Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana no Atao Batisa ny Kristianina?

Nahoana no Atao Batisa ny Kristianina?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Nahoana no atao batisa ny olona iray?

Mila atao batisa ny olona iray raha te hifandray tsara amin’Andriamanitra. Tsy zazakely àry no atao batisa, fa olona efa mahavita mianatra momba an’Andriamanitra sy manara-dia an’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 8:12; 1 Petera 3:21) Manara-dia azy ny olona iray rehefa mianatra sy manao izay takiny.—Vakio ny Matio 28:19, 20.

Olona maro no tonga dia nianatra momba an’Andriamanitra sy Jesosy, tamin’ny andron’ny apostoly. Tonga dia nanara-dia an’i Jesosy, ohatra, ny lehilahy iray rehefa nahalala fa maty mba hamonjy ny olona i Jesosy. Be dia be koa ankehitriny ny olona mifidy ny hanara-dia azy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:26-31, 35-38.

2. Nahoana i Jesosy no natao batisa?

Nataon’i Jaona batisa izy tamin’izy 30 taona teo ho eo. Naroboka tao amin’ny Reniranon’i Jordana izy tamin’izay. Natao batisa i Jesosy mba hampisehoany fa vonona hanao izay hasain’Andriamanitra hataony izy. (Hebreo 10:7) Anisan’izany ny hoe hanome ny ainy hanavotana ny olombelona amin’ny ota. Efa tia sy nankatò an’i Jehovah Rainy foana izy na dia mbola tany an-danitra aza.—Vakio ny Marka 1:9-11; Jaona 8:29; 17:5.

3. Nahoana no tena mila atao batisa isika?

Tsy mitovy amin’i Jesosy isika satria mpanota. Afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra anefa isika noho ny soron’i Jesosy. (Romanina 5:10, 12; 12:1, 2) Mety ho lasa fianakaviany mihitsy aza isika. (2 Korintianina 6:18) Tianao ve izany? Inona àry no tokony hataonao? Mila manao vavaka fanokanan-tena ianao, izany hoe mivoady amin’i Jehovah fa hanao ny sitrapony mandritra ny androm-piainanao. Tokony hatao batisa ianao avy eo, mba ho fantatry ny olona fa efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra.—Vakio ny Matio 16:24; 1 Petera 4:2.

4. Inona no mila ataonao vao azo atao batisa ianao?

Mampianatra Baiboly an’izay te hanatona an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mila mianatra Baiboly sy manatrika ny fivorian’izy ireo ianao. Vao mainka ianao ho tia an’Andriamanitra sy hino azy amin’izay. Hanampy anao hanana fomba fiaina tsara sy ho tsara toetra koa izany. Tsy mandeha ho azy anefa izany fa mila miezaka ianao. Ho afaka hatao batisa ianao amin’izay, sady ho vitanao ny hanefa foana an’ilay voadinao tamin’i Jehovah.—Vakio ny Jaona 17:3; Hebreo 10:24, 25.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 18, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.