MANONTANY NY TANORA

Sao dia Tokony Hijanona Tsy Hianatra Intsony Aho?

Sao dia Tokony Hijanona Tsy Hianatra Intsony Aho?

 “Mankaleo be ilay mianatra!” Raha izany no tsapanao, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy tokony hianatra intsony. Hanampy anao hahita vahaolana hafa ity lahatsoratra ity.

 Nahoana ny ankizy sasany no nijanona tsy nianatra intsony?

 Milaza ny mpampianatra hoe ireto matetika no antony:

  •   Tsy mety mahay. ‘Efa mba miezaka ihany aho fa vao mainka miharatsy be foana ny naotiko.’

  •   Kamo. ‘Hoatran’ny tsy ilaiko akory ilay zavatra ianarana any am-pianarana.’

  •   Sahirana ara-bola. ‘Tsy maintsy miasa aho mba hanampiana ny ao an-tranonay.’

 Eritrereto izay ho vokany any aoriana any

 Hoy ny Baiboly: “Ny malina ... mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoe raha mieritreritra ny tsy hianatra intsony ianao, dia eritrereto tsara aloha izay ho vokany.

 Eritrereto izao:

  •   ‘Hahita asa tsara ve aho any aoriana any raha izao sahady dia efa tsy mianatra intsony?’

     “Eritrereto hoe hitady asa ianao any aoriana any, ary mety hoe hamelona fianakaviana. Ahoana no hataonao raha diplaoma eny amin’ny lise, fara fahakeliny, no takin’ny ankamaroan’ny mpampiasa?”—Julia.

  •   ‘Ho vitako ve ny hiatrika olana any aoriana any, raha izao sahady aho dia mijanona tsy mianatra?’

     “Manomana anao hiatrika fiainana ny any am-pianarana. Hoatran’ny any am-pianarana amin’izao ihany ny olona hifanerasera aminao sy ny fakam-panahy hahazo anao ary ny asa hataonao, any aoriana any.”—Daniel.

  •   ‘Ho ampy hiatrehako ny fiainako ve ny fahaizako amin’izao, raha mijanona tsy mianatra intsony aho?’

     “Mety hieritreritra ianao izao hoe tsy tena ilaina ny zavatra ianaranao any am-pianarana. Rehefa 23 taona amin’izay ianao, ka miezaka hitantana tsara ny volanao, dia hoy ianao hoe: ‘Soa ihany aho fa nianatra matematika tsara!’”—Anna.

 Inona ny vahaolana?

  •   Mangataha fanampiana. Hoy ny Baiboly: “Ahazoana famonjena ... ny fananana mpanolo-tsaina maro.” (Ohabolana 11:14) Raha miharatsy be foana ny naotinao dia miresaha amin’ny dadanao, na mamanao, na mpampianatra anao, na olon-dehibe hafa azonao itokisana. Anontanio azy hoe inona no tokony hataonao mba hanatsaranao ny naotinao.

     “Miresaha amin’ny mpampianatra anao, raha misy taranja tsy mety hainao mihitsy. Indraindray ianao mety hieritreritra hoe ilay mpampianatra no mahatonga anao tsy hahay. Raha mangataka fanampiana anefa ianao, dia mety ho voavaha ilay olana.”—Edward.

  •   Eritrereto ny soa ho azonao. Milaza ny Baiboly hoe: “Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany.” (Mpitoriteny 7:8) Tsy vitan’ny hoe hahay an’ireo taranja nianaranao tany am-pianarana ianao rehefa mahavita fianarana hatramin’ny farany. Lasa hanana toetra sy fahaizana hafa tena ilainao eo amin’ny fiainana koa ianao.

     “Rehefa olon-dehibe ianao, dia tsy hoe mbola asaina hamorona lahatsoratra ihany, na hoe hianatra lesona fa hanao fanadinana. Matetika ianao no mitebiteby sy miady saina amin’ireny any am-pianarana. Raha vitanao anefa ny miatrika an’izany, dia tsy ho sarotra aminao ny hiatrika an’izay olana hitranga eo amin’ny fiainanao.”—Vera.

    Raha mijanona tsy mianatra ianao, dia hoatran’ny olona anankiray miala ao anaty sambo nefa mbola tsy tonga eny an-tseranana akory. Mety hanenina ianao avy eo hoe tahaka izay mbola nijanona tao amin’ilay sambo ihany!

  •   Diniho tsara aloha sao dia misy zavatra hafa azo atao. Hoy ny Baiboly: “Hahantra ... izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy misy azo atao intsony fa aleo mijanona tsy mianatra. Mety ho azonao atao, ohatra, ny mamita ny fianaranao amin’ny alalan’ny Internet, na mitady mpampianatra afaka mampianatra any an-trano.

     “Mampianatra anao hiasa mafy sy hamaha olana ary hahay hiara-hiasa amin’ny hafa ny fianarana. Ilainao foana izany. Hafa ihany ilay hoe mahavita fianarana hatramin’ny farany.”—Benjamin.

 Tadidio izao: Raha mahavita fianarana hatramin’ny farany ianao, dia hahay zavatra be dia be. Hanampy anao hiatrika fiainana izy ireny rehefa any aoriana any.