Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hahalala An’i Jesosy ny Olona

Te Hahalala An’i Jesosy ny Olona

Te Hahalala An’i Jesosy ny Olona

‘Tsy mitovy ny hevitry ny olona momba an’i Jesosy. Na mino azy isika na tsia, dia samy te hahafantatra hoe “Iza marina àry i Jesosy?”’ —STAN GUTHRIE, MPANORATRA.

TE HAHALALA an’i Jesosy ny olona, ka lasa be mpitia ny boky sy filma momba azy. Mbola betsaka anefa ny fanontanian’ny olona mahakasika azy, ary samy manana ny heviny izy ireo.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy mpanao gazety roa nametraka fanontaniana tao amin’ny Internet hoe “Iza i Jesosy?” Ireto ny valin-tenin’ny olona sasany:

● “Mpampianatra angamba izy, ary modely ho antsika satria tena nangoraka olona.”

● “Hoatran’ny olon-drehetra ihany izy, fa niavaka be fotsiny ny fiainany.”

● “Tsisy porofo milaza fa tena nisy i Jesosy.”

● “Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary nanavotra antsika tamin’ny ota. Teraka tetỳ an-tany aloha izy dia maty ary avy eo natsangana. Mbola velona izy izao sady mbola hiverina etỳ an-tany.”

● “Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy Kristy. Sady olombelona izy no andriamanitra.”

● “Tsy misy izany Jesosy izany fa angano fotsiny.”

Hita hoe tsy mitovy ny hevitry ny olona, nefa tsy voatery ho marina daholo. Aiza àry no ahitana fanazavana azo antoka momba an’i Jesosy? Ao amin’ny Baiboly irery ihany, satria izy io no Tenin’Andriamanitra. *2 Timoty 3:16.

Mamaly ny fanontaniana fametraky ny olona momba an’i Jesosy ny Baiboly. Handinika izany isika izao. I Jesosy mihitsy no nilaza fa ho voavonjy “izay rehetra maneho finoana azy.” (Jaona 3:16) Diniho tsara àry ny lahatsoratra manaraka. Ianao ihany amin’izay no hahita hoe mbola mila mahafantatra azy bebe kokoa ve sa tsia, ary ahoana no hanehoana finoana azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny toko 2 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.