Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2015

Fanafody Voajanahary ny Rivotra Madio sy Tara-masoandro

Fanafody Voajanahary ny Rivotra Madio sy Tara-masoandro

EFA tamin’ny 1950 tany ho any ny mpahay siansa no nahita ny antibiotika. Nanantena ny dokotera tamin’izay fa betsaka ny aretina tsy hisy intsony, noho io fanafody io. Nandaitra tokoa ilay izy tamin’ny voalohany. Rehefa niely be anefa ilay fanafody, dia lasa nahatanty antibiotika ny bakteria sasany.

Inona àry ny vahaolana? Nandinika ny fitsaboana tamin’ny andro taloha ny manam-pahaizana sasany, sao mbola mahasoa ihany ilay izy. Anisan’ny nampiasaina mba hamonoana mikraoba, ohatra, ny tara-masoandro sy rivotra madio.

Fitsaboana taloha

Dokotera anglisy maro no nanazava fa afaka manasitrana ny tara-masoandro sy rivotra madio. Anisan’izany i John Lettsom (1744-1815). Nasainy nitanina andro sy nifoka rivo-dranomasina ny ankizy voan’ny raboka na tioberkilaozy (BK). Toy izany koa ilay mpandidy atao hoe George Bodington. Nanazava izy tamin’ny 1840, fa mora voan’ny BK ny olona mihiboka an-trano foana. Tsy dia andairan’izy io kosa ireo miasa eny an-kalamanjana, toy ny mpamboly sy mpiasa tany ary mpiandry ondry.

Mpitsabo mpanampy nalaza koa i Florence Nightingale (1820-1910). Nampianatra fomba vaovao hikarakarana marary izy, rehefa nitsabo an’ireo miaramila naratra tamin’ny ady tany Crimée. Hoy izy: ‘Tsy henonareo ve hoe mihiboka sy mamofona be ny trano amin’ny alina, na vao maraina, raha mbola tsy mivoha ny varavarankely?’ Nasainy natao azon-drivotra tsara hoatran’ny any an-tokotany àry ny efitra tsirairay, saingy tsy avela hangatsiaka fotsiny ny marary. Hoy koa izy: ‘Hatramin’izay nikarakarako marary izay dia tena hitako hoe rivotra madio no ilain’ny marary voalohany, ary hazavana no ilainy faharoa. Sady tsy hoe hazavana tsotra fotsiny no ilainy fa tara-masoandro mihitsy.’ Maro koa tamin’izany no nino fa mahasalama kokoa raha ahahy amin’ny masoandro ny akanjo sy lambam-pandriana.

 Nandroso ihany ny fitsaboana taorian’izay, nefa mbola marina foana hoe mahasalama ny rivotra madio sy ny tara-masoandro. Nisy fanadihadiana natao, ohatra, tany Chine tamin’ny 2011, ka hita fa ‘mora voan’ny aretin-tratra’ ny mpianatry ny oniversite rehefa be olona nefa tsy ampy rivotra ny trano fatoriany.

Miaiky ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) fa tokony havela hiditra tsara ao an-trano ny rivotra avy any an-tokotany. Misoroka aretina izany, sady manampy ny marary ho sitrana. Nanome toromarika àry ny OMS tamin’ny 2009, hoe mila atao azon-drivotra tsara ny tobim-pahasalamana isan-tsokajiny. *

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Tena misy porofo ara-tsiansa ve izany? Nahoana no lazaina hoe mamono mikraoba ny rivotra sy tara-masoandro?’

Mpamono mikraoba voajanahary

Nanao fanandramana ny Minisiteran’ny Fiarovana tany Royaume-Uni. Nodinihin’ny mpahay siansa hoe raha misy manapoaka fitaovam-piadiana misy otrikaretina ao Londres, dia haharitra hafiriana no hankarary na hahafaty ny rivotra any. Tian’izy ireo ho fantatra hoe velona hafiriana ny mikraoba eny amin’ny rivotra, ka naka tranon-kala izy ary nasiany bakteria E. coli, dia nataony azon-drivotra. Tamin’ny alina no natao ilay fanandramana, satria efa fantatra fa maty ireny bakteria ireny raha tratran’ny masoandro. Inona no vokany?

Adiny roa teo ho eo dia efa saika maty daholo ireo bakteria. Rehefa nandramana kosa hoe natao tao anaty boaty nihidy ireo bakteria, dia mbola velona ny ankamaroany rehefa afaka adiny roa, na dia nitovy ihany aza ny hafanana sy hamandoana tamin’ireo fanandramana roa ireo. Mazava àry fa misy zavatra mamono mikraoba eny amin’ny rivotra. Tsy tena fantatra anefa hoe inona izy io. Milaza fotsiny ny manam-pahaizana fa misy zavatra miforona ho azy eny amin’ny rivotra, ka “mamono an’izay mikraoba na bakteria eny amin’ny atmosfera.”

Mahafaty mikraoba koa ny masoandro. Nanazava ny gazety iray momba ny fahasalamana hoe: “Maro ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny rivotra, nefa tsy mahatanty masoandro ny ankamaroan’ny mikraoba mahatonga azy ireny.”

Tsy mba tianao ve ny hahazo an’izany fanafody voajanahary izany? Maninona àry raha mitsangantsangana eny ivelany, ka mba mifoka rivotra madio sy mitanina andro kely? Tena hahasoa anao izany.

^ feh. 8 Amin’ny fotoana sasany anefa, tsara kokoa raha tsy sokafana ny varavarankely. Ohatra hoe maloto be ny rivotra eny ivelany, na misy tabataba be, na koa ho fiarovana amin’ny mpangalatra sy ny hain-trano.

Fanampim-panazavana

MIFOHAZA!

Tandrovy ny Fahasalamanao

Misy zavatra tsotsotra mety hanampy anao hisoroka aretina sy fanaintainana sady hanampy anao tsy ho lany vola sy fotoana.