Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gresy, Grika

Gresy, Grika

GRESY, GRIKA

Avy amin’ny hoe Graikôi, anaran’ny foko iray tany avaratrandrefan’i Gresy. Graeci (teny latinina) no nilazan’ny Italianina ny mponina rehetra tany Gresy. Na i Aristote aza nampiasa ny hoe Graikôi tao amin’ny asa sorany, mba hilazana ny mponina rehetra tany.

Anarana hafa niantsoana azy ireo taloha koa ny hoe Ionianina. Ahitana io anarana io ny soratra miendri-pantsika asyrianina nanomboka tamin’ny taonjato fahavalo T.K., sy ny tantara persianina sy ejipsianina. Avy amin’ny hoe Javana (heb.: Yavan) ny hoe Ionianina. Zanak’i Jafeta i Javana zafikelin’i Noa, ary razamben’ireo mponina fahiny tany Gresy sy ireo nosy manodidina, mbamin’ireo tany Sipra sy ny faritra sasany atsimon’i Italia sy Sisila ary Espaina.—Ge 10:1, 2, 4, 5; 1Ta 1:4, 5, 7; jereo ELISAHA; JAVANA; KITIMA.

Ilay ranomasina eo anelanelan’ny faritra atsimon’i Italia sy ny faritra atsimon’i Gresy mbamin’ireo nosy andrefan’i Gresy, no antsoina hoe “Ionianina” ankehitriny. Midadasika kokoa anefa ilay Ionianina fahiny, mitovitovy amin’ilay antsoin’ny Soratra Hebreo hoe “Javana.” Nilaza, ohatra, i Isaia mpaminany tamin’ny taonjato fahavalo T.K., fa hisy halefa any “Tobala sy Javana izay nosy lavitra”, ny mponin’i Joda aorian’ny sesitany.—Is 66:19.

Antsoina hoe Hellas (“Gresy”, As 20:2) ilay tany, ary hoe Hellenes ireo mponina, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Efa nampiasa ireo anarana ireo koa ny Grika ela be talohan’i Kristy, ary mbola mampiasa an’ireo. Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “Elisaha” (zanak’i Javana), ny hoe “Hellas.” (Ge 10:4) Nantsoina koa hoe Akaia ny faritra afovoany sy atsimon’i Gresy, taorian’ny nandresen’ny Romanina azy tamin’ny 146 T.K.

Ny mombamomba ilay tany. Anisan’i Gresy fahiny ny faritra atsimon’ny Saikinosy Balkanika be tendrombohitra sy ireo nosy eny akaiky, eo amin’ny Ranomasina Ionianina eo andrefana sy eo amin’ny Ranomasina Égée eo atsinanana. Eo atsimo kosa ny Ranomasina Mediterane. Tsy fantatra anefa ny sisin-taniny avaratra, satria tsy nivondrona ho firenena iray ny Javanita (taranak’i Javana) fahiny tany Gresy. Toa lasa nipaka hatrany amin’ny faritr’i Illyrie amoron’ny Ranomasina Adriatika sy hatrany Makedonia anefa ny sisin-tanin’i “Gresy.” Raha ny marina, dia mety ho iray ihany ny razamben’ny Makedonianina sy ireo nantsoina hoe Grika tatỳ aoriana.

Tsy niova ilay tany fa mbola mikintoantoana sy be vato, ary efa ho ny telo ampahefany no rakotra tendrombohitra vatosokay. Be ala koa ireo tehezan-tendrombohitra. Tsy nisy azo novolena firy ilay tany satria be vato, sady zara raha nisy lemaka sy lohasaha lonaka. Naniry tsara anefa ny oliva sy voaloboka, satria antonony ny hafanana. Vokatra tany koa ny vary orza, varimbazaha, paoma, aviavy, ary ampongabendanitra. Niraoka ahitra teny amin’ny tany lava volo ny andian’ondry sy osy. Volafotsy sy metaly zinc sy varahina ary firamainty no harena an-kibon’ny tany, ary feno vato marbra tena tsara ny tendrombohitra. Milaza ny faminanian’i Ezekiela (27:1-3, 13) fa anisan’ireo nanao raharaham-barotra tamin’i Tyro i Javana, ary nisy “zavatra vita amin’ny varahina” ny entam-barotra tamin’izany.

Be seranan-tsambo. Sarotra ny dia an-tanety sady ela, satria be tendrombohitra ilay tany. Mora nihitsoka ny sarety rehefa ririnina. Teny an-dranomasina àry no lalana tsara indrindra. Be seranana sy toeram-pialofana ho an’ny sambo koa ireo morontsiraka miolikolika, satria misy helodranomasina maro. Tsy dia nisy lavitra ranomasina àry ireo faritra anisan’i Gresy fahiny, fa 60 km mahery ny lavitra indrindra. Saika lasa nosy i Peloponezy, ilay faritra atsimon’i Gresy. Tany kely fotsiny eo anelanelan’ny Hoala Sarônika sy ny Hoalan’i Korinto mantsy no nampitohy azy tamin’i Gresy. (Mampisaraka azy tanteraka amin’i Gresy anefa ankehitriny ny Lakandranon’i Korinto, mirefy 6 km eo ho eo. Tsy misy vavahadin-drano koa io lakandrano io.)

Lasa mpivezivezy an-dranomasina ny Javanita fahiny tany Gresy. Mielanelana 160 km eo ho eo monja ny farany atsimoatsinanan’i Italia sy ny faritra avaratrandrefan’i Gresy, raha miampita ny Andilan-dranomasin’i Otrante. Misy vondronosy (tendrombohitra anaty ranomasina ka ny tampony ihany no mipoitra) eo atsinanan’i Gresy. Izy ireo dia toy ny vatobe napetrapetraka teny amin’ny Ranomasina Égée mba hiampitana ho any Azia Minora. Eo amin’ny tendrony avaratratsinanan’io ranomasina io no misy ilay andilan-dranomasina kely Hellespont (na Dardanelles), izay mivarina any amin’ny Ranomasin’i Marmara. Ny Andilan-dranomasin’i Bosphore indray no mampifandray an’io ranomasina io amin’ny Ranomasina Mainty. Nanaraka ny morontsiraka atsimon’i Azia Minora ny sambo grika fahiny, ka tonga hatrany Syria sy Palestina. Nahavita 100 km teo ho eo ny sambo iray tao anatin’ny iray andro. Azo inoana fa nosoratan’i Paoly tany Korinto ireo taratasiny ho an’ny Tesalonianina tany Makedonia. Mety ho herinandro na mahery kely àry vao tonga tany ireo taratasy nalefany sambo, arakaraka ny toetrandro (sy ny isan’ny seranana nijanonana).

Tsy tany Gresy ihany no nisy Grika nipetraka. Niely tany amin’ny firenen-kafa koa ny kolontsainy. Noheverina ho anisan’i Gresy ireo nosy maro be teny amin’ny Ranomasina Ionianina sy ny Ranomasina Égée. Anisan’ilay nantsoina hoe Hellas Lehibe (lat.: Graecia Magna) ny faritra atsimon’i Italia sy Sisila. Asehon’ny tantara fa nifandray sy nanao raharaham-barotra foana tamin’ny Javanita tany Tarsisy (Espaina) ny Javanita tany Gresy, mihoatra lavitra noho ny nataon’ny Fenisianina. Nifandray toy izany koa ny Grika sy ny Javanita tany Sipra.

Ny niavian’ireo foko grika. Samy manana ny heviny momba ny niavian’ireo foko grika sy ny nahatongavany tany Gresy ireo mpahay tantara. Maro no mihevitra hoe nisy foko avy tany avaratra nifandimby “nanafika” an’ilay tany. Mifototra amin’ny angano grika sy ny tombantomban’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany anefa izany. Efa tamin’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any mantsy (tamin’ny 776 T.K. no nanomboka ny Olympiady Voalohany) vao niresaka momba an’i Gresy ny tantara. Nanomboka tamin’ny taonjato fahadimy T.K. koa vao nitohy ny tantaran’i Gresy. Taonjato maro talohan’izany ny Safodrano sy ny niparitahan’ny olona avy tao Babela, rehefa avy natao nisafotofoto ny fitenin’izy ireo. (Ge 11:1-9) Angamba nisy foko hafa nifanambady tamin’ny taranak’i Javana, nandritra ireo taonjato maro ireo. Tombantombana fotsiny anefa ny tantara momba izay nitranga talohan’ny taonarivo voalohany T.K.

Ireo foko lehibe tany Gresy. Ireto avy izy ireo: Ny Akaianina tany Tesaly sy ny faritra afovoan’i Peloponezy ary tany Boeotia; ny Eolianina tany afovoany atsinanan’i Gresy sy ny faritra avaratrandrefan’i Azia Minora antsoina hoe Eolia ary ireo nosy teny akaiky; ny Dorianina tany amin’ny faritra atsinanan’i Peloponezy sy ny faritra atsimoandrefan’i Azia Minora ary ireo nosy amin’ny faritra atsimon’ny Ranomasina Égée; ary ny Ionianina tany Attique sy teo amin’ny nosy Eubée sy ireo nosy afovoan’ny Ranomasina Égée ary tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. Tsy azo antoka anefa raha nifandray ireny foko ireny sy ny Makedonianina fahiny.

Fitondran-dehilahy sy tanàna fanjakana. Nahaleo tena ireo foko niteny grika, ary na tao amin’ny foko iray aza dia mety ho nisy tanàna fanjakana vitsivitsy nahaleo tena koa. Grika maro mantsy no nipetraka teny amin’ireo nosy, fa nipetraka teny amin’ny lohasaha kely voahodidina tendrombohitra kosa ny hafa. Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina momba ny rafitry ny fiaraha-monina grika fahiny: “Ny fianakaviana no fototry ny fiaraha-monina, ary ny lehilahy no nitondra. ... Raiki-tampisaka tamin’ny kolontsaina grika ny hoe ny lehilahy lehibe ihany no nanan-jo tao amin’ilay tanàna fanjakana (pôlis). Ny fianakaviana tsirairay kosa samy nanana ny havana (genôs) sy fianakaviambe ary foko nisy azy.” (1956, Boky Faha-13, p. 377) Mitovitovy amin’izany koa ny rafitry ny fianakaviana taorian’ny Safodrano, resahin’ny Genesisy.

Nitovitovy tamin’ny rafi-pitondrana tany Kanana (nanana tanàna fanjakana ny ankamaroan’ny foko kananita) ny tany Gresy. Nahaleo tena ny tanàna fanjakana, ary nantsoina hoe pôlis. Toa toerana avo nimanda voahodidina trano no nantsoina hoe pôlis tamin’ny voalohany, fa tatỳ aoriana kosa dia ilay faritra manontolo sy ireo mponina nofehezin’ilay tanàna fanjakana. Kely ny ankamaroan’ny fanjakana grika toy izany, satria tsy nihoatra ny 10 000 ny olom-peheziny (niampy ny zaza amam-behivavy sy ny andevo). Nisy 43 000 teo ho eo monja, hono, ny lehilahy tao Atena tamin’ny fotoana nampahalaza azy indrindra, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Ny tao Sparta kosa 5 000 teo ho eo monja. Nisy tanàna fanjakana grika niray dina na niady koa, toy ireo tany Kanana ihany. Nizarazara àry ny fitondrana tany Gresy, talohan’ny andron’i Philippe (II), mpanjakan’i Makedonia.

Fitondrana demokratika. Tsy dia fantatra ny fomba fitondrana tao amin’ny ankamaroan’ny tanàna fanjakana tany Gresy, afa-tsy ny tao Atena sy Sparta. Nanjary hafa noho ny tany Kanana sy Mezopotamia ary Ejipta mantsy ny tao amin’ireo tanàna roa ireo. Tsy mpanjaka fa tompon’andraiki-panjakana sy filan-kevitra ary fokonolona (nantsoina hoe ekklesia) no nitondra, tokony ho teo anelanelan’ny 800 na 750 T.K. ka hatramin’ny 500 T.K., fara faharatsiny. Fitondrana demokratika (avy amin’ny teny grika hoe demôs, midika hoe “vahoaka”, sy hoe kratôs, midika hoe “fitondrana”) ny tao Atena. Ny vahoaka no nanao ny lalàna sy nilaza ny heviny ary nifidy tao amin’ny Antenimiera. Vitsy an’isa ihany anefa ilay nantsoina hoe “vahoaka”, satria tsy nanan-jo ny vehivavy sy ny vahiny ary ny andevo. Toa efa ho ny ampahatelon’ny mponina tany amin’ny tanàna fanjakana maro koa no andevo, ka nanam-potoana handraisana anjara tamin’ny fivoriana politika ny “vahoaka.” Ny bokin’i Joela nosoratana tamin’ny taonjato fahasivy T.K. tany ho any no miresaka voalohany momba an’i Gresy ao amin’ny Soratra Hebreo. Voalaza ao fa namidin’i Tyro sy Sidona ary Filistia tamin’ny “zanaky ny Grika [ara-bakiteny: Javanita na Ionianina]” ny mponin’i Joda.—Jl 3:4-6.

Asa tanana sy varotra. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny Grika. Nanao sy nanondrana taozavatra maro koa anefa izy ireo. Nanjary nalaza eran’ny faritr’i Mediterane àry ny vazy grika, mbamin’ny zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena ary ny lamba volonondry. Maro be ny mpanao asa tanana nanana fivarotana kely sy mpiasa (andevo na tsia) vitsivitsy. Niara-niasa tamin’i Akoila sy Prisila mpanao tranolay ny apostoly Paoly tao Korinto, tanàna grika. Azo inoana fa volon’osy no nanamboaran’izy ireo tranolay, satria be osy tany Gresy. (As 18:1-4) Lasa foibe ara-barotra i Korinto satria akaikin’ny Hoalan’i Korinto sy ny Hoala Sarônika. Nalaza koa i Atena sy Égine, izay be mpanao raharaham-barotra.

Kolontsaina sy zavakanto. Ny ankizilahy ihany no nampianarina, mba hahatonga azy ireo ho “olom-banona.” Samy nanana ny heviny momba ny atao hoe olom-banona anefa ny tanàna fanjakana. Saika niompana tamin’ny fanatanjahan-tena fotsiny, ohatra, ny fanabeazana tany Sparta. (Jereo anefa ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty ao amin’ny 1Ti 4:8.) Nosarahina tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizilahy rehefa feno 7 taona, ary napetraka tao amin’ny trano lehibe toy ny an’ny miaramila, hatramin’izy 30 taona. Ny tany Atena kosa niompana kokoa tamin’ny haisoratra sy matematika ary zavakanto. Nalefa nianatra ny ankizy rehefa feno 6 taona. Nisy andevo nitokisana, nantsoina hoe paidagôgôs, nanatitra azy tany an-tsekoly. (Mariho fa nampitahain’i Paoly tamin’ny paidagôgôs ny Lalàn’i Mosesy ao amin’ny Ga 3:23-25; jereo MPITAIZA.) Tia tononkalo ny tany Atena, ary nasaina nanao tsianjery tononkalo maro ny mpianatra. Nianatra tany Tarsosy tany Kilikia i Paoly, nefa nahay tononkalo grika ary nanonona ampahany kely rehefa nitory tao Atena. (As 17:22, 28) Lasa be mpitia koa ny tantara an-tsehatra mampalahelo na mampihomehy.

Zava-dehibe tamin’ny Grika tany Atena, ary tatỳ aoriana, tany Gresy manontolo, ny filozofia. Antokona filozofa nalaza ny Sôfista, izay nihevitra fa miankina amin’ny tsirairay ny atao hoe marina. Notoherin’ireo filozofa grika nalaza toa an’i Socrate sy Platon mpianany ary Aristote mpianatr’i Platon anefa io hevitra io (izay mitovy amin’ny an’ny Hindoa). Ny filozofia hafa indray nandalina momba izay mahasambatra. Nilaza, ohatra, ny Stôika fa izay misaina tsara no sambatra, ary izay ihany no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Ny Epikoreanina kosa nilaza fa ny fikatsahana fahafinaretana no tena mahasambatra. (Jereo anefa ny voalazan’i Paoly ao amin’ny 1Ko 15:32.) Nisy Stôika sy Epikoreanina ireo niady hevitra tamin’i Paoly tany Atena. Nentiny teny amin’ny Areopago izy avy eo mba hanontaniana misimisy kokoa. (As 17:18, 19) Antokona filozofa hafa koa Ireo Be Fisalasalana, izay nilaza fa tsy misy tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana.

Nanjary tia nanadihady ny Grika tatỳ aoriana, ka tia niady hevitra sy niresaka zava-baovao. (As 17:21) Tia nampiasa saina (sy nanombantombana) izy ireo, mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana lehibe sasany momba ny fiainana sy izao rehetra izao. Nihevitra àry ny Grika fa ry zareo no tena manam-pahaizana. Hoy anefa i Paoly momba ny fahendrena sy fahaizan’olombelona, ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina: “Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry eto amin’ity tontolo ity, dia aoka izy ho adala, mba ho hendry. ... ‘Fantatr’i Jehovah fa zava-poana ny fisainan’ny olon-kendry.’” (1Ko 1:17-31; 2:4-13; 3:18-20) Niady hevitra sy nanadihady be ireny filozofa ireny, nefa tsy nanana fanantenana azo antoka, raha jerena ny asa sorany. Hoy ireo manam-pahaizana atao hoe J. Sterrett sy Samuel Angus: “Ny asa soratr’izy ireny no tena be fitarainana indrindra momba ireo zava-mampahory eo amin’ny fiainana, ny fitiavana mihelina, ny fanantenana tsy tanteraka, ary ny hasomparan-dRafahafatesana.”—Diksionera Ara-baiboly Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls, 1936, p. 313.

Fivavahana. Ny tononkalon’i Homère no asa soratra tranainy indrindra miresaka momba ny fivavahan’ny Grika. Mihevitra ny mpahay tantara fa i Homère no nanoratra an’ireo tononkalo hoe Iliade sy Odyssée. Mbola misy ankehitriny ny ampahany amin’ireo, ary talohan’ny 150 T.K., hono, ny tranainy indrindra. Nilaza anefa ny Profesora George Murray, mpampianatra teny grika, fa “samy hafa ‘be’ amin’ireo” tononkalon’i Homère “efa neken’ny rehetra” tato anatin’ny taonjato faramparany izy ireny. (Ny Rakipahalalana Britannica, 1942, Boky Faha-11, p. 689) Niova be àry ireo tononkalon’i Homère, fa tsy mba toy ny Baiboly izay nezahina natao mitovy tamin’ny voalohany foana. Mpiady mahery fo sy andriamanitra nitovy be tamin’ny olona, no resahin’ireo tononkalo ireo.

Asehon’ny porofo fa niandoha tany Babylona ny fivavahan’ny Grika. Angano akadianina nadika ara-bakiteny tamin’ny teny grika, ohatra, ny angano grika fahiny iray.

I Hésiode, poety velona tamin’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any, no voalaza fa nanasokajy an’ireo angano grika maro be. Nanoratra an’ilay hoe Théogonie (tantaran’ny niandohan’ireo andriamanitra) izy. Io asa sorany io sy ny tononkalon’i Homère no soratra masina grika, na fanazavana momba ny fivavahana grika.

Mahaliana fa mety ho tantara ao amin’ny Baiboly ihany no niandohan’ireo angano grika. Resahin’ny Genesisy 6:1-13, ohatra, fa nisy anjely zanak’Andriamanitra nidina tetỳ an-tany ka nitafy vatan’olombelona, mba hanambady vehivavy tsara tarehy, talohan’ny Safodrano. Niteraka an’ireo Nefilima, na Mpanjera, izany hoe “ireo mampianjera ny hafa” izy ireo. Tsy voajanahary izany fanambadian’ny anjely sy olona izany, na ny safiotra naterany. Nanjary feno herisetra sy fitondran-tena maloto àry ny tany. (Ampit. Jd 6; 1Pe 3:19, 20; 2Pe 2:4, 5; jereo NEFILIMA.) Azo antoka fa nandre ny tantara momba izay nitranga talohan’ny Safodrano i Javana, razamben’ny Grika. Mety ho nitantara izany taminy mantsy i Jafeta rainy, izay tsy maty tamin’ilay Safodrano. Mariho koa izay resahin’ireo asa soratr’i Homère sy Hésiode.

Voalazan’izy ireo fa nanana bikan’olona sy tsara tarehy be ireo andriamanitra sy andriamanibavy maro, na dia goavam-be sy natanjaka be aza ny ankamaroany. Nihinana, nisotro, natory, nanao firaisana izy ireo, ary nisy aza nanao firaisana tamin’olombelona. Nanana fianakaviana izy ireo, nifamaly sy niady, nanangoly, ary nametaveta. Masina sy tsy mety maty, hono, izy ireo, nefa namitaka sy nanao heloka bevava. Afaka niharoharo tamin’olona izy ireo ka mety ho hita na tsy hita maso. Voaresaka ao amin’ny asa soratr’i Homère sy Hésiode fa nanao zava-dratsy be ireo andriamanitra. Niezaka nanaisotra ny sasany tamin’ireny fitantarana ireny tao amin’ilay asa soratra àry, ny mpanoratra sy filozofa grika sasany tatỳ aoriana.

Mety ho ny tantara marina ao amin’ny Genesisy ihany no nitarina sy novan’ireny asa soratra ireny. Mahavariana koa fa resahin’ireo angano grika hoe nisy sady andriamanitra no olona, na olona mahery fo naterak’andriamanitra sy olona. Natanjaka be, hono, izy ireny, nefa mety maty (i Hercules irery no lasa tsy mety maty). Hita fa mitovitovy amin’ireo Nefilima tantarain’ny Genesisy izy ireny.

Nilaza àry i E. Speiser, manam-pahaizana momba ny kolontsaina tatsinanana, fa niandoha tany Mezopotamia ny angano grika. (Ny Tantaran’ny Jiosy, 1964, Boky 1, p. 260) Tany Mezopotamia i Babylona, ary avy tany no nielezan’ny olona rehefa avy natao nisafotofoto ny fiteniny.—Ge 11:1-9.

Teny an-tampon’ny Tendrombohitra Olympe (2 917 m) tany atsimon’i Beria, hono, no fonenan’ireo andriamanitra grika lehibe indrindra. (Teny akaikin’ny tehezan-tendrombohitr’i Olympe i Paoly no nitory tamin’ny Berianina tamin’ny diany misionera faharoa; As 17:10.) Nipetraka teny, hono, i Zeosy (nantsoin’ny Romanina hoe Jopitera; As 28:11), andriamanitry ny lanitra; Hera (Romanina: Junon), vadin’i Zeosy; Ge na Gaia, andriamanibavin’ny tany, antsoina koa hoe Ilay Reny Lehibe; Apollon, andriamanitra masoandro sy andriamanitry ny fahafatesana tampoka izay mitifitra zana-tsipìka mahafaty avy lavitra; Artemisy (Romanina: Diana), andriamanibavin’ny fihazana, ary nalaza be tany Efesosy koa ny fivavahana tamin’ilay Artemisy hafa andriamanibavin’ny fahavokarana (As 19:23-28, 34, 35); Aresy (Romanina: Marsa), andriamanitry ny ady; Hermesy (Romanina: Merkory), andriamanitry ny mpandeha lavitra sy ny varotra ary ny fahaiza-mikabary, sady mpitondra hafatr’ireo andriamanitra (nantsoin’ny mponin’i Lystra tany Azia Minora hoe “Zeosy i Barnabasy fa i Paoly kosa Hermesy satria izy no niteny”; As 14:12); Afrodita (Romanina: Vénus), andriamanibavin’ny fahavokarana sy ny fitiavana, izay “rahavavin’i Ishtar andriamanitra asyrianina-babylonianina, sy Astarta andriamanitra syrianina-fenisianina” (Angano Grika, nataon’i P. Hamlyn, Londres, 1963, p. 63); ary andriamanitra sy andriamanibavy maro hafa. Toa samy nanana ny andriamaniny sy ny fomba fivavahany taminy ny tanàna fanjakana.

Fety sy lalao. Nanan-toerana lehibe teo amin’ny fivavahan’ny Grika ny fety. Nisy tantara an-tsehatra sy sorona ary vavaka rehefa nisy fifaninanana ara-panatanjahan-tena, ka nahasarika olona avy tany amin’ny faritra maro. Nampiray an’ireo tanàna fanjakana voazarazaran’ny politika àry ireny fety ireny. Tena nalaza, ohatra, ny Lalao Olympika (tany Olympie), ny Lalao Ismika (tany akaikin’i Korinto), ny Lalao Pytika (tany Delphes), ary ny Lalao Nemeanina (tany akaikin’i Némée). Ny Lalao Olympika natao isaky ny efa-taona no nentin’ny Grika namaritana ny fe-potoana naharitra efa-taona antsoina hoe Olympiady.—Jereo LALAO.

Mpanelanelana amin’andriamanitra, fanandroana, ary toerana masina. Maro no nanatona an’ireo nihambo ho mpanelanelana amin’andriamanitra sy nahafantatra zava-miafina. Tao amin’ny tempoly tao Délos sy Delphes ary Dodone ireo tena nalaza. Nahazo valin’ny fanontaniany ny olona nankany, rehefa nandoa vola. Matetika anefa no tsy nazava ilay valin-teny, ka tsy maintsy nohazavain’ny mpisorona. Nihambo ho nahay naminany ilay ankizivavy tany Filipy tany Makedonia, ka “nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.” Nodidian’i Paoly hivoaka tamin’ilay ankizivavy anefa ilay demonia. (As 16:16-19) Milaza ny Profesora Ernest Wright fa avy tamin’ny Grika ny fanandroana ankehitriny, ary ny Grika kosa nandova izany tamin’ny mpisikidy babylonianina. (Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, 1962, p. 37) Maro koa ny olona nankany amin’ny toerana masina nalaza ho nisy mpanasitrana.

Ilay filozofia hoe tsy mety maty ny fanahy. Nandalina an’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana ny filozofa grika, ka ny fomba fiheviny no lasa fototry ny zavatra ninoan’ny olona. Nampianatra, ohatra, i Socrate tamin’ny taonjato fahadimy T.K. fa tsy mety maty ny fanahy. Naverin’i Platon ao amin’ny Phédon (64C, 105E) ny resaka nifanaovan’i Socrate sy ny namany roa hoe: “‘Mino ve isika fa misy ny fahafatesana? ... Mino isika fa fisarahan’ny fanahy sy ny vatana ny fahafatesana, ka misaraka amin’ny fanahy ny vatana rehefa maty, ary misaraka amin’ny vatana koa ny fanahy ka mbola velona ihany. Sa tsy izany no izy?’ ‘Izany mihitsy kah!’, hoy izy. ‘Ary tsy mety maty ve ny fanahy?’ ‘Eny, tsy mety maty.’” Hoy koa i Socrate: “‘Tsy mety maty àry ny fanahy.’ ‘Eny, tsy mety maty.’” Jereo anefa ny voalazan’ny Salamo 146:4 sy Mpitoriteny 9:5, 10.

Tempoly sy sampy. Nanorina tempoly kanto ho fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra ny Grika, ary nanao sarivongana tsara tarehy tamin’ny marbra sy halimo. Hita eo amin’ny Acropole any Atena ny tempoly nalaza indrindra sasany izay efa rava, toy ny Parthénon sy ny Érechthéion ary ny Propylées. Tao Atena i Paoly no nilaza tamin’ireo olona nitoriany fa hitany hoe tena natahotra an’ireo andriamanitra ny Atenianina. Nilaza mazava koa anefa izy fa “tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana” ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Koa satria naterak’Andriamanitra izy ireo, hoy izy, dia tsy tokony hihevitra fa “tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy” ilay Mpamorona.—As 17:22-29.

Ady tamin’i Persa. Lasa firenena natanjaka ny Fanjakana Medianina-Persianina tamin’ny andron’i Kyrosy (izay nandresy an’i Babylona tamin’ny 539 T.K.), ka natahoran’i Gresy. Efa resin’i Kyrosy mantsy i Azia Minora sy ny tanàna grika sasany. Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy (tao Babylona), dia nilaza tamin’i Daniela ny anjelin’i Jehovah fa ‘hanentana ny rehetra’ ny mpanjakan’i Persa fahefatra “mba hanafika ny fanjakan’i Gresy.” (Da 10:1; 11:1, 2) Nandresy tanàna grika nikomy taminy ilay mpanjakan’i Persa fahatelo (Dariosy Hystaspe) tamin’ny 499 T.K., ary niomana hanafika an’i Gresy. Tratran’ny oram-baratra anefa ireo sambo persianina ka rendrika, tamin’ny 492 T.K. Nisy tafika persianina lehibe indray nanafika an’i Gresy tamin’ny 490, nefa resin’ny tafika kelin’ny Atenianina teo amin’ny Lemak’i Marathon, eo avaratratsinanan’i Atena. Tapa-kevitra ny hamaly faty àry i Ksersesy zanak’i Dariosy. Izy ilay ‘mpanjaka fahefatra’ voalazan’ny faminaniana fa hanentana ny fanjakany manontolo mba hanangona miaramila be dia be. Izany tokoa no nataony tamin’ny 480 T.K., ary nita an’i Hellespont izy ireo.

Niray hina ny tanàna fanjakana maromaro tany Gresy mba hiady tamin’ireo mpanani-bohitra, na dia tsy fanaony aza izany. Tafiditra tany amin’ny faritra avaratra sy afovoan’i Gresy ihany anefa ny tafika persianina, ary tonga tany Atena. Nodoran’izy ireo ny Acropole, ilay toerana avo nimanda. Nahay niady anefa ny Atenianina sy ny Grika namany, ka resiny ny tafika an-dranomasina persianina ary narendrik’izy ireo tao Salamisy ny sambony (sy ny an’ny Fenisianina ary ny an’ny namany hafa). Resin’ny Grika an-tanety koa ny Persianina tao Platées sy Mycale, eo amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. Niala tany Gresy avy eo ny tafika persianina.

Nihanatanjaka be ny Atenianina. Natanjaka ny tafika an-dranomasin’i Atena, ka lasa loha laharana tany Gresy i Atena. Tena nandroso be àry i Atena hatramin’ny 431 T.K. tany ho any. Tamin’izany no nanaovana ny zavakanto sy taotrano nalaza indrindra. I Atena koa no nitarika an’ilay Vondron’i Délos. Tanàna sy nosy grika maromaro no mpikambana tao. Tsy nahafaly ny Vondron’i Peloponezy notarihin’i Sparta anefa ny fisondrotan’i Atena. Nipoaka àry ny Adin’i Peloponezy, izay nanomboka tamin’ny 431 ka hatramin’ny 404 T.K. Resin’i Sparta tanteraka i Atena tamin’ny farany. Fitondrana jadona ny an’i Sparta, izay nitohy hatramin’ny 371 T.K. tany ho any. I Thèbes indray no nitondra taorian’izay. Nihena ny herin’ny fanjakana grika, na dia mbola foiben’ny kolontsaina sy filozofia nanerana an’i Mediterane ihany aza i Atena. Resin’i Philippe II mpanjakan’i Makedonia i Gresy tamin’ny 338 T.K., ka nofehezin’i Makedonia.

Teo ambany fitondran’i Aleksandra Lehibe. Efa tamin’ny taonjato fahenina T.K. i Daniela no nahazo fahitana momba ny handresen’i Gresy ny Fanjakana Medianina-Persianina. Nampianarin’i Aristote i Aleksandra zanak’i Philippe, ary lasa mpiaro an’ireo firenena niteny grika rehefa nisy namono i Philippe. Te hamaly faty i Aleksandra noho ny nanafihan’ny Persianina an’ireo tanàna grika teny amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora, ka nandeha niady tamin’izy ireo izy tamin’ny 334 T.K. Vetivety kely ny nandreseny an’i Azia Minora manontolo sy Syria, Palestina, Ejipta, ary ny Fanjakana Medianina-Persianina manontolo. Tonga hatrany India (Inde) mihitsy aza izy. Tanteraka àry ilay faminaniana ao amin’ny Daniela 8:5-7, 20, 21. (Ampit. Da 7:6.) Nofeheziny koa i Joda tamin’ny 332 T.K. I Gresy àry no lasa firenena natanjaka indrindra fahadimy nifehy ny firenen’Israely, ka i Ejipta sy Asyria sy Babylona ary Media sy Persa ireo efatra talohany. Resin’i Aleksandra tanteraka i Media sy Persa tamin’ny 328 T.K. Mbola misy ampahany amin’ilay faminanian’i Daniela ho tanteraka anefa. Maty tany Babylona i Aleksandra tamin’ny 323 T.K. Nizara efatra ny fanjakany tatỳ aoriana, araka ilay faminaniana, nefa tsy nisy nitovy hery tamin’ny fanjakany ireo fanjakana efatra ireo.—Da 8:8, 21, 22; 11:3, 4 ; jereo SARINTANY, Boky Faha-2, p. 334; ALEKSANDRA No. 1.

Efa nampiditra ny kolontsaina sy ny teny grika tao amin’ilay fanjakana midadasika nofeheziny anefa i Aleksandra, talohan’ny nahafatesany. Nanjary nisy Grika nipetraka tany amin’ny tany maro, ary nisy tanàna naorin’izy ireo mihitsy aza. Naorina tany Ejipta, ohatra, i Aleksandria, ary nisy sekoly ambony toy ny tany Atena koa tao. Nasaina niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika àry i Mediterane sy ny faritra atsinanan’izy io. Lasa fiteny niombonan’ny firenena maro ny fiteny grika tsotra (koine). Io no fiteny nandikan’ny manam-pahaizana jiosy tany Aleksandria ny Soratra Hebreo ao amin’ilay Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Nosoratana tamin’ny teny koine koa ny Soratra Grika Kristianina. Be mpampiasa io fiteny io ka vetivety dia niely eran’i Mediterane ny vaovao tsara.—Jereo GRIKA.

Nanaraka ny kolontsaina grika koa ny Jiosy. Nifampizaran’ireo jeneralin’i Aleksandra ny fanjakan’i Gresy, ka latsaka teo anelanelany i Joda: Ny fanjakan’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Ptolémée tany Ejipta teo andaniny, ary ny an’ny tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus tany Syria teo ankilany. Ilay fanjakana tany Ejipta aloha no nifehy azy, ary ilay tany Syria indray avy eo tamin’ny 198 T.K. Nampidirina tao Joda ny fivavahana sy fiteny sy haisoratra ary fomba fiakanjo grika, mba hanaraka kolontsaina grika toy ny tany Syria koa ny tany Joda.

Nisy Grika nipetraka sy tanàna grika naorina eran’i Jodia, anisan’izany tao Samaria (nantsoina tatỳ aoriana hoe Sebasta), Ako (Ptolemaisy), Beti-sana (Skytopolisy), ary koa tany amin’ireo toerana tsy nisy mponina tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana. (Jereo DEKAPOLISY.) Nasiana kianja fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema, ka maro ny tanora jiosy mpankao. Nisy ifandraisany tamin’ny fivavahana grika anefa ireo lalao grika. Nahatonga an’ireo Jiosy tsy hanaraka ny fitsipiky ny Soratra Masina àry ny fankanesana tao amin’ilay kianja. Na ny mpisorona aza nisy nanaraka ny zavatra ninoan’ny Grika. Tafiditra tsikelikely àry ireo zavatra ninoan’ny Grika, toy ny hoe tsy mety maty ny fanahy, sy ny hoe misy ny afobe.

Nanazimbazimba ny tempoly tao Jerosalema i Antiokosa Epifana (168 T.K.) rehefa nampiditra ny fivavahana tamin’i Zeosy. Tsy tantin’ireo Makabeo intsony ilay fampanjakana ny fomba grika, ka niady tamin’ireo mpanjanaka izy ireo.

Nanjakan’ny kolontsaina grika koa tany Aleksandria any Ejipta, izay tanàna be Jiosy. (Jereo ALEKSANDRIA.) Lasa nandala ny filozofia grika ny Jiosy sasany tany. Niezaka nampifanaraka ny zavatra ninoan’ny Jiosy tamin’ny filozofia tiam-bahoaka, ohatra, ny mpanoratra jiosy sasany. Niezaka nanaporofo izy ireo hoe efa nisy hevitra nitovitovy tamin’ny filozofia grika tao amin’ny Soratra Hebreo, na hoe avy tao mihitsy aza ireny filozofia ireny.

Teo ambany fitondran’ny Romanina. Resin’ny Romanina i Makedonia sy Gresy (iray tamin’ireo fanjakana efatra rehefa nizarazara ny fanjakan’i Aleksandra), tamin’ny 197 T.K. Nilaza ny jeneraly romanina, herintaona taorian’izay, fa nahazo “fahafahana” ny tanàna grika rehetra. Tsy hotakina hetra intsony izy ireo, nefa tsy maintsy manao izay sitrapon’i Roma rehetra. Nitombo tsikelikely àry ny fankahalana Romanina. Niady tamin’i Roma i Makedonia, nefa resy indray tamin’ny 168 T.K. ary lasa faritany romanina, 20 taona teo ho eo taorian’izay. Nikomy koa ny Vondron’i Akaia notarihin’i Korinto, tamin’ny 146 T.K. Nanafika ny faritra atsimon’i Gresy anefa ny tafik’i Roma, ka noravany i Korinto. Niforona ny faritanin’i “Akaia”, ary lasa anisan’izy io koa ny faritra atsimo sy afovoan’i Gresy manontolo tamin’ny 27 T.K.—As 19:21; Ro 15:26; jereo AKAIA.

Nihena ny herin’i Gresy ary nitotongana ny toe-karenany, nandritra ny fitondran’ny Romanina. Ny kolontsaina grika ihany sisa no mbola nalaza, sady tena tian’ny Romanina. Nanafatra sarivongana sy haisoratra grika izy ireo. Nisy aza tempoly iray manontolo noravana, ary avy eo nalefa sambo tany Italia mba haorina indray tany. Tovolahy romanina maro no nianatra tany amin’ny sekoly ambony tao Atena sy ny tanàna grika hafa. I Gresy kosa anefa nanembona ny lasa, ka nifikitra tamin’ireo fomba nentim-paharazana.

Tamin’ny taonjato voalohany. Mbola nantsoina hoe Hellenes (na Hellen, raha milaza tokana) ny teratany na ireo taranaka Grika, tamin’ny andron’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. Ny tsy Grika kosa nantsoin’ny Grika hoe “Baribarianina”, izay midika fotsiny hoe vahiny na miteny vahiny. Nasehon’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 1:14 koa fa tsy “Grika” ny “Baribariana” (JM ).—Jereo TSY GRIKA.

Nampiasain’i Paoly tamin’ny heviny hafa koa anefa ny hoe Hellenes indraindray. Nantsoiny hoe Hellenes, na Grika, izay rehetra tsy Jiosy, indrindra rehefa tiany haseho ny tsy fitovian’izy roa tonta. (Ro 1:16; 2:6, 9, 10; 3:9; 10:12; 1Ko 10:32; 12:13) Ny “hafa firenena” (1Ko 1 and. 23) ihany àry no tiany holazaina tamin’ny hoe “Grika” (1Ko 1 and. 22), ao amin’ny 1 Korintianina toko 1. Niely sy nalaza be eran’ny Fanjakana Romanina mantsy ny fiteny sy kolontsaina grika. Azo lazaina àry hoe ‘loha laharana’ tamin’ireo firenena tsy Jiosy ny Grika. Tsy midika anefa izany hoe Jentilisa ny dikan’ny hoe Hellenes tamin’i Paoly sy ny mpanoratra boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, araka ny filazan’ny mpivaofy teny sasany. Nasehon’i Paoly ao amin’ny Kolosianina 3:11, ohatra, fa firenena iray ny Hellenes, fa tsy “hafa firenena [barbarôs]” na “Skytianina.”

Hoy àry i Hans Windisch, manam-pahaizana momba ny teny grika: “Tsy misy porofo ... ao amin’ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy ..., na ao amin’ny Test[amenta] V[aovao] hoe ‘Jentilisa’ [no hevitry ny hoe Hellen].” (Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao, nataon’i G. Kittel; nadika sy nataon’i G. Bromiley, 1971, Boky II, p. 516) Nanome porofo kosa anefa izy fa nantsoin’ny mpanoratra grika hoe Hellen indraindray ny hafa firenena niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika. Raha mampiasa ny hoe Hellenes, na Grika, àry ny Baiboly, dia tsy voatery hoe teratany na taranaka Grika no tiany holazaina.

Azo inoana fa taranaka Grika ilay vehivavy “grika” olom-pirenena syrianina-fenisianina, izay nanan-janakavavy nositranin’i Jesosy. (Mr 7:26-30) Grika niova nanaraka ny Fivavahana Jiosy kosa ireo ‘Grika anisan’ireo niakatra hivavaka’ tamin’ny fotoanan’ny Paska, sy nangataka ny hihaona tamin’i Jesosy. (Jn 12:20; mariho ny faminanian’i Jesosy eo amin’ny Jn 12:32 andininy faha-32 hoe ‘hitaona ny karazan’olona rehetra ho aminy’ izy.) Samy natao hoe Hellen koa i Titosy sy ny rain’i Timoty. (As 16:1, 3; Ga 2:3) Mety ho taranaka Grika àry izy ireo. Hellenes koa anefa no nilazan’ny mpanoratra grika sasany an’ireo tsy Grika niteny grika sy nanaraka ny kolontsaina grika. Toy izany koa no nilazan’i Paoly ny tsy Jiosy rehetra, araka ny hitantsika teo aloha. Mety ho amin’io heviny io àry no nilazana fa Grika i Titosy sy ny rain’i Timoty. Tany Syria-Fenisia ilay vehivavy grika, ny rain’i Timoty kosa nipetraka tany Lystra tany Azia Minora, ary toa tany Antiokia tany Syria i Titosy. Tsy midika anefa izany hoe tsy teratany na tsy taranaka Grika izy ireo, satria nisy mpanjanaka sy mpifindra monina grika daholo ireo faritra ireo.

Nisy fotoana i Jesosy nilaza tamin’ny Jiosy hoe: ‘Handeha any amin’ilay naniraka ahy aho.’ Hoy koa izy: “Izay [halehako] tsy azonareo aleha.” Nifanontany àry izy ireo hoe: “Mikasa ho aiza àry izy io, ka tsy ho hitantsika? Ary sao dia mikasa hankany amin’ny Jiosy miely patrana any amin’ny Grika àry izy, ka hampianatra ny Grika?” (Jn 7:32-36) Ireo Jiosy niely patrana tany amin’ireo faritra grika lavitra tany andrefana no tian’izy ireo holazaina, fa tsy ireo Jiosy tany Babylona. Maro tokoa ny Jiosy nifindra monina tany amin’ireny faritra ireny, raha jerena ny fitantarana ny dia misionera nataon’i Paoly.

Azo antoka fa taranaka Grika no resahin’ny Asan’ny Apostoly 17:12 sy 18:4, izay mitantara ny zava-nitranga tany Beria sy Korinto, tanàna grika. Mety ho toy izany koa ireo “Grika” tany Tesalonika tany Makedonia (As 17:4), sy tany Efesosy (tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora) izay nozanahin’ny Grika ela be ary efa renivohitr’i Ionia taloha (As 19:10, 17; 20:21), ary tany Ikonioma tany afovoan’i Azia Minora (As 14:1). I Ikonioma irery no tsy tao anatin’ny faritra nofehezin’ny Grika tamin’ireo, na dia mety ho ireo tsy Jiosy aza no tian’i Lioka holazaina tamin’ny hoe “Grika”, rehefa nilaza izy hoe “Jiosy sy ny Grika.”

Helenista. Ahitana teny hafa koa hoe Hellenistai (Hellenistes raha milaza tokana), ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Tsy hita ao amin’ny asa soratra grika sy ny an’ny Jiosy nanaraka ny kolontsaina grika io teny io, ka tsy tena fantatra ny heviny. Milaza anefa ny ankamaroan’ny mpanao diksionera fa “Jiosy miteny grika” no hevitr’izy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1 sy 9:29. Miresaka ny amin’ny “Jiosy miteny hebreo” (Ebraiôi [Baiboly grika nataon’i Westcott sy Hort]) sy ny Hellenistai ilay andininy voalohany. Nisy Jiosy sy mpanaraka ny Fivavahana Jiosy avy tamin’ny firenena maro tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33. Porofoin’ilay “Soratr’i Theodotus” amin’ny teny grika hita teo amin’ny havoanan’i Ofela, fa maro tokoa ny olona niteny grika tonga tao. Hoy izy io: “Nanorina an’ilay synagoga—(dia ilay synagoga) natsangan’ireo razambeny sy anti-panahy ary Simonidès—i Theodotus zanak’i Vettenus, mpisorona sy lehiben’ny synagoga, zanaky ny lehiben’ny synagoga ary zafikelin’ny lehiben’ny synagoga, mba hamakiana ny Lalàna sy hampianarana an’ireo Didy. (Nanorina) an’ilay trano fatoriana sy ireo efitra ary ireo lava-drano koa (izy) mba hilasian’ireo avy lavitra.” (Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, nataon’i Ernest Wright, 1962, p. 240) Misy milaza fa io synagoga io ilay “Synagogan’ireo Nomena Fahafahana”, izay nisy tompon’antoka tamin’ny famonoana an’i Stefana.—As 6:9; jereo OLONA AFAKA, OLONA NOMENA FAHAFAHANA.

Misy endrinhy hafa amin’ny hoe Hellenistai ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:20. Mety ho “olona miteny grika”, fa tsy Jiosy miteny grika anefa ireo olona tany Antiokia tany Syria resahina ao ireo. “Tamin’ny Jiosy” ihany mantsy aloha no nitoriana ny vaovao tsara tany, mandra-pahatongan’ireo Kristianina avy any Kyrena sy Sipra. (As 11:19) Mety ho olona samy hafa firenena niteny grika (ary angamba nanaraka fomba grika) àry ireo Hellenistai voalaza eto.—Jereo ANTIOKIA No. 1; KYRENA, KYRENIANINA.

Tany Makedonia sy Gresy ny apostoly Paoly, tamin’ny diany misionera faharoa sy fahatelo. (As 16:11–18:11; 20:1-6) Nitory tao amin’ireo tanàn-dehiben’i Filipy sy Tesalonika ary Beria tany Makedonia izy. Nitory tao Atena sy Korinto, tanàn-dehibe tany Akaia, koa izy. (As 16:11, 12; 17:1-4, 10-12, 15; 18:1, 8) Nijanona herintaona sy tapany tao Korinto izy tamin’ny diany faharoa. (As 18:11) Tamin’izay izy no nanoratra an’ireo taratasy roa ho an’ny Tesalonianina, ary angamba ilay ho an’ny Galatianina. Tao Korinto koa izy no nanoratra ilay taratasy ho an’ny Romanina, tamin’ny diany fahatelo. Niverina tany Makedonia indray i Paoly, teo antenatenan’ny taona 61 sy 64, rehefa avy nigadra voalohany tany Roma. Mety ho tamin’izay izy no nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty sy ilay ho an’i Titosy.

Nanjakan’ny kolontsaina grika ny Fanjakana Romanina, nandritra ireo taonjato voalohandohany. Tany Gresy no nisy avara-pianarana nikoizana, ary tao Atena ny oniversite anisan’ny nalaza indrindra teo amin’ny Fanjakana Romanina. Nataon’i Constantin izay hampidirana fanao sy fampianaran’ny mpanompo sampy tao amin’ny Fivavahana Kristianina, ka hahatonga an’ilay fivavahana ho lasa fivavaham-panjakana. Nanjary anisan’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina koa àry i Gresy.

Misy 50 949 m2 ny velaran-tanin’i Gresy ankehitriny, ary 10 750 000 ny mponina tany tamin’ny 2000.

[Sary, pejy ]

Zeosy. Nanana bikan’olona ireo andriamanitra grika, ary matetika no noheverina ho tena naloto fitondran-tena