Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jesosy ka Manehoa Fitiavana Rehefa Mampianatra

Tahafo i Jesosy ka Manehoa Fitiavana Rehefa Mampianatra

Tahafo i Jesosy ka Manehoa Fitiavana Rehefa Mampianatra

“Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.”—JAONA 7:46.

1. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona, rehefa nahita ny fomba fampianatr’i Jesosy?

TSY maintsy ho talanjona ireo nandre an’i Jesosy nampianatra! Miresaka ny fihetsiky ny olona sasany ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Lioka, mpanoratra ny Filazantsara, fa “gaga” ny olona mpiray tanàna tamin’i Jesosy, “noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany.” Tantarain’i Matio koa fa “nitolagaga” ireo nandre azy nanao ilay Toriteny teo An-tendrombohitra “noho ny fomba fampianany.” I Jaona indray nilaza fa nitondra tanam-polo nody ireo miaramila nasaina nisambotra an’i Jesosy, sady vaky vava hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.”—Lioka 4:22; Mat. 7:28; Jaona 7:46.

2. Inona avy no fomba fampianatra nampiasain’i Jesosy?

2 Marina ny an’ireo miaramila ireo. I Jesosy tokoa no Mpampianatra niavaka indrindra hatramin’izay. Tsotra sy nazava ny fampianarany, ary tsy azo lavina ny fanaporofoan-keviny. Nahay nampiasa fanoharana sy fanontaniana koa izy. Hainy ny nampifanaraka ny fampianarany tamin’ny karazan’olona rehetra, na olona ambony na olon-tsotra. Mora azo ny fahamarinana nampianariny, na dia tena lalina aza. Tsy izany ihany anefa no nahatonga an’i Jesosy ho Mpampianatra niavaka.

Tena ilaina ny fitiavana

3. Inona no tsy nampitovy an’i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana?

3 Azo inoana fa nanam-pahalalana sy nahay nampianatra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo sasany. Inona anefa no nampiavaka ny fomba fampianatr’i Jesosy tamin’ny azy ireo? Tsy tia an’ireo sarambabem-bahoaka ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Nambaniny izy ireo, ka nolazainy fa “olom-boaozona.” (Jaona 7:49) I Jesosy kosa nangoraka an’ilay vahoaka, satria “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Mat. 9:36) Tsara fanahy sy be fitiavana izy ary nangoraka. Tsy tena tia an’Andriamanitra koa ireo mpitondra fivavahana. (Jaona 5:42) I Jesosy anefa tia ny Rainy ary faly nanao ny sitrapony. Naolan’ny mpitondra fivavahana ny tenin’Andriamanitra, mba ho tombontsoany manokana. I Jesosy kosa tia ny “tenin’Andriamanitra”, ka nampianatra sy niaro azy io, ary nanaraka izay voalaza tao. (Lioka 11:28) Be fitiavana tokoa i Kristy. Hita izany teo amin’ny fampianarany, ny fomba nitondrany olona, ary ny fomba nanoroany hevitra azy ireo.

4, 5. a) Nahoana no tena ilaina ny fitiavana rehefa mampianatra? b) Nahoana no tena ilaina koa ny fahalalana sy ny fahaizana mampita hevitra?

4 Ahoana ny amintsika? Mpanara-dia an’i Kristy isika, ka tiantsika ny hanahaka azy eo amin’ny fanompoana sy ny fiainantsika. (1 Pet. 2:21) Tsy ny hampita fahalalana ara-baiboly ihany àry no tokony ho tanjontsika, fa ny haneho ny toetran’i Jehovah koa, indrindra fa ny fitiavana. Hisy vokany lalina eo amin’ny olona itoriantsika ny fitiavana asehontsika, na kely na be ny fahalalana ananantsika, ary na tena mahay mampianatra isika na tsia. Tokony haneho fitiavana toa an’i Jesosy àry isika rehefa mampianatra, raha tena tiantsika ny hahita vokatra.

5 Mila mahay an’ilay zavatra ampianarina sy ny fomba ampitana izany isika, raha te ho mpampianatra mahay. Nanampy ny mpianany hahay an’ireo i Jesosy. Ny fandaminana kosa no ampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika amin’izany ankehitriny. (Vakio ny Isaia 54:13; Lioka 12:42.) Tsy ny hampita fahalalana ihany anefa no tokony ho tanjontsika, fa ny haneho fitiavana koa. Tena ho afa-po isika, raha sady manana fahalalana no mahay mampita hevitra no be fitiavana. Ahoana àry no anehoantsika fitiavana rehefa mampianatra? Inona no modely navelan’i Jesosy sy ny mpianany? Andeha hojerentsika izany.

Tiavo i Jehovah

6. Ahoana no iresahantsika amin’ny hafa momba ny olona iray tiantsika?

6 Mahafinaritra antsika ny miresaka momba ny zavatra tiantsika. Faly sy mafana fo erỳ isika rehefa manao izany. Izany indrindra no mitranga rehefa miresaka momba ny olona tiantsika isika. May erỳ isika ny hiresaka amin’ny hafa ny zavatra fantantsika momba azy. Midera sy manome voninahitra an’ilay olona isika, ary miaro azy. Manao izany isika, satria tiantsika raha mba tia an’io olona io koa ny hafa sady mankamamy ny toetrany.

7. Nandrisika an’i Jesosy hanao inona ny fitiavany an’Andriamanitra?

7 Isika aloha no tokony ho tia an’i Jehovah, izay vao afaka mandrisika ny olona ho tia azy. Ny fitiavana an’Andriamanitra rahateo no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fivavahana marina. (Mat. 22:36-38) I Jesosy no modely tonga lafatra ny amin’izany. Tia an’i Jehovah tamin’ny fony, sainy, tenany, ary ny heriny manontolo izy. Efa niara-niaina tany an-danitra izy mianaka, nandritra ny an’arivony tapitrisa taona teo ho eo. Fantatr’i Jesosy tsara àry ny Rainy, ka afaka nilaza izy hoe: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Hita taratra tamin’ny tenin’i Jesosy sy ny nataony izany, ary nandrisika azy hanao zavatra mampifaly an’Andriamanitra foana. (Jaona 8:29) Io fitiavana io koa no nahatonga azy hanameloka ny mpitondra fivavahana, izay nihambo ho nisolo tena an’Andriamanitra. Tia an’i Jehovah i Jesosy ka niresaka momba azy tamin’ny hafa ary nanampy ny hafa ho tia azy.

8. Nandrisika ny mpianatr’i Jesosy hanao inona ny fitiavana?

8 Tia an’i Jehovah koa ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Naneho herim-po izy ireo sady nazoto nitory ny vaovao tsara. Nofenoiny ny fampianarany i Jerosalema, na dia nisakana azy ireo aza ny mpitondra fivavahana, izay nanana fahefana be. Tsy hain’ireo mpianatra ireo mantsy ny tsy hiteny intsony momba ny zavatra efa hitany sy reny. (Asa. 4:20; 5:28) Fantany fa nomba azy i Jehovah ary hitahy azy. Izany tokoa no nitranga! Tsy ampy 30 taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia afaka nilaza ny apostoly Paoly fa efa notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara.—Kol. 1:23.

9. Ahoana no azonao hanamafisana ny fitiavanao an’Andriamanitra?

9 Hamafiso foana ny fitiavanao an’Andriamanitra, raha tena tianao ny ho mpampianatra mahita vokatra. Mila miresaka matetika aminy amin’ny alalan’ny vavaka ianao. Manamafy ny fitiavanao azy koa ianao, raha mianatra ny Teniny sy mamaky ireo boky ara-baiboly, ary manatrika fivoriana. Ho tia azy amin’ny fonao manontolo ianao, raha mahafantatra azy kokoa. Rehefa asehonao amin’ny teny sy atao ny fitiavanao an’i Jehovah, dia ho hitan’ny hafa izany ka mety handrisika azy ireo hanatona azy.—Vakio ny Salamo 104:33, 34.

Tiavo ny zavatra ampianarinao

10. Inona no anisan’ny mampiavaka ny mpampianatra mahay?

10 Anisan’ny mampiavaka ny mpampianatra mahay koa ny fitiavany ny zavatra ampianariny. Tsy maintsy atokisany fa marina ilay izy, zava-dehibe, ary sarobidy. Raha tena zava-dehibe amin’ny mpampianatra iray ny zavatra ampianariny, dia hafana fo izy rehefa mampianatra, ary hisy heriny eo amin’ilay olona ampianariny izany. Raha tsy tena tiany kosa ilay izy, dia azo inoana fa tsy ho sarobidy amin’ny olona ampianariny koa. Zava-dehibe àry ny ohatra omenao rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao. Hoy i Jesosy: “Izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.”—Lioka 6:40.

11. Nahoana i Jesosy no tia ny zavatra nampianariny?

11 Tian’i Jesosy ny zavatra nampianariny. Fantany fa nanan-javatra sarobidy hozaraina amin’ny hafa izy, dia ny marina momba ny Rainy any an-danitra, ny “tenin’Andriamanitra”, ary ny “tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:34; 6:68) Toy ny hazavana mamirapiratra ny fahamarinana nampitain’i Jesosy, ka nanala sarona ny ratsy ary nampiharihary ny tsara. Nitondra fanantenana sy fampiononana izy io ho an’ny olona manetry tena, izay nofitahin’ny mpitondra fivavahana sy nampahorian’ny Devoly. (Asa. 10:38) Hita tamin’ny fampianaran’i Jesosy sy tamin’izay rehetra nataony, fa tiany ny fahamarinana.

12. Ahoana no niheveran’ny apostoly Paoly ny vaovao tsara?

12 Sarobidy tamin’ny mpianatr’i Jesosy koa ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy Kristy. Tsy nahasakana azy ireo tsy hitory momba izany ny mpanohitra. Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina tany Roma: “Marisika hitory ny vaovao tsara ... aho. Fa tsy menatra noho ny vaovao tsara aho, fa herin’Andriamanitra izy io ho famonjena izay rehetra mino.” (Rom. 1:15, 16) Noraisin’i Paoly ho voninahitra ny nitory ny fahamarinana. Hoy izy: “Izaho ... no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy.” (Efes. 3:8) Azo antoka fa tena nafana fo i Paoly rehefa nampianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany.

13. Inona avy ireo antony tokony hitiavantsika ny vaovao tsara?

13 Manampy antsika hahafantatra ny Mpamorona sy hifandray akaiky aminy ny vaovao tsara. Izy io koa no manome valiny mahafa-po momba ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana, sady manampy antsika hanova ny fomba fiainantsika. Mahatonga antsika hanana fanantenana izy io, ary mampahery antsika rehefa manana olana isika. Manoro antsika izay tokony hatao mba hiainana mandrakizay koa izy io. Tsy misy fahalalana sarobidy kokoa noho ny vaovao tsara àry. Fanomezana faran’izay tsara izy io, ary tena mahafaly antsika. Vao mainka faly isika rehefa mizara azy io amin’ny hafa.—Asa. 20:35.

14. Inona no azo atao mba hampitomboana ny fitiavantsika ny zavatra ampianarintsika?

14 Inona no azonao atao raha tianao hitombo ny fitiavanao ny vaovao tsara? Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia miatoa kely tsindraindray ary saintsaino izay vakinao. Alao sary an-tsaina, ohatra, hoe niaraka tamin’i Jesosy ianao tamin’izy nanompo teto an-tany, na nanao dia niaraka tamin’ny apostoly Paoly. Eritrereto koa hoe efa ao amin’ny tontolo vaovao ianao, ary hafa tanteraka ny fiainana. Saintsaino ny fitahiana efa azonao noho ianao nankatò ny vaovao tsara. Raha tena tianao foana ny vaovao tsara, dia ho tsapan’ireo olona ampianarinao izany. Zava-dehibe àry ny hisaintsainana ny zavatra nianarantsika sy hitandremana ny fampianarantsika.—Vakio ny 1 Timoty 4:15, 16.

Aoka ianao ho tia olona

15. Nahoana ny mpampianatra no tokony ho tia ny mpianany?

15 Ny mpampianatra mahay dia manao izay tsy hampihafahafa ny mpianany. Manjary tia mianatra sy mazoto mandray anjara àry izy ireo. Mampita fahalalana ny mpampianatra be fitiavana, noho izy tena miahy ny mpianany. Ampifanarahiny amin’izay ilain’ny mpianany sy ny fahatakaran’izy ireo ny zavatra ampianariny. Eritreretiny foana ny fahaizan’ny mpianany sy ny toe-javatra misy azy ireo. Raha manam-pitiavana toy izany ny mpampianatra, dia ho tsapan’ny mpianany izany, ka lasa hahafinaritra azy ireo ny fianarana.

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia olona izy?

16 Naneho fitiavana toy izany i Jesosy. Ny fomba lehibe indrindra nanehoany izany, dia ny nanolorany ny ainy lavorary mba hamonjena ny hafa. (Jaona 15:13) Tsy nitandro hasasarana izy nandritra ny fanompoany, fa niahy izay nilain’ny olona teo amin’ny lafiny ara-batana, indrindra teo amin’ny ara-panahy. Tsy niandry ny olona hanatona azy izy, fa nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’izy ireo. (Mat. 4:23-25; Lioka 8:1) Naneho faharetana koa izy, ary nahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa. Rehefa nila fanitsiana ny mpianany, dia nanitsy azy ireo tamim-pitiavana izy. (Mar. 9:33-37) Nampahery azy ireo izy, ka nilaza fa tena ho lasa mpitory mahay izy ireo. Tsy nisy mpampianatra be fitiavana noho i Jesosy mihitsy hatramin’izay. Ny fitiavana nasehony tamin’ny mpianany no nahatonga azy ireo ho tia azy sy hitandrina ny didiny.—Vakio ny Jaona 14:15.

17. Ahoana no nampisehoan’ny mpianatr’i Jesosy fa tia olona izy ireo?

17 Tena tia an’ireo olona nitoriany koa ny mpianatr’i Jesosy. Niaritra fanenjehana izy ireo ary notandindomin-doza ny ainy, nefa mbola nanompo ny hafa foana ary nahavita nitory ny vaovao tsara. Tena niraiki-po tamin’ireo olona nandray ny vaovao tsara izy ireo! Mampihetsi-po tokoa ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Nalemy fanahy teo aminareo ... izahay, tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana ny zanany naterany. Koa satria tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.”—1 Tes. 2:7, 8.

18, 19. a) Nahoana isika no vonona handany vola sy hery ary fotoana mba hitoriana? b) Milazà ohatra mampiseho fa voamariky ny hafa ny fitiavana asehontsika.

18 Mitory maneran-tany koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, mba hitadiavana an’ireo olona te hahafantatra an’Andriamanitra sy maniry hanompo azy. Nandritra ny 17 taona nisesy izao, dia nandany arivo tapitrisa ora isan-taona tamin’ny fitoriana sy fampianarana isika, ary mbola manohy foana. Vonona ny hitory isika, na dia andaniantsika vola sy hery ary fotoana aza izany. Fantatsika mantsy fa tian’ilay Raintsika any an-danitra hahazo fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny olona. (Jaona 17:3; 1 Tim. 2:3, 4) Ny fitiavana no mandrisika antsika hanampy ny olona tso-po hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy toa antsika.

19 Voamariky ny hafa ny fitiavana asehontsika. Nanoratra taratasy fampaherezana ho an’ireo nidonam-pahoriana, ohatra, ny anabavy mpisava lalana iray any Etazonia. Namaly ny taratasiny ny lehilahy iray, ary nilaza hoe: “Gaga aho tamin’ny voalohany, ka nieritreritra hoe nahoana no misy olona miezaka manoratra ho an’ny olon-tsy fantany toy izao, mba hampaherezana azy ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Ny hany fanatsoahan-kevitro dia hoe tia ny mpiara-belona aminao ianao sady tia an’ilay Andriamanitra mitari-dalana ny olona eo amin’ny fiainana.”

20. Nahoana no tena ilaina ny maneho fitiavana rehefa mampianatra?

20 Misy milaza fa hahavita zavatra tena tsara ianao, raha manana fahaizana sy fitiavana. Miezaka manampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah sy ho tia azy isika, rehefa mampianatra Baiboly. Mila manana fitiavana karazany telo isika raha te ho mpampianatra mahita vokatra: Fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ary ny olona. Raha miezaka manana an’ireo fitiavana ireo isika, ary maneho izany rehefa manompo, dia ho faly sy ho afa-po satria manahaka an’i Jesosy sady mampifaly an’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Rehefa mampianatra ny vaovao tsara isika, nahoana no tena ilaina ny...

fitiavana an’Andriamanitra?

fitiavana ny zavatra ampianarintsika?

fitiavana ny olona ampianarintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Inona no tsy nampitovy ny fomba fampianatr’i Jesosy sy ny an’ny mpanora-dalàna sy Fariseo?

[Sary, pejy 18]

Mila manana fitiavana, fahalalana, ary fahaizana ny olona iray vao ho lasa mpampianatra mahay