Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 59

Ho Vitanao ny Hiaritra Fanenjehana

Ho Vitanao ny Hiaritra Fanenjehana

Tsy maintsy hiatrika fanoherana daholo ny Kristianina na ho ela na ho haingana. Mety henjehina mihitsy aza isika. Tokony hampatahotra antsika ve izany?

1. Nahoana no efa ampoizintsika hoe henjehina isika?

Mazava be ny lazain’ny Baiboly hoe: “Henjehina ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin’ny fiainany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Nenjehin’ny olona i Jesosy satria tsy anisan’ny tontolon’i Satana. Tsy anisan’ity tontolo ity koa isika, ka tsy gaga rehefa enjehin’ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana.​—Jaona 15:18, 19.

2. Inona no hanampy antsika ho vonona hiatrika fanenjehana?

Mila miezaka matoky kokoa an’i Jehovah isika dieny izao. Manokàna fotoana isan’andro mba hivavahana aminy sy hamakiana ny Teniny. Manatreha foana fivoriana. Raha manao an’ireo ianao, dia ho be herim-po sady hanana hery hiatrehana fanenjehana. Hahavita hiaritra ianao amin’izay, na dia ny mpianakavinao aza no manenjika anao. Matetika ny apostoly Paoly no nenjehina, nefa nilaza izy hoe: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”​—Hebreo 13:6.

Ho be herim-po koa isika raha mitory foana. Rehefa mitory mantsy isika dia mianatra miantehitra amin’i Jehovah sady lasa tsy matahotra olona. (Ohabolana 29:25) Raha sahy mitory ianao dieny izao, dia ho vonona hitory foana na dia manakana anao aza ny fitondram-panjakana.​—1 Tesalonianina 2:2.

3. Inona no soa raisintsika rehefa miaritra fanenjehana isika?

Marina aloha fa tsy mahafaly antsika ilay hoe enjehina. Lasa manam-pinoana kokoa anefa isika rehefa mahavita miaritra an’ilay izy. Vao mainka koa isika lasa akaiky an’i Jehovah. Tsapantsika mantsy hoe tena manampy izy rehefa mitady tsy hahavita hiaritra intsony isika. (Vakio ny Jakoba 1:2-4.) Malahelo i Jehovah mahita antsika mijaly, nefa faly izy mahita antsika miaritra. Milaza ny Baiboly hoe: “Raha miaritra fijaliana ... ianareo satria manao ny tsara, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (1 Petera 2:20) Inona no valisoa homen’i Jehovah antsika raha tsy mivadika mihitsy isika? Hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao isika, ary tsy hisy hanohitra ny fivavahana marina intsony amin’izay.​—Matio 24:13.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe nahoana isika no hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah na dia misy manenjika aza, ary inona no valisoa ho azontsika.

4. Hahavita hiaritra ianao na dia enjehin’ny fianakaviana aza

Fantatr’i Jesosy tsara hoe mety tsy ho faly ny fianakaviantsika rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah isika. Vakio ny Matio 10:34-36, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no mety hitranga rehefa manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah ny olona iray?

Hijery ohatra iray amin’izany isika. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no hataonao raha misy namana na fianakaviana manakana anao tsy hanompo an’i Jehovah?

Vakio ny Salamo 27:10 sy ny Marka 10:29, 30. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana io fampanantenana io no mety hanampy anao raha misy namana na fianakaviana manohitra anao?

5. Manompoa foana an’i Jehovah na dia enjehina aza

Mila herim-po ilay hoe manompo an’i Jehovah rehefa misy manakana antsika tsy hanao an’izany. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona tamin’ilay video no mampahery anao?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:27-29 sy ny Hebreo 10:24, 25. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe mitory sy mivory foana, na dia manakana antsika aza ny fitondram-panjakana?

6. Hanampy anao hiaritra i Jehovah

Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nenjehina, nefa nanohy nanompo an’i Jehovah foana. Avy amin’ny firenena samihafa izy ireo ary tsy mitovy taona. Inona no nanampy azy ireo? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no nahavita niaritra ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay video?

Vakio ny Romanina 8:35, 37-39 sy ny Filipianina 4:13. Isaky ny avy mamaky andinin-teny iray, dia iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana io andinin-teny io no manome toky anao hoe ho vitanao ny hiaritra, na inona na inona fitsapana mahazo anao?

Vakio ny Matio 5:10-12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana ianao no afaka ny ho sambatra na dia enjehina aza?

Mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany no nahavita niaritra fanoherana. Ho vitanao koa izany!

MISY MITENY HOE: “Tsy vitako izany miaritra fanenjehana izany.”

  • Inona ny andinin-teny mety hanome toky azy hoe ho vitany izany?

FAMINTINANA

Tena sarobidy amin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy na dia enjehina aza isika. Hanampy antsika izy dia hahavita hiaritra isika.

Famerenana

  • Nahoana no tokony hampoizin’ny Kristianina hoe henjehina izy?

  • Inona no azonao atao dieny izao mba ho vonona hiatrika fanenjehana ianao?

  • Nahoana ianao no afaka matoky hoe ho vitanao ny hanompo an’i Jehovah na dia misy fitsapana aza?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Hazavain’ity rahalahy tanora ity hoe ahoana no nanampian’i Jehovah azy hiaritra tamin’izy nogadraina.

Miezaha Hiaritra na dia Misy Manenjika Aza (2:34)

Nanompo an’i Jehovah foana ny mpivady iray, nandritra ny taona maro, na dia nisy fanoherana aza. Inona no nanampy azy ireo?

Nanompo An’i Jehovah Foana na dia teo aza ny Fiovana (7:14)

Inona no hanampy anao ho be herim-po rehefa misy fanenjehana?

“Dieny Izao dia Miomàna Hiatrika Fanenjehana!” (Ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2019)

Inona no tokony hotadidintsika raha manohitra antsika ny fianakaviantsika? Ary inona no hanampy antsika hahavita hiatrika an’izany?

“‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’” (Ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2017)