Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifanehoa Fitiavana ao An-tokantrano

Mifanehoa Fitiavana ao An-tokantrano

Mifanehoa Fitiavana ao An-tokantrano

“DORY e! Dory raha sahinao!”, hoy i Tohru tamin’i Yoko, vadiny. * “Hodorako mihitsy”, hoy i Yoko, sady nampirehetiny ilay afokasoka handorany ny sarin’izy mivady. Mbola niteny mafy koa izy hoe: “Hodorako koa ny trano!” Nasian’i Tohru ny tehamaina izy, ka herisetra no niafaran’ilay fifamaliana.

Sambatra ny tokantranon’i Tohru sy Yoko, telo taona talohan’izay. Inona àry no tsy nety? Toa lehilahy nahafinaritra i Tohru, saingy heverin’ilay vadiny fa tsy nampiseho ny fitiavany azy mihitsy izy, ary tsy dia niraharaha ny fihetseham-pony. Toa tsy nahay namaly fitia ny vadiny i Tohru. Tsy zakan’i Yoko izany, ka nanjary tezitra foana sy nitana lolompo izy. Nanjary tsy nahita tory izy, be fanahiana, nalain-komana, mora sosotra, kivy, ary saro-tahotra indraindray. Toa tsy nahataitra an’i Tohru mihitsy anefa ny zava-nitranga tao an-tranony, fa toa efa nahazatra azy fotsiny izany.

“Andro mahory”

Fahita ankehitriny izany zava-manahirana izany. Efa nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tsy hanam-pitiavana’ ny olona amin’ny androntsika. (2 Timoty 3:1-5) Ilay teny grika nadika hoe ‘fitiavana’ eto dia mifandray akaiky amin’ilay teny milaza ny fitiavana voajanahary eo amin’ny mpianakavy. Tena tsy manana an’io fitiavana io tokoa ny olona ankehitriny. Mahalana koa vao mifaneho fitiavana ny mpianakavy, na dia misy aza izy io.

Maro ny ray aman-dreny tsy mahay maneho ny fitiavany ny zanany. Tsy nanjakan’ny fitiavana ny fianakavian’ny sasany tamin’izy mbola ankizy, ka mety tsy ho takany fa hahasambatra sy hahafinaritra kokoa ny fiainana, raha mifaneho fitiavana ny mpianakavy. Izany no toa nanjo an’i Tohru tamin’ny fahazazany. Variana niasa foana ny rainy, ary alina be vao nody. Zara raha niresaka tamin’i Tohru izy, ary nasiaka rehefa mba niresaka taminy. Niasa koa ny reniny, ka tsy dia niaraka taminy loatra, fa ny tele no mpitaiza azy. Tsy nifampiresaka na nifanao teny fiderana ny tao an-tranony.

Manakana ny fanehoana fitiavana koa ny kolontsaina. Ohatra: Tsy araka ny kolontsain’ny lehilahy sasany any Amerika Latinina ny maneho fitiavana ny vadiny. Tsy fomban’ny lehilahy any amin’ny tany tatsinanana sy afrikanina maro koa ny manao teny na fihetsika maneho fitiavana ny vadiny. Hafahafa aminy ny miteny amin’ny vady aman-janany hoe “tiako ianao.” Afaka maka fianarana avy amin’ilay fifandraisana naharitra ela teo amin’ilay fianakaviana voalohany anefa isika.

Fianakaviana fakan-tahaka

Ny fifandraisan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany lahitokana no ohatra tsara indrindra momba ny fifandraisan’ny mpianakavy. Nifaneho fitiavana tamin’ny fomba lavorary izy ireo. Efa nandritra ny taona tsy hita isa i Jesosy Kristy no nifandray tsara tamin’ny Rainy, tany an-danitra. Izao no fomba nanazavany an’io fifandraisana io: “Ravoravo [na tiany] isan-andro isan-andro [aho] ka nilalao mandrakariva teo anatrehany.” (Ohabolana 8:30) Azon’ilay Zanaka antoka fa tia azy ny Rainy, hany ka afaka nilaza izy fa tena tian’i Jehovah isan’andro izy. Faly foana izy teo anatrehan’io Rainy io.

Mbola nohamafisin’ny Rainy ihany fa tena tiany io Zanany io tamin’izy teto an-tany. Ren’i Jesosy ny Rainy nilaza toy izao, rehefa natao batisa izy: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17) Nampahery an’i Jesosy tokoa izany fanehoam-pitiavana izany, teo am-piandohan’ny fanompoany teto an-tany! Tsy maintsy ho nahafaly azy ny fahatsiarovana ny fiainany tany an-danitra sy ny fandrenesana fa mankasitraka azy ny Rainy.

I Jehovah àry no ohatra tsara indrindra amin’ny fanehoana fitiavana ny fianakaviany eran’izao rehetra izao. Ho tian’i Jehovah koa isika, raha manaiky an’i Jesosy Kristy. (Jaona 16:27) Tsy handre feo avy any an-danitra isika, nefa ho hitantsika eo amin’ny voary ny fitiavan’i Jehovah, ary hita koa amin’ny nanomezany an’i Jesosy ho sorom-panavotana, sy amin’ny zavatra hafa. (1 Jaona 4:9, 10) Mihaino ny vavaka ataontsika mihitsy izy, ary mamaly azy ireny araka izay tena hahasoa antsika. (Salamo 145:18; Isaia 48:17) Arakaraka ny ifandraisantsika tsara kokoa amin’i Jehovah no hitomboan’ny fankasitrahantsika ny fitiavany.

Nianaran’i Jesosy tamin’ny Rainy ny fomba anehoana fiaraha-miory sy hatsaram-panahy ary fitiavana. Hoy izy: “Na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany.” (Jaona 5:19, 20) Azontsika ianarana avy amin’i Jesosy koa ny fomba anehoana fitiavana, rehefa mianatra ny ohatra nomeny tamin’izy teto an-tany isika.—Filipiana 1:8.

Ahoana no hifanehoan’ny mpianakavy fitiavana?

“Andriamanitra dia fitiavana”, ary noforonina ‘tahaka ny endriny’ isika, ka sady afaka mahatsapa no afaka maneho fitiavana. (1 Jaona 4:8; Genesisy 1:26, 27) Tsy mandeha ho azy anefa izany. Tsy maintsy mahatsapa fitiavana ny vady aman-janatsika aloha isika, mba hanehoantsika izany fitiavana izany aminy. Mahaiza mandinika, ary mariho ireo toetrany mahate ho tia, na dia toa madinika aza ny fahitanao izany amin’ny voalohany. Ireny foana no ifantohy. Mety hilaza ianao hoe: ‘Tsy misy zavatra mahafinaritra ange amin’ny vadiko [na zanako] e!’ Mety tsy ho tia ny vadiny loatra ny sasany, raha fanambadiana namboarina ny azy ireo. Mety ho tsy naniry hiteraka ny sasany. Eritrereto anefa ny fitiavan’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely, izay lazaina hoe vadiny, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. Noheverin’i Elia mpaminany fa izy irery sisa no mpanompon’i Jehovah teo amin’ireo foko folon’ny Isiraely. Nandinika tsara anefa i Jehovah, ka nahita olona 7 000 nanana toetra nahate ho tia. Afaka manahaka an’i Jehovah ve ianao, ka hitady ny toetra tsaran’ny mpianakavinao?—1 Mpanjaka 19:14-18.

Tokony hiezaka mafy anefa ianao haneho ny fitiavanao, mba hahatsapan’ny mpianakavinao izany fitiavanao izany. Derao izy rehefa misy zavatra tsara ataony. Niresaka momba ny vehivavy mahay ny Baiboly, ka nilaza toy izao momba ny fianakavian’izy io: “Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; ny lahy koa mitsangana ka midera azy.” (Ohabolana 31:28) Mariho fa tena nifankasitraka foana ireo mpianakavy ireo. Manome ohatra hotahafin’ny zanany lahy ny ray, rehefa midera ny vadiny. Mampirisika an’io zanaka io izany mba hidera ny vadiny, rehefa manambady izy.

Tsara koa raha midera ny zanany ny ray aman-dreny. Mahatonga ny ankizy hahatsapa ny fahamendrehany izany. Ahoana tokoa moa no ‘hitiavan’ny olona ny namany tahaka ny tenany’, raha tsy mahatsiaro tena ho mendrika izy? (Matio 22:39) Mety tsy hahatsapa ny fahamendrehany sady tsy hahay haneho fitiavana koa ny ankizy, raha manakiana azy foana ny ray aman-dreniny, fa tsy midera azy mihitsy.—Efesiana 4:31, 32.

Fanampiana ho anao

Ahoana raha tsy nanjakan’ny fitiavana ny tokantrano nahabe anao? Mbola afaka mianatra maneho fitiavana ihany ianao. Ny zavatra tokony hatao voalohany dia ny manaiky fa tsy tena hainao ny maneho fitiavana ary miaiky fa tokony hovana izany. Manampy be dia be amin’izany ny Baiboly. Azo oharina amin’ny fitaratra izy io. Hitantsika ny kilemantsika, rehefa ampitahaintsika amin’ireo fampianaran’ny Baiboly ny tenantsika. (Jakoba 1:23) Afaka manova izay fihetsika tsy mety rehetra isika, mba hifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. (Efesiana 4:20-24; Filipiana 4:8, 9) Mila manao izany foana isika, ary tsy ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.”—Galatiana 6:9.

Sarotra amin’ny sasany ny maneho fitiavana, noho ny fitaizana azony, na ny kolontsainy. Hita tamin’ny fikarohana natao vao haingana anefa fa azo resena izany. Nilaza ny Dr. Daniel Goleman, mpitsabo aretin-tsaina, fa ‘azo ovana na dia ireo fahazarana efa raiki-tampisaka nianarana tamin’ny fahazazana aza.’ Efa 1 900 taona lasa ny Baiboly no nilaza fa azo ovana koa na dia ireo zavatra lalim-paka ao am-po aza, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Hoy ny fampirisihan’ny Baiboly antsika: ‘Ario ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary tafio ny toetra vaovao.’—Kolosiana 3:9, 10.

Rehefa hita ilay zava-manahirana, dia azon’ny mpianakavy ampifanarahina amin’izany ny fianaram-pianakaviany. Nahoana, ohatra, raha karohina izay lazain’ny Baiboly momba ilay teny hoe “fitiavana” sy ny teny mifandray aminy? Mety hahita andinin-teny toy ity ianareo: “Efa renareo ny faharetan’i Joba, ary efa hitanareo ny faran’ny nataon’ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo.” (Jakoba 5:11) Diniho avy eo ny tantaran’i Joba ao amin’ny Baiboly, ka mifantoha amin’ny fitiavan’i Jehovah azy sy ny famindram-pony taminy. Azo inoana fa te hanahaka an’i Jehovah ianao, ka ho be fitiavana sy hamindra fo amin’ny mpianakavinao.

Tsy lavorary anefa isika, ka “tafintohina amin’ny zavatra maro”, indrindra fa amin’ny tenintsika. (Jakoba 3:2) Mety tsy hampahery ny teny lazaintsika amin’ny mpianakavintsika, indraindray. Izany no ilana vavaka sy fitokisana amin’i Jehovah. Aza kivy. “Mivavaha, ka aza mitsahatra.” (1 Tesaloniana 5:17) Hampian’i Jehovah ireo te hahatsapa ho tian’ny mpianakaviny sy te haneho fitiavana nefa misy zavatra manakana azy.

Nomen’i Jehovah antsika koa ny fiangonana kristianina, mba hanampiana antsika. Hoy i Jakoba: “Misy marary [ara-panahy] va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy.” (Jakoba 5:14) Eo tokoa ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampy ny mpianakavy tsy mahay mifaneho fitiavana. Tsy dokotera izy ireo, nefa afaka manampy amim-paharetana ny mpiray finoana aminy. Tsy milaza amin’ny olona izay tokony hataony izy ireo, fa mampahatsiahy azy kosa ny hevitr’i Jehovah, ary miara-mivavaka aminy sy mivavaka ho azy.—Salamo 119:105; Galatiana 6:1.

Nihaino sy nampahery an’i Tohru sy Yoko foana ireo anti-panahy. (1 Petera 5:2, 3) Nitsidika azy ireo indraindray ny anti-panahy iray sy ny vadiny. Izany no nahitan’i Yoko ny ohatra nomen’ny anabavy kristianina matotra, sy nahazoany fampahatsiahivana mba “ho tia ny vadiny.” (Titosy 2:3, 4) Mahatsapa ny fijaliana sy ratram-pon’ny Kristianina namany ny anti-panahy, ka manjary ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra.’—Isaia 32:1, 2.

Nampian’ny anti-panahy i Tohru, ka nahatakatra fa tsy hainy ny naneho ny fihetseham-pony. Takany koa fa manafika ny fianakaviana i Satana amin’izao andro farany izao. (2 Timoty 3:1) Vonona hiova i Tohru. Nanjary takany fa ny zavatra niainany taloha no nahatonga azy tsy hahay haneho fitiavana. Niahy tsikelikely ny fihetseham-pon’i Yoko izy, rehefa nianatra Baiboly tsara sy nivavaka.

Tezitra tamin’i Tohru i Yoko teo aloha. Hitan’i Yoko koa anefa fa manao fahadisoana koa izy, ary takany ny zavatra niainan’i Tohru, ka nanomboka niezaka mafy hijery ny toetra tsaran’i Tohru izy. (Matio 7:1-3; Romana 5:12; Kolosiana 3:12-14) Nangataka mafy tamin’i Jehovah izy mba hahazo hery hitiavana ny vadiny hatrany. (Filipiana 4:6, 7) Nanomboka naneho fitiavana i Tohru, ka tena nahafaly ny vadiny izany.

Na dia sarotra aminao aza ny mahatsapa ho tia sy maneho fitiavana ny mpianakavinao, dia azonao resena izany. Manome tari-dalana mahasoa antsika ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 19:7) Ho resinao ilay sakana lehibe toa mampisaraka anao sy ny mpianakavinao, raha manao an’ireto zavatra ireto ianao: miaiky fa zava-dehibe ilay raharaha, miezaka hijery ny toetra tsaran’ny mpianakavinao, mianatra sy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra, miantehitra amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, ary mitady ny fanampian’ny anti-panahy. (1 Petera 5:7) Afaka ny ho faly toy ny lehilahy iray tany Etazonia ianao. Nampirisihina haneho fitiavana ny vadiny izy. Niezaka mafy izy ka afaka niteny tamin’ny vadiny ihany hoe “tiako ianao”, ary nahagaga azy ny fihetsik’izy io. Latsa-dranomasom-pifaliana ilay vadiny, ka niteny hoe: “Izaho koa tia anao, fa izay ianao vao niteny toy izany tao anatin’ny 25 taona.” Aza miandry ela be toy izany vao haneho ny fitiavanao ny vady aman-janakao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Nosoloana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 28]

Manampy antsika amin’ny alalan’ny Baiboly i Jehovah