Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atokisana ve ny Filazantsara Vaovao?

Azo Atokisana ve ny Filazantsara Vaovao?

Azo Atokisana ve ny Filazantsara Vaovao?

NISY lahatsoratra noheverina fa very nandritra ny 1 600 taona mahery hitan’ny manam-pahaizana. (Eo amin’ny sary.) Nataon’izy ireo boky izy io tatỳ aoriana ary nantsoina hoe “Filazantsaran’i Jodasy.” Faly be izy ireo rehefa navoaka izy io, ka nisy nilaza hoe: “Tena miavaka ity zavatra hitantsika ity, nefa maro izao no ho tezitra.” Hoy koa ny sasany: “Hanova ny zavatra efa fantatsika momba ny Kristianina fahiny izy io.”

Lasa liana tamin’ireny filazantsara ireny ny olona. Misy zavatra nafenina, hono, momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany ka izy ireny no mitantara an’izany. Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa ny zavatra tantarain’izy ireny momba an’i Jesosy sy ny fivavahana kristianina. Inona ireny filazantsara ireny, ary tena marina ve izay lazainy?

Filazantsara tena izy sy filazantsara tatỳ aoriana

Teo anelanelan’ny taona 41 sy 98 i Matio, Marka, Lioka ary Jaona no nanoratra ny “tantaran’i Jesosy Kristy.” (Matio 1:1) Nantsoina hoe Filazantsara na “vaovao tsara” momba an’i Jesosy Kristy ireny tantara ireny indraindray.—Marka 1:1.

Marina fa maro ny lovantsofina sy ny boky momba an’i Jesosy. Ireo Filazantsara efatra ireo ihany anefa no avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ka tokony ho anisan’ny Soratra Masina. Izy ireo mantsy no milaza ny marina momba ny “zava-drehetra nataon’i Jesosy sy nampianariny”, tamin’izy tetỳ an-tany. (Lioka 1:1-4; Asan’ny Apostoly 1:1, 2; 2 Timoty 3:16, 17) Nisy lisitra natao fahiny hoe iza avy ny boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao. Tafiditra tao amin’io lisitra io foana ireo Filazantsara efatra ireo. Tena azo antoka àry hoe anisan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo.

Lasa nisy asa soratra hafa nantsoina hoe filazantsara koa anefa tatỳ aoriana, ary nantsoina hoe apokrifa izy ireny. *

Nilaza i Irénée, eveka tany Lyon, tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa, fa nanana “boky be dia be tsy milaza ny marina” ireo Kristianina nivadi-pinoana. Anisan’izy ireny ny filazantsara “nosoratan’izy ireo mba hamitahana an’izay kely saina.” Lasa nihevitra àry ny olona fa tena mampidi-doza ny mamaky an’ireny boky ireny, eny fa na ny manana azy fotsiny aza.

Nanao kopia sy nitahiry an’ireny boky ireny anefa ny moanina sy ny mpanao dika soratra, tamin’ny taona 500 ka hatramin’ny 1500 tany ho any. Lasa liana be tamin’ireny ny olona, tamin’ny taonjato faha-19. Maro àry no nanangona an’ireny lahatsoratra sy boky misy tantara tsy marina ireny, anisan’ireny ny filazantsara maro. Efa nisy fanitsiana nataon’ny manam-pahaizana tao amin’izy ireny, ary misy amin’ny fiteny maro fampiasan’ny olona amin’izao.

Filazantsara tsy marina

Mitantara momba ny olona tsy dia resahina na tsy voaresaka mihitsy ao amin’ny Baiboly ny filazantsara vaovao. Miresaka ny fiainan’i Jesosy tamin’ny mbola kely koa izy ireny, nefa tsy marina akory ny zavatra tantarainy. Lazaina fa apostoly na olon-kafa tamin’izany no nanoratra azy ireny. Diniho, ohatra, ireto:

▪ Miresaka ny tantaran’i Maria tamin’izy teraka sy tamin’izy mbola kely ary tamin’izy nanambady an’i Josefa ny “Filazantsaran’i Jakoba.” Antsoina koa hoe “Ny Nahaterahan’i Maria” io filazantsara io. Tantara noforonina na angano fotsiny anefa izy io. Lazaina ao fa virjiny foana i Maria mandra-pahafatiny. Natao hanindrahindrana an’i Maria fotsiny ny tantara ao.—Matio 1:24, 25; 13:55, 56.

▪ Miresaka ny fiainan’i Jesosy tamin’izy 5 ka hatramin’ny 12 taona ny “Filazantsaran’i Tomasy.” Nanao fahagagana maro, hono, izy tamin’izany. (Jereo ny Jaona 2:11.) Hoatran’ny ratsy fanahy sy mora tezitra ary mpamaly faty be izy ao. Nampiasainy hamaliana faty ny mpampianatra sy mpiray tanàna taminy ary ny ankizy, hono, ny fahaizany manao fahagagana. Nisy, hono, nataony jamba na kilemaina na novonoiny ho faty mihitsy.

▪ Mitantara ny nitsarana an’i Jesosy sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ny filazantsara sasany, toy ny “Filazantsaran’i Petera.” Ny olona niarakaraka tamin’i Jesosy tamin’ireo fotoana ireo kosa no resahin’ny filazantsara hafa, toy ny “Asan’i Pilato” anisan’ny “Filazantsaran’i Nikodemosy.” Tsy tena nisy ny olona sy ny zavatra tantarain’izy ireny, ka tsy azo antoka. Mitady hanome rariny an’i Pontio Pilato, ohatra, ny “Filazantsaran’i Petera”, ary lainga ny zavatra resahiny momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.

Ny filazantsara vaovao sy ny fivadiham-pinoana

Nisy nahita taratasy papyrus (karazana zozoro) 13 tany akaikin’i Nag Hammadi, any Ejipta tamin’ny Desambra 1945. Nosoratana tamin’ny taonjato fahefatra izy ireo ary nisy lahatsoratra 52 tao. Mpivavaka sy filozofa maromaro atao hoe Gnostika no nanoratra azy ireo, ary voataonan’izy ireo ny Kristianina sasany. (1 Timoty 6:20, 21) Nampifangaroin’izy ireo mantsy ny fampianaran’ny mpanompo sampy, ny filozofia grika, ny fivavahana jiosy, ny fivavahana kristianina ary ny fampianaran’ireo olona mitady hifandray mivantana amin’Andriamanitra.

Anisan’ireo taratasy hita tany akaikin’i Nag Hammadi ary natao boky ny “Filazantsaran’i Tomasy” sy “Filazantsaran’i Filipo” ary “Filazantsaran’ny Fahamarinana.” Misy fampianaran’ny Gnostika ao amin’izy ireny, ary lazaina fa avy amin’i Jesosy. Toy izany koa ilay “Filazantsaran’i Jodasy” hita vao haingana. Resahina ao fa i Jodasy irery, hono, no apostoly tena nahalala hoe iza i Jesosy. Misy manam-pahaizana milaza fa hazavazavaina ao hoe “mpampianatra sy olon-kendry ary olona mahay be fotsiny i Jesosy, fa tsy maty mba hanafaka ny olona rehetra amin’ny ota.” Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny lazain’ny Filazantsara ao amin’ny Baiboly. (Matio 20:28; 26:28; 1 Jaona 2:1, 2) Vao mainka àry nahatonga ny olona tsy hino ny Baiboly ny filazantsaran’ny Gnostika.—Asan’ny Apostoly 20:30.

Hafa mihitsy ny tena Filazantsara

Tsy marina ireny filazantsara vaovao ireny. Tsy avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireny rehefa ampitahaina amin’ny Filazantsara ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 1:13) Olona tsy nahalala an’i Jesosy na ny apostoly no nanoratra azy. Tsy marina àry ilay hoe nanoratra zavatra nafenina momba an’i Jesosy sy ny fivavahana kristianina izy ireny. Tantara noforonina no ao amin’ny filazantsara vaovao, ka tsy manampy ny olona hahalala an’i Jesosy sy ny fampianarany.—1 Timoty 4:1, 2.

Ahoana kosa anefa ny Filazantsara ao amin’ny Baiboly? Nampian’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo nanoratra azy io. (2 Timoty 3:14-17) Anisan’ny apostoly 12 mihitsy koa i Matio sy Jaona. Niaraka be tamin’ny apostoly Petera sy Paoly koa i Marka sy Lioka. Efa ampy àry izay voasoratra ao amin’ireo Filazantsara efatra. Rehefa mamaky azy ireo ny olona, dia tonga dia hino hoe i Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra.—Jaona 20:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Avy amin’ny teny grika nadika hoe “miafina” ilay hoe “apokrifa.” Nilazana lahatsoratra natao ho an’ny olona vitsivitsy monja izy io tamin’ny voalohany, ary nafenina tamin’ny olon-kafa. Tatỳ aoriana anefa, dia lasa nilazana an’izay boky tsy anisan’ny Baiboly izy io nefa lazain’ny olona sasany fa anisany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Kenneth Garrett/National Geographic Image Collection