Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Tokony Hisaraka ve Izahay? (Fizarana 2)

Tokony Hisaraka ve Izahay? (Fizarana 2)

 Raha tapa-kevitra ianao hoe tsy maintsy hisaraka aminy, dia fidio tsara ny toerana sy ny fotoana hiresahanareo. Ahoana izany?

 Eritrereto hoe ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany. (Matio 7:12) Tianao ve raha eo imason’olona ianao no hilazany fa vita hatreo ny aminareo? Mazava ho azy fa tsia.

 Aleo koa tsy hafatra an-telefaonina na e-mail no alefa, raha tsy hoe tsy afa-manoatra angaha ianao. Mitadiava kosa fotoana sy toerana hahafahanareo hiresaka. Zava-dehibe mantsy ilay horesahina.

 Inona amin’izay àry no holazainao? Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly, mba ‘hilaza ny marina’ amin’ny namany avy.—Efesianina 4:25.

 Mila hentitra ianao, nefa koa hahay handanjalanja. Lazao mazava tsara hoe nahoana ianareo no tokony hisaraka, araka ny hevitrao.

 Tsy voatery hitanisa ny fahadisoany ianao, na koa hokianinao eo daholo izay tsy tianao aminy. Aza miteny hoe: “Ianao tsy...”, na hoe: “Ianao tsy ... mihitsy.” Asongadino kosa izay tsapanao sy izay eritreretinao, ka milazà teny toy ny hoe: “Olona ... no mety amiko”, na “Tokony hisaraka isika, araka ny hevitro, satria...”

 Asehoy fa hentitra ianao. Aza miova hevitra intsony na dia mandresy lahatra anao aza izy. Tadidio fa antony lehibe no nahatonga anao hisaraka aminy. Mitandrema àry raha mitady tetika tsy hisarahanareo izy. Hoy i Lalaina: “Mody nanao nampalahelo be foana ilay ankizilahy, tamin’izaho nisaraka taminy. Tiany hangoraka azy angamba aho. Nalahelo azy tokoa aloha aho e! Fa tsy nataoko nampiova hevitra ahy izany.” Tazòny hatramin’ny farany àry ny teninao. Aoka ny teninao rehefa tsia dia tsia.Jakoba 5:12.