Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoatran’ny Ahoana Andriamanitra?

Hoatran’ny Ahoana Andriamanitra?

Lasa haintsika tsara ny olona iray rehefa fantatsika ny toetrany. Vao mainka tiantsika izy avy eo. Lasa haintsika tsara koa hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah rehefa fantatsika ny toetrany. Vao mainka isika amin’izay ho tia azy. Ireto no toetrany miavaka indrindra: Ny heriny, ny fahendreny, ny fitiavany ny rariny, ary ny fitiavany.

MAHERY IZY

“Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe.”JEREMIA 32:17.

Hita avy amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra hoe tena mahery izy. Eritrereto, ohatra, ny masoandro. Henontsika hoe mafana ny hoditsika rehefa ilay mitanina andro iny isika. Fa hoatran’ny ahoana marina ny hafanan’ny masoandro? Mahatratra 15 000 000 degre eo ho eo ny hafanana ao anatin’ny masoandro. Mamoaka hery mitovy amin’ny fipoahan’ny baomba ataomika an-jatony tapitrisa ny masoandro, isaky ny iray segondra.

Misy kintana an-tapitrisa tapitrisany eo amin’izao rehetra izao. Maro amin’ireny anefa no mbola ngeza noho ny masoandro. Anisan’ny ngeza indrindra ilay kintana antsoina hoe UY Scuti. Avo 1 700 heny eo ho eo ny savaivony raha oharina amin’ny an’ny masoandro. Raha atao eo amin’ny toeran’ny masoandro izy io, dia ho sarona ny planeta Mercure, Vénus, Tany, ary Mars. Ho tonga hatreny  amin’ny planeta Jupiter mihitsy aza izy io. Azontsika tsara izao hoe nahoana i Jeremia no nilaza fa tamin’ny heriny lehibe no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, izany hoe izao rehetra izao.

Nahoana izany no mahasoa antsika? Tsy velona isika raha tsy namorona ny masoandro sy ny zavatra hafa ilaintsika Andriamanitra. Mampiasa ny heriny koa izy mba hanampiana ny olona tsirairay. Nomen’i Jehovah hery, ohatra, i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, ka nahavita nanao fahagagana. Noho izany dia ‘nahiratra ny jamba, nandeha ny malemy, voadio ny boka, nandre ny marenina, ary natsangana ny maty.’ (Matio 11:5) Ary amin’izao? ‘Manome hery ny reraka’ i Jehovah, ary ‘hahazo hery indray izay manantena azy.’ (Isaia 40:29, 31) Omeny “hery fanampiny” koa isika rehefa miatrika olana. (2 Korintianina 4:7) Be fitiavana i Jehovah matoa mampiasa ny heriny mba hanampiana antsika. Tsy tianao ve ny hifandray akaiky amin’ny Andriamanitra hoatr’izany?

HENDRY SY MAHIRA-TSAINA IZY

“Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra.”SALAMO 104:24.

Vao mainka isika miaiky hoe tena hendry sy mahira-tsaina Andriamanitra, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny isika. Mianatra momba ny zavatra noforonin’i Jehovah mihitsy aza ny mpahay siansa sasany. Alainy tahaka ilay izy avy eo mba hahavitana fitaovana tsara kokoa, ohatra hoe fakan-tsary na fiaramanidina.

Mahavariana ny nanaovana ny masontsika

Ny fomba namoronan’Andriamanitra ny vatantsika no tena ahitana hoe mahira-tsaina izy. Eritrereto, ohatra, ny zaza ao am-bohoka. Sela iray fotsiny izy io amin’ny voalohany, ary efa ao daholo ny toromarika ilaina mba hampisy ny vatana. Mizara ho sela maromaro mitovitovy izy io avy eo. Lasa misy karazana sela 200 eo ho eo atỳ aoriana, ohatra hoe ny selan’ny ra, selam-pitatitra, na selan’ny taolana. Miforona ny taova avy eo sady manomboka manao ny asany. Lasa zazakely misy sela an’arivony tapitrisa ilay sela tokana tany am-boalohany, rehefa afaka sivy volana. Hita hoe tena mahira-tsaina ilay namorona antsika, ka lasa te hiteny hoatran’ny mpanao salamo isika hoe: “Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.”—Salamo 139:14.

Nahoana izany no mahasoa antsika? Fantatry ny Mpamorona hoe inona no mahasambatra antsika. Tena mahay izy, ka manome torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ilay hoe: “Mahaiza foana ... mifamela heloka tanteraka.” (Kolosianina 3:13) Tena tsara io torohevitra io. Hitan’ny mpikaroka mantsy hoe mahita tory tsara ny olona tia mamela heloka sady midina ny tosidrany. Tsy dia atahorana ho kivy be koa izy, na ho voan’ny aretina hafa. Hoatran’ny namana iray be fitiavana Andriamanitra, ka vonona hanome torohevitra tsara ho antsika foana. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy mba te hanana namana hoatr’izany ve ianao?

 TIA RARINY IZY

“Tia rariny i Jehovah.”SALAMO 37:28.

Manao ny rariny foana Andriamanitra. “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!” (Joba 34:10) Rariny foana ny didim-pitsarany. Izany no nahatonga ny mpanao salamo hilaza hoe: “Hotsarainao araka ny hitsiny ny vahoaka.” (Salamo 67:4) Mahita ny ao am-po izy. Tsy azo fitahina àry izy fa hainy foana ny tena marina. (1 Samoela 16:7) Hitany daholo koa ny tsy rariny sy ny zava-dratsy rehetra. Nampanantena àry izy fa tsy ho ela dia ‘ho ringana tsy ho amin’ny tany ny ratsy fanahy.’—Ohabolana 2:22.

Tsy hoe faly hanasazy fotsiny anefa izy. Mamindra fo izy raha mbola azo atao. Milaza ny Baiboly hoe amindrany fo sy anehoany hatsaram-panahy na dia ny olona nanao ratsy aza, rehefa tena mibebaka. Tsy izany ve no atao hoe rariny?—Salamo 103:8; 2 Petera 3:9.

Nahoana izany no mahasoa antsika? Nilaza ny apostoly Petera hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tsy manavakavaka izy. Afaka mifandray aminy sy ekeny ho mpanompony isika na avy aiza na avy aiza, na mainty na fotsy, na mahantra na manankarena, na nahita fianarana na tsia.

Tsy manavakavaka Andriamanitra, ka afaka mandray soa be dia be ny olona rehetra tsy an-kanavaka

Nomen’i Jehovah feon’ny fieritreretana isika, satria tiany ho azontsika ny atao hoe rariny. Ho afaka hanao ny rariny hoatr’azy koa isika amin’izay. Milaza ny Romanina 2:15 hoe lalàna ‘voasoratra ao am-po’ ny feon’ny fieritreretana, ary “vavolombelona” milaza amintsika raha mety ny ataontsika na tsia. Misakana antsika tsy hanao ratsy izy io raha voaofana tsara. Mandrisika antsika hibebaka sy hiova koa izy io, raha nanao fahadisoana isika. Rehefa haintsika àry hoe tia rariny i Jehovah, dia hanampy antsika izany ary handrisika antsika hanatona azy.

 BE FITIAVANA IZY

“Andriamanitra dia fitiavana.”1 JAONA 4:8.

Mahery sy hendry ary tia rariny Andriamanitra. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe Andriamanitra dia hery, na fahendrena, na rariny. Resahiny kosa hoe Andriamanitra dia fitiavana. Nahoana? Ny heriny no mahatonga azy hahavita zavatra. Ny fahendreny sy ny fitiavany ny rariny no manampy azy hamaritra hoe ahoana no hanaovana an’ilay izy. Ny fitiavany foana anefa no mahatonga an’i Jehovah hanao zavatra, na inona na inona ataony.

Tsy mila na inona na inona i Jehovah. Namorona ny olona sy ny anjely anefa izy noho ny fitiavany. Te hikarakara antsika izy sady tiany isika hahatsapa ny fitiavany. Nataony mety tsara ho antsika ny tany tamin’izy namorona azy io. Mbola asehony koa hatramin’izao hoe tiany ny olona rehetra, ka ‘mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy izy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.’—Matio 5:45.

‘Be fitiavana sy mamindra fo’ koa i Jehovah. (Jakoba 5:11) Tena tiany izay olona miezaka ny hahafantatra azy sy te hifandray akaiky aminy. “Tsy lavitra antsika tsirairay” mantsy izy.—Asan’ny Apostoly 17:27.

Nahoana izany no mahasoa antsika? Lasa mankafy fiainana isika. Eritrereto, ohatra, ny hafalianao rehefa miaraka amin’ny havana tia anao, na rehefa mahita masoandro mody tsara tarehy na zazakely mihomehy. Tsy hoe maty akory isika raha tsy misy an’ireo. Manome an’ireo kosa i Jehovah mba tena ho mamy amintsika ny miaina.

Avelan’i Jehovah hivavaka aminy koa isika satria tiany. Hoy ny Baiboly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” Toy ny ray be fitiavana izy, ka tiany isika raha mangataka fanampiana aminy rehefa misy zavatra mampiady saina antsika. Mampanantena izy fa hanome ‘ny fiadanany izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’—Filipianina 4:6, 7.

Lasa hainao izao hoe mahery Andriamanitra, hendry sy mahira-tsaina, tia rariny, ary be fitiavana. Andao hojerentsika indray hoe inona no efa nataony ary inona no mbola hataony ho anao. Vao mainka ho tianao izy amin’izay.

HOATRAN’NY AHOANA ANDRIAMANITRA? Tena mahery i Jehovah, hendry sy mahira-tsaina, ary tia rariny. Ilay izy be fitiavana anefa no tena itiavantsika azy