Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana Mampifaly ny Fon’Andriamanitra

Fanomezana Mampifaly ny Fon’Andriamanitra

Fanomezana Mampifaly ny Fon’Andriamanitra

TSY mahafinaritra ity tantara ity. Nampiasa teti-dratsy ary namono olona i Atalia Vadi-mpanjaka, mba handrombahana ny fanjakan’i Joda. Nanandra-tena ho mpanjakavavy izy, rehefa nieritreritra fa efa ringana daholo ireo tokony ho mpandova. Diso hevitra anefa izy satria nisy vehivavy iray sahy nanafina an’i Joasy, zazakely anisan’ny zanak’andriana. Tsy iza izy io fa i Joseba andriambavy, vadin’i Joiada Mpisoronabe, izay tena tia an’i Jehovah sy ny Lalàny. Nafenin’izy mivady tao aminy, tao amin’ny tempoly, nandritra ny enin-taona, ilay mpandova.—2 Mpanjaka 11:1-3.

Vonona hanatanteraka ny fikasany i Joiada Mpisoronabe, rehefa feno fito taona i Joasy. Naongany ilay mpanjakavavy naka ny fiandrianana tamim-pitaka. Navoakany àry ilay zazalahy nanana ny zo handova ny fanjakana, ka nosatrohany satroboninahitra. Notaritaritin’ny mpiambin’ny mpanjaka ho eny ivelan’ny tempoly i Atalia Mpanjakavavy ratsy fanahy avy eo, ary novonoiny. Afa-pahoriana ny vahoaka ka faly. Nandray anjara lehibe tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fivavahana marina tany Joda, izany zavatra nataon’i Joiada sy Joseba izany. Mbola zava-dehibe kokoa anefa, ny fitohizan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida ka hatramin’ny Mesia.—2 Mpanjaka 11:4-21.

Tokony hanao zavatra lehibe hampifaly ny fon’Andriamanitra, ilay mpanjaka vaovao. Nila fanamboarana be ny tranon’i Jehovah. Lasa tsy voakarakara sy norobain’ny sasany mihitsy aza mantsy izy io, satria tafahoatra ny fanirian’i Atalia hitondra samirery an’i Joda. Tapa-kevitra àry i Joasy fa hanavao azy io ka hanamboatra ny simba. Namoaka didy avy hatrany izy, mba hanangonana ny vola nilaina hanarenana ny tranon’i Jehovah. Hoy izy: “Ny vola amin’ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon’i Jehovah, dia ny volan’ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ny tomban’olona ary ny vola rehetra izay nentin’ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon’i Jehovah, aoka horaisin’ny mpisorona amin’ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin’ny trano, na amin’inona na amin’inona no hitany misy simba.”—2 Mpanjaka 12:5, 6.

Vonona handray anjara ny vahoaka, fa ny mpisorona no tsy nanao ny adidiny tamin’ny fony manontolo, mba hanamboarana ny tempoly. Tapa-kevitra àry ny mpanjaka fa handray an-tanana an’ilay raharaha. Nasainy narotsaka nivantana tao amin’ny boaty manokana ny fanomezana rehetra, ka nampiandraiketiny an’i Joiada ilay izy. Hoy ny fitantarana: “Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan’ny alitara tamin’ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin’ny tranon’i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon’i Jehovah. Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon’i Jehovah sady nisainy. Ary ny vola voalanja dia natolotr’ireo ho eo an-tànan’ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin’ny tranon’i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin’ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon’i Jehovah sy ho amin’ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’i Jehovah sy holanina amin’izay rehetra hanamboarana azy.”—2 Mpanjaka 12:10-13.

Nanohana an’ilay fandaharana tamin’ny fony manontolo ny vahoaka. Vita tsara ilay trano, ka lasa mendri-kaja indray ny fivavahana tamin’i Jehovah. Hita àry fa nampiasaina araka ny tokony ho izy ny fanomezana rehetra. Nanara-maso an’izany i Joasy Mpanjaka.

Mitandrina tsara koa ankehitriny ny fandaminan’i Jehovah, ka mampiasa ny fanomezana rehetra mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Manohana an’io fandaharana io amin’ny fony manontolo ny tena Kristianina, toy ny nataon’ny Israelita fahiny. Anisan’ireo nanao fanomezana ho fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana angamba ianao, tamin’ny taom-panompoana lasa teo. Andeha àry hojerentsika ny fomba sasany nampiasana ny fanomezana nataonareo.

FANONTANA

Ireto ny zavatra natao pirinty mba hianarana sy hozaraina maneran-tany:

• Boky: 47 490 247

• Bokikely kely velarana: 6 834 740

• Bokikely: 167 854 462

• Kalandrie: 5 405 955

• Gazety: 1 179 266 348

• Taratasy mivalona: 440 995 740

• Video: 3 168 611

Tany 19 no manana fanontam-pirinty. Misy atsy Afrika, any Amerika Avaratra sy Afovoany ary Atsimo, Azia, Eoropa, ary any amin’ireo nosin’i Pasifika.

“Katelyn May no anarako. Valo taona aho. Manana 28 dolara aho, ary omeko anareo io vola io mba hanampiana hividianana an’ireo milina fanontam-pirinty. Ny anabavikelinareo, Katelyn.”

“Nivory izahay mianakavy mba hiresaka momba ireo milina fanontam-pirinty vaovao. Nanapa-kevitra hitondra ny anjara birikiny ireo zanakay 11 sy 9 taona, ka naka vola tao amin’ny tahiriny. Faly izahay mandefa izany fanomezan’izy ireo izany miaraka amin’ny anay mivady.”

FANORENANA

Ireto ny sasany tamin’ireo tetikasa fanorenana, natao hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah:

• Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra: 2 180

• Efitrano Fivoriambe: 15

• Sampana: 10

• Mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena manompo manontolo andro: 2 342

“Tamin’ity faran’ny herinandro ity izahay no nivory voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakananay vaovao. Faly erỳ izahay manana toerana mendrika hiderana an’i Jehovah Andriamanitra Raintsika. Misaotra azy izahay ary misaotra anareo koa mikarakara ny zavatra ilainay, ka manorina Efitrano Fanjakana maro kokoa. Tena fitahiana ho an’ny eto amin’ny manodidina, ny efitranonay.”—Silia.

“Tena ankasitrahan’ireo rahalahy sy anabavy ny fanampian’ny fandaminan’i Jehovah. Mbola ambentin-dresakay hatramin’izao ny fotoana nahafinaritra niarahanay tamin’ireo mpiasan’ny fanorenana.”—Moldavia.

“Vao haingana izahay no nankalaza ny faha-35 taona nitsingerenan’ny mariazinay. Rehefa nieritreritra izay fanomezana hovidinay izahay, dia tapa-kevitra fa hanome zavatra ho an’i Jehovah sy ny fandaminany, ho setrin’ny nataon’izy ireo ho anay. Azo antoka mantsy fa ny fanampian’izy ireo no nahatonga anay hanana tokantrano sambatra. Tianay raha hampiasaina hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany anisan’ny mahantra, ity vola alefanay ity.”

“Vao nahazo lova aho. Vitsy anefa ny zavatra ‘tiako ho azo’ ary mbola vitsy kokoa aza ny zavatra ‘ilaiko.’ Tiako àry raha hampiasainareo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ity vola alefako ity. Maro mantsy ny tany tena mila an’izany.”

FANAMPIANA TRA-BOINA

Matetika no mamely tampoka ny loza, amin’izao andro farany izao. Manao fanomezana fanampiny ny Vavolombelon’i Jehovah maro, mba hanampiana ireo rahalahiny any amin’ny faritra niharan-doza. Ampahatsiahivina fa anisan’ny asa maneran-tany ny fanomezana ho an’ny tra-boina. Ireto ny toerana sasany nisy tra-boina nahazo fanampiana avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah:

Afrika

• Azia

• Faritr’i Karaiba

• Ireo nosin’i Pasifika

“Tianay mivady ny hisaotra betsaka anareo nandefa fanampiana vonjy rano vaky, noho ny fahavoazana naterak’ireo rivo-doza. Nahazo tafo vaovao ho an’ny tranonay izahay. Tena misaotra anareo izahay satria nanampy avy hatrany ianareo.”

“Connor no anarako ary 11 taona aho. Te hanampy aho rehefa nahita ny loza nentin’ny ‘tsunami.’ Manantena aho fa hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy ity vola ity.”

MPANOMPO MANONTOLO ANDRO MANOKANA

Maromaro ny Kristianina manompo manontolo andro, ka mitory ny vaovao tsara ny sasany, fa ny hafa kosa miasa any amin’ny Betela. Misy mpiasa an-tsitrapo manontolo andro ampiana amin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo. Anisan’izany ireto:

• Misionera: 2 635

• Mpiandraikitra mpitety faritany: 5 325

• Betelita: 20 092

“Mbola tsy afaka miasa any amin’ny Betela aho izao, fa ity fanomezana ity no alefako. Hiasa mafy any amin’ny Betela aho rehefa lehibe.”—Ankizilahy dimy taona.

Fampandrosoana ny asa fampianarana Baiboly

Naniraka ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy, mba ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 28:19) Mankatò izany teniny izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka revo mitory sy mampianatra ny hafatra ara-baiboly, any amin’ny tany 235. Mamoaka sy mizara boky aman-gazety amin’ny fiteny 413 koa izy ireo.

Manokana fotoana hanampiana olona hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, ny Kristianina. Izany no zava-tsarobidy indrindra azon’izy ireo omena. Nahafoy fotoana sy nandany hery be dia be tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny mpiara-belona aminy. Nanome vola tsy toko tsy forohana koa izy ireo. Nahatonga ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany ho fantatra eran-tany, ireny fanomezana rehetra ireny. Atao hanampiana olona hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah izany ezaka izany. Enga anie izy hitahy foana azy io. (Ohabolana 19:17) Mampifaly ny fony ny fahavononana hanampy toy izany!—Hebreo 13:15, 16.

[Efajoro, pejy 28-30]

Ireo Fomba Fidin’ny Olona Sasany Anaovana Fanomezana

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana, na mitsinjara vola, mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.—Matio 24:14.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ireo vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “Vavolombelon’i Jehovah” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy aloha, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana ao amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny momba ireo fandaharana ireo, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

B.P. 116

105 Ivato

Telefaonina: 22 448 37

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Video Faithful: Staline: U.S. Army photo