Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamonjy Antsika ny Vidim-panavotana

Mamonjy Antsika ny Vidim-panavotana

Mamonjy Antsika ny Vidim-panavotana

“Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”—JAONA 3:36.

1, 2. Inona no antony iray namoahana ny laharana voalohany amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona?

HOY ny laharana fahefatra amin’ity gazety ity, tamin’ny Oktobra 1879: “Tsy misy mpianatra Baiboly mandinika tsara, ka tsy hiaiky hoe tena sarobidy ny fahafatesan’i Kristy.” Hoy ilay lahatsoratra teo am-pamaranana: “Tsy maintsy lavintsika izay rehetra mahatonga antsika hihevitra fa tsy sorona sy fampihavanana noho ny ota ny fahafatesan’i Kristy.”—Vakio ny 1 Jaona 2:1, 2.

2 Anisan’ny antony namoahana Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy), tamin’ny Jolay 1879, ny hiarovana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny vidim-panavotana. Mirakitra ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ io gazety io. (Mat. 24:45) Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 mantsy, dia maro tamin’ireo nitonona ho Kristianina no nilaza fa tsy mety ho vidim-panavotana noho ny ota ny fahafatesan’i Jesosy. Maro no diso hevitra ka nino ny evolisiona (na fiovana miandalana), nefa izany mifanohitra amin’ilay hoe lasa tsy lavorary ny olona. Ampianarin’ireo mino ny evolisiona fa mihatsara ny olona ka tsy mila vidim-panavotana. Nety tsara àry raha nanoro hevitra an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe: “Tano izay nankinina taminao, ka ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe ‘fahalalana’ nefa sandoka. Nampideradera fahalalana toy izany mantsy ny sasany, ka nivily niala tamin’ny finoana.”—1 Tim. 6:20, 21.

3. Inona no fanontaniana hodinihintsika?

3 Azo antoka fa tapa-kevitra ny tsy ‘hivily hiala amin’ny finoana’ ianao. Tsara àry ny hieritreretana hoe: Nahoana aho no mila ny vidim-panavotana? Nahoana no tsy mora ny nanome azy io? Inona no soa azo avy amin’io fanomezana sarobidy io, izay afaka miaro amin’ny fahatezeran’Andriamanitra?

Voaro amin’ny fahatezeran’Andriamanitra

4, 5. Inona no manaporofo fa mitoetra eo amin’ity tontolo ratsy ity ny fahatezeran’Andriamanitra?

4 Asehon’ny Baiboly sy ny tantara fa “mitoetra eo” amin’ny olombelona ny fahatezeran’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny nanotan’i Adama. (Jaona 3:36) Tsy afa-bela amin’ny fahafatesana àry izy ireo. Tsy naharo azy ireo tamin’ny loza mihitsy ny fitondran’i Satana, ary tsy nisy fitondran’olombelona nahavita nanome izay tena nilain’ny vahoakany manontolo. (1 Jaona 5:19) Mbola mampahory ny olombelona àry ny ady sy heloka bevava ary fahantrana.

5 Miharihary fa tsy mitahy an’ity tontolo ratsy ity Andriamanitra. Nilaza i Paoly fa ‘aharihary avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny asa ratsy rehetra.’ (Rom. 1:18-20) Tsy maintsy hizaka ny vokatry ny ataony àry izay tsy mankatò an’Andriamanitra nefa tsy mibebaka. Toy ny loza araraka amin’ny tontolon’i Satana ny didim-pitsarana manambara ny fahatezeran’Andriamanitra ankehitriny, ary hita ao amin’ny boky sy gazety ara-baiboly maro avoakantsika izany.—Apok. 16:1.

6, 7. Inona ilay asa tarihin’ny Kristianina voahosotra, ary mbola afaka manao inona izao ny olona?

6 Tara loatra àry ve raha izao vao hiala amin’ny fangejan’i Satana sy hitady sitraka amin’Andriamanitra? Tsy izany mihitsy! Mbola azo atao ny mihavana amin’Andriamanitra. Ny Kristianina voahosotra, “ambasadaoro solon’i Kristy”, no mitarika ny asa fitoriana. Io no fomba iangaviana ny olona any amin’ny firenena rehetra hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!”—2 Kor. 5:20, 21.

7 Nilaza ny apostoly Paoly fa “manafaka antsika amin’ilay fahatezerana ho avy” i Jesosy. (1 Tes. 1:10) Ho ringana mandrakizay ireo mpanota tsy mibebaka, aorian’io fotoana hampiharan’i Jehovah ny fahatezerany io. (2 Tes. 1:6-9) Iza no ho tafavoaka velona? Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36) Iza no ho afa-mandositra an’ilay fotoana farany hampiharan’Andriamanitra ny fahatezerany? Izay rehetra velona sy maneho finoana an’i Jesosy sy ny vidim-panavotana, rehefa hifarana ity tontolo ity.

Ny vidim-panavotana

8. a) Tokony ho nanao ahoana ny fiainan’i Adama sy Eva? b) Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah fa tonga lafatra ny fanaovany ny rariny?

8 Lavorary i Adama sy Eva, ka ho niaina tamim-pahasambarana tao amin’ny paradisa an-tany izy sy ny taranany, raha nankatò an’Andriamanitra foana. Ninia nandika ny didin’Andriamanitra anefa izy mivady, ka voaheloka ho faty mandrakizay ary noroahina avy tao amin’ny paradisa. Nifindra tamin’ny olombelona ny ota rehefa niteraka i Adama sy Eva. Nihantitra sy maty koa izy mivady. Porofo izany fa mitana ny teniny i Jehovah sady tonga lafatra ny fanaovany ny rariny. Nampitandremany i Adama fa ho faty raha mihinana an’ilay voankazo voarara. Izany tokoa no nitranga!

9, 10. a) Nahoana no maty ny taranak’i Adama? b) Ahoana no hahafahantsika tsy ho faty mandrakizay?

9 Taranak’i Adama isika ka nandova vatana tsy lavorary sy mora manota ary mety maty. Rehefa nanota i Adama, dia lasa mpanota isika na dia mbola tsy teraka aza, ka voaheloka ho faty koa. Ahoana raha nosakanan’i Jehovah tsy hihantitra sy ho faty ny olona nefa tsy nisy vidim-panavotana naloa? Ho nivadika tamin’ny teniny izy. Nisolo tena antsika rehetra i Paoly rehefa nilaza hoe: ‘Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra ny Lalàna. Izaho kosa anefa nofo, namidy ho andevon’ny ota. Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatako ity, satria izy ity no mitarika ahy ho amin’izany fahafatesana izany?’—Rom. 7:14, 24.

10 I Jehovah Andriamanitra irery no afaka manao izay hamelana ny fahotantsika sy hanafahana antsika amin’ny fanamelohana ho faty mandrakizay. Nanao izany izy rehefa nandefa ny Zanany malala ho etỳ an-tany mba hateraka ho olombelona lavorary, ka ho afaka hanome ny ainy ho vidim-panavotana. Tsy nitovy tamin’i Adama i Jesosy fa lavorary foana. “Tsy nanota izy” ka afaka ny hanana taranaka lavorary. (1 Pet. 2:22) Nanaiky hovonoin’ny fahavalon’Andriamanitra anefa izy, ka azony atsangana ho zanaka ny taranak’i Adama tsy lavorary, ary ho afaka hiaina mandrakizay ireo maneho finoana azy. Hoy ny Soratra Masina: “Iray ny Andriamanitra ary iray ny mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy, izay nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.”—1 Tim. 2:5, 6.

11. a) Hazavao amin’ny ohatra ny soa entin’ny vidim-panavotana. b) Iza koa no mandray soa amin’ilay vidim-panavotana?

11 Indro misy ohatra mba hanazavana ny vidim-panavotana: Napetraky ny olona iray tany amin’ny namany ny volany rehetra, kanefa nosolokin’io namany io izy ka voatery nidi-trosa. Nomelohina higadra aman-taonany ilay mpisoloky ary rariny izany. Ahoana kosa ny amin’ilay tompom-bola tsy nanan-tsiny? Lasa nahantra izy ka tsy ho voaloa ny trosany, raha tsy misy olona tsara fanahy sy manankarena mamerina ny volany rehetra. Toy izany koa fa novidin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany malala ny taranak’i Adama, ary nofoanany ny trosany, izany hoe ny ota. Ny ran’i Jesosy no nahafahana nanao izany. Afaka nilaza toy izao momba an’i Jesosy àry i Jaona Mpanao Batisa: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) Tsy ny fahotan’ny velona ihany no ho voaesotra, fa ny an’ny maty koa.

Tsy mora ny nanome ny vidim-panavotana

12, 13. Inona no ianarantsika avy amin’izay tsapan’i Abrahama rehefa nanao sorona an’i Isaka izy?

12 Tsy ho takatsika mihitsy izay tsapan’ilay Raintsika any an-danitra sy ny Zanany malala rehefa nanome ny vidim-panavotana izy ireo. Misy tantara ara-baiboly manampy antsika anefa. Eritrereto, ohatra, izay tsapan’i Abrahama rehefa nanao ilay dia naharitra telo andro ho any Moria, ho fankatoavana ny didin’Andriamanitra hoe: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao, ka mankanesa any amin’ny tany Moria. Ary atolory ho fanatitra dorana izy rehefa any, eo amin’ny tendrombohitra iray holazaiko anao.”—Gen. 22:2-4.

13 Tonga tany amin’ilay toerana ihany i Abrahama. Nanorina alitara izy ary tsy maintsy ho nalahelo mafy rehefa namatotra ny tongotra aman-tanan’i Isaka sy nametraka azy teo ambonin’ilay alitara. Tsy maintsy ho nankarary ny fony ny nanainga an’ilay antsy hamonoany ny zanany. Alao sary an-tsaina izay tsapan’i Isaka teo amin’ilay alitara, niandry ny hitsatohan’ilay antsy maranitra hamono azy. Tonga ara-potoana ny anjelin’i Jehovah mba hanakana an’i Abrahama. Izay nitranga tamin’i Abrahama sy Isaka dia manampy antsika hahatakatra izay tsy maintsy ho niaretan’i Jehovah, tamin’izy namela ny olon’i Satana hamono ny Zanany. Nankatò an’i Abrahama i Isaka ary mampiseho tsara ny fahavononan’i Jesosy hijaly sy ho faty ho antsika izany.—Heb. 11:17-19.

14. Inona no nitranga tamin’i Jakoba ka manampy antsika hahatakatra an’izay tsapan’i Jehovah, rehefa nanome ny vidim-panavotana izy?

14 Manampy antsika hahatakatra izay tsapan’i Jehovah koa izay nitranga tamin’i Jakoba. I Josefa no tiany indrindra tamin’ny zanany lahy. Nampalahelo fa nialona sy nankahala an’i Josefa ny rahalahiny. Nanaiky hirahin’ny rainy anefa i Josefa mba hijery raha tsy misy maninona ny rahalahiny. Niandry ny ondrin’i Jakoba izy ireo tamin’izay, tany amin’ny 100 kilaometatra tany avaratr’i Hebrona fonenan’izy ireo. Alao sary an-tsaina izay tsapan’i Jakoba rehefa niverina tany aminy ireo zanany lahy nitondra ny akanjon’i Josefa nihosin-dra. Nihiaka toy izao izy: “Ny akanjo lavan’ny zanako ity! Tena notafihin’ny bibidia masiaka i Josefa ka noviravirainy!” Nalahelo be i Jakoba, matoa nisaona an-janany andro maro. (Gen. 37:33, 34) Tsy tena mitovy amin’ny fihetsiky ny olona tsy lavorary ny fihetsik’i Jehovah. Inona anefa no ho takatsika rehefa misaintsaina an’io zava-nitranga io? Izay nety ho tsapan’i Jehovah rehefa nahita ny Zanany nampijalina sy novonoina tamin-kabibiana tetỳ an-tany.

Mandraisa soa avy amin’ny vidim-panavotana

15, 16. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nekeny ny vidim-panavotana? b) Inona no soa raisinao avy amin’ny vidim-panavotana?

15 Natsangan’i Jehovah Andriamanitra ilay Zanany tsy mivadika ary nomeny vatana ara-panahy be voninahitra. (1 Pet. 3:18) Niseho tamin’ny mpianany i Jesosy, nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany, mba hanatanjaka ny finoan’izy ireo sy hanomana azy ireo amin’ilay asa lehibe, dia ny fitoriana. Niakatra tany an-danitra izy avy eo ary natolony an’Andriamanitra ny vidin’ny rany. Ho afaka handray soa àry ny tena mpanara-dia azy maneho finoana ny sorom-panavotana. Nasehon’i Jehovah fa nekeny ny vidim-panavotan’i Kristy, ka nasainy nampilatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianatra niangona tao Jerosalema i Jesosy, tamin’ny Pentekosta taona 33.—Asa. 2:33.

16 Nampirisihin’ireo mpanara-dia an’i Kristy ireo avy hatrany ny mpiara-belona taminy mba handositra ny fahatezeran’Andriamanitra. Nasainy natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ireo mba hahazoana famelan-keloka. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:38-40.) Nanomboka teo ka hatramin’izao, dia olona an-tapitrisany avy any amin’ny firenena rehetra no taomina ka lasa mifandray amin’Andriamanitra, noho ny finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 6:44) Ilaintsika izao ny mieritreritra hoe: Ny asa tsara vitantsika ve no antony hanomezana antsika fiainana mandrakizay? Tsy maintsy ho azontsika ve izy io satria hoe efa nampanantenaina antsika?

17. Ahoana no tokony hiheveranao ny hoe lasa naman’Andriamanitra?

17 Tena tsy mendrika ny hahazo ny vidim-panavotana isika. An-tapitrisany anefa ankehitriny no lasa naman’Andriamanitra ary manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, satria maneho finoana ny vidim-panavotana. Tsy azo antoka hoe hifandray tsara amin’i Jehovah foana isika, na dia efa namany aza. Tsy maintsy asehontsika foana hoe tena ankasitrahantsika ny “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy”, mba hahafahantsika handositra ny andro fahatezeran’Andriamanitra ho avy.—Rom. 3:24; vakio ny Filipianina 2:12.

Manehoa hatrany finoana ny vidim-panavotana

18. Inona no tafiditra amin’ny hoe maneho finoana ny vidim-panavotana?

18 Asehon’ny Jaona 3:36, izay andinin-teny fototra amin’ity lahatsoratra ity, fa tokony hankatò an’i Jesosy Kristy Tompo isika raha maneho finoana azy. Raha mankasitraka ny vidim-panavotana isika, dia hankatò ny fampianaran’i Jesosy, anisan’izany izay nampianariny momba ny fitondran-tena. (Mar. 7:21-23) Iharan’ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’ izay tsy mibebaka nefa zatra manao ratsy, toy ny mijangajanga, manao vazivazy vetaveta, manao “izay rehetra mety ho fahalotoana”, anisan’izany ny fijerena sary vetaveta.—Efes. 5:3-6.

19. Inona no fomba tsara azontsika anehoana finoana ny vidim-panavotana?

19 Tokony ‘haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’ foana isika, raha mankasitraka ny vidim-panavotana. (2 Pet. 3:11) Aoka isika hanokana fotoana ampy hivavahana tsy tapaka sy avy amin’ny fo, hianarana samirery, hanatrehana fivoriana, hanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, ary hitoriana ilay Fanjakana amin-jotom-po. Ary enga anie isika tsy ‘hanadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.’—Heb. 13:15, 16.

20. Afaka manantena inona ireo rehetra manohy maneho finoana ny vidim-panavotana?

20 Naneho finoana sy nankasitraka ny vidim-panavotana foana isika, ka ho faly tokoa rehefa hampihatra ny fahatezerany amin’ity tontolo ratsy ity i Jehovah. Hankasitraka azy io mandrakizay isika ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, noho izy io niaro antsika tamin’ny fahatezerany.—Vakio ny Jaona 3:16; Apokalypsy 7:9, 10, 13, 14.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no ilaina ny vidim-panavotana?

• Nahoana no sarotra ny nanome ny vidim-panavotana?

• Inona no soa azo avy amin’ny vidim-panavotana?

• Ahoana no anehoantsika finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Mbola azo atao ny mihavana amin’i Jehovah

[Sary, pejy 15]

Ho tsapantsika fa tsy mora ny nanome ny vidim-panavotana, rehefa saintsainintsika izay nitranga tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba