Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hilazako Amin’i Dada sy Neny hoe Tsy Rariny ny Fitsipika Apetrany?

Ahoana no Hilazako Amin’i Dada sy Neny hoe Tsy Rariny ny Fitsipika Apetrany?

 “Nety be tamiko ny fitsipika napetrak’i Dada sy Neny, tamin’izaho 15 taona. Fa izao kosa aho efa 19 taona, dia tsy tokony ho voafehifehy be intsony.”—Sylvia.

 Hoatr’izany koa ve no tsapanao? Ahoana àry no hiresahanao an’ilay izy amin’ny ray aman-dreninao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity.

 Tsara ho fantatrao

 Eritrereto izao alohan’ny hiresahanao amin’ny ray aman-dreninao:

  •  Ho ambony ambany ny fiainana raha tsy misy fitsipika. Ho ratsy be, ohatra, ny vokany raha samy manao izay tiany ny mpamily, fa tsy manaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana. Hikorontana koa ny fiainana ao an-tokantrano raha tsy misy fitsipika.

  •  Tena tia anao ny ray aman-dreninao matoa manome fitsipika. Ahoana, ohatra, raha tsy mba manome fitsipika mihitsy ry zareo? Mety hidika izany hoe tsy miraharaha anao ry zareo. Tsy manao tsara ny andraikiny ny ray aman-dreny hoatr’izany.

 FANTATRAO VE? Na ny ray aman-dreny koa aza mila manaraka fitsipika. Jereo, ohatra, ny Genesisy 2:24; Deoteronomia 6:6, 7; Efesianina 6:4; ary ny 1 Timoty 5:8.

 Ahoana anefa raha ilay fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao mihitsy no hitanao hoe tsy rariny?

 Inona no azonao atao?

 Mieritrereta tsara aloha fa aza maika hiresaka. Tsy hifehifehy be anao intsony ny ray aman-dreninao raha hitany hoe zatra mankatò ianao. Ahoana anefa raha imbetsaka ianao no tsy nanaraka ny fitsipiny? Tsy aleo ve aloha miezaka, izay vao miresaka amin-dry zareo? Afaka manampy anao ilay lahatsoratra hoe “Inona no Azoko Atao mba Hatoky Ahy i Dada sy Neny?

 Ahoana indray raha efa nanaraka tsara ny fitsipiky ny ray aman-dreninao ianao? Afaka miresaka aminy ianao. Omano mialoha izay zavatra holazainao amin-dry zareo, amin’izay ho hitanao raha mitombina ilay zavatra angatahinao na tsia. Anontanio ry zareo hoe rahoviana ianareo no afaka miresaka ary aiza. Rehefa tonga amin’izay ilay fotoana ifampiresahanareo, dia tadidio ireto:

 Hajao izy ireo. Milaza ny Baiboly hoe: “Ny teny maharary ... mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Tsy hitondra mankaiza ilay resaka, raha mamalivaly na manakiana ny ray aman-dreninao ianao.

 “Manaja an’ahy ry Dada sy Neny rehefa manaja an-dry zareo aho. Mora ny mahita marimaritra iraisana rehefa hoatr’izany.”—Bianca, 19 taona.

 Henoy izy ireo. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Tadidio hoe mifampiresaka ianareo, ka mba mila mihaino koa ianao fa tsy hoe miteny foana.

 “Rehefa mihalehibe isika dia mety hieritreritra hoe mahay kokoa noho ny ray aman-drenintsika. Tsy marina anefa izany. Aleo foana mihaino ny torohevitra omen’izy ireo.”—Devan, 20 taona.

 Mipetraha eo amin’ny toeran’izy ireo. Miezaha hahazo ny fomba fiheviny. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” (Filipianina 2:4) Tokony hihevitra an’izay hahasoa ny ray aman-dreninao àry ianao.

Raha tsy te ho voafehifehy be ianao, iza amin’ireo no tokony hataonao?

 “Nieritreritra aho taloha hoe faly hanohitra an’ahy fotsiny i Dada sy Neny. Azoko anefa izao hoe nitovy ihany kay izahay. Ry zareo niezaka nitaiza tsara an’ahy, dia izaho koa mba niezaka ny ho matotra. Izay hahasoa an’ahy foana no notadiavin-dry zareo.”—Joshua, 21 taona.

 Manomeza soso-kevitra. Andao hatao hoe asain’olona amin’ny fety anankiray ianao ary somary lavidavitra ilay toerana. Tsy avelan’ny ray aman-dreninao handeha ianao. Iezaho fantarina hoe inona no tena olana: Ilay toerana lavitra ve sa ilay fety mihitsy?

  •   Raha ilay toerana lavitra no olana: Mety hiova hevitra ve ry zareo raha teneninao hoe hitady namana azo itokisana ianao mba hiaraka aminao?

  •   Raha ilay fety no olana: Mety hanaiky ve ry zareo raha lazainao hoe iza avy no ho any, ary iza no hanara-maso an’ilay izy?

 Hajao foana ry zareo rehefa milaza ny hevitrao ianao ary henoy tsara izy. Tokony ho hita amin’ny teninao sy ny fihetsikao hoe ‘manaja ny rainao sy ny reninao’ ianao. (Efesianina 6:2, 3) Na manaiky an’izay angatahinao ry zareo na tsia, dia...

 Ekeo foana izay fanapahan-keviny. Tena ilaina izany, na dia betsaka aza ny tanora tsy mahatsapa an’izany. Ahoana, ohatra, raha tsy nanaiky ny fangatahanao ny ray aman-dreninao? Raha tezitra aminy ianao, dia ho sarotra aminao ny hahazo an’izay angatahinao amin’ny manaraka. Raha manaja ny fanapahan-keviny anefa ianao, dia mety tsy hifehifehy be anao intsony ry zareo.