Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 07

Hoatran’ny Ahoana i Jehovah?

Hoatran’ny Ahoana i Jehovah?

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra an’i Jehovah Andriamanitra ianao? Misy miteny hoe manana toerana ambony be izy dia mendrika hohajaina, nefa sarotra ny mifandray aminy. Ny sasany indray mieritreritra hoe matanjaka be fotsiny izy fa tsy manana fihetseham-po. Hoatran’ny ahoana marina àry izy? Ampahafantariny ao amin’ny Baiboly ny toetrany, ary asehony ao koa hoe tia anao izy.

1. Maninona isika no tsy afaka mahita an’Andriamanitra?

“Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Tsy hoatran’ny an’ny olombelona ny vatany. Fanahy mipetraka any an-danitra izy, ary tsy afaka mahita ny any isika.

2. Inona, ohatra, ny toetran’i Jehovah?

Tsy afaka mahita an’i Jehovah isika. Rehefa mahafantatra azy anefa isika, dia lasa tia azy satria tena misy izy sady manana toetra tsara be dia be. Hoy ny Baiboly: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.” (Salamo 37:28) “Tena be fitiavana” koa izy “sady mamindra fo”, indrindra amin’ireo olona mijaly. (Jakoba 5:11) “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.” (Salamo 34:18) Fantatrao koa ve fa mety hahafaly an’i Jehovah na hampalahelo azy ny zavatra ataontsika? Diso fanantenana sy malahelo izy rehefa manao zavatra ratsy isika. (Salamo 78:40, 41) Tena faly kosa izy rehefa manao ny tsara isika.​—Vakio ny Ohabolana 27:11.

3. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tia antsika izy?

Ny fitiavana no toetran’i Jehovah miavaka indrindra. Milaza mihitsy ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy rehefa mamaky Baiboly ihany isika no mahita hoe be fitiavana izy, fa rehefa mandinika ny zavatra noforoniny koa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:17.) Diniho, ohatra, ny nanaovany antsika. Nataony afaka mahita loko tsara tarehy isika, mihaino mozika mahafinaritra, ary mankafy sakafo matsiro. Hita hoe tiany hankafy ny fiainana isika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no ampiasain’i Jehovah mba hahavitana zavatra miavaka, ary ahoana no ampisehoany ny toetrany.

4. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina

Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah rehefa manao zavatra, hoatr’antsika mampiasa ny tanantsika rehefa miasa. Milaza ny Baiboly hoe tsy Andriamanitra ny fanahy masina fa hery ampiasain’Andriamanitra. Vakio ny Lioka 11:13 sy ny Asan’ny Apostoly 2:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Homen’Andriamanitra fanahy masina izay rehetra mangataka an’izany aminy. Araka ny hevitrao, Andriamanitra ve izany ny fanahy masina sa hery ampiasain’Andriamanitra? Nahoana?

Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanaovana zavatra miavaka. Vakio ny Salamo 33:6 a sy ny 2 Petera 1:20, 21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana, ohatra, no nampiasan’i Jehovah ny fanahy masina?

5. Mahafinaritra ny toetran’i Jehovah

Efa ela i Mosesy no nanompo an’Andriamanitra, nefa mbola te hahafantatra bebe kokoa an’ilay Mpamorona azy izy. Niteny taminy i Mosesy hoe: ‘Ampahafantaro ahy ny lalanao, mba hahafantarako anao.’ (Eksodosy 33:13) Nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy àry hoe hoatran’ny ahoana ny toetrany. Vakio ny Eksodosy 34:4-6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona avy ny toetran’i Jehovah nampahafantariny an’i Mosesy?

  • Inona ny toetran’i Jehovah tena tianao?

6. Mahita ny fijalian’ny olona i Jehovah

Nisy fotoana andevo tany Ejipta ny vahoakan’Andriamanitra. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hitany ny fijalian’izy ireo? Alefaso ilay RAKI-PEO dia araho ao amin’ny Baibolinao, na vakio ny Eksodosy 3:1-10. Iaraho midinika avy eo ny fanontaniana.

  • Araka io tantara io, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita olona mijaly izy?​—Jereo ny andininy 7 sy 8.

  • Araka ny hevitrao, tena te hanampy ny olona ve i Jehovah ary vitany ve izany? Nahoana?

7. Hita amin’ny zavaboary ny toetran’i Jehovah

Hitantsika amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah ny toetrany. Alefaso ilay VIDEO. Vakio ny Romanina 1:20 avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

  • Inona avy ny toetran’i Jehovah hitanao avy amin’ny zavatra noforoniny?

MISY MITENY HOE: “Tsy miraharaha antsika Andriamanitra.”

  • Ahoana ny hevitrao?

  • Nahoana ianao no miteny an’izany?

FAMINTINANA

Fanahy tsy hita maso i Jehovah. Manana toetra tsara be dia be izy, ary ny fitiavana no lehibe indrindra amin’izany.

Famerenana

  • Maninona isika no tsy afaka mahita an’i Jehovah?

  • Inona ny fanahy masina?

  • Inona, ohatra, ny toetran’i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Manana toetra efatra tena miavaka i Jehovah. Inona avy izany?

“Hoatran’ny Ahoana Andriamanitra?” (Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2019)

Marina ve ilay hoe misy an’Andriamanitra daholo ny zava-drehetra?

“Eny Rehetra Eny ve Andriamanitra Amin’ny Fotoana Rehetra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana ny fanahy masina no antsoin’ny Baiboly hoe tanan’Andriamanitra?

“Inona moa ny Fanahy Masina?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Tsy nino ny lehilahy jamba iray hoe tia azy Andriamanitra. Inona no nampiova hevitra azy?

“Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2015)

a Ny fanahy masina no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘fofonaina’ ao amin’ny Salamo 33:6.