Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Tena Misy ve Andriamanitra? Nahoana Ianao no Tokony Hamantatra Izany?

Tena Misy ve Andriamanitra? Nahoana Ianao no Tokony Hamantatra Izany?

Misy tokoa ve Andriamanitra? Maro no mihevitra fa tsy ho fantatra mihitsy ny valin’izany. Misy indray mieritreritra hoe tsy ilaina akory ny mamantatra an’izany! Hoy i Hervé, lehibe tany Frantsa: ‘Izaho aloha tsy mpivavaka mihitsy, nefa izaho koa tsy manizingizina be hoe tena tsy misy Andriamanitra. Amiko, rehefa misaina tsara fotsiny ianao eo amin’ny fiainana, dia efa ampy. Mety foana izany, na misy na tsy misy Andriamanitra.’

Hoy kosa i John, any Etazonia: “Nino ny ray aman-dreniko hoe tsy misy Andriamanitra. Izaho indray hoatran’ny tsy nanan-kevitra momba an’izany mihitsy, na dia efa nihalehibe aza. Nisy fotoana anefa aho nieritreritra ihany hoe misy àry sa tsy misy Andriamanitra.”

Ianao koa ve efa mba nieritreritra hoe: Misy tokoa ve Andriamanitra? Ary raha misy izy, inona no tena antony namoronany antsika? Angamba ianao nahamarika hoe misy zavatra sasany tsy voazava mihitsy, raha tsy misy ny Mpamorona. Anisan’izany ireto: Voalohany, voaporofon’ny siansa fa raha tsy milamina sy mirindra tsara daholo ny zavatra eo amin’ny natiora, dia tsy hisy zavamananaina velona eto an-tany. Faharoa, tsy miova ho mananaina mihitsy ny zavatra tsy mananaina.—Jereo ilay efajoro hoe “ Diniho ny Porofo.”

Tena zava-dehibe ireo hevitra ireo, ka azo oharina amin’ny sarintany hitarika anao any amin’ny harena miafina. Raha halalininao tsara mantsy izy ireo, ka mahita porofo mitombina tsara sy maharesy lahatra ianao hoe tena misy Andriamanitra, dia handray soa be dia be ianao. Ireto misy soa efatra ho azonao.

1. TENA HISY DIKANY NY FIAINANAO

Ahoana raha misy antony tokoa namoronana ny fiainana? Tiantsika ho fantatra hoe inona izany, ary inona no ifandraisan’izany amintsika. Raha tena misy Andriamanitra nefa tsy fantatsika akory, dia matiantoka isika satria izany no zava-dehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao.

Avy amin’Andriamanitra ny ain’ny zavamananaina rehetra, hoy ny Baiboly. (Apokalypsy 4:11) Lasa misy heviny ny fiainantsika, rehefa fantatsika izany. Nahoana? Diniho izay ampianarin’ny Baiboly.

Ny olombelona no zavaboary miavaka indrindra. Milaza ny Baiboly fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, ka afaka manahaka ny toetrany. (Genesisy 1:27) Voalaza ao koa fa afaka ny ho naman’Andriamanitra isika. (Jakoba 2:23) Tsy misy tsara hoatran’ny mifandray akaiky amin’ny Mpamorona. Izany no tena mampisy dikany ny fiainantsika.

Ahoana izany hoe naman’Andriamanitra? Afaka miresaka mivantana aminy ny namany, sady nampanantena izy fa vonona hihaino sy hanampy foana. (Salamo 91:15) Azontsika fantarina koa ny heviny, raha lasa namany isika. Manampy antsika izany mba hahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana.

Raha tena misy Andriamanitra nefa tsy fantatsika akory, dia matiantoka isika satria izany no zava-dehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao

2. HILAMIN-TSAINA IANAO

Sarotra amin’ny olona sasany ny mino an’Andriamanitra, noho ny fijaliana eran-tany. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha misy ve ny Mpamorona mahery indrindra, dia havelany ho be dia be hoatr’izao ny fijaliana sy ny zava-dratsy?’

Mampahery ny valiny omen’ny Baiboly, hoe tsy nataon’Andriamanitra hijaly mihitsy ny olombelona. Rehefa namorona ny olona izy, dia nataony sambatra izy ireo. Na ny fahafatesana aza, tsy tao anatin’ny fikasan’Andriamanitra. (Genesisy 2:7-9, 15-17) Sarotra inoana ve izany? Tsy izany mihitsy. Raha misy tokoa ny Mpamorona mahery indrindra sy be fitiavana, dia ny hahasambatra ny olona no tiany hatao.

Koa nahoana isika izao no tsy sambatra? Manazava ny Baiboly fa noforonina mba hanana safidy malalaka ny olona. Tsy robots akory isika, ka hoe tsy maintsy mankatò an’Andriamanitra. Nifidy ny handa an’Andriamanitra anefa ilay mpivady voalohany. Tia tena izy ireo ka izay tiany fotsiny no nataony. (Genesisy 3:1-6, 22-24) Tsy maintsy mizaka ny vokatry ny nataon’izy ireo isika satria taranany.

Tena mampilamin-tsaina ny mahafantatra hoe tsy nieritreritra ny hampijaly antsika Andriamanitra. Na izany aza anefa, dia tiantsika ny ho afaka amin’ny fijaliana. Mba te hanantena hoavy tsara isika.

3. HANANA FANANTENANA IANAO

Vao nanota ny olombelona, dia nampanantena Andriamanitra fa mbola hotanterahiny ny fikasany momba ny tany. Mahery indrindra izy, ka tsy misy mahasakana azy amin’izany. (Isaia 55:11) Tsy ho ela izy dia hanafoana ny zavatra ratsy rehetra, ka hanatanteraka an’izay nokasainy momba ny tany sy ny olombelona.

Hanao ahoana ny fiainanao rehefa ho tanteraka izany? Diniho, ohatra, ireto zavatra roa nampanantenain’Andriamanitra ireto.

  • TSY HISY INTSONY NY RATSY FANAHY, ARY HISY FIADANANA ERAN-TANY. “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—Salamo 37:10, 11.

  • HO FOANA NY ARETINA SY NY FAHAFATESANA. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”—Isaia 25:8.

Nahoana isika no afaka matoky ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly? Satria faminaniana maro voalaza ao no efa tanteraka, sady azo porofoina. Ahoana anefa no hiatrehantsika ny fahoriana mahazo antsika izao? Afaka manampy antsika ve Andriamanitra dieny izao?

4. HANAMPY ANAO ANDRIAMANITRA NA MISY OLANA AZA

Nanome tari-dalana Andriamanitra, mba hanampiana antsika rehefa misy olana sy hahatonga antsika hahay hanapa-kevitra. Tsy dia zava-dehibe ny fanapahan-kevitra sasany, fa ny hafa kosa misy vokany eo amin’ny fiainantsika manontolo. Tsy misy hendry hoatran’ny Mpamorona anefa. Izy àry no tena afaka manoro hevitra antsika. Fantany daholo izay nitranga taloha sy izay mbola ho avy. Hainy koa izay tena hahasoa antsika, satria izy no nanao antsika.

Nasain’i Jehovah Andriamanitra nosoratana ao amin’ny Baiboly ny heviny. Izao no voalaza ao amin’ny Isaia 48:17, 18: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mampandeha anao amin’ny lalana tokony halehanao.”

Tsy misy fetrany ny herin’Andriamanitra, ary vonona hampiasa an’io heriny io izy mba hahasoa antsika. Oharin’ny Baiboly amin’ny ray be fitiavana sy vonon-kanampy izy. Hoy ny Lioka 11:13: ‘Ilay Ray any an-danitra hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy.’ Afaka mitari-dalana sy mampahery antsika io fanahy masina io.

Inona no tokony hataonao mba hahazoanao an’izany fanampiana izany? Hoy ny Baiboly: ‘Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.’ (Hebreo 11:6) Mba hahatonga anao ho resy lahatra anefa hoe tena misy Andriamanitra, dia ianao mihitsy no mila mandinika ny porofo.

VONONA HIKAROKA VE IANAO?

Mila manokana fotoana ianao mba hikarohana ny marina momba an’Andriamanitra, nefa matokia fa tena hahasoa anao izany. Diniho izay nitranga tamin’i Xiujin Xiao, izay teraka tany Chine fa mipetraka any Etazonia. Hoy izy: “Nino ny evolisiona [na fiovana miandalana] aho, nefa nanitikitika ny saiko koa ny Baiboly. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah àry aho. Sahirana be anefa aho rehefa nanomana fanadinana, sady tsy dia nanam-potoana firy, ka lasa tsirambina ny fianarako Baiboly. Tsapako hoe mora kivy aho tamin’izany. Lasa falifaly indray anefa aho rehefa nifantoka tamin’ny fianarana Baiboly.”

Tianao ve ny hahafantatra kokoa momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mpamorona? Maninona àry raha manokana fotoana, mba hianarana momba azy?