Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! MARTSA 2015

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao

Didy Nampizara Roa An’izao Tontolo Izao

Niverina i Christophe Colomb tamin’ny taona 1493, rehefa avy nahita voalohany an’ireo tanin’i Amerika. Samy te hanjanaka sy hanao raharaham-barotra tany amin’ireo tany ireo ny mpanjakan’i Espaina sy Portogaly. Tsy nitovy hevitra anefa izy ireo hoe ahoana no hizarana azy. Nangatahin’i Espaina àry ny Papa Aleksandra Faha-6, mba hizara an’ilay faritra.

NY PAPA SY NY MPANJAKA NO NIZARA NY TANY

Efa nifanaraka i Espaina sy Portogaly ary ireo papa, hoe ahoana no hizarana an’ireo tany vao hita. Tamin’ny 1455, ohatra, dia namoaka didy ny Papa Nicolas Faha-5 hoe ananan’ny Portogey fahefana feno ireo tany sy nosy rehetra any amin’ny morontsiraka andrefan’i Afrika, ka azony alaina daholo izay hitany any. Tamin’ny 1479 indray, dia lasan’i Ferdinand sy Isabelle mpanjakan’i Espaina ny Nosy Canaries. Nomen’i Afonso Faha-5 mpanjakan’i Portogaly sy ny Printsy Jean zanany ho azy ireo mantsy izany, araka ilay Fifanarahana tao Alcáçovas. Ho takalon’izany kosa, dia navelan’i Espaina tanteraka ho an’i Portogaly ny nosy Açores sy Cap-Vert ary Madère. Toy izany koa ny raharaham-barotra tany Afrika. Nanamafy an’io fifanarahana io ny Papa Sixte Faha-4, roa taona tatỳ aoriana, ka nilaza fa ho an’i Portogaly avokoa izay tany vaovao hita any atsimo sy any atsinanan’ny Nosy Canaries.

Rehefa nahita an’ireo tanin’i Amerika anefa i Christophe Colomb, dia nilaza ny Printsy Jean, izay lasa Mpanjaka Jean II, hoe an’i Portogaly ilay izy. Tsy nanaiky an’izany mihitsy ny mpitondra tany Espaina. Nangatahin’izy ireo àry i Aleksandra Faha-6, izay papa vaovao tamin’izany, mba hanome azy ireo ny zo hanjanaka an’ireo tany vao hita sy hampiova ny olona any ho lasa Kristianina.

Ny didy navoakan’ny Papa Aleksandra Faha-6 no nampizara roa an’izao tontolo izao

 Namoaka didy anankitelo i Aleksandra ho valin’izany. Voalohany, nilaza izy hoe: ‘Amin’ny alalan’ilay Andriamanitra Tsitoha’, dia omena fahefana feno amin’ireo tany vaovao i Espaina, sady tsy azo ovana izany. Faharoa, nofaritany hoe ny ilany andrefana manontolo, manomboka eo amin’ny 560 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Cap-Vert, dia lasan’i Espaina daholo. Eo ambany fahefan’izy ireo àry izay tany vaovao amin’iny faritra iny. Io didy navoakan’ny papa io no nampizara roa an’izao tontolo izao! Fahatelo, mbola nitariny niantsinanana hatrany Inde koa ny faritra homena an’i Espaina. Mazava ho azy fa tezitra be ny Mpanjaka Jean. Vao tsy ela talohan’izay mantsy ny Portogey no nihodina an’i Afrika mba haka an’ireo tany manodidina ny Oseana Indianina.

NAMBOARINA ILAY FIZARANA

Tsy te hifampiraharaha tamin’i Aleksandra * intsony i Jean, ka lasa nifandamina tamin’i Ferdinand sy Isabelle. Hoy i William Bernstein, mpanoratra: “Natahotra an’ireo Portogey ny Espaniola, ka nanaiky hifandamina. Efa betsaka rahateo ny faritra vao azon’i Espaina tany amin’ireo tanin’i Amerika.” Nanao fifanarahana àry ny roa tonta tamin’ny 1494 tao an-tanànan’i Tordesillas, any Espaina, ary nantsoina hoe Fifanarahana tao Tordesillas ilay izy.

Araka an’io fifanarahana io, dia nohajaina ihany ilay didy nataon’i Aleksandra, saingy nasiana fanovana. Raha ny tokony ho izy, dia i Afrika manontolo sy Azia no anjaran’i Portogaly, ary ireo tanin’i Amerika kosa no an’i Espaina. Nakisaka tany amin’ny 1 480 kilaometatra andrefan’i Cap-Vert anefa ny faritra ho an’ny Espaniola. Niampy àry ny faritra azon’ny Portogey, ka lasan’izy ireo ny ampahany lehibe tamin’ilay tany nantsoina hoe Brezila tatỳ aoriana.

Be dia be ny ra nandriaka vokatr’ireo didy navoakan’ny papa, izay nanome fahefana an’i Espaina sy Portogaly mba hanjana-tany. Tsy vitan’ny hoe voahitsakitsaka ny zon’ny olona tany amin’ireny faritra ireny, fa nampijalina koa izy ireo ary nalaina ny fananany. Ankoatra izany, dia naharitra taonjato maro ny adin’ireo firenena, satria samy te hanjanaka an’ireo tany vaovao sy hifehy ny ranomasina.

^ feh. 9 Miresaka ny tantaran’io papa nalaza ratsy io ilay lahatsoratra hoe “Tsy Hadinon’i Roma Mihitsy ny Papa Alexandre VI”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 2003, pejy 26-29.