Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 01

Afaka Manampy Anao ny Baiboly

Afaka Manampy Anao ny Baiboly

Efa nanontany ny ankamaroantsika hoe maninona isika no mijaly sy maty, na hoe hanao ahoana ny hoavy. Mety hampiady saina antsika koa ny fitadiavam-bola, ary tiantsika ho fantatra hoe ahoana no hahasambatra ny fianakaviantsika. Betsaka no mahita hoe mamaly ny fanontaniana manahiran-tsaina azy ny Baiboly, sady manome torohevitra manampy azy eo amin’ny fiainana andavanandro. Tena afaka manampy ny olona ve ny Baiboly, araka ny hevitrao?

1. Inona, ohatra, ny fanontaniana valian’ny Baiboly?

Mamaly an’ireto fanontaniana mampiady saina ireto ny Baiboly: Nisy namorona ve izao rehetra izao? Inona no antony namoronana antsika? Maninona ny tsara fanahy no mijaly? Manao ahoana ny olona rehefa maty? Maninona no be dia be ny ady nefa ny olona samy te hanana fiainana milamina daholo? Ho potika ve ny tany indray andro any? Mampirisika antsika hitady ny valin’ny fanontaniana hoatr’ireo ny Baiboly, ary olona an-tapitrisany no mahita hoe tena mahafa-po ny valiny omeny.

2. Nahoana ny Baiboly no manampy antsika eo amin’ny fiainana andavanandro?

Manome torohevitra tsara ny Baiboly. Atorony, ohatra, hoe inona no tena mahasambatra ny fianakaviana. Resahiny koa hoe inona no azo atao mba tsy hiady saina be loatra, ary inona no hanampy antsika ho tia ny asantsika. Ho fantatrao izay lazain’ny Baiboly momba an’izany sy ny foto-kevitra hafa, rehefa miara-midinika an’ity boky ity isika. Ho resy lahatra ianao amin’izay hoe ‘mahasoa ny Soratra Masina iray manontolo.’​—2 Timoty 3:16.

Tsy solon’ny Baiboly ity boky ity. Mampirisika anao handinika ny Baiboly kosa izy ity. Tsara àry raha vakinao ny andinin-teny ao amin’ny lesona tsirairay. Jereo avy eo raha mifanaraka amin’izay ianaranao ilay izy na tsia.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe ahoana no nanampian’ny Baiboly ny olona sasany, ahoana no atao mba ho tia mamaky Baiboly, ary nahoana no ilaina ny fanampian’ny hafa raha te hahazo tsara azy io.

3. Mitari-dalana antsika ny Baiboly

Hoatran’ny jiro mazava be mitari-dalana antsika ny Baiboly. Afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara izy io, sady milaza amintsika hoe inona no hitranga amin’ny hoavy.

Vakio ny Salamo 119:105, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Raha jerena ny tenin’io mpanoratra salamo io, ahoana no fiheverany ny Baiboly?

  • Ahoana no fiheveranao ny Baiboly?

4. Mamaly ny fanontaniantsika ny Baiboly

Hitan’ny vehivavy iray hoe voavaly tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniana nampiady saina azy. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona ny fanontaniana nampiady saina an’ilay vehivavy tao amin’ilay video?

  • Inona ny soa azony rehefa nianatra Baiboly izy?

Mampirisika antsika hametraka fanontaniana ny Baiboly. Vakio ny Matio 7:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny fanontaniana manahiran-tsaina anao, ka mba tianao ho hita ao amin’ny Baiboly ny valiny?

5. Mahafinaritra ny mamaky Baiboly

Betsaka no tia mamaky Baiboly sady mandray soa avy amin’izany. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Ahoana no fiheveran’ny tanora an’izany hoe mamaky teny izany, araka ilay video?

  • Maninona anefa ry zareo no tia mamaky Baiboly?

Mampionona antsika sy mahatonga antsika hanana fanantenana ny Baiboly. Vakio ny Romanina 15:4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe afaka mampionona sy manome fanantenana anao ny Baiboly?

6. Hahazo tsara an’izay lazain’ny Baiboly isika raha misy manampy

Betsaka no mahita hoe tsy ampy ny mamaky Baiboly, fa ilaina koa ny miara-midinika azy io amin’ny olon-kafa. Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:26-31, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no hanampy antsika hahazo tsara an’izay lazain’ny Baiboly?​—Jereo ny andininy 30, 31.

Lasa nahazo tsara ny Soratra Masina ilay lehilahy etiopianina rehefa nisy nanampy azy. Betsaka koa no mahita hoe mandray soa izy rehefa misy olona miara-midinika ny Baiboly aminy

MISY MITENY HOE: “Mandany andro fotsiny izany mianatra Baiboly izany.”

  • Ahoana ny hevitrao?

FAMINTINANA

Manome torohevitra ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny Baiboly, mamaly an’ireo fanontaniana manahiran-tsaina, ary mampionona sy manome fanantenana.

Famerenana

  • Torohevitra hoatran’ny ahoana no hita ao amin’ny Baiboly?

  • Inona, ohatra, ny fanontaniana valian’ny Baiboly?

  • Inona no mba tianao hianarana ao amin’ny Baiboly?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Mbola azo ampiharina hatramin’izao ve ny torohevitry ny Baiboly?

“Tsy Mety Lany Andro ny Fampianaran’ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2018)

Tsy natoky tena sy tia nitokantokana ny lehilahy iray hatramin’izy mbola kely. Ahoana no nanampian’ny Baiboly azy?

Niova ny Fiainako ary Lasa Sambatra Aho! (2:53)

Ho hitanao ato ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny fianakaviana.

“Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana” (Mifohaza! No. 2 2018)

Betsaka no mieritreritra hoe Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao. Inona anefa no lazain’ny Baiboly?

Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?​—Video Manontolo (3:13)