Ohabolana 28:1-28

  • Maharikoriko ny vavak’izay tsy mihaino ny lalàna (9)

  • Hamindrana fo izay miaiky heloka (13)

  • Hanan-tsiny izay te hanan-karena haingana (20)

  • Ny mananatra no tsara kokoa noho ny mandokadoka (23)

  • Tsy hisy hahory an’izay tia manome (27)

28  Mandositra ny ratsy fanahy na dia tsy misy manenjika aza,Fa feno toky hoatran’ny liona* kosa ny olo-marina.+   Misolosolo foana ny mpitondra, rehefa misy mandika lalàna* eo amin’ilay tany,+Fa raha ampian’ny olona mahay mandinika sy manam-pahalalana kosa ny mpitondra,* dia haharitra ny fitondrany.+   Izay lehilahy mahantra nefa manambaka ny madinika,+Dia toy ny ranonorana mifaoka ny vokatra rehetra.   Midera ny ratsy fanahy ny olona mandika lalàna,Fa tezitra amin’ireny kosa izay mankatò lalàna.+   Tsy mahalala ny dikan’ny hoe rariny ny ratsy fanahy,Fa mahalala ny zava-drehetra kosa izay mitady an’i Jehovah.+   Aleo mahantra nefa tsy mivadika,Toy izay mpanankarena nefa fetsy ratsy.+   Mankatò lalàna ny zanaka mahira-tsaina,Fa manala baraka ny rainy kosa izay minamana amin’ny tendan-kanina.+   Izay maka zanabola sy tombony+ tafahoatra mba hampitomboana ny harenany,Dia manangona an’izany ho an’izay miantra ny mahantra.+   Izay tsy mety mihaino ny lalàna,Na ny vavaka ataony aza maharikoriko.+ 10  Izay mamitaka olo-marina mba hitaomana azy hanao ratsy, dia ho latsaka ao amin’ny lavaka nataony ihany.+Fa ny tsy misy tsiny kosa handova zava-tsoa.+ 11  Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena.+Mahalala ny tena marina momba azy anefa ny mahantra mahay mandinika.+ 12  Rehefa mandresy ny olo-marina, dia voninahitra lehibe izany,Fa rehefa mahazo fahefana kosa ny ratsy fanahy, dia misitrika ny vahoaka.+ 13  Izay nandika lalàna ka manarontsarona ny nataony dia tsy hahomby,+Fa izay miaiky heloka sy miala amin’izany kosa no hamindrana fo.+ 14  Sambatra izay olona miambina foana,*Fa izay manamafy fo kosa hahita loza.+ 15  Ny mpitondra ratsy fanahy, izay manjaka amin’ny vahoaka tsy misy mpiaro,Dia hoatran’ny liona mierona sy orsa mihazakazaka hanafika.+ 16  Manampatra fahefana ny mpitarika tsy mahay mandinika,+Fa ho ela velona kosa izay tsy tia tombony azo amin’ny tsy marina.+ 17  Handositra hatrany am-pasana* izay mivesatra trosan-dra fa namono olona.+ Aza misy manampy azy. 18  Hovonjena izay mandeha tsy misy tsiny,+Fa ho lavo tampoka kosa izay fetsifetsy.+ 19  Hahazo sakafo be dia be izay miasa ny taniny,Fa hahantra fadiranovana kosa izay mikatsaka zava-poana.+ 20  Hahazo fitahiana be dia be ny olona mendri-pitokisana,+Fa hanan-tsiny kosa izay te hanan-karena haingana.+ 21  Tsy tsara ny miangatra,+Nefa mety hanaonao foana ny olona iray mba hahazoana sombi-mofo. 22  Maimay te hanan-karena ny olona mitsiriritra,*Nefa tsy fantany fa hahantra izy amin’ny farany. 23  Izay mananatra+ no ho tian’ny olona kokoa+Noho izay mandokadoka. 24  Izay mandroba ny rainy sy ny reniny nefa miteny hoe: “Tsy maninona izany!”,+ Dia naman’ny mpangalatra ihany.+ 25  Mampisy ady ny olona tsy mety afa-po,*Nefa hilamina tsara ny fiainan’izay* miantehitra amin’i Jehovah.+ 26  Tsisy saina izay matoky ny fony,+Fa ho voaro kosa izay manao zavatra amim-pahendrena.+ 27  Tsy hisy hahory an’izay manome ho an’ny mahantra,+Fa ho voaozona imbetsaka kosa izay manakimpy ny masony tsy hijery an’ireny. 28  Miafina ny olona rehefa mahazo fahefana ny ratsy fanahy,Fa mihabetsaka kosa ny olo-marina rehefa ringana ireny.+

Fanamarihana

Na: “liona tanora.”
Na: “mikomy.”
Abt: “izy.”
Na: “izay matahotra foana.”
Na: “an-davaka.”
Na: “tsy mety afa-po.”
Na mety hoe “manambony tena.”
Abt: “hohatavezina izay.”