Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 FANONTANIANA 2

Tena Tsotra Tokoa ve ny Sela?

Tena Tsotra Tokoa ve ny Sela?

Misy karazana sela 200 mahery ao amin’ny vatana. Tena nisy ho azy ve izy ireny?

Anisan’ny zavatra be pitsiny indrindra eo amin’izao rehetra izao ny vatantsika. Misy sela 100 tapitrisa tapitrisa eo ho eo ao amin’izy io, anisan’izany ny selan’ny taolana sy selan’ny ra ary selan’ny atidoha.7 Misy karazana sela 200 mahery ao amin’ny vatana.8

Samy hafa ny bikan’ny sela sy ny asany, nefa miara-miasa tsara sy mifandray izy rehetra. Tsy hahavita ny vitan’ny sela mihitsy ny Internet, ilay fitaovam-pifandraisana ampiasana kabla afaka mampita fanazavana haingana be sy ordinatera an-tapitrisany. Tsy misy dikany ny zava-bitan’olombelona raha oharina amin’ny sela, eny fa na dia ny sela lazaina fa faran’izay tsotra aza. Ahoana no nampisy ny sela?

Inona no lazain’ny mpahay siansa maro? Misy karazany roa lehibe ny sela, dia ireo misy vihy sy ireo tsy misy vihy. Misy vihy ny selan’ny olombelona sy ny biby ary ny zavamaniry. Tsy ahitana an’izany kosa ny selan’ny bakteria. Tsotra kokoa noho ny sela misy vihy ny sela tsy misy vihy. Maro àry no mino fa avy amin’ny selan’ny bakteria ny selan’ny biby sy ny zavamaniry.

Maro no mampianatra fa nisy sela tsy misy vihy nitelina sela iray hafa fahiny, ary tavela tao ilay izy fa tsy levona. Naha vita nanova tanteraka an’ilay sela tao anatiny, hono, ilay sela nitelina, na dia tsy manan-tsaina aza. Lasa nisy an’ilay sela efa niova koa izay sela vaovao nipoitra taorian’izay.9 *

Inona no lazain’ny Baiboly? Milaza izy io fa misy Mpamorona manan-tsaina nanao ny zavamananaina. Izao no voalaza ao: “Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Hoy koa ny andininy hafa: ‘Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany, [ary] ahitana biby mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zavamananaina kely sy lehibe.’—Salamo 104:24, 25.

Mety ho nisy ho azy avy tamin-javatra simika tsy misy aina ve, na dia ny sela faran’izay “tsotra” aza?

Inona no tena marina? Efa mandroso be ny siansa, ka afaka mandinika ny ao anatin’ny sela faran’izay “tsotra” ny mpikaroka. Mihevitra ireo mino ny evolisiona fa mitovitovy amin’ireny sela ireny ny sela nisy voalohany.10

Nisy ho azy teo, araka ny ampianarin’ny mpino ny evolisiona, ve anefa ireny sela “tsotra” ireny? Raha marina izany, dia tokony ho marim-pototra ny porofo omen’izy ireo. Raha misy kosa ny Mpamorona, dia tokony hiharihary izany, na dia amin’ireny zavaboary bitika indrindra ireny aza. Andeha hodinihintsika ny ao anatin’ny sela tsy misy vihy. Eo am-pamakiana izany, dia mieritrereta hoe: ‘Nisy ho azy teo ve ireny sela ireny?’

ILAY “TAMBOHO” MIARO NY SELA

Aoka hatao hoe asaina hitsidika ny ao anatin’ny sela ianao. Mba hahavitana izany, dia mila ahena ianao, ka atao faran’izay bitika tsy hitan’ny maso. Tsy tonga dia tafiditra ao anefa ianao, satria misy fonony miaro azy io. Tsy mora rovitra ny fonontsela nefa koa tsy henjana, ary mafy be toy ireny tamboho manodidina ny orinasa sasany ireny. Tena manify izy io, satria 10 000 eo ho eo aminy vao mitovy hatevina amin’ny ravin-taratasy iray. Tsotra kely anefa ny tamboho raha oharina aminy.

Miaro ny orinasa ny tamboho. Toy izany koa fa miaro ny sela amin’ireo zavatra mety hanimba azy ny fonontsela. Afaka miditra sy mivoaka eo anefa ny molekiola kely, toy ny oksizenina. Tsy tafiditra eo kosa izay molekiola be pitsiny kokoa atahorana hanimba an’ilay sela, raha tsy hoe avelan’ilay sela hiditra angaha. Sakanan’ny fonontsela tsy hivoaka koa izay molekiola ilain’ny sela. Ahoana no ahavitany izany?

Manana mpiambina ny orinasa sasany. Izy ireny no manara-maso ny entana mahazo mivoaka sy miditra eo am-bavahady. Misy proteinina manao asa mitovy amin’izany koa eo amin’ny fonontsela.

Misy “mpiambina” eo amin’ny fonontsela. Misy zavatra tsy avelany hiditra, ary misy kosa tsy avelany hivoaka

Misy lavaka toy ny tionelina ny proteinina sasany (1), saingy tsy ny molekiola  rehetra no afaka miditra sy mivoaka eo. Ary ny proteinina hafa? Afaka misokatra sy mihidy ny andaniny roa aminy (2). Rehefa misy zavatra tonga eo aminy (3), dia misokatra izy mba hidiran’ilay izy ao anaty sela (4). Tsy ny zava-drehetra anefa no antonona eo, fa karazany iray ihany. Eo amin’ny fonontsela no mitranga izany rehetra izany.

NY AO ANATIN’ILAY “ORINASA”

Eritrereto hoe navelan’ny “mpiambina” niditra ianao, ary efa ao anatin’ilay sela tsy misy vihy izao. Misy ranoka feno zavatra mahavelona sy sira ary zavatra hafa ao. Ireo no ampiasain’ilay sela mba hanamboarany ny zavatra ilainy. Ahoana no ahavitany izany? Misy fiovana simika an’arivony ao. Mirindra tsara sy araka ny fotoanany avy anefa izany, tsy misy hafa amin’ny orinasa mihodina tsara.

Manamboatra proteinina no tena ataon’ny sela. Manao asidra amine 20 karazana eo ho eo aloha izy. Alefany any amin’ny ribôzôma (5) ireo asidra amine ireo avy eo. Toy ny milina ny ribôzôma. Hainy tsara izay karazana asidra amine ampiarahina mba hanome proteinina. Ordinatera no mibaiko ny milina rehetra ao amin’ny orinasa sasany. Toy izany koa fa maro amin’ny asa ataon’ny sela no miankina amin’ny ADN (6). Avy ao ny toromarika rehetra ilain’ny ribôzôma mba hahafantarany hoe inona no proteinina hamboarina ary ahoana no hanamboarana azy (7).

Mahavariana ny fomba anamboarana proteinina! Samy manana ny bikany izy ireo. Misy, ohatra, mivalombalona na koa miolakolaka (8). Arakaraka ny bikan’ny proteinina ny anjara asany. * Asa ianao raha efa nahita orinasa mpanao maotera. Tsy maintsy mety tsara ny fomba nanamboarana ny piesy tsirairay ao amin’ilay maotera, raha tsy izany dia tsy handeha izy io. Raha tsy mety tsara koa ny fomba anamboarana ny proteinina, dia tsy hiasa tsara izy io, ary mety hanimba an’ilay sela mihitsy aza.

Ilay “Orinasa” Mpanamboatra Proteinina: Toy ny orinasa misy milina baikoin’ny ordinatera ny sela. Feno zavatra manamboatra proteinina sy mandefa izany eran’ny vatana ao

Ary ahoana no ahatongavan’ny protei nina any amin’ny toerana ilana azy? Efa misy asidra amine manoro lalana azy ao anatiny. Tsy misy diso lalana mihitsy ny proteinina, na dia an’arivony isa-minitra aza no amboarina sy mifamezivezy.

Nahoana izany no tsara ho fantatra? Tsy mahavita tena ny molekiola be pitsiny ao anatin’ny sela. Potika izy ireo raha any ivelan’ny sela. Tsy afaka mitombo isa koa anefa izy rehefa ao anaty sela, raha tsy eo ny molekiola hafa. Ilaina, ohatra, ny anzima mba hanamboarana an’ilay molekiola manome hery atao hoe adénosine triphosphate (ATP). Ilaina koa anefa io ATP io mba hanaovana anzima. Tsy hisy koa ny anzima raha tsy eo ny ADN (horesahina ao amin’ny toko manaraka), nefa tsy hisy koa ny ADN raha tsy eo ny anzima. Ankoatra izany, dia ny sela ihany no mahavita proteinina, nefa koa ilaina ny proteinina mba hanamboarana sela. *

Tsy mino ilay mpikaroka momba ny zavamananaina bitika atao hoe Radu  Popa fa misy ny Mpamorona. Hoy anefa izy tamin’ny 2004: “Ahoana moa no hampisy ho azy ny zavamananaina, raha ny fanandramana rehetra nentina nanaporofoana izany aza tsy nisy nahomby?”13 Hoy koa izy: “Misy zavatra be dia be tsy maintsy miara-miasa ao anatin’ny sela. Tsy azo inoana hoe niara-nisy ho azy teo ireny.”14

Tsy maintsy ho rava io tranobe io, satria ratsy fototra. Tsy maintsy ho rava koa ny fampianarana momba ny evolisiona, satria tsy mazava amin’io fampianarana io hoe ahoana no nampisy ny zavamananaina

Ahoana ny hevitrao? Milaza ny mpino ny evolisiona fa nisy ho azy ny zavamananaina fa tsy noforonin’Andriamanitra. Mihamaro hatrany anefa ny zavatra fantatry ny mpahay siansa, ka vao mainka hita hoe tsy nisy ho azy teo ny zavamananaina. Milaza indray àry izao ny sasany amin’ireo mpahay siansa mino ny evolisiona fa mbola tsy tena fantatra hoe ahoana no nampisy ny zavamananaina voalohany indrindra. Ny azo antoka, hono, dia hoe nivoatra miandalana izy io taorian’ny nampisy azy. Ekenao ve izany?

Milaza izy ireo fa nisy zavatra maromaro nitranga ho azy tany aloha be tany, ary izany no nampisy ny zavamananaina. Zavatra nitranga ho azy koa, hono, no nahatonga ny zavamananaina ho maro karazana sy ho be pitsiny, tatỳ aoriana. Tombantombana ihany anefa ireo. Raha ilay fanazavan’izy ireo momba ny nampisy ny zavamananaina aza mbola tsy azo antoka, ho azo inoana ve ny fampianarana hafa mifandray amin’izany? Tsy maintsy ho rava ny tranobe iray, raha tsy tsara fototra. Tsy maintsy ho rava koa ny fampianarana momba ny evolisiona, satria tsy mazava amin’io fampianarana io hoe ahoana no nampisy ny zavamananaina.

Rehefa avy nandinika ny sela tsy misy vihy sy ny asany ianao, ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy ve ny zavamananaina sa nisy Mpamorona manan-tsaina nanao azy? Mbola misalasala ve ianao? Andeha àry hojerentsika ilay molekiola mibaiko ny asan’ny sela.

^ feh. 6 Mbola tsy voaporofo mihitsy hoe tena nisy tokoa izany.

^ feh. 18 Anisan’ny proteinina amboarin’ny sela ny anzima. Samy manana ny bikany ny anzima tsirairay, ary manafaingana ny fiovana simika ao amin’ny sela izany. An-jatony ny anzima miara-miasa mba hampirindra ny asan’ny sela.

^ feh. 20 Ahitana proteinina 10 000 tapitrisa eo ho eo ao amin’ny sela sasany ao amin’ny olona.11 Misy karazany ana hetsiny maro ireo proteinina ireo.12