Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao mba ho Ampy Torimaso Aho?

Inona no Azoko Atao mba ho Ampy Torimaso Aho?

Ratsy ve ny naotinao tamin’ny matematika na tamin’ny taranja fanatanjahan-tena? Mety hieritreritra àry ianao hoe mila miezaka bebe kokoa. Mety hoe ilay ianao tsy ampy torimaso anefa no tena olana.

 Nahoana no zava-dehibe ny hoe ampy torimaso?

Milaza ny manam-pahaizana fa tokony hatory adiny valo hatramin’ny adiny folo ny tanora, amin’ny alina. Nahoana izany no tena ilaina?

  • Lasa marani-tsaina kokoa ianao. Misy milaza hoe hoatran’ny manome sakafo ho an’ny atidohanao ianao rehefa matory. Hahay kokoa ianao any am-pianarana rehefa ampy torimaso. Ankoatra izay, dia ho mora kokoa aminao ny handamina olana.

  • Ho falifaly kokoa ianao. Raha tsy ampy torimaso ny olona iray, dia mety halahelohelo, ho kivy be, ary tsy hahay hifandray amin’ny hafa. Mety hiovaova koa ny fihetseham-pony.

  • Hifantoka tsara ianao rehefa mitondra fiara. Ny tanora 16 ka hatramin’ny 24 taona no atahorana kokoa ho rendremana rehefa mitondra fiara, raha ampitahaina amin’ny olona 40 ka hatramin’ny 59 taona. Izany no mahatonga an’ireny tanora ireny hiharan-doza.

  • Ho salama kokoa ianao. Rehefa matory ianao, dia afaka manolo na manavao an’ireo sela simba ny vatanao. Tsy dia atahorana hatavy be, na ho voan’ny diabeta, na ho tapaka lalan-dra koa ianao raha ampy torimaso.

Azo ampiasaina tsara ny telefaonina rehefa feno ny bateriany. Mavitribitrika koa ianao rehefa ampy torimaso

 Inona no mahatonga anao tsy ho ampy torimaso?

Hitantsika teo fa tena mahasoa ny torimaso. Mbola betsaka anefa ny tanora tsy ampy torimaso. Hoy i Elaine, 16 taona:

“Nanontanian’ny mpampianatra anay izahay, tany am-pianarana, hoe amin’ny firy izahay no mandeha matory amin’ny alina. Ny ankamaroany namaly hoe amin’ny 2.00 maraina. Ny an’ny sasany indray amin’ny 5.00 maraina. Anankiray ihany no niteny hoe amin’ny 9.30 alina.”

Inona no mety hahatonga an’ilay olana?

Namana. “Betsaka ny zavatra mety hahatonga anao tsy hatory aloha, na ho lanilany fotoana amin’ny zavatra tsisy dikany. Rehefa ilay tafaraka amin’ny namana, amin’ny andro harivariva, iny ianao no tena tratran’izany.”—Pamela.

Zavatra tsy maintsy atao. “Izaho aloha tena tia matory e! Tsy mety ampy torimaso anefa aho satria be atao loatra.”—Ana.

Fitaovana elektronika. “Ny telefaoniko no tena olana. Te hijery an’ilay izy foana aho rehefa eo am-pandriana.”—Anisa.

 Inona no azonao atao?

  • Ataovy zava-dehibe aminao ny torimaso. Milaza ny Baiboly hoe: “Aleo fialan-tsasatra eran-tanan’ila, toy izay asa mafy eran-tanan-droa nefa toy ny misambo-drivotra fotsiny.” (Mpitoriteny 4:6) Tsy hoe zavatra mahafinaritra fotsiny ny hoe matory fa tena ilaina. Tsy ho vitanao tsara izay zavatra ataonao, raha tsy ampy torimaso ianao. Na ny fialam-boly ataonao aza tsy tena hankafizinao.

  • Jereo hoe inona no tena mahatonga anao tsy ho ampy torimaso. Tia miaraka amin’ny namanao ve ianao, dia alina be vao mody? Be loatra ve ny devoara sy ny raharaha tsy maintsy ataonao? Variana mampiasa telefaonina ve ianao nefa efa tokony hatory? Sa manapaka ny torimasonao ilay izy?

Eritrereto izao: Mila ezaka be ilay hoe manova ny zavatra efa mahazatra anao. Tsy ho very maina anefa ny ezaka ataonao. Hoy ny Ohabolana 21:5: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”

Tadidio koa anefa hoe tsy voatery hitovy ny zavatra mety amin’ny tsirairay. Misy, ohatra, miteny hoe mahita tory tsara izy amin’ny alina, rehefa matory kely amin’ny antoandro. Mifanohitra amin’izany indray anefa ny an’ny hafa. Jereo àry hoe inona no tena mety aminao. Afaka manampy anao ireto torohevitra ireto:

  • Makà aina tsara alohan’ny hatory. Vetivety ianao dia hahita tory amin’izay.

    “Tokony hovitainao aloha kokoa ny raharahanao sy ny zavatra hafa mila ataonao, amin’izay ianao tsy hiasa saina amin’ilay izy intsony rehefa hatory.”—Maria.

  • Amboary ny fandaharam-potoananao. Na dia misy zavatra mitranga tampoka aza, dia ataovy foana izay hahatonga anao ho ampy torimaso.

    “Mila matory adiny valo aho, fara fahakeliny, isan’alina. Raha mila mifoha aloha kokoa àry aho, dia jereko hoe amin’ny firy aho izany no mila matory mba ho feno foana ilay adiny valo.”—Vincent.

  • Aza ovaovana ny ora fatorianao. Ho zatra an’izay ny vatanao rehefa mandeha ny fotoana. Milaza ny manam-pahaizana fa tsy tokony hiovaova ny ora atorianao sy ny ora ifohazanao. Ahoana raha andramana izany mandritra ny iray volana? Ho hitanao hoe tena tsara ny vokany.

    “Raha tsy ovaovanao ny ora fatorianao, dia hisokatra tsara ny sainao ny ampitso. Ho vitanao tsara izay zavatra ataonao amin’izay.”—Jared.

  • Mahaiza mandanjalanja rehefa miaraka amin’ny namana. Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hahay handanjalanja’ isika ‘eo amin’izay zavatra fanaontsika’, anisan’izany ny fialam-boly.—1 Timoty 3:2, 11.

    “Tsy maintsy noferako ny fotoana niarahako tamin’ny namako rehefa hariva. Lasa tsy ampy torimaso foana mantsy aho rehefa tsy manao an’izany.”—Rebecca.

  • Mba avelao “hatory” koa ny telefaoninao! Tsy tokony hampiasa Internet na handefa hafatra intsony ianao, fara fahakeliny, adiny iray alohan’ny hatorianao. Mahatonga ny olona tsy hahita tory haingana ny hazavana avy amin’ny telefaonina, tele, na tablette, araka ny lazain’ny manam-pahaizana sasany.

    “Tian’ny olona raha afaka miresaka aminao foana izy na amin’ny firy na amin’ny firy. Rehefa fantatrao anefa hoe tsy tokony hampiasa telefaonina intsony ianao, dia aza kitihina intsony ilay izy. Ho ampy torimaso tsara ianao amin’izay.”—Julissa.