Salamo 91:1-16

  • Fiarovana ao amin’ny toerana miafin’i Jehovah

    • Nafahana tamin’ny mpamandri-borona (3)

    • Mialoka eo ambany elatr’i Jehovah (4)

    • Voaro na dia misy an’arivony lavo aza (7)

    • Nomena baiko ny anjely mba hiaro (11)

91  Izay mipetraka ao amin’ny toerana miafin’ny Avo Indrindra,+Dia honina ao ambany alok’Ilay Mahery Indrindra.+  2  Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: “Fialofako ianao, ary manda fiarovana ho ahy,+Andriamanitro izay itokisako.”+  3  Fa hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona izy,Sy amin’ny areti-mandringana.  4  Hanarona anao amin’ny volon’elany izy,*Ary ao ambany elany no hialofanao.+ Ho ampinga lehibe+ sy ho manda fiarovana ny tsy fivadihany.+  5  Tsy hatahotra an’izay mampihorohoro amin’ny alina+ ianao,Na hatahotra ny zana-tsipìka misidina amin’ny antoandro,+  6  Na ny areti-mandringana misoko mangina ao anaty haizina,Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.  7  Na dia hisy arivo ho lavo aza eo anilanao,Ary iray alina eo ankavananao,Dia tsy hisy hanakaiky anao izany loza izany.+  8  Hitaza-maso an’izany fotsiny ianao,Ary ho hitanao ny hanasaziana* ny ratsy fanahy.  9  Koa satria efa nilaza ianao hoe: “Fialofako i Jehovah”, Dia nataonao fonenanao* ny Avo Indrindra.+ 10  Tsy hisy loza hanjo anao,+Na zava-dratsy hanakaiky ny tranolainao. 11  Fa homeny baiko hanampy anao ny anjeliny,+Mba hiaro anao any amin’izay rehetra alehanao.+ 12  Hitondra anao eny an-tanany izy ireo,+Mba tsy hidona amin’ny vato ny tongotrao.+ 13  Hohitsakitsahinao ny liona tanora sy ny kôbrà;Hanosihosy liona matanjaka sy bibilava ngezabe+ ianao. 14  Hoy Andriamanitra: “Hamonjy azy aho+ satria miraiki-po amiko izy. Harovako izy satria fantany* ny anarako.+ 15  Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho.+ Ho eo akaikiny aho rehefa mijaly izy.+ Hamonjy azy aho ary hanome voninahitra azy. 16  Hataoko ela velona izy,+Ary hataoko izay hahitany ny asa famonjeko.”*+

Fanamarihana

Na: “Ny volon’elany no hisakanany an’izay manatona anao.”
Abt: “hamaliana.”
Na mety hoe “fiarovana mafy ho anao; fialofanao.”
Na: “ekeny.”
Na: “hasehoko azy ny famonjeko.”