Salamo 126:1-6

  • Faly fa nampodina ny mponin’i Ziona

    • ‘Nanao zavatra niavaka i Jehovah’ (3)

    • Nitomany dia avy eo falifaly (5, 6)

Hira Fiakarana. 126  Rehefa nampodin’i Jehovah ny mponin’i Ziona lasa babo,+Dia hoatran’ny nanonofy isika.   Nihomehy be mihitsy isika tamin’izay,Sady nihoby+ ny lelantsika. Nifampiresaka ny olona tany amin’ireo firenena tamin’izay hoe: “Nanao zavatra niavaka ho an-dry zareo i Jehovah!”+   Nanao zavatra niavaka ho antsika tokoa i Jehovah,+Ka faly be mihitsy isika.   Ampodio ireo lasa babo teo aminay, Jehovah ô,Toy ny amerenanao ny renirano ao Negeba.*   Izay mitomany rehefa mamafy,Dia hihoby rehefa mijinja.   Izay mivoaka mankany an-tsaha, na dia mitomany aza,Sady mitondra masomboly eran’ny harona,Dia tsy maintsy hihoby sy ho faly+ rehefa modySady hitondra amboaram-bokatra.+

Fanamarihana

Na: “ao amin’ny lalan-driaka any atsimo.”