Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 2: Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hatao Batisa Aho?

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 2: Inona no Tokony Hataoko Raha Te Hatao Batisa Aho?

 Efa manaraka ny fitsipika ao amin’ny Baiboly ve ianao, sady efa miezaka minamana amin’Andriamanitra? Raha efa manao an’ireo ianao, dia mety ho efa mieritreritra ny hatao batisa. Ahoana àry no ahalalanao hoe efa vonona ny hatao batisa ianao? a

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona avy no tokony ho fantatro?

 Raha te hatao batisa ianao, dia tsy voatery hoe mahay tsianjery an’izay voalazan’ny Baiboly, hoatran’ireny ankizy hanala fanadinana ireny. Mila mampiasa ny sainao anefa ianao mba ho resy lahatra tsara hoe marina izay ampianarin’ny Baiboly. (Romanina 12:1) Azonao eritreretina, ohatra, ireto:

  •   Resy lahatra ve ianao hoe tena misy Andriamanitra sady tena mendrika ny hivavahana?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”​—Hebreo 11:6.

     Eritrereto izao: ‘Fa maninona aho no mino hoe misy Andriamanitra?’ (Hebreo 3:4) ‘Nahoana aho no tokony hivavaka aminy?’​—Apokalypsy 4:11.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina? Fizarana 1: Haiko ve ny Manaporofo fa Misy Andriamanitra?

  •   Resy lahatra ve ianao hoe tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.”​—2 Timoty 3:16.

     Eritrereto izao: ‘Nahoana aho no mino hoe tsy hevitr’olombelona no ao amin’ny Baiboly?’​—Isaia 46:10; 1 Tesalonianina 2:13.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 1: Fantaro Izay Resahin’ny Baiboly.”

  •   Resy lahatra ve ianao hoe ny fiangonana kristianina no ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Ho [an’Andriamanitra] anie ny voninahitra, amin’ny alalan’ny fiangonana sy amin’ny alalan’i Kristy Jesosy hatrany amin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay!”​—Efesianina 3:21.

     Eritrereto izao: ‘Ahoana no fiheverako an’ireo zavatra ianarana any am-pivoriana? Avy amin’i Jehovah sa avy amin’olona?’ (Matio 24:45) ‘Mandeha mivory foana ve aho, na tsy afaka aza ny ray aman-dreniko (raha avelan-dry zareo mivory aho)?’​—Hebreo 10:24, 25.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Fa Maninona Aho no Tokony Handeha Hivory?

 Inona no tokony hataoko?

 Tsy hoe tsy maintsy lavorary ianao vao tokony hatao batisa. Tsy maintsy asehonao anefa hoe tena te ‘hiala amin’ny ratsy’ ianao ary te ‘hanao ny tsara.’ (Salamo 34:14) Diniho àry hoe:

  •   Efa manaraka ny fitsipik’i Jehovah ve ianao?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Manàna feon’ny fieritreretana madio.”​—1 Petera 3:16.

     Eritrereto izao: ‘Hita ve hoe “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy” aho?’ (Hebreo 5:14) ‘Oviana aho, ohatra, no nahavita nanda rehefa nasain’ny ankizy nanao zavatra ratsy? Mampirisika ahy hanao ny tsara ve ny namako?’​—Ohabolana 13:20.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?

  •   Ekenao ve hoe tompon’andraikitra amin’izay ataonao ianao?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”​—Romanina 14:12.

     Eritrereto izao: ‘Rehefa mandinika ny tenako aho, dia ekeko ve hoe misy toetrako mila ahitsy sa mody tsy mahita an’ilay izy aho? Milaza ny marina foana ve aho?’ (Hebreo 13:18) ‘Miaiky ny fahadisoako ve aho sa manafinafina? Ny olon-kafa indray ve no omeko tsiny rehefa diso aho?’​—Ohabolana 28:13.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hataoko Rehefa Izaho no Diso?

  •   Miezaka hinamana foana amin’i Jehovah ve ianao?

     Milaza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”​—Jakoba 4:8.

     Eritrereto izao: ‘Inona avy no ataoko mba hahatonga ahy hinamana amin’i Jehovah foana? Isaky ny inona, ohatra, aho no mamaky Baiboly?’ (Salamo 1:1, 2) ‘Zatra mivavaka matetika ve aho?’ (1 Tesalonianina 5:17) ‘Manao vavaka voafaritra tsara ve aho? Ny naman’i Jehovah ve no ataoko namana?’​—Salamo 15:1, 4.

     Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly? Fizarana 2: Ataovy Mahafinaritra ny Famakiana Baiboly”, sy ilay hoe “Nahoana Aho no Tokony Hivavaka?

 SOSO-KEVITRA: Vakio ny toko faha-37 ao amin’ny Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, fa hanampy anao ho vonona hatao batisa, indrindra ilay ao amin’ny pejy 308 sy 309.

a Vakio ilay lahatsoratra hoe “Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 1” fa resahiny ao hoe inona no atao hoe batisa, ary nahoana no tena ilaina ny manokan-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa.