Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no Mpiandry Antsika

Jehovah no Mpiandry Antsika

Jehovah no Mpiandry Antsika

“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” —SALAMO 23:1.

1-3. Nahoana no tsy mahagaga raha nampitahain’i Davida tamin’ny mpiandry ondry i Jehovah?

INONA no holazainao, raha anontaniana ianao hoe manao ahoana ny fahitanao ny fikarakaran’i Jehovah ny vahoakany? Mety hampitahainao amin’ny inona ny fiahiany lalina ny mpanompony mahatoky? Mahafinaritra ny fomba nilazan’i Davida Mpanjaka an’i Jehovah, tao amin’ny salamo nosoratany 3 000 taona mahery izay. Nampiasainy ho ohatra ny asa nataony tamin’ny fahatanorany.

2 Mpiandry ondry i Davida tamin’izany, ka hainy ny momba ny fikarakarana ondry. Fantany tsara fa mora very izy ireny raha tsy voara-maso, ary mety hisy hangalatra na hataon’ny bibidia remby. (1 Samoela 17:34-36) Mety tsy hahita kijana hiraofana ny ondry, raha tsy misy mpiandry miahy azy. Rehefa antitra i Davida, dia azo antoka fa tsaroany tsara ireo fotoana nahafinaritra niandrasany sy niarovany ary namahanany ondry.

3 Tsy mahagaga raha ny asan’ny mpiandry ondry no tonga tao an-tsainy, rehefa nahazo herin’ny fanahy masina izy mba hanoratra momba ny fikarakaran’i Jehovah ny vahoakany. Izao no teny fanokafana ny Salamo faha-23, nosoratan’i Davida: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” Hojerentsika aloha ny maha mety tsara an’izany fampitahana izany. Hamakafaka ny Salamo faha-23 isika aorian’izay, mba hahitana ny fomba ikarakaran’i Jehovah ny mpanompony, tahaka ny fikarakaran’ny mpiandry ondry ny ondriny.—1 Petera 2:25.

Fampitahana mety tsara

4, 5. Inona no lazain’ny Baiboly fa mampiavaka ny ondry?

4 Maro ny anaram-boninahitra iantsoana an’i Jehovah ao amin’ny Soratra Masina. Ilay hoe “Mpiandry” anefa no tena anisan’ny ahitana taratry ny fitiavany. (Salamo 80:1) Misy zavatra roa tokony hofantarintsika, mba hahitana tsara ny antony maha mety ny iantsoana an’i Jehovah hoe Mpiandry: voalohany, ny toetra mampiavaka ny ondry, ary faharoa, ny asa sy ny toetran’ny mpiandry tsara.

5 Matetika ny Baiboly no miresaka momba ny toetran’ny ondry. Lazainy fa biby tena tia ny mpiandry azy izy io (2 Samoela 12:3), malemy fanahy (Isaia 53:7), ary tsy mahavita miaro tena. (Mika 5:7) Hoy ny rangahy iray, niompy ondry efa an-taonany maro: “Tsy mahavita ‘mikarakara tena’ ny ondry, na dia izany aza no eritreretin’ny olona. Mila arahi-maso foana izy ireny, ary mitaky fikarakarana bebe kokoa raha oharina amin’ny biby fiompy hafa.” Mila mpiandry miahy azy, ireny biby marefo ireny, mba tsy ho faty.—Ezekiela 34:5.

6. Araka ny diksionera iray, inona no asa nataon’ny mpiandry ondry fahiny, isan’andro?

6 Inona no asa nataon’ny mpiandry ondry fahiny, isan’andro? Hoy ny diksionera iray manazava Baiboly: “Vao maraina be izy dia namoaka ny ondry, ary nitarika azy ireo tany amin’ny kijana iraofany. Niambina azy ireo tany izy tontolo andro, mba tsy hisy ho very. Raha nisy sendra tsy voarany maso ka nania, dia nandeha nikaroka an’iny izy mandra-pahitany azy, ary nentiny niverina. ... Nentiny nody tany am-bala ireo ondry, rehefa hariva. Nisainy tsirairay izy ireo rehefa niditra ny varavaran’ny vala, mba ho azony antoka fa tsy nisy very. ... Matetika izy no tsy maintsy niambina ny vala tamin’ny alina, mba tsy hotafihin’ny bibidia ny ondry, na hojokoin’ny mpangalatra fetsifetsy.” *

7. Nahoana indraindray ny mpiandry ondry no nila naneho faharetana sy fitiavana bebe kokoa?

7 Nila naneho faharetana sy fitiavana bebe kokoa ny mpiandry ondry indraindray, indrindra fa tamin’ny ondry bevohoka sy ny ondrikely. (Genesisy 33:13) Hoy ny boky iray momba ny Baiboly: “Matetika ny ondry no miteraka any an-tendrombohitra lavitra ny vala. Miambina tsara an’ilay reny ilay mpiandry, mandritra ny fotoana mampahalemy azy io. Izy koa no mibata ilay ondrikely sy mitondra azy ho any am-bala. Mety hotrotroiny na hoentiny mandritra ny andro maromaro ao amin’ilay lamba miaraka amin’ny akanjony ivelany ilay ondrikely, mandra-pandehan’izy io.” (Isaia 40:10, 11) Hita amin’izany fa mila tanjaka ny mpiandry tsara, sady tokony ho be fitiavana.

8. Inona avy ireo antony natokisan’i Davida an’i Jehovah?

8 “Jehovah no Mpiandry ahy.” Moa ve izany tsy mahalaza tsara an’ilay Raintsika any an-danitra? Handinika ny Salamo faha-23 isika izao, ka hahita ny fomba ikarakaran’Andriamanitra antsika, toy ny ataon’ny mpiandry ondry matanjaka sy be fitiavana. Hita eo amin’ny andininy voalohany, fa natoky i Davida hoe hanome izay rehetra ilain’ny ondriny Andriamanitra, mba “tsy hanan-java-mahory” izy ireo. Lazainy eo amin’ireo andininy manaraka ny antony telo nahatonga azy hatoky toy izany: Mitarika, miaro, ary mamahana ny ondriny i Jehovah. Andeha hodinihintsika tsirairay ireo.

“Mitarika ahy” izy

9. Toerana manao ahoana no noresahin’i Davida, ary ahoana no ahatongavan’ny ondry any?

9 Voalohany, mitarika ny vahoakany i Jehovah. Hoy i Davida: “Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.” (Salamo 23:2, 3) Miresaka andian’ondry matoritory amim-pilaminana sy manan-tsakafo tondraka i Davida eo. Milaza fahafaham-po sy famelombelomana ary tsy fananana ahiahy izany. Azo adika hoe “toerana mahafinaritra” ilay teny hebreo nadika hoe ‘ahitra.’ Azo inoana fa tsy hahita toerana tsara hatoritoriana amim-pilaminana ny ondry, raha izy ihany no mitady izany. Ny mpiandry no tsy maintsy mitarika azy ireo any amin’izany “toerana mahafinaritra” izany.

10. Ahoana no ampisehoan’Andriamanitra fa matoky antsika izy?

10 Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika ankehitriny? Fomba iray anaovany izany ny fanomezany modely harahintsika. Mampirisika antsika “hanahaka an’Andriamanitra” ny Teniny. (Efesianina 5:1) Miresaka momba ny fangorahana, famelan-keloka, ary fitiavana, ny andinin-teny eo akaikin’io. (Efesianina 4:32; 5:2) Tsy isalasalana fa i Jehovah no modely tsara indrindra amin’ny fanehoana ireo toetra mahatehotia ireo. Mitaky be loatra ve izy raha mangataka amintsika mba hanahaka azy? Tsia. Hita avy amin’io toroheviny io kosa aza, fa matoky antsika izy. Nahoana? Noforonina tahaka ny endriny mantsy isika, izany hoe efa napetraka ao anatintsika ny toetra tsara sy ny faniriana hivavaka. (Genesisy 1:26) Fantatr’i Jehovah àry fa mahavita manahaka ny toetrany isika, na dia tsy lavorary aza. Eritrereto ange izany e! Matoky ilay Andriamanitra tia antsika, fa afaka ny ho tahaka azy isika. Hotarihiny ho any amin’ny toerana “fialan-tsasatra” mahafinaritra isika, raha manahaka azy. Midika izany fa ‘tsy hanana ahiahy’ isika eto amin’ity tontolo feno herisetra ity, izany hoe hilamin-tsaina satria fantatsika fa ankasitrahan’Andriamanitra isika.—Salamo 4:8; 29:11.

11. Inona no tadidin’i Jehovah rehefa mitarika antsika, ary manao ahoana ny zavatra takiny amintsika noho izany?

11 Maneho fitiavana sy faharetana i Jehovah, rehefa mitarika antsika. Mitadidy ny mpiandry ondry, fa misy fetrany ny zavatra azon’ny ondriny atao, ka ‘araka izay dian’izy ireo’ no itarihany azy. (Genesisy 33:14) Mitarika ny ondriny ‘araka izay dian’izy ireo’ koa i Jehovah. Jereny hoe inona no mety ho vitantsika, sy ny toe-javatra iainantsika. Toy ny hoe ampitoviny amin’ny antsika ny hafainganan’ny diany, ka tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika mihitsy izy. Ny fanompoana azy amin’ny fo manontolo no tadiaviny. (Kolosianina 3:23) Ahoana anefa raha mihantitra ianao, ka tsy toy ny taloha intsony ny vitanao? Ahoana koa raha tsy mahavita manompo firy ianao, satria marary mafy? Amin’izay indrindra no tena mampahery ny fitadidiana fa fanompoana amin’ny fo manontolo no takin’i Jehovah. Tsy misy olona mitovy tanteraka mantsy. Ny hoe manompo amin’ny fo manontolo kosa, dia midika hoe mampiasa ny hery sy ny tanjakao rehetra araka izay vitanao ianao, mba hanompoana an’Andriamanitra. Marina fa mety tsy hahavita be isika noho ny fahosana, nefa ankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika azy amin’ny fo manontolo.—Marka 12:29, 30.

12. Manomeza ohatra avy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay mampiseho fa mitarika ny ondriny ‘araka izay dian’izy ireo’ i Jehovah.

12 Mitarika ny ondriny ‘araka izay dian’izy ireo’ tokoa i Jehovah, rehefa dinihina ny fanati-panonerana notakiny, tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Fanatitra tsara sy vokatry ny fo feno fankasitrahana no notadiaviny, sady arakaraka ny fananan’ilay mpanome. Izao no voalazan’ny Lalàna: “Raha tsy tratry ny ananany [ny ondry], dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ... izy.” Ary ahoana raha tsy voavidin’ilay olona na dia voromailala roa aza? Afaka nitondra “koba tsara toto” izy ho solony. (Levitikosy 5:7, 11) Hita amin’izany fa tsy nitaky zavatra tsy takatr’ilay mpanome Andriamanitra. Mampahery fa tsy miova izy, ka tsy mangataka amintsika mihoatra noho izay azontsika omena. Faly kosa izy mandray izay azontsika omena azy. (Malakia 3:6) Tena mahafinaritra ny tarihin’ny Mpiandry tsara fanahy toy izany!

“Tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko”

13. Teny inona ao amin’ny Salamo 23:4 no manaporofo fa nihakaiky an’Andriamanitra i Davida, ary nahoana no tsy mahagaga izany?

13 Ny antony faharoa natokisan’i Davida an’i Jehovah, dia satria miaro ny ondriny izy. Hoy i Davida: “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” (Salamo 23:4) Nihakaiky an’i Jehovah i Davida satria mampiasa ny teny hoe “hianao” izy eto, fa tsy hoe “izy.” Tsy mahagaga izany, satria miresaka ny nanampian’Andriamanitra azy hiaritra fahoriana izy. Toy ny efa nandalo lohasaha maizina maro i Davida, satria imbetsaka izy no saika maty. Tsy navelany hangeja azy anefa ny tahotra, satria tsapany fa niaraka taminy Andriamanitra, sady efa vonona tamin’ny ‘tsora-kazo sy tehina’ mba hiaro azy. Nampahery an’i Davida ny fahafantarany izany, ary tsy isalasalana fa nahatonga azy ho akaiky kokoa an’i Jehovah. *

14. Inona no toky omen’ny Baiboly antsika momba ny fiarovan’i Jehovah? Tsy midika ho inona anefa izany?

14 Ahoana no iarovan’i Jehovah ny ondriny ankehitriny? Manome toky antsika ny Baiboly, fa tsy hahavita hamongotra ny ondrin’Andriamanitra eto an-tany mihitsy ireo mpanohitra, na demonia na olona. Tsy hamela an’izany hitranga na oviana na oviana i Jehovah. (Isaia 54:17; 2 Petera 2:9) Tsy midika anefa izany hoe hiaro antsika amin’ny loza rehetra ilay Mpiandry antsika. Tojo fitsapana mpahazo ny olombelona isika, sady iharan’ny fanoherana izay manjo ny tena Kristianina rehetra. (2 Timoty 3:12; Jakoba 1:2) Mety ho toy ny “mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana” isika indraindray. Mety hotandindomin’ny fahafatesana isika, ohatra, noho ny fanenjehana na ny tsy fahasalamana. Mety ho eo ambavahoanan’ny fahafatesana koa ny havan-tiantsika, na nindaosin’ny fahafatesana mihitsy aza. Miaraka amintsika foana anefa ilay Mpiandry antsika sady hiaro antsika, rehefa mandalo fotoana faran’izay manjombona isika. Amin’ny fomba ahoana?

15, 16. a) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiatrika ny olana mahazo antsika? b) Mitantarà zavatra niainan’olona, izay mampiseho ny fomba anampian’i Jehovah antsika rehefa misy fitsapana.

15 Tsy mampanantena fahagagana i Jehovah. * Azontsika antoka anefa fa hanampy antsika hiatrika ny olana rehetra mety hahazo antsika izy. Afaka manome antsika fahendrena hiatrehana “fitsapana maro samihafa” izy. (Jakoba 1:2-5) Tsy ataon’ny mpiandry ondry fandroahana biby mpiremby fotsiny ny tehiny, fa ampiasainy koa mba hanitsiana moramora ny ondriny hanaraka ny lalana tokony halehany. “Manitsy moramora” antsika koa i Jehovah. Mety hampiasainy, ohatra, ny mpiray finoana amintsika, mba hanome torohevitra ara-baiboly, izay mety hanampy antsika hamaha ilay olana mahazo antsika. Ankoatra izany, dia omeny hery hiaretana isika. (Filipianina 4:13) Manome antsika “hery fanampiny” mihitsy aza izy, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. (2 Korintianina 4:7) Afaka manampy antsika hahazaka ny fitsapana rehetra avy amin’i Satana, ny fanahin’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:13) Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa vonona ny hanampy antsika foana i Jehovah?

16 Eny tokoa, na inona na inona lohasaha maizina mety handalovantsika, dia tsy voatery hamakivaky irery an’izany isika. Miaraka amintsika ilay Mpiandry antsika, ka manome fanampiana isan-karazany, izay mety tsy ho tsikaritsika akory amin’ny voalohany. Diniho ny zavatra niainan’ny anti-panahy iray voan’ny kanseran’ny atidoha. Hoy izy: “Ekeko aloha fa tonga tao an-tsaiko tamin’ny voalohany ny hoe sao mba tezitra amiko i Jehovah, na tsy tia ahy mihitsy. Tapa-kevitra anefa aho fa tsy handao azy. Noresahiko taminy kosa aza ny fanahiako. Nanampy ahy izy, ary mazàna nampiasa ireo rahalahy sy anabavy mba hampahery ahy. Maro no nanoro hevitra nahasoa, noho izy ireo efa niatrika aretina lehibe. Nanampy ahy hiatrika ny zava-misy ny resak’izy ireo, sady nampahatsiahy ahy fa tsy maningana ny zavatra mahazo ahy. Nanampy ahy ireo rahalahy, ary nanohina ny foko tokoa ny hatsaram-panahin’izy ireo, ka nahazo toky aho fa tsy tezitra amiko i Jehovah. Marina fa tsy maintsy miady amin’ny aretiko aho, ary mbola tsy fantatro izay hiafarany. Matoky anefa aho fa miaraka amiko i Jehovah, ary hanampy ahy hatrany izy hiaritra izao fitsapana mahazo ahy izao.”

‘Mamelatra latabatra eo anoloako ianao’

17. Ahoana no ilazan’i Davida an’i Jehovah ao amin’ny Salamo 23:5, ary nahoana izany no tsy mifanohitra amin’ny ataon’ny mpiandry ondry?

17 Milaza ny antony fahatelo natokisany ny Mpiandry azy i Davida izao: Mamahana ny ondriny i Jehovah, ary tondraka ny sakafo omeny. Hoy i Davida: “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.” (Salamo 23:5) Eto indray i Davida dia mampitaha an’ilay Mpiandry azy amin’ny mpandray vahiny malala-tanana, izay mandroso sakafo sy zava-pisotro tondraka. Tsy mifanipaka ny hoe mpiandry be fitiavana sy ny hoe mpandray vahiny malala-tanana. Raha ny marina, dia tsy maintsy mitady toerana feno vilona sady misy rano ho an’ny andian’ondriny ny mpiandry tsara, mba “tsy hanan-java-mahory” izy ireo.—Salamo 23:1, 2.

18. Inona no mampiseho fa malala-tanana i Jehovah?

18 Malala-tanana koa ve ilay Mpiandry antsika? Tsy isalasalana izany! Eritrereto fotsiny ny hatsaran’ny sakafo ara-panahy raisintsika, sy ny habetsahany ary ny karazany. Mampiasa ny mpanompo mahatoky sy malina i Jehovah, mba hanomezana boky sy gazety mahasoa, ary fandaharana tena mahaliana any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Ahazoantsika an’izay ilaintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ireny rehetra ireny. (Matio 24:45-47) Tsy ory sakafo ara-panahy mihitsy isika. Mamokatra Baiboly sy boky fianarana Baiboly an-tapitrisany ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary misy amin’ny fiteny 413 izao izy ireny. Isan-karazany ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah. Ao ny “ronono”, izany hoe ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ary ao koa ny “ventin-kanina”, dia ireo fampianarana lalina kokoa. (Hebreo 5:11-14) Vokatr’izany, dia mahita ny fanazavana tena ilaintsika isika matetika, rehefa miatrika olana na hanapa-kevitra. Nanao ahoana isika hoatr’izay, raha tsy nisy an’ireny sakafo ara-panahy ireny? Tena malala-tanana tokoa ilay Mpiandry antsika!—Isaia 25:6; 65:13.

‘Hitoetra ao an-tranon’i Jehovah aho’

19, 20. a) Inona no natokisan’i Davida, araka ny Salamo 23:6, ary ahoana no hahatonga antsika hatoky toy izany? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Namarana ny teniny toy izao i Davida, rehefa avy nisaintsaina ny fiahian’ilay Mpiandry sy Mpikarakara azy: “Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” (Salamo 23:6) Hita amin’izany fa tena nankasitraka an’i Jehovah i Davida, sady natoky azy tamin’ny fony manontolo. Velom-pankasitrahana izy nitodika ny lasa, ary feno toky nibanjina ny hoavy. Tsy nanana ahiahy io mpiandry ondry fahiny io. Fantany mantsy fa hikarakara azy amim-pitiavana foana i Jehovah, ilay Mpiandry azy any an-danitra, raha mbola mifandray akaiky aminy foana izy, ka toy ny hoe mitoetra ao an-tranony mihitsy.

20 Velom-pankasitrahana tokoa isika, noho ireo teny kanto ao amin’ny Salamo faha-23! Nahita ny teny tsara indrindra i Davida, mba hilazana ny fomba itarihan’i Jehovah ny ondriny sy iarovany ary amahanany azy ireo. Noraketina ao amin’ny Baiboly ireo teny manohina ny fo ireo, mba hanomezan-toky antsika fa afaka manao an’i Jehovah ho Mpiandry antsika koa isika. Hikarakara antsika toy ny ataon’ny Mpiandry be fitiavana izy, raha mbola mifandray akaiky aminy foana isika. Hanao izany “andro lava” na lalandava izy, ary ho mandrakizay mihitsy aza. Mila miara-mandeha amin’ilay Mpiandry lehibe koa anefa isika satria ondriny. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay tafiditra amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Maro ny salamo nosoratan’i Davida, izay niderany an’i Jehovah noho ny namonjeny azy tsy ho tratran’ny loza.—Jereo, ohatra, ireo teny fampidirana ny Salamo 18, 34, 56, 57, 59, ary 63.

^ feh. 15 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azontsika Antenaina fa Hataon’Andriamanitra?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2003.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no mety ny nampitahan’i Davida an’i Jehovah tamin’ny mpiandry ondry?

• Nahoana isika no afaka milaza fa tsara fanahy i Jehovah rehefa mitarika antsika?

• Amin’ny fomba ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiaritra fitsapana?

• Inona no mampiseho fa malala-tanana i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Mitarika ny ondriny i Jehovah, toy ny nataon’ny mpiandry ondry teo amin’ny Israely