Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Afaka Mamonjy An’ireo Miantso Vonjy?

Iza no Afaka Mamonjy An’ireo Miantso Vonjy?

Iza no Afaka Mamonjy An’ireo Miantso Vonjy?

“Andriamanitra ô, ampahafantaro ny mpanjaka ny didim-pitsaranao ... Fa hovonjeny ny mahantra miantso vonjy.”—SAL. 72:1, 12.

1. Nahoana Andriamanitra no mamindra fo amintsika, raha jerena ny tantaran’i Davida?

MAMPAHERY tokoa ireo teny ireo! Toa i Davida mpanjakan’ny Israely no nanoratra an’io Salamo io. Nanenina mafy izy, taona vitsivitsy talohan’ny nanoratany azy io, noho izy nijangajanga tamin’i Batseba. Niangavy an’Andriamanitra toy izao izy tamin’izay: “Koseho ny fahadisoako, araka ny haben’ny famindram-ponao. ... Eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. ... Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana. Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Sal. 51:1-5) Fantatr’i Jehovah hoe nandova ota koa isika, ka mamindra fo amintsika izy rehefa manota isika.

2. Inona no ampanantenaina antsika ao amin’ny Salamo faha-72?

2 Fantatr’i Jehovah fa tena mampahonena ny toe-piainana misy antsika. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘hamonjy ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy’ ny Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra. “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra.” (Sal. 72:12, 13) Manazava ny fomba hanaovany izany ny Salamo faha-72, izay miresaka momba ny fanjakan’i Solomona, zanak’i Davida. Hita taratra ao amin’izy io ny fomba hanafoanan’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, ny fijalian’ny olombelona, rehefa lasa mpanjaka izy.

Ny fanjakan’i Solomona

3. Inona no nangatahin’i Solomona, ary inona no nomen’Andriamanitra azy?

3 Nahazo toromarika voafaritra tsara tamin’i Davida i Solomona, taoriana kelin’ny nanaovana azy ho mpanjaka. Narahin’i Solomona tsara izany. (1 Mpanj. 1:32-35; 2:1-3) Niseho taminy tao amin’ny nofy i Jehovah tatỳ aoriana, ary nilaza hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.” Iray monja anefa ny zavatra nangatahin’i Solomona. Hoy izy: “Omeo fo mankatò ity mpanomponao mba hitsarako ny olonao, sy hahaizako hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” Hita tamin’izany fa nanetry tena i Solomona. Nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny noho izany, ary nomeny zavatra hafa koa aza izy.—1 Mpanj. 3:5, 9-13.

4. Inona no nolazain’ny mpanjakavavin’i Sheba momba ny fanjakan’i Solomona?

4 Niavaka ny vanim-potoana nanjakan’i Solomona, noho ny fitahian’i Jehovah. Niadana sy nilamina ny olona, ary mbola tsy nisy fitondrana nahavita toy izany. (1 Mpanj. 4:25) Tonga hijery ny fanjakan’i Solomona mihitsy ny olona, anisan’izany ny mpanjakavavin’i Sheba sy ny olona maro be niaraka taminy. Hoy io mpanjakavavy io tamin’i Solomona: “Marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko ... Fa hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny zavatra reko tamin’ny olona ny fahendrenao sy ny harenanao.” (1 Mpanj. 10:1, 6, 7) Mbola hendry lavitra noho i Solomona anefa i Jesosy, ka afaka nilaza toy izao momba ny tenany: ‘Misy lehibe noho i Solomona eto.’—Mat. 12:42.

Ny fanjakan’i Solomona Lehibe

5. Inona no voaresaka ao amin’ny Salamo faha-72? Inona no nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany?

5 Handinika ny Salamo faha-72 isika, mba hahafantarantsika ny fitahiana hoentin’i Jesosy Kristy, ilay Solomona Lehibe, rehefa izy no ho mpanjaka. (Vakio ny Salamo 72:1-4.) Hita ao amin’io Salamo io fa matoky i Jehovah hoe hanatanteraka ny fampanantenany i Jesosy Kristy Zanany, ilay “Andrianan’ny Fiadanana”, rehefa hampihatra ny “fahefan’andriana.” (Isaia 9:6, 7) Hahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra io Solomona Lehibe io, ka ‘hitsara ny ory sy hamonjy ny zanaky ny ory.’ Hanjaka ny fiadanana sy ny fahamarinana eo ambany fitondrany. Nasehon’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, ny santionan’ny zavatra hataony amin’ny Fanjakana Arivo Taona.—Apok. 20:4.

6. Inona no nataon’i Jesosy, mba hampisehoany izay mbola hataony rehefa lasa mpanjaka izy?

6 Handinika ny zavatra sasany nataon’i Jesosy isika, mba hahalalantsika izay hataony ho an’ny olombelona rehefa hanatanteraka ny Salamo faha-72 izy. Manohina ny fo tokoa ny mahafantatra fa tena nangoraka ny olona nijaly izy. (Mat. 9:35, 36; 15:29-31) Nanatona an’i Jesosy, ohatra, ny lehilahy boka iray, ary niangavy hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Hoy i Jesosy: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Ary sitrana tokoa ilay lehilahy! (Mar. 1:40-42) Nahita vehivavy mpitondratena iray handeha handevina ny zanany lahitokana i Jesosy, tatỳ aoriana. “Nangoraka azy” i Jesosy, ka nilaza tamin’ilay zanany hoe: “Miarena!” Velona indray izy io, ka niarina.—Lioka 7:11-15.

7, 8. Inona avy no mampiseho fa nanana hery hanasitranana i Jesosy?

7 Nomen’i Jehovah hery hanaovana fahagagana i Jesosy. “Nandeha ra efa nandritra ny roa ambin’ny folo taona”, ohatra, ny vehivavy iray. Niharatsy ny fahasalamany na dia efa “nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro” aza izy, “sady efa nandany ny fananany rehetra.” Nankao anaty vahoaka àry izy, ary nikasika an’i Jesosy. Nandika ny Lalàna momba ny vehivavy “mandeha ra” izy tamin’izany. (Lev. 15:19, 25) Tsapan’i Jesosy fa nisy hery niala taminy, ka nanontany izy hoe iza no nikasika azy. “Natahotra sy tora-kovitra” ilay vehivavy, ka “nandohalika teo anatrehany, ary nilaza taminy ny marina rehetra.” Fantatr’i Jesosy fa nanasitrana an’ilay vehivavy i Jehovah, ka tsara fanahy taminy izy ary nilaza hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!”—Mar. 5:25-27, 30, 33, 34.

8 Nahasitrana marary ny hery nomen’Andriamanitra an’i Jesosy, kanefa koa nisy vokany lalina tamin’ny mpitazana. Azo antoka, ohatra, fa gaga ny olona maro rehefa nahita an’i Jesosy nanasitrana, talohan’ilay toriteny malaza nataony teo an-tendrombohitra. (Lioka 6:17-19) Naniraka olona roa koa i Jaona Mpanao Batisa, mba hanamarina raha i Jesosy tokoa no Mesia. Hitan’izy ireo izy “nanasitrana olona maro tsy salama sy azon’aretina nampijaly ary nisy fanahy ratsy. Nampahiratra jamba maro koa izy.” Nilaza toy izao tamin’izy roa lahy i Jesosy avy eo: “Lazao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.” (Lioka 7:19-22) Azo antoka fa nampahery an’i Jaona izany!

9. Inona no hita taratra tamin’ny fahagagana nataon’i Jesosy?

9 Marina fa tsy nisy vokany naharitra ny fanampian’i Jesosy an’ireo nijaly. Maty ihany, tatỳ aoriana, ireo olona nositraniny na natsangany tamin’ny maty. Hita taratra tamin’ireny fahagagana ireny anefa, fa hafahana mandrakizay amin’ny fijaliana ny olombelona, rehefa manjaka ny Mesia.

Kely sisa dia ho Paradisa ny tany!

10, 11. a) Haharitra hafiriana ny fitahiana ho azontsika rehefa hanjaka i Jesosy, ary hanao ahoana ny fitondrany? b) Iza koa no hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Paradisa, ary inona no tokony hataony raha te hiaina mandrakizay izy?

10 Alao sary an-tsaina ny fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Vakio ny Salamo 72:5-9.) Hankafy izany fiainana izany ny mpanompon’ilay hany tena Andriamanitra, raha mbola misy koa ny masoandro sy ny volana, izany hoe mandrakizay! Hamelombelona ny olona i Jesosy Kristy Mpanjaka, ‘toy ny orana mirotsaka amin’ny ahitra vao avy nanapahana, eny, toy ny oram-be mandena ny tany.’

11 Tsy mampihetsi-po anao ve ny fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany, rehefa maka sary an-tsaina ny fahatanterahan’ny Salamo faha-72 ianao? Azo antoka fa faly ilay jiolahy nofantsihana teo akaikin’i Jesosy, rehefa nilaza i Jesosy hoe: “Hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43) Ho velona indray io lehilahy io amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Raha manaiky ny fitondran’i Kristy izy, dia hiaina mandrakizay eto an-tany, ary ho salama tsara sy ho sambatra.

12. Havela hanao inona ireo tsy marina hatsangana amin’ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

12 “Hiroborobo ny olo-marina” rehefa i Solomona Lehibe no ho mpitondra. (Sal. 72:7) Ho hita hoe be fitiavana sy be fiahiana izy, toy ny tamin’izy tetỳ an-tany ihany. Na dia ireo olona “tsy marina” hatsangana amin’ny maty aza, dia hanehoana fitiavana ka havela hiezaka hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, mba ho afaka hiaina mandrakizay. (Asa. 24:15) Mazava ho azy fa tsy havela hiaina mandrakizay sy handrava ny fiadanana sy ny filaminana ao amin’ny tontolo vaovao, ny olona tsy mety manao izay takin’Andriamanitra.

13. Hatraiza ny faritra hanjakan’i Jesosy, ary nahoana no tsy hisy hanembantsembana mihitsy ny fiadanana amin’izany?

13 Toy izao no ilazana ny faritra hanjakan’ilay Solomona Lehibe: “Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny faran’ny tany. Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any amin’ny faritra karakaina, ary hilelaka ny vovoka ny fahavalony.” (Sal. 72:8, 9) Hanjaka manerana ny tany manontolo tokoa i Jesosy Kristy. (Zak. 9:9, 10) “Hiankohoka eo anatrehany”, ka hankatò azy an-tsitrapo amin’izay fotoana izay ireo manaiky ny fitondrany sy mankasitraka ny fitahiana entin’izy io. Haringany kosa ireo mpanota tsy mibebaka, na dia efa niaina “zato taona” aza. (Isaia 65:20) “Hilelaka ny vovoka” izy ireo.

Mangoraka antsika i Jesosy

14, 15. Ahoana no ahalalantsika fa mahatakatra ny fihetseham-pontsika i Jesosy, ary ‘hamonjy ny mahantra miantso vonjy’?

14 Mampalahelo ny toe-piainana misy antsika olombelona mpanota, ka tena mila fanampiana isika. Manana fanantenana anefa isika. (Vakio ny Salamo 72:12-14.) Mangoraka antsika i Jesosy, ilay Solomona Lehibe, satria fantany fa tsy lavorary isika. Nijaly noho ny fahamarinana koa izy, ary navelan’Andriamanitra hiatrika fitsapana samirery. Ory dia ory izy, ka “nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” (Lioka 22:44) Niantso mafy toy izao izy teo amin’ny hazo fijaliana: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” (Mat. 27:45, 46) Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Jesosy, na dia nijaly aza, ary na dia nanao izay ho afany aza i Satana mba hahatonga azy hivadika.

15 Afaka matoky isika fa mahita ny fijaliantsika i Jesosy, ary “hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy.” Be fitiavana sy be fiahiana toy ny Rainy izy, ka ‘hihaino ny mahantra’, sy ‘hanasitrana an’ireo torotoro fo, ary hanisy fehy ny ratran’izy ireo.’ (Sal. 69:33; 147:3) “Mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika” izy, satria “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa.” (Heb. 4:15) Mahafaly tokoa ny mahafantatra fa efa manjaka any an-danitra i Jesosy Kristy, ary tsy andriny izay hanafoanana ny fijalian’ny olombelona!

16. Nahoana i Solomona no nahay nangoraka ny vahoakany?

16 Azo antoka fa ‘nangoraka ny olona ambany’ i Solomona, noho izy nanana fahendrena sy fahaiza-manavaka. Nanampy azy hahay hangoraka koa anefa ireo zavatra nampalahelo sy nampahatahotra nitranga teo amin’ny fiainany. Nametaveta an’i Tamara anabaviny, ohatra, i Amona rahalahiny, ka novonoin’i Absaloma rahalahiny i Amona. (2 Sam. 13:1, 14, 28, 29) Naka an-keriny ny seza fiandrianan’i Davida i Absaloma fa tsy nahomby, ary novonoin’i Joaba. (2 Sam. 15:10, 14; 18:9, 14) Nanandra-tena ho mpanjaka i Adonia rahalahin’i Solomona, tatỳ aoriana, ka raha nahomby izy, dia azo antoka fa novonoiny i Solomona. (1 Mpanj. 1:5) Hita koa hoe nahafantatra ny fijalian’ny olombelona i Solomona, rehefa jerena ny vavaka nataony tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah. Hoy izy tamin’izay momba ny vahoakany: ‘Samy mahalala ny fahoriany sy ny fijaliany ny tsirairay. Enga anie ianao Jehovah hamela heloka ka valio araka ny lalany avy ny tsirairay.’—2 Tan. 6:29, 30.

17, 18. Inona no fijaliana iaretan’ny mpanompon’Andriamanitra sasany, ary inona no manampy azy ireo hiaritra?

17 Mety ho vokatry ny zavatra sasany nataontsika taloha ny ‘fijaliantsika.’ Izao no nosoratan’ny anabavy iray atao hoe Maria, * 30 taona mahery: “Tena tokony ho faly foana aho, kanefa matetika aho no menatra sy tsiravina noho ny zavatra nataoko taloha. Malahelo mafy aho avy eo, ary te hitomany satria toy ny hoe vao omaly ilay izy no nitranga. Mbola mahatsiaro tena ho meloka sy tsy misy dikany aho, satria tsy afaka ato an-tsaiko ireny zavatra ireny.”

18 Maro ny mpanompon’Andriamanitra mahatsapa toy izany. Ahoana no hahazoan’izy ireo hery hiaretana? Hoy i Maria: “Sambatra aho manana namana tena tia ahy sy manana an’ireo ranadahy sy rahavavy eo anivon’ny fiangonana. Miezaka koa aho hifantoka amin’ny fampanantenan’i Jehovah, ary mino aho fa hanjary ho fifaliana ny fitarainako.” (Sal. 126:5) Tokony hanantena an’ilay Mpitondra voatendrin’Andriamanitra koa isika. Hoy ny Baiboly momba azy: “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy, ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.” (Sal. 72:13, 14) Mampahery tokoa izany!

Ny tontolo vaovao miandry antsika

19, 20. a) Inona no olana hovahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny Salamo faha-72? b) Iza no tena tokony homentsika voninahitra, noho ireo fitahiana maro mandritra ny fitondran’i Kristy? Ahoana no fahitanao ny zavatra hataon’io Fanjakana io?

19 Alao sary an-tsaina indray ny hoavy miandry ny olo-marina ao amin’ny tontolo vaovao, rehefa hanjaka i Solomona Lehibe. Izao no ampanantenaina antsika: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.” (Sal. 72:16) Tsy misy toeram-pambolena mazàna eny an-tampon-tendrombohitra. Ny tena tian’io andininy io hasongadina kosa dia hoe hamokatra be ny tany, ‘toy ny tany Libanona’, faritra namokatra be tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona. Eritrereto hoe tsy hisy intsony ny olona tsy ampy sakafo na mosarena! Hifaly amin’ny “fanasambe misy hanim-pito loha” ny olona rehetra.—Isaia 25:6-8; 35:1, 2.

20 Iza no tena tokony homentsika voninahitra noho ireo fitahiana rehetra ireo? I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjaka Mandrakizay sady Mpitondra An’izao Rehetra Izao. Hihira amim-pifaliana ny tapany farany amin’ilay salamo mahafinaritra sy mampihetsi-po àry isika amin’ny hoavy, ka hanao hoe: “Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra anie [ny anaran’i Jesosy Kristy Mpanjaka]! Hihamalaza anie ny anarany raha mbola misy koa ny masoandro, ary aoka ny olona hanao izay hahazoana fitahiana amin’ny alalany! Aoka ny firenena rehetra hilaza hoe: ‘Sambatra izy.’ Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Israely, ilay hany manao asa mahatalanjona! Hoderaina mandritra ny fotoana tsy voafetra anie ny anarany be voninahitra, ary aoka ny voninahiny hameno ny tany manontolo! Amena! Amena!”—Sal. 72:17-19.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Novana ny anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Mifanitsy amin’ny inona ny zavatra voalazan’ny Salamo faha-72?

• Iza ilay Solomona Lehibe, ary hatraiza ny faritra hanjakany?

• Inona no tena tianao amin’ireo fitahiana voalaza ao amin’ny Salamo faha-72?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Inona no mifanitsy amin’ny fiadanana nisy nandritra ny fitondran’i Solomona?

[Sary, pejy 32]

Tena tokony hiezaka mafy isika mba hahazo ny fiainana ao amin’ny Paradisa, eo ambany fitondran’i Solomona Lehibe