Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Manao Zavatra Mampalahelo Ahy ny Namako?

Ahoana Raha Manao Zavatra Mampalahelo Ahy ny Namako?

 Inona no tokony ho fantatrao?

  • Tsy maintsy misy foana ny olana rehefa mifandray amin’olona. Tsy lavorary na dia ny tena namanao be aza. Mety hiteny na hanao zavatra mampalahelo anao àry izy. Ianao koa anefa tsy lavorary. Mety ho efa nisy fotoana àry ianao nanao zavatra nampalahelo olon-kafa.—Jakoba 3:2.

  • Mety ho lasa mora malahelo ianao rehefa mijerijery ao amin’ny Internet. Hoy ny tanora iray antsoina hoe David: “Mety hitranga ny hoe rehefa iny ianao mijerijery ao amin’ny Internet iny no mahita ny sarin’ny namanao manao fety. Dia gaga ianao hoe maninona ianao no tsy nasainy. Dia lasa mieritreritra ianao hoe nivadika taminao izy, dia malahelo ianao.”

  • Azonao atao ny mianatra miatrika an’ilay olana.

 Inona no azonao atao?

Mandinika ny tenanao. Hoy ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho mora tezitra, fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ny adala.”—Mpitoriteny 7:9.

“Rehefa atỳ aoriana dia hitanao hoe hay tsisy dikany akory ilay zavatra nahatezitra anao.”—Alyssa.

Eritrereto izao: Mora tezitra ve ianao? Maninona raha miezaka ny mba hahay handefitra kokoa?—Mpitoriteny 7:21, 22.

Mieritreritra ny soa ho azonao raha mamela heloka ianao. Hoy ny Baiboly: “Voninahitra ... ny mamela fahadisoana.”—Ohabolana 19:11.

“Mety hoe manana ny rariny ianao, nefa aleo mamela heloka. Tsy tsara raha hoe averimberinao tenenina aminy foana ny tsy nety nataony, dia miala tsiny aminao foana izy. Rehefa namela azy ianao, dia aza resahina intsony ilay izy.”—Mallory.

Eritrereto izao: Tena lehibe ve ilay olana? Sao dia afaka mamela heloka ianao, dia amin’izay ho mpinamana foana ianareo?—Kolosianina 3:13.

Raha andeha hifampiresaka amin’ny namanao ianao, isaky izao misy olana kely izao, dia hoatran’ny hoe avelanao hisokatra matetika ny varavarana dia miditra ao an-trano ny rivotra mamirifiry

Mieritreritra an’ilay namanao. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

“Rehefa mifankatia sy mifanaja ny mpinamana, dia lasa te handamina an’ilay olana haingana. Efa samy niezaka be mantsy ianao sy ilay namanao mba ho mpinamana. Dia tsy tianao raha hoe lasa tsy mpinamana intsony ianareo.”—Nicole.

Eritrereto izao: Hitanao hoe misy marina ihany ve ny hevitr’ilay namanao?—Filipianina 2:3.

Tadidio izao: Tsara raha amin’izao ianao dia mahay mizaka an’izany hoe malahelo noho ny nataon’ny namanao izany. Amin’izay mantsy ianao dia tsy ho sahirana rehefa tratran’izany rehefa lehibe.