Salamo 59:1-17

  • Ampinga sy fialofana i Jehovah

    • ‘Aza iantrana ny mpamadika’ (5)

    • ‘Hihira momba ny herinao aho’ (16)

Ho an’ny mpitarika; atao mifanaraka amin’ilay hoe “Aza Mandringana.” Miktama* nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranon’i Davida,* mba hamonoana azy ho faty.+ 59  Vonjeo amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô!+Arovy aho mba tsy ho azon’ireo mitsangana hanohitra ahy.+   Afaho tsy ho azon’ireo manao ratsy aho,Ary vonjeo tsy ho azon’ny olona mahery setra.*   Jereo fa miafina hamely ahy izy ireo!+Manafika ahy ny lehilahy mahery,Nefa izaho tsy mba nikomy na nanota,+ Jehovah ô!   Tsy nanao ratsy akory aho, nefa izy ireo mihazakazaka sy miomana hanafika ahy. Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.   Fa ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+ Mifohaza handinika ny firenena rehetra. Aza misy iantrana ny mpamadika ratsy saina.+ (Sela)   Miverina izy ireo isan-kariva;+Mierona* hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandehandeha eran’ny tanàna.+   Jereo izay mivoaka* amin’ny vavany;Hoatran’ny sabatra ny molony,+Fa hoy izy ireo: “Iza moa no maheno antsika?”+   Hihomehezanao anefa izy ireo, Jehovah ô!+Hesoinao ny firenena rehetra.+   Ry Heriko ô, ianao no handrasako;+Fa Andriamanitra no fialofana* azoko antoka.+ 10  Ho avy hanampy ahy ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko;+Hataon’Andriamanitra faly mahita ny fahavaloko resy aho.+ 11  Aza vonoina izy ireo sao hanadino an’izany ny vahoakako. Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny izy ireo;Ataovy resy izy ireo, ry Jehovah ampinganay ô!+ 12  Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony,Dia enga anie izy ireo ho voafandriky ny fireharehany,+Noho ny ozona sy fitaka lazainy! 13  Aringano ao anatin’ny hatezerana izy ireo amin’ny farany;+Aringano izy ireo mba tsy hisy intsony;Ataovy fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ (Sela) 14  Avelao izy ireo hiverina rehefa hariva;Avelao izy ireo hierona* hoatran’ny alika sy handehandeha eran’ny tanàna.+ 15  Aoka izy ireo hirenireny hitady hanina;+Aza avela ho voky na hahita toerana hilasiana izy ireo. 16  Fa izaho kosa hihira momba ny herinao;+Hiresaka momba ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao aho, rehefa maraina. Fa ianao no fialofana azoko antoka,+Sy toerana fandosirako amin’ny andro ahitako fahoriana.+ 17  Ry Heriko ô, hihira fiderana* ho anao aho!+Fa fialofana azoko antoka Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tia ahy sy tsy mivadika amiko.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ny trano.”
Na: “lian-dra.”
Na: “Mivovò.”
Na: “miboiboika.”
Na: “toerana avo.”
Na: “hivovò.”
Na: “hitendry mozika.”