MANONTANY NY TANORA
Tena Tsy Mety ve ny Miteny Ratsy?
“Lasa tsy mampaninona ahy intsony ny mandre olona miteny ratsy, satria efa zatra loatra ny sofiko.”—Christopher, 17 taona.
“Mpiteny ratsy be aho tamin’ny mbola kely. Vetivety ianao dia zatra miteny ratsy, nefa ela be vao afaka amin’ilay izy.”—Rebecca, 19 taona.
Diniho ny tenanao
Inona no vokany eo aminao rehefa maheno olona miteny ratsy ianao?
Tsy raharahaiko akory ilay izy fa efa mahazatra ahy.
Tsy tiako aloha ilay izy fa tsy mampaninona ahy.
Tsy zakako mihitsy ilay izy fa tonga aho dia sorena be foana.
Impiry ianao no miteny ratsy?
Tsy miteny mihitsy
Indraindray
Matetika
Olana lehibe ve izany resaka teny ratsy izany aminao?
Eny
Tsia
Nahoana izany no ilaina fantarina?
Aminao angamba tsy olana lehibe izany resaka teny ratsy izany. Mety hilaza ianao hoe: ‘Tsy misy iasako saina amin’izany. Zavatra hafa mihitsy no manahirana ny lohako. Sady ny olon-drehetra ange miteny ratsy daholo e!’ Tena marina ve anefa izany?
Be dia be ny olona no tsy miteny ratsy mihitsy. Misy antony matoa izy ireo tsy manao an’izany, ary zavatra tsy eritreretin’ny olona mihitsy ilay izy. Ireto misy ohatra:
Ahitana ny tena maha izy ny olona iray ny teny lazainy. Ho hita hoe tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa ianao raha miteny ratsy. Hoatr’izany ve ianao?
Hoy ny Baiboly: ‘Izay mivoaka avy amin’ny vava dia avy ao am-po.’—Matio 15:18.
Mety tsy ho tia anao ny olona raha miteny ratsy ianao. Hoy ny boky Cuss Control: “Mety ho hita avy amin’ny fomba fiteninao hoe olona hoatran’ny ahoana no ho namanao, ahoana no hitondran’ny mpiara-miasa na ny fianakavianao anao, hifandray tsara amin’ny hafa ve ianao, ho be mpitia ve, hahazo asa na fisondrotana ve. Ary raha sendra olona mbola tsy fantatrao ianao, ahoana no ho fandraisany anao?” Izao koa no nolazain’ilay boky: “Saintsaino hoe nety ho tsara kokoa ve ny fifandraisanao tamin’ny hafa raha tsy niteny ratsy ianao.”
Hoy ny Baiboly: ‘Esory ny fanevatevana rehetra.’—Efesianina 4:31.
Tsy hahatonga anao ho olona mora ifandraisana mihitsy ny miteny ratsy, na dia izany aza no eritreretinao. Hoy ny Pr. Alex Packer tao amin’ny boky How Rude!: “Mandreraka be ny mihaino olona miteny ratsy foana.” Nilaza koa izy fa “tsy azo eritreretina hoe hahay hanavaka na harani-tsaina na hihevitra ny hafa” ny olona mpiteny ratsy. “Ho lasa kamokamo sy tsy dia hiasa firy ny sainao, raha tsy misy heviny firy ny zavatra lazainao, na tsy tena mazava.”
Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy teny ratsy hivoaka amin’ny vavanareo.”—Efesianina 4:29.
Inona no azonao atao?
Manàna tanjona. Maninona raha mba miezaka tsy hiteny ratsy ao anatin’ny iray volana na latsak’izany? Azonao soratana amin’ny kalandrie na taratasy ny fandrosoana vitanao. Mila manana tanjona fanampiny anefa ianao, raha tena te hiala amin’io fahazaran-dratsy io. Ohatra:
Ialao ny fialam-boly be teny ratsy. Hoy ny Baiboly: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Tsy olona ihany no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘namana’, fa fialam-boly koa. Anisan’izany ny filma jerenao, ny lalao video ataonao, na ny hira henoinao. Hoy i Kenneth, 17 taona: “Mora aminao ny manaraka hira iray tianao sy tsy miraharaha izay teny ratsy ao anatiny, rehefa tsara ny gadon’ilay izy.”
Miezaha ho matotra. Misy miteny ratsy amin’izay mba hoatran’ny hoe efa olon-dehibe. Ny mifanohitra amin’izany anefa no izy. Ny olona matotra dia “izay manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14) Tsy izy ireo mihitsy no handeha hampandefitra ny fitsipika arahiny, satria fotsiny hoe mba te “hampiaiky volana” ny hafa.
Rehefa miteny ratsy ny olona iray dia tsy hoe mandoto ny sainy fotsiny, fa mandoto ny sain’ny olona maheno an’ilay izy koa. Efa be loatra ny olona manao an’izany. Hoy ny boky Cuss Control: “Aza manampy trotraka fa ataovy ny anjaranao mba hampahadio ny sain’ny manodidina anao. Hilamin-tsaina ianao amin’izay, ary hanaja anao koa ny hafa.”