Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hankalaza ny Taom-baovao Sinoa ve ny Kristianina?

Tokony Hankalaza ny Taom-baovao Sinoa ve ny Kristianina?

Tokony Hankalaza ny Taom-baovao Sinoa ve ny Kristianina?

NY VOLANA Janoary na Febroary no be olona indrindra mirohotra mankany Azia. Olona an-jatony tapitrisa mantsy no miverina any amin’ny fianakaviany mba hankalaza ny Taom-baovao Sinoa. *

Io Taom-baovao io no fety lehibe indrindra any Azia. Manomboka amin’ny tsinam-bolana voalohany amin’ny kalandrie sinoa izy io (eo anelanelan’ny 21 Janoary sy 20 Febroary amin’ny kalandrientsika), ary maharitra andro maromaro na tapa-bolana mihitsy aza.

Fotoana fanavaozana izy io, ka avalona hatreo ny lasa mba handraisana ny taona vaovao. Manadio sy mandravaka ny tranony ny olona, rehefa miomana ho amin’ilay fety. Mividy akanjo vaovao koa izy ireo, manomana sakafo manana anarana miady rima amin’ny hoe “tsara vintana” na “harena”, ary manefa ny trosany sy mamitram-pihavanana. Mifanolotra fanomezana kosa izy ireo rehefa Taom-baovao, ary mirary mba samy hanan-karena sy hahomby. Mifanolotra fonosana mena misy vola lazainy fa mahatsara vintana koa izy ireo, manao sakafo manokana, manapoaka tsipoapoaka, mijery dihin’ny dragona na dihin’ny liona, na miara-paly amin’ny havana aman-tsakaiza fotsiny.

Inona no dikan’izany rehetra izany? Hoy ny boky iray momba ny fety any Chine: “Te ho tsara vintana ny mpianakavy sy ny havana aman-tsakaiza, ary te hirary izany ho an’ny hafa koa amin’ilay taona vaovao. Te hanome voninahitra an’ireo andriamanitra sy fanahy koa izy ireo.” Ahoana àry no tokony hiheveran’ny Kristianina an’io fety io? Tokony hankalaza azy io ve izy ireo?

“Tsarovy ny loharano nipoirany”

Hoy ny ohabolana sinoa iray: “Rehefa misotro rano ianao, dia tsarovy ny loharano nipoirany.” Asehon’izany fa fatra-panaja ray aman-dreny sy razana ny Aziatika. Ny ray aman-dreny mantsy no nanome aina, ka ara-dalàna raha hajain’ny zanany. Mitana toerana lehibe amin’io fety io izany fanajana izany.

Misy sakafo be ny alina alohan’ny Taom-baovao, ka vory lanona ny mpianakavy. Samy miezaka mafy ho tonga amin’io ny rehetra. Any amin’ny faritra sasany any Azia anefa, dia tsy izay tonga eo ihany no anisana toerana, fa ireo efa nodimandry koa, satria tonga eo koa, hono, ny fanahin’izy ireny. Hoy ny rakipahalalana iray: “Tena mifandray amin’ny razana ireo fianakaviana” mandritra io sakafo io. Hoy koa ny boky hafa: “Mifandray tsara indray ny velona sy ny maty, ka hiaro an’ilay fianakaviana ny razany mandritra ilay taona vaovao.” Ahoana anefa no tokony hiheveran’ny Kristianina izany?

Zava-dehibe amin’ny Kristianina ny fitiavana sy fanajana ray aman-dreny. Hoy mantsy ny Baiboly: “Henoy ny rainao niteraka anao, ary aza atao tsinontsinona ny reninao efa antitra.” (Ohabolana 23:22) Arahin’izy ireo koa izao didy izao: “ ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra an’izao fampanantenana izao: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ ” (Efesianina 6:2, 3) Tia sy manaja ray aman-dreny àry ny Kristianina, ary tena vokatry ny fony izany!

Resahin’ny Baiboly koa fa mahafinaritra rehefa tafavory ny mpianakavy. (Joba 1:4; Lioka 15:22-24) Hoy anefa i Jehovah: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona mankany amin’ny mpamoha angatra na olona manontany amin’ny maty.’ (Deoteronomia 18:10, 11) Fa nahoana? Satria hoy ny Baiboly: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” Tsy mahalala na inona na inona àry ny maty, ka tsy afaka manao zavatra miaraka amin’ny velona intsony. Tsy afaka mitahy na manisy ratsy antsika koa izy ireny. (Mpitoriteny 9:5, 6, 10) Nilaza i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, fa toy ny torimaso lalina ny fahafatesana. Rehefa hatsangana ny maty vao hifoha amin’izany torimaso izany.—Jaona 5:28, 29; 11:11, 14.

Asehon’ny Baiboly koa fa fanahy ratsy mody miseho ho havana efa nodimandry ireny “angatra” sy “fanahin’ny maty” ireny. Tian’ireny fanahy ratsy ireny mantsy ny hamitaka ny olona mba ho lasa eo ambany fahefany. (2 Tesalonianina 2:9, 10) Miaro antsika tsy ho voafitak’izy ireny ny didin’Andriamanitra. Hendry àry ny Kristianina ka tsy manao fombafomba atao hivavahana na hitadiavana vonjy amin’izay lazaina fa fanahin’ny razana. Tia an’i Jehovah mantsy izy ireo, ary tsy te hahita loza.—Isaia 8:19, 20; 1 Korintianina 10:20-22.

Tian’ny Kristianina koa ny hanaja an’ilay “Ray, izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy eto an-tany anarana.” (Efesianina 3:14, 15) Iza io Ray io? I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona sy Mpanome aina antsika. (Asan’ny Apostoly 17:26) Ahoana anefa no fiheverany an’ireo fombafomba amin’ilay Taom-baovao? Ankasitrahany ve izy ireny?—1 Jaona 5:3.

Fanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitra ao an-trano

Fanao amin’ilay Taom-baovao koa ny manome voninahitra andriamanitra samy hafa, toy ny andriamanitry ny varavarana, ny andriamanitry ny tany, ny andriamanitry ny harena, ary ny andriamanitry ny lakozia na fatana. Mankany an-danitra andro vitsivitsy alohan’ilay Taom-baovao, hono, ny andriamanitry ny lakozia mba hanao tatitra momba ny fianakaviana tsirairay amin’ny Mpanjaka Jady, ilay fara tampony amin’ireo andriamanitry ny Sinoa. Tian’ilay fianakaviana hanao tatitra tsara ilay andriamanitry ny lakozia, ka anolorany sakafo manokana sy vatomamy ary mofomamy. Alainy ny sarin’ilay andriamanitra, dia hosorany vatomamy ny molony indraindray, ary dorany eo an-tokotany ilay sary avy eo. Amin’izay, hono, dia hiakatra haingana any an-danitra ilay andriamanitra. Asian’izy ireo sariny vaovao indray eo ambony fatana ny alina alohan’ny Taom-baovao, mba hanasana azy hiverina ao amin’ilay fianakaviana mandritra ilay taona vaovao. *

Toa tsy ratsy ny ankamaroan’ireny fombafomba ireny. Tian’ny Kristianina anefa ny hanaraka izao nolazain’i Jesosy Kristy izao: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Matio 4:10) Tian’i Jehovah hivavaka aminy irery ihany àry isika. Fa nahoana? Izy no Raintsika any an-danitra. Hisy ray ho faly ve raha tsy miraharaha azy ny zanany fa mifidy ray hafa? Tsy halahelo be ve izy?

Nilaza i Jesosy fa ilay Rainy an-danitra no “hany tena Andriamanitra.” Noraran’i Jehovah tsy ‘hanana andriamani-kafa’ ankoatra azy ny mpanompony. (Jaona 17:3; Eksodosy 20:3) Te hampifaly an’i Jehovah àry ny tena Kristianina, fa tsy te handiso fanantenana na hampalahelo azy, ka tsy manompo andriamani-kafa.—1 Korintianina 8:4-6.

Finoanoam-poana sy fifandraisana amin’ny herin’ny maizina

Misy ifandraisana amin’ny fanandroana koa ny Taom-baovao Sinoa. Nomen’ny Sinoa anaram-biby 12 ny antokon-kintana fijereny tononandro, ary ny anaran’ny iray amin’izy ireny no iantsoana ny taona tsirairay, toy ny hoe dragona, tigra, gidro, bitro, sns. Arakaraka ny toetoetran’ilay biby, hono, no ho toetoetran’ny olona teraka amin’io taona io, na ny fanambinana hoentin’io taona io. Mba ‘hahatsara vintana’, hono, no anaovana ireo fombafomba maro amin’ilay Taom-baovao, anisan’izany ny fanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny harena. Ahoana anefa no tokony hiheveran’ny Kristianina izany?

Nomelohin’i Jehovah “ireo mpivavaka amin’ny lanitra, ireo mpijery ny kintana, ireo mampahafantatra [amin’ny olona] isaky ny tsinam-bolana izay hitranga”, mbamin’ireo nivavaka tamin’ny “andriamanitry ny Vintana” sy ny “andriamanitry ny Lahatra.” (Isaia 47:13; 65:11, 12) Tsy mitoky amin’ny hery hafahafa avy amin’ny “fanahin’ny maty” na ny kintana, ny tena mpivavaka amin’i Jehovah. Hoy mantsy ny Baiboly: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Manandevo ny finoanoam-poana, fa manafaka kosa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.—Jaona 8:32.

Asehoy fa tia an’Andriamanitra ianao

Mety hanapa-kevitra ny tsy hankalaza intsony ny Taom-baovao Sinoa ianao, satria efa fantatrao izao ny niavian’ireo fombafomba amin’io fety io, sy ireo zavatra inoana mifandray amin’izy io. Tsy mora anefa izany fanapahan-kevitra izany, raha mankalaza azy io daholo ny mpiara-monina aminao sy ny fianakavianao.

Tena ilana herim-po ny hoe tsy manao ny fanaon’ny olona. Hoy ny vehivavy kristianina iray any Azia: “Natahotra be aho satria izaho irery teto aminay no tsy nankalaza Taom-baovao.” Inona no nanampy azy? “Tena tiako Andriamanitra, ary izany no nanampy ahy tsy hivadika.”—Matio 10:32-38.

Tena tia an’i Jehovah koa ve ianao? Tadidio fa avy aminy ny aintsika fa tsy avy amin’ andriamanitra tsy fantatra, satria hoy ny Baiboly: “Ianao no loharanon’aina, ary ny fahazavana avy aminao no ahitanay fahazavana.” (Salamo 36:9) Tsy ny andriamanitry ny harena na ny andriamanitry ny lakozia no mamelona anao sy manampy anao ho sambatra, fa i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 14:17; 17:28) Hamaly fitia azy ve ianao? Matokia fa hotahiny tokoa ianao, raha manao izany.—Marka 10:29, 30.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Antsoina koa izy io hoe Taom-baovao Araka ny Fihodinan’ny Volana, Fetin’ny Lohataona, Chun Jie (Chine), Tet (Vietnam), Solnal (Korea), na Losar (Tibet).

^ feh. 14 Samy manana ny fombafombany ny faritra samy hafa any Azia, saingy mitovy ihany ny zavatra inoan’izy ireo. Jereo koa ny Mifohaza! 8 Janoary 2002, pejy 20-21.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Omeo Toky ny Havana Aman-tsakaizanao

Mety ho gaga, ho tezitra, na halahelo ny havana aman-tsakaizan’ny olona iray, raha tsy mankalaza Taom-baovao intsony izy. Mety hihevitra mihitsy aza izy ireo fa nivadika tamin’izy ireo izy. Azony atao anefa ny miezaka hifandray tsara foana amin’ny havany. Diniho ny nataon’ireto Kristianina any amin’ny faritra samihafa any Azia ireto:

Jiang: “Ela be talohan’ny Taom-baovao aho dia efa nitsidika ny havako. Nofidiko tsara ny teny nanazavako ny antony tsy andraisako anjara intsony amin’ny fombafomba sasany. Niezaka ny tsy hanambany ny zavatra inoan’izy ireo aho, ary namaly tamim-panajana ny fanontaniany, tamin’ny alalan’ny Baiboly. Nanao resadresaka nahafinaritra momba ny Baiboly izahay avy eo.”

Li: “Nilaza tamim-panajana tamin’ny vadiko aho talohan’ny Taom-baovao, fa tsy maintsy manaja ny feon’ny fieritreretako aho mba ho tena sambatra. Nilaza koa anefa aho fa tsy hanao izay hahafa-baraka azy, rehefa mitsidika ny havany amin’ny fotoanan’ny fety izahay. Gaga aho fa nateriny tany amin’ny fivoriana kristianina aho, tamin’ilay andro nivavahan’ny havany tamin’ny razana.”

Xie: “Nomeko toky ny havako fa tiako foana izy ireo. Nilazako koa izy ireo fa manampy ahy ho tsara toetra kokoa ny zavatra inoako. Niezaka mafy àry aho ny halemy fanahy sy hahay handanjalanja ary ho be fitiavana. Lasa nanaja tsikelikely ny fivavahako izy ireo. Nianatra Baiboly ny vadiko tatỳ aoriana, ka lasa Kristianina.”

Min: “Nalemy fanahy aho rehefa niresaka tamin’ny ray aman-dreniko sady nanaja azy ireo. Tsy nirary azy ireo ho ‘tsara vintana’ aho, fa nilaza kosa hoe mivavaka amin’i Jehovah Mpamorona foana aho mba hitahiany azy sy hanomezany azy fiadanana sy fahasambarana.”

Fuong: “Nilazako ny ray aman-dreniko fa tsy voatery miandry ny Taom-baovao aho vao mamangy havana. Namangy azy ireo matetika àry aho, ka tena faly izy ireo ary tsy nanakiana ahy intsony. Nanjary liana koa ny zandriko lahy ka nianatra Baiboly.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Panorama Stock/age Fotostock