Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 14

Ahoana no Tian’Andriamanitra Hanompoantsika Azy?

Ahoana no Tian’Andriamanitra Hanompoantsika Azy?

Hitantsika tao amin’ny lesona teo aloha hoe tsy ny fivavahana rehetra no tian’Andriamanitra. Na izany aza, dia afaka manompo an’Andriamanitra araka ny itiavany azy isika. Hoatran’ny ahoana àry ny “fivavahana” tiany? (Jakoba 1:27) Hodinihintsika hoe inona no ampianarin’ny Baiboly.

1. Inona no tokony harahintsika rehefa manompo an’Andriamanitra isika?

Tokony hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika. Nilaza i Jesosy hoe: “Ny [tenin’Andriamanitra] no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tsy miraharaha ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny fivavahana sasany, fa aleony fampianaran’olombelona sy fomban-drazana. Tsy ankasitrahan’i Jehovah anefa izay ‘miala amin’ny didiny.’ (Vakio ny Marka 7:9.) Mampifaly azy kosa isika raha manaraka an’izay lazain’ny Baiboly.

2. Ahoana no tokony hanompoantsika an’i Jehovah?

I Jehovah no Mpamorona antsika, ka tokony ho izy irery ihany no hotompointsika. (Apokalypsy 4:11) Midika izany hoe izy irery ihany no tokony ho tiantsika sy hivavahantsika. Tsy mety àry raha mampiasa sarivongana na zavatra hafa isika rehefa mivavaka aminy.​—Vakio ny Isaia 42:8.

Tokony ho ‘masina sy ankasitrahan’Andriamanitra’ ny fanompoantsika azy. (Romanina 12:1) Tsy maintsy mankatò ny lalàny àry isika. Raha tena tia an’i Jehovah, ohatra, ny olona iray dia ho tia sy hanaraka ny lalàny momba ny fanambadiana. Tsy hanao zavatra manimba fahasalamana koa izy, ohatra hoe mifoka sigara, mampiasa zava-mahadomelina, na misotro toaka be loatra. a

3. Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny hafa?

Afaka ‘midera an’i Jehovah eo anivon’ny fiangonana’ isika rehefa mivory isan-kerinandro. (Salamo 111:1, 2) Midera azy, ohatra, isika rehefa mihira any am-pivoriana. (Vakio ny Salamo 104:33.) Asain’i Jehovah mivory isika satria tia antsika izy, ary fantany hoe hanampy antsika ho sambatra mandrakizay izany. Afaka mifampahery koa isika rehefa mivory.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe nahoana no tsy tian’i Jehovah raha mampiasa sary na sarivongana isika rehefa mivavaka aminy. Ho hitantsika koa hoe ahoana no azontsika iderana an’Andriamanitra.

4. Tsy tokony hampiasa sary na sarivongana isika rehefa mivavaka

Nahoana isika no milaza hoe tsy tian’Andriamanitra izany? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Nisy fotoana nampiasa sarivongana ny sasany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nanompo azy. Inona no vokatr’izany?

Te hahatsapa hoe akaiky kokoa an’Andriamanitra ny olona sasany, ka mampiasa sary na sarivongana rehefa mivavaka. Tena lasa akaiky azy tokoa ve anefa ry zareo? Vakio ny Eksodosy 20:4-6 sy ny Salamo 106:35, 36, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona ny zavatra hitanao hoe ampiasain’ny olona rehefa mivavaka izy ireo?

  • Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fampiasana sary na sarivongana?

  • Ahoana no fahitanao ny fampiasana azy ireny?

5. Tsy voafitaka intsony isika rehefa i Jehovah irery ihany no tompointsika

Nahoana no tsy voafitaky ny fampianaran-diso intsony isika rehefa manompo an’i Jehovah araka ny itiavany azy? Alefaso ilay VIDEO.

Vakio ny Salamo 91:14, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hasehontsika hoe tia an’i Jehovah isika raha izy irery ihany no tompointsika. Inona no hataon’i Jehovah ho antsika rehefa manao an’izany isika?

6. Manompo an’Andriamanitra isika rehefa mivory

Midera an’i Jehovah sy mampahery ny hafa isika rehefa mihira sy manome valin-teny any am-pivoriana. Vakio ny Salamo 22:22, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahafinaritra anao ve ny naheno ny valin-tenin’ny olona tamin’ianao nanatrika fivoriana?

  • Mba te hanomana valin-teny iray ve ianao?

7. Faly i Jehovah rehefa resahintsika amin’ny hafa izay ianarantsika

Betsaka ny azontsika atao mba hiresahana ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Vakio ny Salamo 9:1 sy ny 34:1, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona ny zavatra nianaranao tao amin’ny Baiboly ka mba tianao horesahina amin’ny hafa?

MISY MITENY HOE: “Rehefa mino an’Andriamanitra ianao, dia mety foana izay fomba anompoanao azy.”

  • Ahoana ny hevitrao?

FAMINTINANA

Mampifaly an’ilay Mpamorona antsika isika rehefa manompo azy irery ihany, midera azy any am-pivoriana, ary miresaka amin’ny hafa an’izay nianarantsika.

Famerenana

  • Aiza isika no mahita ny fomba tokony hanompoana an’Andriamanitra?

  • Maninona isika no tokony hanompo an’i Jehovah irery ihany?

  • Nahoana isika no tokony hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo olona te hampifaly azy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no nanampy ny vehivavy iray tsy hanompo sampy intsony? Vakio ilay tantara hoe ‘Tsy Mpanompo Sampy Intsony Aho.’

“Manova Olona ny Baiboly” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2011)

Tsy mora tamin’ny tovolahy iray ny nandeha nivory. Inona anefa no soa noraisiny rehefa nivory izy?

Tena Nikarakara Ahy i Jehovah (3:07)

Betsaka no mino hoe ny lakroa no marika amantarana ny Kristianina. Tokony hampiasa azy io ve anefa isika?

“Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mampiasa Lakroa?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

a Horesahina any amin’ny lesona any aoriana ireo.