Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 33

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Efa mitondra any an-danitra izao ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho ela izy io dia hitondra ny tany, ary ho lasa tsara be ny fiainana amin’izay. Hojerentsika hoe inona ny zavatra sasany hataon’io Fanjakana io.

1. Inona no hataon’ilay Fanjakana mba hampilamina ny fiainana sy hampanjaka ny rariny?

Handringana ny ratsy fanahy sy hanafoana ny fitondran’olombelona i Jesosy Mpanjaka, amin’ny ady Aramagedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Ho tanteraka ity fampanantenan’ny Baiboly ity amin’izay: “Kely sisa dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.” (Salamo 37:10) Hampiasa an’ilay Fanjakana i Jesosy mba hampilamina ny fiainana eto an-tany sy hampanjaka ny rariny.​—Vakio ny Isaia 11:4.

2. Hanao ahoana ny fiainana rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?

Rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ‘handova ny tany ny olo-marina, ka honina eo mandrakizay.’ (Salamo 37:29) Eritrereto ange izany e! Olona tsara fanahy daholo no miara-miaina aminao, ary tia an’i Jehovah ry zareo sady tena mifankatia. Tsy hisy harary intsony, ary hiaina mandrakizay ny olona rehetra.

3. Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa ringana ny ratsy fanahy?

Hanjaka mandritra ny 1 000 taona i Jesosy, rehefa ringana ny ratsy fanahy. Mandritra an’io fotoana io, dia hanampy ny olombelona mba ho lasa lavorary izy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy. Efa lasa paradisa tsara tarehy ny tany rehefa tapitra ny 1 000 taona, ary ho sambatra daholo ny olona satria mankatò ny lalàn’i Jehovah. Haverin’i Jesosy amin’i Jehovah Rainy avy eo ny fanjakana. Amin’izay vao tena hohamasinina ny anaran’i Jehovah. (Matio 6:9, 10) Ho voaporofo mantsy hoe tena mahay mitondra i Jehovah sady tia ny vahoakany. Horinganin’i Jehovah avy eo i Satana sy ny demonia ary ny olona rehetra manohitra ny fitondrany. (Apokalypsy 20:7-10) Haharitra mandrakizay ny zavatra tsara hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hampiasa ny Fanjakany i Jehovah mba hanatanterahana ny fampanantenan’ny Baiboly momba ny hoavy. Hodinihintsika hoe nahoana isika no afaka matoky an’izany.

4. Hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitondran’olombelona

Mijaly ny vahoaka rehefa ny olona samy olona no mifampitondra. (Mpitoriteny 8:9) Hampiasa ny Fanjakany i Jehovah mba hanesorana an’izany tsy rariny izany.

Vakio ny Daniela 2:44 sy ny 2 Tesalonianina 1:6-8, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Hataon’i Jehovah sy Jesosy ahoana ny fitondran’olombelona sy ireo mpanohana azy?

  • Inona tamin’ny zavatra nianaranao momba an’i Jehovah sy Jesosy no manome toky anao hoe ho ara-drariny ny zavatra hataon’izy ireo?

5. I Jesosy no Mpanjaka tsara indrindra

Rehefa hitondra ny tany i Jesosy, dia be dia be ny zavatra hataony mba hahasoa ny vahoakany. Efa nasehon’i Jesosy hoe te hanampy ny olona izy sady nomen’Andriamanitra hery hanaovana an’izany. Alefaso ilay VIDEO.

Nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany hoe inona no hataon’ilay Fanjakana. Iza amin’ireto fitahiana ireto no mba tena tsy andrinao? Vakio ny andinin-teny miaraka aminy.

ZAVATRA NATAON’I JESOSY TALOHA:

ZAVATRA HATAON’I JESOSY AMIN’NY HOAVY:

  • Hanome sakafo ampy tsara ho an’ny rehetra.​—Salamo 72:16.

6. Ho tsara be ny fiainana amin’ny hoavy

Hahafinaritra be hoatran’ilay nieritreretan’i Jehovah azy tamin’ny voalohany ny fiainana, rehefa hitondra ny tany ilay Fanjakana. Hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona. I Jesosy Zanany no ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana an’izany. Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Salamo 145:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • ‘Hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ i Jehovah. Inona no tsapanao rehefa fantatrao izany?

MISY MITENY HOE: “Raha miray hina daholo isika, dia ho voavahantsika ny olana maneran-tany.”

  • Inona no olana tsy voavahan’ny fitondran’olombelona nefa hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra?

FAMINTINANA

Hahavita an’izay rehetra tokony hataony ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanova ny tany manontolo ho paradisa izy io. Olona tsara fanahy daholo no hiaina eto amin’izay, ary hanompo an’i Jehovah mandrakizay izy ireo.

Famerenana

  • Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah?

  • Nahoana isika no afaka matoky hoe hanatanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Inona amin’ny zavatra hataon’ilay Fanjakana no mba tena tsy andrinao?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Hanjaka 1 000 taona i Jesosy. Inona no hitranga mandritra an’io fotoana io sy amin’ny faran’izy io?

“Inona no Hitranga Amin’ny Andro Fitsarana?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2012)

Ho hitanao ato hoe afaka misaintsaina ny fiainana ao amin’ny Paradisa ny mpianakavy.

Inona no Hataonao any Amin’ny Paradisa? (1:50)

Mpanohitra ny fitondrana ny lehilahy iray. Ahoana no nahitany ny valin’ny fanontaniana nampiady saina azy? Vakio ilay tantara hoe “Nisy Fanontaniana Maro Nampikorontana ny Saiko.”

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2012)