Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hataoko Raha Kivy Be Aho?

Inona no Hataoko Raha Kivy Be Aho?

 Inona no hataonao?

 Diniho ny mahazo an’ireto tanora ireto:

 Lasa malahelohelo foana i Ravaka tato ho ato. Mora migogogogo mitomany koa izy isan’andro, na dia toa tsy misy antony tokony hitomaniany aza. Lasa tia mitokantokana izy, ary zara raha mihinan-kanina. Tsy mety mahita tory koa izy, ary tsy afaka mifantoka tsara. Dia lasa ny sainy hoe: ‘Fa maninona àry aho? Dia ho hoatr’izao foana ve ’zaho?’

 Nazoto nianatra i Fidy. Tsy tia mandeha mianatra intsony anefa izy izao, ary lasa ratsy be ny naotiny. Tsy mahavita manao an’ireo fanatanjahan-tena tiany taloha koa izy. Gaga àry ny namany, ary lasa miady saina momba azy ny ray aman-dreniny. Mandalo fotsiny ve izao mahazo azy izao, sa mety haharitra?

 Manao hoatran’i Ravaka sy Fidy koa ve ianao matetika? Raha izany, inona no azonao atao? Ireto misy safidy roa:

  1.   Miady irery

  2.   Miresaka amin’ny olon-dehibe atokisanao

 Safidy A: Mety ho tianao ny hiady irery, indrindra raha tsy te hiresaka ianao. Fahendrena anefa ve izany? Hoy ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray, ... fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina azy ilay namany. Fa hanao ahoana kosa ilay lavo, raha tsy misy olon-kafa hanarina azy?”—Mpitoriteny 4:9, 10.

 Aoka hatao hoe ao amin’ny toerana mampidi-doza ianao, nefa very sy tsy mahita lalana. Efa alina ny andro, ary be olon-dratsy ilay toerana. Inona àry no hataonao? Azonao atao ny mitady lalana irery. Tsy aleo anefa ve manontany olona azonao atokisana sy afaka manampy anao?

 Hoatran’ny hoe ao amin’ilay toerana mampidi-doza ianao, raha kivy be foana. Misy tanora kivikivy indraindray, fa tsy maharitra ilay izy. Raha kivy be foana kosa anefa ianao, dia tsara kokoa ny mitady fanampiana.

 TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Toherin’izay mitokantokana rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.’—Ohabolana 18:1.

 Safidy B: Miresaka amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olon-dehibe iray atokisanao. Hahasoa anao izany, satria ry zareo koa mety ho efa kivy be taloha.

 Mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy azon’i Dada sy Neny mihitsy ange izay tsapako e!’ Tena marina ve izany? Marina fa mety ho hafa ny zava-tsarotra natrehin’izy ireo taloha, nefa mety ho mitovy amin’izay tsapanao ihany no tsapany. Ary mety ho fantany hoe inona no tokony hatao.

 TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy manam-pahendrena ve ny be taona, ary tsy mahira-tsaina ve izay efa ela niainana?”—Joba 12:12.

 Tadidio izao: Mety hahazo hevitra tena tsara ianao, raha miresaka amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olon-dehibe atokisanao.

Hoatran’ny hoe ao amin’ny toerana mampidi-doza ianao, raha kivy be foana. Mila fanampiana àry ianao vao ho tafavoaka

 Ary ahoana raha efa lasa aretina ilay izy?

 Raha kivy be foana ianao isan’andro, dia mety ho efa lasa aretina ilay izy ka mila tsaboina.

 Hoatran’ny hoe efa mpahazo ny tanora ny hoe kivikivy indraindray. Raha kivy be foana nefa ny tanora iray, dia mety ho efa lasa aretina ilay izy. Raha hoatr’izany no mahazo anao, dia asaivo mitondra anao any amin’ny dokotera ny ray aman-dreninao.

 TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy ny olona salama no mila dokotera, fa ny marary.”—Matio 9:12.

 Tsy misy tokony hahamenatra raha milaza aminao ny dokotera hoe efa lasa aretina ilay izy. Be dia be ny tanora voa hoatr’izany, nefa azo tsaboina ilay izy. Tsy hanilikilika anao koa ny namanao, raha tena namanao ry zareo.

 Izao atao: Manàna faharetana. Tsy ho sitrana vetivety mantsy ianao. Tsy maintsy hitranga ny hoe indraindray ianao falifaly, ary indraindray ianao kivy be. a

 Soso-kevitra mahomby

 Na mila fitsaboana ianao na tsia, dia misy zavatra azonao atao, raha kivy be foana ianao. Mety hanampy anao, ohatra, ny manao fanatanjahan-tena tsy tapaka, mihinana sakafo mahasalama, ary miezaka ny ho ampy torimaso. (Mpitoriteny 4:6; 1 Timoty 4:8) Azonao soratana ao amin’ny diarinao koa ireto: Ny zavatra tsapanao, izay tianao hatao mba hahasalama anao, ny fotoana nahakivy be anao, ary ny fotoana nahafaly anao.

 Raha kivikivy ianao indraindray, na efa lasa aretina mihitsy ilay izy, dia tadidio izao: Mety ho afaka ilay izy, raha manaiky ny fanampian’ny olon-kafa ianao, ary miezaka ny hanao zavatra mba hahasalama anao.

 Andinin-teny mety hanampy anao

  •  “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

  •  “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.”—Salamo 55:22.

  •  “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’”—Isaia 41:13.

  •  “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso.”—Matio 6:34.

  •  “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo.”—Filipianina 4:6, 7.

a Mitadiava fanampiana avy hatrany, raha mieritreritra ny hamono tena ianao. Jereo koa ny fanazavana ao amin’ny Mifohaza! Aprily 2014, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Aza Mamoy Fo!