Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nahita Vatosoa Iray Sarobidy”

“Nahita Vatosoa Iray Sarobidy”

“Nahita Vatosoa Iray Sarobidy”

“Ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona, ary maka azy an-keriny ireo misesika ho amin’izany.”—MATIO 11:12.

1, 2. a) Inona no toetra tsy fahita firy noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray momba ilay Fanjakana? b) Inona no nolazain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ilay vatosoa lafo vidy?

MISY zavatra tena sarobidy aminao ve, ka vonona hanome izay rehetra anananao ianao mba hahazoana azy io? Misy olona milaza ho manokan-tena ho amin’ny tanjona sasany, toy ny vola, laza, fahefana, ary toerana ambony. Tsy fahita firy anefa izany hoe olona vonona hamoy ny zava-drehetra izany, mba hahazoana zavatra iray tena mahafinaritra azy. Miresaka an’izany toetra tsara dia tsara tsy fahita firy izany i Jesosy, ao amin’ny fanoharana iray mampisaintsaina momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

2 Ny mpianany ihany no niresahan’i Jesosy an’io fanoharana io, izay antsoina matetika hoe fanoharana ny amin’ilay vatosoa lafo vidy. Izao no nolazainy: ‘Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpivaro-mandeha mitady vatosoa faran’izay tsara. Rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy, dia lasa nivarotra avy hatrany izay rehetra nananany ka nividy ilay vatosoa.’ (Matio 13:36, 45, 46) Inona no tian’i Jesosy hampianarina ny mpihaino azy tamin’izany? Ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny teniny?

Vatosoa tena sarobidy

3. Nahoana no sarobidy be ny perla faran’izay tsara fahiny?

3 Efa hatramin’ny ela no noheverina ho sarobidy sy natao haingo ny vatosoa, anisan’izany ny perla. Araka ny boky iray, dia nilaza ilay mpanoratra romanina atao hoe Pline Zokiny, fa ny perla “no loha laharana amin’ireo zava-tsarobidy rehetra.” Tsy toy ny volamena sy volafotsy ary vatosoa maro hafa mantsy ny perla, fa avy amin’ny biby atao hoe masaja (huître). Rehefa misy zavatra tafiditra, toy ny vatokely, ohatra, ao amin’io biby io, dia fonosiny zavatra mangirana ilay izy, ka lasa perla mamirapiratra. Tany amin’ny Ranomasina Mena sy Hoala Persika ary Oseana Indianina no tena nahitana ireo perla tsara indrindra, fahiny. Lavitra be ny tanin’i Israely izany. Azo antoka fa izany no nahatonga an’i Jesosy hiresaka momba “ny mpivaro-mandeha mitady vatosoa faran’izay tsara.” Tsy maintsy miezaka mafy àry izay olona te hahita perla tena sarobidy.  

4. Inona no lesona tena tian’i Jesosy hampitaina ao amin’ny fanoharany momba ilay mpivaro-mandeha?

4 Efa hatramin’ny ela ny perla faran’izay tsara no lafo vidy. Tsy ny halafony loatra anefa no tena tian’i Jesosy hampitaina tao amin’ilay fanoharany. Tsy nampitahainy tamin’ny perla na vatosoa faran’izay tsara fotsiny mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisarika ny saina ho amin’ilay “mpivaro-mandeha mitady vatosoa faran’izay tsara” kosa izy, sy ny nataon’izy io rehefa nahita izany. Tsy toy ny mpivarotra tsotra ny mpivaro-mandeha, fa azo lazaina hoe tena za-draharaha amin’ny resaka varotra. Tonga dia voamariny ny tsipirian’ny vatosoa rehetra, na dia tsy mora hita aza izany. Hainy koa ny manavaka ny hatsarany, ary fantany raha tena izy ilay izy na tsia. Tsy voafitaka izy, satria fantany rehefa tsy dia tsara loatra ilay vatosoa, na sandoka.

5, 6. a) Inona no tsara homarihina momba ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy? b) Inona no fantatsika momba ilay mpivaro-mandeha, rehefa jerena ilay fanoharana momba ilay harena nafenina?

5 Misy zavatra hafa koa tsara homarihina momba an’ilay mpivarotra. Mazàna ny mpivarotra no mieritreritra aloha hoe ohatrinona no mety hahalafosany an’ilay vatosoa, hahitany hoe ohatrinona no tokony hividianana azy io, mba tsy ho matiantoka. Mety handinika koa izy raha misy olona mitady vatosoa, mba hahafahany hivarotra azy io haingana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia ny hiverenan’ny volany haingana no tadiaviny, fa tsy ny hanana ilay vatosoa. Tsy toy izany anefa ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Tsy ny vola no nahaliana azy. Vonona hamoy “izay rehetra nananany” mihitsy izy, angamba ny fananany sy ny taniny rehetra, mba hahazoana izay notadiaviny.

6 Hihevitra angamba ny ankamaroan’ny mpivarotra, fa nanao hadalana io lehilahy io. Tsy hanao zavatra tsy azo antoka toy izany mihitsy ny mpivarotra mailo. Hafa mihitsy anefa ny zava-dehibe tamin’ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Tsy vola no notadiaviny, fa ny fifaliana sy fahafaham-po entin’ny fananana zavatra faran’izay sarobidy. Manazava izany ny fanoharana iray hafa nataon’i Jesosy mifandray amin’izy io. Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny. Ary noho ny hafaliany, dia lasa izy nivarotra izay nananany ka nividy izany saha izany.” (Matio 13:44) Ny hafaliana nahita sy nanana ilay harena fotsiny dia nanosika ilay olona hahafoy ny zava-drehetra nananany. Misy olona toy izany koa ve ankehitriny? Misy harena mendrika ny hamoizana ny zava-drehetra toy izany ve?

Sarobidy tamin’izy ireo ilay Fanjakana

7. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena sarobidy taminy ilay Fanjakana?

7 Niresaka ny amin’ny “fanjakan’ny lanitra” i Jesosy tao amin’io fanoharany io. Azo antoka fa tena sarobidy taminy ilay Fanjakana. Manamarina tsara izany ny Filazantsara. Rehefa avy natao batisa i Jesosy tamin’ny taona 29, dia ‘nanomboka nitory ka nilaza hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” ’ Nampianatra olona maro be momba ilay Fanjakana izy nandritra ny telo taona sy tapany. “Nitety tanàna sy vohitra” izy, “ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Matio 4:17; Lioka 8:1.

8. Inona no nataon’i Jesosy, mba hampisehoana izay hataon’ilay Fanjakana?

8 Nanao fahagagana maro koa i Jesosy, mba hampisehoana izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanasitrana ny marary izy, nanome sakafo ny noana, nampitony rivo-mahery, ary nanangana ny maty mihitsy aza. (Matio 14:14-21; Marka 4:37-39; Lioka 7:11-17) Nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra sy ilay Fanjakana izy tamin’ny farany, rehefa namoy ny ainy, izany hoe maty maritiora teo amin’ny hazo fijaliana. Velona ho an’ilay Fanjakana ary nahafoy ny ainy ho azy io i Jesosy, toy ilay mpivaro-mandeha nahafoy an-tsitrapo izay rehetra nananany, mba hahazoana ilay ‘vatosoa sarobidy.’—Jaona 18:37.

9. Inona no toetra tsy fahita firy nananan’ny mpianatr’i Jesosy voalohany?

9 Tsy hoe nanokana ny fiainany manontolo hikatsahana ilay Fanjakana fotsiny i Jesosy, fa nanangona mpianatra vitsivitsy koa. Nihevitra an’ilay Fanjakana ho tena sarobidy koa ireo mpianatra ireo. Anisan’izany i Andrea, mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa teo aloha. Voasarika hanatona an’i Jesosy ka tonga mpino i Andrea sy ny mpianatr’i Jaona hafa, raha vao nahare an’i Jaona nilaza fa i Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” Azo inoana fa iray tamin’ny zanak’i Zebedio io mpianatra io, ary Jaona koa no anarany. Tsy izay ihany anefa no nitranga. Nandeha avy hatrany tany amin’i Simona rahalahany koa i Andrea, ary nilaza hoe: “Efa hitanay ny Mesia!” Tsy ela taorian’izay, dia niaiky koa i Simona (izay lasa hoe Kefasy na Petera) sy Filipo ary Natanaela namany, fa i Jesosy no Mesia. Voatosika hilaza toy izao tamin’i Jesosy mihitsy i Natanaela: “Zanak’Andriamanitra ianao, Mpanjakan’ny Israely ianao.”—Jaona 1:35-49.

Voatosika hanao zavatra

10. Inona no nataon’ny mpianatra rehefa tonga niantso azy ireo i Jesosy, taorian’ny fihaonany voalohany taminy?

10 Nientam-po toy ilay mpivaro-mandeha nahita ilay vatosoa sarobidy, i Andrea, Petera, sy Jaona ary ny hafa rehefa nahita ny Mesia. Inona àry no nataon’izy ireo? Tsy dia resahin’ny Filazantsara firy ny zavatra nataon’izy ireo taorian’ny fihaonany voalohany tamin’i Jesosy. Niverina nanohy ny fiainany isan’andro ihany angamba ny ankamaroany. Nihaona tamin’i Andrea sy Petera ary Jaona sy Jakoba rahalahiny, indray anefa i Jesosy enim-bolana na herintaona teo ho eo tatỳ aoriana. * Nahita azy ireo nanarato tao amin’ny Ranomasin’i Galilia izy tamin’izay. Hoy izy: “Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Inona no nataon’izy ireo? Izao no notantarain’i Matio momba an’i Petera sy Andrea: “Nandao ny haratony avy hatrany ireo, ka nanaraka azy.” Raha ny amin’i Jakoba sy Jaona indray, dia izao no vakintsika: “Nandao ny sambokely sy ny rainy avy hatrany [izy ireo], dia nanaraka azy.” Milaza koa i Lioka fa “nandao ny zava-drehetra [izy] ireo ka lasa nanaraka azy.”—Matio 4:18-22; Lioka 5:1-11

11. Inona no mety ho antony nanarahan’ny mpianatra an’i Jesosy avy hatrany?

11 Fanapahan-kevitra maimaika fotsiny ve no noraisin’ireo mpianatra? Tsy izany velively! Marina fa niverina nanarato niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo, taorian’ny fihaonany voalohany tamin’i Jesosy. Tsy isalasalana anefa fa namela soritra lalina tao an-tsainy sy tao am-pony ny zavatra hitany sy reny tamin’izay. Nanam-potoana tsara nieritreretana momba izany izy ireo, satria efa ho herintaona no lasa. Tonga àry ny fotoana hanapahana hevitra. Moa ve izy ireo ho toy ilay mpivaro-mandeha, izay nientam-po erỳ nahita ilay vatosoa tsy manan-tsahala, ka ‘lasa avy hatrany’ nanao izay rehetra azo natao mba hividianana azy io? Eny. Nampientam-po azy ireo ny zavatra hitany sy reny. Niaiky izy ireo fa tonga ny fotoana hanaovan-javatra. Noho izany, dia tsy nisalasala izy ireo nandao ny zava-drehetra ary lasa mpianatr’i Jesosy.

12, 13. a) Inona no nataon’ny olona maro nahare an’i Jesosy? b) Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo mpianany nahatoky, ary inona no tiany holazaina?

12 Tsy nitovy tamin’ny an’ireo olona nahatoky ireo mihitsy anefa ny zavatra nataon’ny sasany tatỳ aoriana, araka ny voatantaran’ny Filazantsara! Maro ny olona nositranin’i Jesosy sy nomeny sakafo, nefa nanohy ny asa aman-draharahany ihany. (Lioka 17:17, 18; Jaona 6:26) Nisy mihitsy aza nitady fialan-tsiny rehefa nasainy hanara-dia azy. (Lioka 9:59-62) Nifanohitra tamin’izany anefa ny fihetsik’ireo olona nahatoky, izay nilazan’i Jesosy tatỳ aoriana hoe: ‘Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao, dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona, ary maka azy an-keriny ireo misesika ho amin’izany.’—Matio 11:12.

13 Inona no dikan’ny hoe ‘misesika’? “Manana heviny hoe milofo ilay matoanteny” grika niavian’io teny io, hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy). Ary izao no nolazain’ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Heinrich Meyer momba an’io andinin-teny io: ‘Izy io dia milaza ny fikelezana aina sy ny ady mafy atao, mba hahazoana ny Fanjakan’ny Mesia efa manakaiky. Tsy hoe andrasany amim-paharetana fotsiny ilay fanjakana, fa tsy andriny mihitsy ny hahatongavany.’ Toy ilay mpivaro-mandeha, dia fantatr’ireo mpianatra vitsivitsy ireo avy hatrany hoe inona no tena sarobidy. Nahafoy an-tsitrapo izay rehetra nananany àry izy ireo, mba hahazoana ilay Fanjakana.—Matio 19:27, 28; Filipianina 3:8.

Nanjary nitady koa ny hafa

14. Ahoana no nanomanan’i Jesosy ny apostoly ho amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary inona no vokany?

14 Nanohy ny fanompoany i Jesosy, ka nampiofana sy nanampy olon-kafa hahazo ilay Fanjakana. Nifidy 12 tamin’ireo mpianany izy aloha, ary nantsoiny hoe apostoly na iraka, izy ireo. Natorony azy ireo tamin’ny an-tsipiriany ny fomba tokony hanatanterahany ny fanompoany. Nampitandrina koa izy fa hiatrika zava-tsarotra sy fahoriana izy ireo. (Matio 10:1-42; Lioka 6:12-16) Niara-nitory tamin’i Jesosy izy ireo, nandritra ny roa taona teo ho eo, ka nifandray akaiky taminy. Reny ny zavatra noteneniny, ary hitany ny asa lehibe nataony sy ny modely nomeny. (Matio 13:16, 17) Azo antoka fa tena nanohina lalina ny fon’ireo mpianany izany, ka nazoto nikatsaka ilay Fanjakana tamin’ny fony manontolo izy ireo, toy ilay mpivaro-mandeha.

15. Inona no nolazain’i Jesosy fa antony tena tokony hahafaly ny mpianany?

15 “Nanendry fitopolo lahy” ankoatra an’ireo apostoly 12 koa i Jesosy, “ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy tany amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay mbola halehany.” Nilaza koa izy fa hiatrika fitsapana sy fahoriana izy ireo, ary notoroany hevitra mba hitory hoe: “Mihamanatona anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 10:1-12) Faly be izy 70 lahy rehefa tafaverina, ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo ô, manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Nety ho gaga anefa izy ireo rehefa nilazan’i Jesosy fa vao mainka ho faly amin’ny hoavy, satria mazoto mikatsaka ilay Fanjakana. Hoy izy: “Aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”—Lioka 10:17, 20.

16, 17. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny nahatoky, ny alina farany niarahany taminy? b) Nahoana no faly ny apostoly rehefa nahare ny tenin’i Jesosy, ary nahazo toky ny amin’ny inona izy ireo?

16 Nankalaza voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy ny alina farany niarahany tamin’ny apostoly, ny 14 Nisana taona 33. Nandidy azy ireo hankalaza izany koa izy. Izao no nolazainy tamin’ireo mpianany 11 sisa tavela tamin’iny takariva iny: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny fanjakako ianareo, ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.”—Lioka 22:19, 20, 28-30.

17 Azo antoka fa tena faly sy afa-po tokoa ireo apostoly nahare an’i Jesosy niteny izany! Notolorana ny voninahitra sy ny tombontsoa lehibe indrindra mety hananan’ny olona izy ireo. (Matio 7:13, 14; 1 Petera 2:9) Tahaka ilay mpivaro-mandeha, dia nahafoy zavatra be dia be izy ireo mba hanarahana an’i Jesosy, sy hikatsahana ilay Fanjakana. Nahazo toky anefa izy ireo fa tsy very maina ny sorona nataony.

18. Iza koa no handray soa avy amin’ilay Fanjakana, ankoatra an’ireo apostoly 11?

18 Tsy ireo apostoly niaraka tamin’i Jesosy tamin’iny alina iny ihany akory, no nandray soa avy amin’ilay Fanjakana. Olona 144 000 no irin’i Jehovah ho ao amin’ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana be voninahitra, ka hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Nahita “vahoaka be tsy tambo isaina” koa ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray. “Nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry” izy ireo, ary “nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ” Ireo no ho vahoakan’ilay Fanjakana etỳ an-tany. *Apokalypsy 7:9, 10; 14:1, 4.

19, 20. a) Afaka ny ho tonga inona ny olona avy amin’ny firenena rehetra? b) Inona no fanontaniana hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nandidy ny mpianany mahatoky toy izao i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:19, 20) Afaka ny ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy àry ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Na ho any an-danitra izy ireo na ho eto an-tany, dia samy hahafoy ny zava-drehetra ho an’ilay Fanjakana, toy ny nataon’ilay mpivaro-mandeha mba hahazoana ilay vatosoa faran’izay tsara.

20 Hita amin’ny tenin’i Jesosy fa hitohy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ilay asa fanaovana mpianatra. Moa ve ankehitriny mbola misy olona toa an’ilay mpivaro-mandeha, izay vonona hahafoy ny zava-drehetra mba hikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Nety ho nanaraka an’i Jesosy sy nanatri-maso ny zavatra sasany nataony i Jaona, zanak’i Zebedio, taorian’ny fihaonan’izy ireo voalohany. Izany angamba no nahafahany nanoratra tantara velombelona momba izay nataon’i Jesosy, tao amin’ny Filazantsarany. (Jaona, toko 2-5) Niverina nanarato niaraka tamin’ny fianakaviany anefa izy, talohan’ny niantsoan’i Jesosy azy.

^ feh. 18 Mba hahitana tsipiriany bebe kokoa, dia jereo ny toko faha-10 ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no tena hevi-dehibe tao amin’ilay fanoharana momba ilay mpivaro-mandeha?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa sarobidy taminy ilay Fanjakana?

• Nahoana i Andrea, Petera, sy Jaona, ary ny hafa no nanaiky avy hatrany, rehefa nantsoin’i Jesosy?

• Afaka ny hanana tombontsoa ho tonga inona ny olona avy amin’ny firenena rehetra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

‘Nandao ny zava-drehetra izy ireo ary nanaraka an’i Jesosy’

[Sary, pejy 12]

Nandidy ny mpianany hanao mpianatra i Jesosy, talohan’ny niakarany tany an-danitra