Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana Taorian’ny Vonoan’olona Tany An-tsekoly

Fampiononana Taorian’ny Vonoan’olona Tany An-tsekoly

Fampiononana Taorian’ny Vonoan’olona Tany An-tsekoly

NILOKO mainty ny pejy voalohany tamin’ny gazety iray, tany Alemaina. Nisy soratra teo amin’izy io hoe: “Fa Nahoana?” Izany no fanontaniana niverimberina taorian’ny tifitra variraraka nataon’ny tanora iray 17 taona, tany Winnenden, any amin’ny faritra atsimon’i Alemaina. Namono olona 15 izy ary namono tena avy eo. Nampidinina ambanimbany ny sainam-pirenena tany Alemaina ho mariky ny fiaraha-miory. Vetivety dia niely eran-tany ilay vaovao ratsy.

Tanàna manankarena sy milamina i Winnenden, ary voahodidina tanimboaloboka sy saham-boankazo. Nanomboka toy ny mahazatra ny andro tamin’ny 11 Martsa 2009, tao amin’ny Lise Albertville. Nisy herisetra sy korontana tampoka anefa tamin’ny 9.30 maraina.

Niditra tao amin’ny fianarany taloha ny ankizilahy iray romotra be, ary nitondra basy nalainy tao amin’ny efitranon’ny ray aman-dreniny. Nisesisesy ny tifitra, ka mpianatra sivy sy mpampianatra telo no matiny tao amin’ny kilasy telo sy teo an-dalantsara, ary maromaro no naratra. Tonga ny polisy, minitra vitsy taorian’izay. Nitsoaka teo an-tokotanin’ny hopitaly fitsaboana marary saina teo akaiky teo izy, ary namono mpiasan’ny fikojakojana iray. Niditra an-keriny tao amin’ny fiara iray izy, ary nambanany basy ilay mpamily. Tafatsoaka ilay mpamily rehefa afaka 40 kilaometatra teo ho eo. Namono mpivarotra iray sy mpividy iray ilay ankizilahy, tao amin’ny trano fivarotana fiara, ary nandratra polisy roa niezaka nisambotra azy. Namono tena izy avy eo, rehefa tsy afa-nandositra intsony.

Hoatran’ny ankizy rehetra ihany izy, hoy ireo nahalala azy. Mba te hana-namana sy hotiavina izy. Fa inona no nahazo azy? Ketraka angamba izy. Fanaony koa ny niala voly tamin’ny basy kilalao sy lalao video misy herisetra. ‘Ka ankizy an’arivony ange no manao toy izany e!’, hoy ny sasany. Ary ireo maty? Efa nisy nofidiny ve sa notifitifiriny tany fotsiny izy rehetra? Tao ny nilaza hoe nisy antony matoa izy nitifitra ankizivavy valo fa ankizilahy iray monja. Tsy nisy afaka nanome fanazavana marim-pototra anefa.

Zavatra voalohany nataon’ny olona

Hoy i Heike: “Tsy nino aho rehefa nitelefaonina ny zanakay lahy hoe nisy vonoan’olona tany am-pianarany. Nihamaro anefa ny fiaran’ny polisy sy fiara mpitondra marary reko nandalo, ka nikoropaka aho.” Nanao zavatra haingana ny polisy, ka izany angamba no tsy nahamaro kokoa ny olona maty tao amin’ilay sekoly. Navoaka daholo ny olona tao an-dakilasy. Taorian’izay dia tonga ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra sy ny mpanoro hevitra ary ny mpitondra fivavahana, mba hanampy an’ireo mpianatra.

Vetivety koa dia tonga ny mpanao gazety. Niezaka nanontany mpianatra izy ireo, nefa maro no mbola voadona mafy. Voaisan’ny mpianatra iray fa nisy fiarana mpanao gazety 28, izay an’ny tele 26, teo anoloan’ilay sekoly. Nifaninana izy ireo, ka nanjary namoaka vaovao tsy marim-pototra. Nitelefaonina tany amin’ny fianakavian’ny ankizivavy iray maty ny mpanao gazety iray, mba hangataka ny sariny, tamin’iny andro iny. Ny hafa indray nanakarama mpianatra mba halaina sary. Samy may ny hahazo vaovao voalohany ireo mpanao gazety, ka tsy nanisy fiheverana sy tsy nanaja an’ireo niharam-boina.

Any amin’ny fivavahana ny olona no mitady fampiononana sy fanazavana, amin’ny toe-javatra toy ireny. Nasiana fivavahana iraisam-pinoana tamin’io andro io. Maro no nankasitraka izany. Diso fanantenana anefa ireo nitady fampiononana avy ao amin’ny Baiboly na ireo nila valim-panontaniana. Nanatrika ny fandevenana ny mpiara-mianatra tamin-janany ny fianakaviana iray. Hoy ilay renim-pianakaviana: “Niresaka momba ny fijalian’i Joba ny eveka iray. Mba niandry aho hoe hanazava ny lesona azo ianarana avy amin’izany izy na hanome teny fampiononana, fa tsisy e! Tsy nilaza ny antony nahatonga ny fijalian’i Joba na izay niafarany akory izy.”

Tezitra be tamin’ny teny poakaty henony ny lehilahy iray. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, 30 taona talohan’io. Manatrika ny fivorian’izy ireo indray izy izao.

Miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona i Valisa, 14 taona. Tao amin’ny kilasy tao ambadika izy, rehefa nitranga ilay vonoan’olona. Nivavaka tamin’i Jehovah izy raha vao nandre poa-basy. Nanontaniana izy, tatỳ aoriana, hoe ahoana no nizakany an’ilay zava-nitranga. Nilaza izy fa nanamarina an’izay nianarany tao amin’ny Baiboly momba ny fotoan-tsarotra amin’ny andro farany izy iny. (2 Timoty 3:1-5) Nizara teny fampiononana tamin’ny olona ny Vavolombelona roa. Nanatona azy ireo ny vehivavy be taona iray, ka nilaza hoe: “Maro no tokony hanao toa anareo izao.” Nampalahelo sy nahatsiravina ilay vonoan’olona, ka nahatonga ny olona sasany hihaino ny fanantenana sy ny fampiononana avy ao amin’ny Baiboly.

Ny fiantraikan’ilay vonoan’olona

Mazava ho azy fa tsy manala ny fiantraikan’ilay vonoan’olona sy ny fahakivian’ireo namoy havana, na dia ny teny fampiononana avy amin’ny fo aza. Tsy misy teny afaka mampitony tanteraka ny fahorian’ny ray aman-dreny namoy ny zanany, na ny an’ny polisy iray nahita ny vadiny maty.

Nikorontan-tsaina be ireo mpianatra tsy maty tamin’ilay vonoan’olona sy ny fianakaviany, saingy samy hafa ny fomba fisehony. Nitsambikina avy teny am-baravarankely i Vassilios, raha vao nanomboka ilay fitifirana. Hoy izy: “Sady nitsambikina aho no nivavaka tamin’i Jehovah. Nihevitra aho fa ho faty. Nino aho fa iny ny vavaka farany nataoko.” Nanonofy ratsy foana izy herinandro maromaro taorian’iny, ary tsy te hiresaka tamin’olona. Tezitra izy rehefa nahita an’ireo mpanao gazety tsy nanisy fiheverana ny hafa. Nifaninana mantsy izy ireo mba hahazo tsipiriany momba ilay vaovao, satria te hahazo vola. Afaka niatrika ny zava-misy ihany i Vassilios rehefa nandeha ny fotoana.

Iray kilasy tamin’i Vassilios i Jonas, ary nahita ny namonoana ny dimy tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Hoy izy: ‘Mora tamiko ny nitantara ny zava-niseho, tamin’ilay izy vao nitranga. Toy ny filma mampihoron-koditra ilay izy. Miovaova anefa ny fihetseham-poko izao. Tsy te hiresaka momba an’ilay izy aho indraindray, kanefa amin’ny fotoana hafa aho miresaka be.’ Manonofy ratsy sy tsy mahita tory koa izy.

Naverina tamin’ireo ankizy ny fitaovany tany an-dakilasy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nampitandrina ny manam-pahaizana fa mety hampitamberina ny zava-niseho ny fahitana an’ireo fitaovana ireo. Tsy nety nikitika ny akanjony sy ny kitapony ary ny satroka môtô-ny i Jonas, tamin’ny voalohany. Nihorohoro koa izy isaky ny nahita olona nitovitovy tamin’ilay ankizilahy, na nitondra kitapo toy ny an’io ankizy io. Sorena be izy rehefa nijery filma misy fitifirana ny ray aman-dreniny. Niezaka nanampy an’ireo niharam-boina ny manam-pahaizana.

Miasa ao amin’ilay hopitaly nisy olona iray maty i Jürgen, rain’i Jonas. Nilaza izy fa niverimberina tao an-tsain’ny ray aman-dreny sy mpiara-miasa maro ny fanontaniana hoe nahoana sy hoe ahoana raha.... Teny an-davarangana, ohatra, ny mpiasa iray rehefa nanatona an’ilay hopitaly ilay ankizilahy. Natahotra be izy rehefa nieritreritra fa nety ho voatifitra koa. Nila fitsaboana ara-tsaina izy noho izany.

Afaka nizaka izany ny sasany

Inona no hitan’ny olona sasany hoe nanampy azy hizaka an’ilay toe-javatra? Hoy i Jürgen: “Tsara ny miaraka amin’ny hafa, na dia tsy mora aza izany indraindray. Manampy ny mahalala hoe tsy irery ianao, fa misy miahy.”

Mankasitraka ny fiahian’ny hafa koa i Jonas. Hoy izy: “Maro no mandefa karta sy hafatra. Misy manoratra andinin-teny, ary novakiko izy ireny. Mampahery izany.” Inona koa no nanampy azy? Hoy izy: “Mivavaka aho rehefa taitra amin’ny alina ka tsy mahazaka an’ilay izy. Indraindray aho mihaino mozika na Mifohaza! noraisim-peo. * Lazain’ny Baiboly hoe nahoana ny zavatra toy ireny no mitranga: I Satana no mitondra ny tany, ary miaina amin’ny fotoanan’ny farany isika.” Milaza ny rain’i Jonas fa manampy azy ireo hizaka an’ilay toe-javatra ny fahalalana izany.

Hifarana tsy ho ela ny fijaliana

Nasian’ny olona labozia sy voninkazo ary taratasy teo anoloan’ilay sekoly, nandritra ny andro vitsivitsy taorian’izay. Voamarik’i Kerstin fa maromaro ny olona nanoratra hoe nahoana izany no nitranga ary nahoana Andriamanitra no namela izany hiseho. Tsapany fa nila valiny ireo fanontaniana ireo, ka nanoratra taratasy izy sy ny Vavolombelona roa hafa. Napetrany teo anoloan’ilay sekoly koa izany.

Nanokana fotoana hiaraha-mahatsiaro an’ilay zava-nitranga ny rehetra. Naseho sy novakina tao amin’ny tele ny fiandohan’ilay taratasin’i Kerstin hoe: “Fa nahoana? Mihamaro ny olona manontany an’izany amin’ny andro farany, indrindra ilay hoe: Fa taiza Andriamanitra? Nahoana izy no namela an’izao hitranga?” Nampalahelo fa najanona teo ilay famakiana.

Nahoana no hoe mampalahelo? Satria hazavain’ilay taratasy ny niandohan’ny fijaliana rehetra, ary lazainy fa hofoanan’Andriamanitra ny “fahoriana rehetra vokatry ny nataon’ny olombelona.” Izao koa no voalaza ao: “Milaza Andriamanitra ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ny olona, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Hanangana ny maty mihitsy aza i Jehovah Andriamanitra. Tsy ho ela dia hitondra ny Fanjakany, ka tsy hisy intsony ny loza na ny vonoan’olona na ny fijaliana. Hoy izy: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:4, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Mifohaza! vita pirinty sy noraisim-peo.

[Sary, pejy 12]

Naharay karta i Jonas, izay nisy soratra hoe: “Mahatsiaro anao izahay”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

Focus Agency/WPN

[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]

© imagebroker/Alamy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary: picture alliance

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Sary: picture alliance