Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 2: Ataovy Mahafinaritra ny Famakiana Baiboly

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 2: Ataovy Mahafinaritra ny Famakiana Baiboly

 Hoy ny ankizilahy atao hoe Will: “Hoatran’ny hoe mankaleo ny Baiboly raha tsy hainao tsara ny fomba hamakiana azy.”

 Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no atao raha tianao hahafinaritra ny mamaky Baiboly? Hanampy anao amin’izany ity lahatsoratra ity.

 Alaivo sary an-tsaina izay vakinao

 Ataovy hoatran’ny hoe miaina an’ilay tantara mihitsy ianao. Azonao atao, ohatra, izao:

  1.   Mifidiana tantara iray ao amin’ny Baiboly tianao hianarana. Afaka mifidy zava-nitranga iray ianao, na fitantarana iray ao amin’ny Filazantsara. Azonao atao koa ny mifidy tantara iray ao amin’ilay hoe Tantara Henoina, ao amin’ny jw.org.

  2.   Vakio ilay tantara. Azonao vakina samirery ilay izy na vakina mafy miaraka amin’ny namanao na ny ao an-tranonareo. Ny iray, ohatra, mamaky ny anjaran’ny mpitantara ary ny ambiny mamaky ny tenin’ny olona ao amin’ilay tantara.

  3.   Misy soso-kevitra azonao andramana ireto:

    •   Manaova sary mifandray amin’ilay tantara. Afaka manao sary maromaro mifampitohy koa ianao mba hitantarana an’izay niseho. Soraty eo akaikin’ireo sary tsirairay ny zava-mitranga miseho eo.

    •   Manaova karazana tabilao. Rehefa mamaky tantaran’olona iray tsy nivadika, ohatra, ianao, dia ampifandraiso amin’ny fitahiana azony ny toetran’ilay olona sy ny zavatra nataony.

    •   Ataovy hoatran’ny hoe mpilaza vaovao ianao. Tantarao ilay zava-nitranga, araka ny fahitan’ny olona samihafa azy, ary ampidiro ao ny “fanadinadinana” natao tamin’ireo mpandray anjara fototra sy ny olon-kafa nanatri-maso.

    •   Raha nanao zavatra tsy nety ny olona iray, dia eritrereto hoe mety ho nanao ahoana ny niafaran’ilay tantara raha nahay nanapa-kevitra izy. Eritrereto, ohatra, ilay i Petera nanda an’i Jesosy. (Marka 14:66-72) Inona no tokony ho nataon’i Petera tamin’izy nanontanian’ny olona?

    •   Raha mahay mamoron-kevitra ianao dia manandrama manoratra tantara miorina amin’ny Baiboly. Ampidiro ao ny fianarana azo raisina avy amin’ilay tantara.—Romanina 15:4.

      Ataovy hoatran’ny hoe hitanao mihitsy ilay tantara!

 Manaova fikarohana

 Mety hahalala zavatra sarobidy tsy noeritreretinao ianao raha mandinika tsipiriany. Teny iray na roa fotsiny dia efa mety hisy dikany be.

 Ampitahao, ohatra, ny Matio 28:7 sy ny Marka 16:7.

  •    Nahoana i Marka no nampiditra an’ilay tsipiriany hoe kely sisa i Jesosy dia hiseho amin’ny apostoly “sy amin’i Petera”?

  •  Fanampiana: Tsy nanatri-maso ny zavatra notantarainy i Marka. Azo inoana hoe i Petera no nitantara taminy.

  •  Fahalalana sarobidy: Tsy maintsy hoe nahazo aina i Petera rehefa fantany fa te hahita azy i Jesosy. Nahoana? (Marka 14:66-72) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tena namany i Petera? Ahoana no hahatonga anao ho tena namana hoatran’i Jesosy?

 Vao mainka hahafinaritra anao ny mamaky Baiboly raha ataonao velombelona ny tantara ao sady anaovanao fikarohana ny tsipiriany!