Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Akaiky ny “Fotoana Voatondro”

Akaiky ny “Fotoana Voatondro”

Akaiky ny “Fotoana Voatondro”

TOA an’i Habakoka, dia tena naniry ny hanafoanana ny fijaliana ny mpianatr’i Jesosy. Nanontany an’i Jesosy toy izao izy ireo, rehefa fantany izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona: “Lazao aminay hoe rahoviana no hitranga izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [na ny fotoana hanjakanao] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Namaly i Jesosy fa i Jehovah Andriamanitra ihany no mahalala ny fotoana hitondran’ilay Fanjakana ny tany. (Matio 24:36; Marka 13:32) Na izany aza, dia nilaza ireo zavatra hitranga aloha kelin’ilay fotoana, i Jesosy sy ny mpianany.—Jereo ny  efajoro eto ankavanana.

Tsy ekenao ve fa efa mitranga ireo zavatra ireo ankehitriny? Nilaza koa i Jesosy fa hisy asa fitoriana lehibe hatao maneran-tany. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Efa tanteraka koa izany ankehitriny. Vavolombelon’i Jehovah fito tapitrisa mahery no manao izany any amin’ny tany 236 eo ho eo. Mitory momba izay hataon’ilay Fanjakana izy ireo, ary manampy ny olona hankatò an’Andriamanitra. Mianara hatrany àry momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo tsy hisy fijaliana intsony ianao.

[Efajoro, pejy 8]

 Andinin-teny Manaporofo fa Andro Farany Izao

MATIO 24:6, 7; APOKALYPSY 6:4

• Ady mbola tsy nisy toa azy

MATIO 24:7; MARKA 13:8

• Horohoron-tany lehibe

• Mosary

LIOKA 21:11; APOKALYPSY 6:8

• Areti-mandringana

MATIO 24:12

• Mitombo ny fandikan-dalàna

• Mihena ny fitiavan’ny olona

APOKALYPSY 11:18

• Manimba ny tany ny olona

2 TIMOTY 3:2

• Tia vola loatra

• Tsy mankatò ray aman-dreny

• Tia tena loatra

2 TIMOTY 3:3

• Tsy tia ny mpianakaviny

• Tsy azo ifanarahana

• Tsy mahafehy tena

• Tsy tia ny tsara

2 TIMOTY 3:4

• Tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra

2 TIMOTY 3:5

• Maro no milaza ho Kristianina nefa mihatsaravelatsihy

MATIO 24:5, 11; MARKA 13:6

• Maro ny mpaminany sandoka

MATIO 24:9; LIOKA 21:12

• Enjehina ny tena Kristianina

MATIO 24:39

• Tsy miraharaha ny fampitandreman’ny Baiboly ny olona

[Sary, pejy 8]

Mampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany