Zokiolona Andriamanitra

TSY mahagaga raha miely patrana ny fampijaliana zokiolona ankehitriny. Efa ela ny Baiboly no nilaza fa ‘ho tia tena sy tsy ho tia ny mpianakaviny’ ny olona, mandritra ny andro faran’ity tontolo tsy matahotra an’Andriamanitra ity. (2 Timoty 3:1-3) Tanteraka tokoa izany faminaniana izany, satria miharihary fa betsaka ny olona tsy tia ny havany amin’izao andro izao.

Tsy toy ireo mpampijaly zokiolona mihitsy i Jehovah Andriamanitra, satria mihevitra ny be taona ho sarobidy izy ary miahy azy ireny. Diniho ny fomba ilazan’ny Baiboly an’izany.

“Mpanome rariny ny mpitondratena” i Jehovah

Misongadina ao amin’ny Soratra Hebreo, na Testamenta Taloha, fa miahy ny zokiolona i Jehovah Andriamanitra. Ao amin’ny Salamo 68:5, ohatra, i Davida dia miantso an’Andriamanitra hoe “Mpanome rariny ny mpitondratena”, izay efa zokiolona matetika. * Adika hoe “mpiaro” sy “mpanohana” ilay hoe “Mpanome rariny”, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa. Mazava, araka izany, fa miahy ny mpitondratena i Jehovah. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa hirehitra ny fahatezerany, raha ampijalina izy ireny. (Eksodosy 22:21-23) Tena sarobidy amin’Andriamanitra sy ny mpanompony, ireo mpitondratena sy ny zokiolona mahatoky rehetra. Mampiseho an’izany ny Ohabolana 16:31 manao hoe: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.”

Tsy mahagaga raha nitana toerana lehibe tao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Israelita, ny fanajana ny zokiolona. Nodidiana toy izao ny Israelita: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy, ary matahora an’Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.” (Levitikosy 19:32) Araka izany, teo amin’ny Israely fahiny, dia nisy ifandraisany ny fomba nitondran’ny olona iray ny zokiolona, sy ny fifandraisany tamin’i Jehovah Andriamanitra. Tsy afaka nilaza mihitsy ny olona iray hoe tia an’Andriamanitra izy, raha toa ka nampijaly ny zokiolona.

Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy intsony ny Kristianina. Na izany aza, dia eo ambanin’ny “lalàn’i Kristy” izy ireo, ary misy heriny lehibe eo amin’ny fitondran-tenany sy ny toe-tsainy izy io. Mampirisika azy ireo, ohatra, io lalàna io mba ho tia ny ray aman-dreniny sy ny zokiolona, ary hiahy azy ireo. (Galatianina 6:2; Efesianina 6:1-3; 1 Timoty 5:1-3) Vokatry ny fo izany fitiavana asehon’ny Kristianina izany, fa tsy noho ny fankatoavana didy fotsiny. Nampirisika toy izao ny apostoly Petera: “Mifankatiava fatratra amin’ny fo.”—1 Petera 1:22.

Nilaza antony hafa mahatonga antsika hiahy ny zokiolona i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty sy ny vehivavy mpitondratena amin’ny fahoriany, ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.” (Jakoba 1:27) Tena manohina ny fo ny tenin’i Jakoba. Asehon’izy io fa tena sarobidy amin’i Jehovah ireo zokiolona malalantsika.

Tsy vitan’ny hoe tsy mampijaly ny zokiolona àry isika, fa tokony hanao zavatra ho azy ireny koa, mba hampisehoana ny fiahiantsika azy. (Jereo ny efajoro hoe “Fitiavana Aseho Amin’ny Atao”, pejy 6-7.) Nanoratra i Jakoba hoe: “Maty ... ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.”—Jakoba 2:26.

Fampaherezana ny zokiolona “amin’ny fahoriany”

Misy lesona hafa raisintsika avy amin’ny tenin’i Jakoba. Mariho fa nasainy nikarakara ny mpitondratena “amin’ny fahoriany” ny Kristianina. Ilay teny grika nadika hoe ‘fahoriana’, dia midika hoe fahasahiranana na fijaliana vokatry ny faneren’ny fiainana. Tsy isalasalana fa maro ny zokiolona mijaly toy izany. Ao ny manirery. Ao koa ny ketraka satria mihena ny zava-bitany noho ny fahanterana. Mety ho kivy, na dia ireo mandray anjara feno amin’ny fanompoana an’Andriamanitra aza. Anisan’ireny i John. * Efa 40 taona mahery izy izao no mpitory mahatoky, ka ny 30 tamin’izany nanaovany fanompoana manontolo andro manokana. Efa 80 taona mahery izy izao, ary miaiky fa kivy izy indraindray. Hoy izy: “Matetika aho no mitodika ny lasa, ary mahatsiaro ny fahadisoana nataoko. Mieritreritra foana aho hoe tokony ho nahavita zavatra tsara kokoa aho.”

Hampahery ny olona toy izany ny mahafantatra fa tsy mitaky fahalavorariana amintsika i Jehovah, na dia lavorary aza. Fantany ny fahadisoantsika, nefa izao no lazain’ny Baiboly: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Mijery izay ao am-pontsika tokoa i Jehovah, fa tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika. Ahoana no ahafantarantsika izany?

Efa nanota sy nanao fahadisoana maro i Davida Mpanjaka, nefa izy mihitsy no nasain’Andriamanitra nanoratra an’ireto teny ao amin’ny Salamo 139:1-3 ireto: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.” Ilay teny nadika hoe ‘mandinika’ eo amin’io andininy io, dia midika ara-bakiteny hoe ‘manivana’, tsy misy valaka amin’ny ataon’ny mpamboly izay manala ny akofa, fa mitahiry ny vary. Nasain’i Jehovah nanome toky antsika àry i Davida, fa hainy ny manivana izay ataontsika, ka tsy hitadidy afa-tsy ny tsara vitantsika izy.

Mahatsiaro sy mankasitraka ny asa tsara vitantsika ilay Raintsika be famindram-po, raha mbola mahatoky eo anatrehany koa isika. Milaza mihitsy aza ny Baiboly, fa amin’i Jehovah dia toy ny hoe manao ny tsy marina izy, raha manadino izay nataontsika sy ny fitiavana nasehontsika ho an’ny anarany.—Hebreo 6:10.

“Efa lasa ny zavatra taloha”

Resahin’ny Baiboly fa tsy fikasan’Andriamanitra, ny olana ateraky ny fahanterana. Rehefa avy nikomy tamin’ny Mpamorona ny ray aman-drenintsika voalohany, vao nanimba ny fiainan-dRaolombelona ny fahanterana. (Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12) Tsy hitohy mandrakizay anefa izany.

Efa noresahina tany aloha, fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika, ary manaporofo izany ny zava-dratsy maro misy ankehitriny, toy ny fampijaliana zokiolona. (2 Timoty 3:1) Fikasan’Andriamanitra ny hanaisotra ny olana ateraky ny ota, anisan’izany ny voka-dratsin’ny fahanterana sy ny fahafatesana. Hoy ny Baiboly: “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.

Ho efa navalon’ny lasa ny fanaintainana vokatry ny fahanterana, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Ho toy izany koa ny fampijaliana zokiolona. (Mika 4:4) Na ireo maty izay ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra aza, dia hatsangana indray, mba hahafahany hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany koa. (Jaona 5:28, 29) Vao mainka hiharihary fa miahy an’izay rehetra mankatò azy i Jehovah Andriamanitra, fa tsy ny zokiolona ihany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Marina aloha fa mbola tsy zokiolona ny mpitondratena sasany. Miahy ny mpitondratena tanora koa anefa Andriamanitra, araka ny Levitikosy 22:13.

^ feh. 11 Tsy tena anarany.

[Efajoro/​Sary, pejy 6, 7]

Fitiavana Aseho Amin’ny Atao

Loha laharana amin’ny fikarakarana ny zokiolona, ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Arahin’izy ireo ilay fampirisihan’ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo.” (1 Petera 5:2) Anisan’ny fiandraiketana ny andian’ondrin’Andriamanitra, ny fikarakarana ny zokiolona. Inona anefa no mety ho tafiditra amin’izany?

Mila manam-paharetana ny anti-panahy ary angamba mila mitsidika sy miresadresaka matetika amin’ny zokiolona iray, mba hahafantarana izay tena ilainy. Angamba izy mila olona hiantsena ho azy, hanadio ny tranony, hitondra azy hivory, hamaky Baiboly sy boky ara-baiboly aminy, ary hanao zavatra maro hafa. Tsara ny manao fandaharana mitohy sady azo tanterahina tsara, mba hanampiana ny zokiolona. *

Ahoana anefa raha misy rahalahy na anabavy be taona manana olana lehibe, toy ny fahasahiranana ara-bola, eo anivon’ny fiangonana? Tsara aloha ny mijery raha manana zanaka na havana afaka manampy azy izy, satria hoy ny 1 Timoty 5:4: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany, sy hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.”

Mila ampiana koa angamba izy hijery sao anisan’ireo tokony hahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana. Mety ho afaka hanampy azy amin’izany ny olona sasany eo anivon’ny fiangonana. Raha tsy afaka mahazo izany karazana fanampiana izany izy ireo, dia hojeren’ny anti-panahy raha mahafeno fepetra mba handray fanampiana avy amin’ny fiangonana izy. Nisy olona nomena fanampiana toy izany teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Hoy mantsy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty mpiara-miasa taminy: “Ampidiro ao amin’ny lisitry ny vehivavy mpitondratena ny mpitondratena maherin’ny enimpolo taona, nanambady tokana, tsara laza amin’ny asa tsara, raha toa izy ka nitaiza zanaka, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotry ny olona masina, namonjy ny ory, ary nazoto tamin’ny asa tsara rehetra.”—1 Timoty 5:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Adidin’ny Kristianina ny Mikarakara ny Zokiolona”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2004, pejy 15-20, sy ilay hoe “Fampisehoana Fitiavana Kristiana Amin’ireo Zokiolona”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1994, pejy 27-30.

[Sary, pejy 5]

Niahy ny mpitondratena sahirana i Dorkasy.—Asan’ny Apostoly 9:36-39