Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 27

Nahoana no Manavotra Antsika ny Nahafatesan’i Jesosy?

Nahoana no Manavotra Antsika ny Nahafatesan’i Jesosy?

Lasa mpanota sy mijaly ary maty isika, satria tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. a Mbola misy fanantenana anefa. Nanao zavatra mantsy i Jehovah mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany izy mba ho faty ho antsika. Milaza ny Baiboly hoe nanome vidim-panavotana i Jesosy rehefa maty. Ny vidim-panavotana dia zava-tsarobidy omena mba hanavotana olona. Ny ainy lavorary no nomen’i Jesosy mba hanavotana antsika. (Vakio ny Matio 20:28.) Afaka niaina mandrakizay i Jesosy tamin’izy teto an-tany, satria lavorary izy sady nankatò an’i Jehovah foana. Nanaiky ho faty ho antsika anefa izy, satria tiany ho azontsika indray ny zavatra nafoin’i Adama sy Eva. Nasehon’i Jesosy koa hoe tena tia antsika izy sy Jehovah. Hanampy anao hankasitraka kokoa ny sorona nataon’i Jesosy ity lesona ity.

1. Inona no soa raisintsika dieny izao noho i Jesosy maty ho antsika?

Mpanota isika dia imbetsaka no manao zavatra tsy tian’i Jehovah. Ho lasa mpinamana be aminy anefa isika raha tena manenina, mangataka famelan-keloka aminy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ary miezaka mafy mba tsy hamerina an’ilay fahadisoana intsony. (1 Jaona 2:1) Milaza ny Baiboly hoe: “Maty indray mandeha fotsiny noho ny ota [i Kristy], izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.”​—1 Petera 3:18.

2. Inona no soa horaisintsika amin’ny hoavy noho i Jesosy maty ho antsika?

Nirahin’i Jehovah i Jesosy mba hanao sorona ny ainy lavorary, amin’izay dia “tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Lasa nisy zava-dratsy be dia be rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama. Noho ny zavatra nataon’i Jesosy anefa, dia ho afaka hanafoana an’ireny zava-dratsy ireny i Jehovah. Kely sisa izy dia hanao an’izany. Raha maneho finoana ny sorona nataon’i Jesosy isika, dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.​—Isaia 65:21-23.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe nahoana i Jesosy no nahafoy ny ainy, ary nahoana izany no mahasoa anao.

3. Manafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana ny sorona nataon’i Jesosy

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona no nafoin’i Adama rehefa tsy nankatò an’Andriamanitra izy?

Vakio ny Romanina 5:12, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Rehefa nanota i Adama, dia inona no vokatr’izany tamintsika?

Vakio ny Jaona 3:16, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Nahoana i Jehovah no naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany?

  1. Lavorary i Adama nefa tsy nankatò an’Andriamanitra. Lasa mpanota sy maty ny olona rehetra noho izany

  2. Lavorary i Jesosy ary nankatò an’Andriamanitra foana. Afaka ny ho lavorary indray sy hiaina mandrakizay ny olona rehetra noho izany

4. Mahasoa ny olona rehetra ny sorona nataon’i Jesosy

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nahoana no mitombina ilay hoe olona iray no maty dia ny olona rehetra no mandray soa?

Vakio ny 1 Timoty 2:5, 6, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Lavorary i Adama, nefa nanota izy ka lasa mpanota sy maty ny olona rehetra. Lavorary koa i Jesosy. Nahoana no azo lazaina hoe “vidim-panavotana mifandanja” no nomeny?

5. Fanomezan’i Jehovah ho anao ny vidim-panavotana

Ahoana no fiheveran’ny naman’i Jehovah ny vidim-panavotana? Raisin’izy ireo ho fanomezana natao ho azy mihitsy ilay izy. Vakio ny Galatianina 2:20, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no mampiseho hoe noraisin’ny apostoly Paoly ho fanomezana natao ho azy ny vidim-panavotana?

Rehefa nanota i Adama, dia voaheloka ho faty izy sy ny taranany. Nirahin’i Jehovah anefa ny Zanany mba ho faty ho anao, amin’izay ianao ho afaka hiaina mandrakizay.

Rehefa mamaky an’ireto andinin-teny ireto ianao, dia eritrereto izay tsapan’i Jehovah rehefa nijaly ny Zanany. Vakio ny Jaona 19:1-7, 16-18, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho anao ianao?

METY HISY HANONTANY HOE: “Ahoana koa izany hoe olona iray no maty dia ny olona rehetra no voavonjy?”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Afaka mamela ny helotsika i Jehovah noho ny sorona nataon’i Jesosy. Ho afaka hiaina mandrakizay koa isika.

Famerenana

  • Inona no antony nahafatesan’i Jesosy?

  • Nahoana no lazaina hoe vidim-panavotana mifandanja ny aina lavorary nomen’i Jesosy?

  • Nahoana no mahasoa anao ny nahafatesan’i Jesosy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Nahoana no antsoina hoe vidim-panavotana ny aina lavorary nomen’i Jesosy?

“Nahoana ny Soron’i Jesosy no Lazaina fa ‘Avotra Hisolo ny Maro’?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no mila ataontsika raha te ho voavonjy isika?

“Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Afaka mamela ny olona iray ve i Jehovah raha nanao fahotana lehibe izy?

“Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2013)

Nahoana no nanampy lehilahy iray hanova ny toetrany ny nianatra momba ny soron’i Kristy?

“Tsy Mahery Setra Intsony Aho” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

a Tsy hoe rehefa manao zavatra ratsy ihany isika vao atao hoe manota. Antsoina hoe mpanota koa isika satria taranak’i Adama sy Eva dia mora voatarika hanao ratsy.