Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa ho Voavaha Tanteraka ny Olan’ny Olombelona!

Efa ho Voavaha Tanteraka ny Olan’ny Olombelona!

Efa ho Voavaha Tanteraka ny Olan’ny Olombelona!

“VOAFETRA ihany ny mety ho vitan’ny mpanao asa soa mba handaminana ny fototry ny tsy fifanarahana, raha tsy misy tetikasa mitatra kokoa ary raha tsy manampy ny mpanao politika. Efa imbetsaka no hita fa tsy voalamin’ny mpanao asa soa ny olana misy, satria olana ara-politika izy ireny, raha ny marina.”—Ny Mpitsoa-ponenana Eran-tany 2000 (anglisy).

Tsy mitsaha-mitombo ny zava-manahirana na dia betsaka aza ny mpanao asa soa. Mety hitondra vahaolana maharitra ve ny politika? Tsy azo inoana firy. Aiza anefa no hahitantsika vahaolana? Mendri-komarihina ny fiandohan’ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Efesosy. Hazavainy ao ny fomba hamahan’Andriamanitra tanteraka ny olan’ny olombelona. Lazainy mihitsy aza hoe inona no hampiasain’Andriamanitra mba hanaovany izany, sy ny handaminany ny fototry ny olana rehetra mianjady amintsika ankehitriny. Nahoana raha mandinika izay nolazain’i Paoly, ao amin’ny Efesiana 1:3-10?

‘Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy’

Ny “fitondrana [na fitantanan-draharaha] hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry”, hoy ilay apostoly, no fikasan’Andriamanitra. Inona no dikan’izany? Midika izany fa nametra fotoana Andriamanitra mba “hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.” (Efesiana 1:10) Nanomboka nanao zavatra Andriamanitra mba hampiraisana indray ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ho eo ambany fifehezany mivantana. Hoy i J. Thayer, manam-pahaizana momba ny Baiboly, momba ilay teny hoe ‘hanangona ho iray’: ‘Hanambatra indray ny zava-drehetra (izay nampisarahin’ny ota mandraka ankehitriny) ho azy mba ho tonga sakaizan’i Kristy.’

Ilaina tokoa ny hanaovan’Andriamanitra izany, rehefa heverina ny fomba nipoiran’ny fisaraham-bazana. Nikomy tamin’Andriamanitra, toa an’i Satana Devoly, i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Te hahaleo tena izy ireo, izany hoe tiany ho izy ihany no hanapaka izay tsara sy ratsy ho azy. (Genesisy 3:1-5) Tia ny rariny Andriamanitra, ka noroahiny tsy ho anisan’ny fianakaviany izy ireo ary tsy sakaizany intsony. Nanjary tsy lavorary ny olombelona ary mizaka ny voka-dratsin’izany isika ankehitriny.—Romana 5:12.

Tsy haharitra ela ny faharatsiana

Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana i Adama sy Eva no navelan’Andriamanitra hanao izany? Maninona izy no tsy nampiasa ny heriny tsy toha fotsiny ka nanery azy ireo hanao ny sitrapony, amin’izay isika dia tsy ho ory sy tsy hijaly toy izao?’ Mety ho ara-dalàna ny hieritreretana toy izany. Inona anefa no tena hasehon’izany fampiasan-kery izany? Tianao ve ny olona mampiasa avy hatrany ny heriny mba hanapotehana an’izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy? Azo antoka fa tsia.

Nanaiky ireo mpikomy ireo fa manana hery tsy toha Andriamanitra. Nilaza kosa anefa izy ireo fa sady tsy manan-jo hitondra Andriamanitra, no tsy rariny ny fomba fitondrany. Mba handaminana tanteraka an’ireo raharaha roa lehibe ireo, dia navelan’i Jehovah hanapa-tena ny zavaboariny mandritra ny fotoana voafetra. (Mpitoriteny 3:1; Lioka 21:24) Hifehy tanteraka ny tany indray izy, rehefa tapitra io fotoana io. Hazava tsara amin’izay fa ny fitondran’Andriamanitra ihany no azo antoka fa hampisy fiadanana sy fahasambarana ary fanambinana maharitra eto an-tany. Ho fongotra mandrakizay ny mpampahory rehetra.—Salamo 72:12-14; Daniela 2:44.

“Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”

“Fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao”, dia efa nikasa hanao izany rehetra izany i Jehovah, hoy i Paoly. (Efesiana 1:4) Tsy talohan’ny namoronana ny tany na i Adama sy Eva akory izany. “Tsara indrindra” mantsy ny tontolo tamin’izany ary mbola tsy nisy fikomiana. (Genesisy 1:31) Inona àry ilay “tontolo” noresahin’ny apostoly Paoly? Ny tontolon’ny taranak’i Adama sy Eva, izany hoe ny olombelona mpanota sy tsy lavorary mety ho voavonjy. Mbola tsy niteraka akory i Adama, dia efa fantatr’i Jehovah ny fomba handaminany ny raharaha mba hamonjena ny olombelona.—Romana 8:20.

Tsy midika akory izany hoe voatery hitovy amin’ny fomba andaminan’ny olombelona raharaha ny andaminan’ilay Tompon’izao rehetra izao zavatra. Mamorona tetikady samihafa ny olona satria fantany fa mety hisy sampona hitranga. Mampahafantatra ny fikasany fotsiny kosa ilay Andriamanitra tsitoha, ary manatanteraka izany. Hazavain’i Paoly koa anefa ny fomba nokasain’Andriamanitra handaminana ny raharaha mba hamonjena mandrakizay ny olombelona. Inona izany fomba izany?

Iza no hamonjy?

Manazava i Paoly fa manana anjara manokana amin’ny fikosehana ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama, ny mpianatr’i Kristy voahosotry ny fanahy. ‘Nifidy antsika tao amin[’i Kristy]’ i Jehovah, hoy i Paoly, mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Milaza koa izy fa “notendren[’i Jehovah] rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (Efesiana 1:4, 5) Tsy nifidy na nanendry azy ireo tsirairay akory i Jehovah. Nanendry fitambaran’olona mahatoky sy be fandavan-tena kosa anefa izy. Hiara-mikosoka amin’i Kristy ny voka-dratsin’ny zavatra nataon’i Satana Devoly sy Adama ary Eva tamin’ny fianakavian’olombelona izy ireo.—Lioka 12:32; Hebreo 2:14-18.

Mahagaga tokoa izany! Rehefa nanohitra voalohany ny zon’Andriamanitra hitondra i Satana, dia toy ny nilaza fa misy tsininy ny olombelona noforonin’i Jehovah. Te hilaza izy tamin’izany fa hikomy amin’ny fitondran’Andriamanitra ny olona rehetra rehefa enjehina na alaim-panahy. (Joba 1:7-12; 2:2-5) Nasehon’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny fomba niavaka “ny voninahitry ny fahasoavany”, rehefa nasehony tatỳ aoriana fa natoky ny olombelona izy ka nanangana ho zanany ara-panahy ny sasany tamin’ny fianakavian’i Adama mpanota. Hanompo any an-danitra io antokon’olom-bitsy io. Fa nahoana?—Efesiana 1:3-6; Jaona 14:2, 3; 1 Tesaloniana 4:15-17; 1 Petera 1:3, 4.

Tonga “mpiray lova amin’i Kristy” any amin’ny Fanjakany any an-danitra ireo natsangana ho zanak’Andriamanitra ireo, hoy ny apostoly Paoly. (Romana 8:14-17) Ho mpanjaka sy mpisorona izy ireo, ary ho anisan’ny hanafaka ny fianakavian’olombelona amin’ny fahoriana sy fijaliana iainany ankehitriny. (Apokalypsy 5:10) Eny, “izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny.” Efa hanao zavatra eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy anefa ireo zanak’Andriamanitra voafidy manokana ireo. Ny olona mankatò rehetra amin’izay “dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” indray.—Romana 8:18-22.

“Fanavotana”

Nety izany rehetra izany satria Andriamanitra naneho fahasoavana faran’izay niavaka ho an’ny olombelona azo vonjena: nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izy. Nanoratra toy izao i Paoly: “[I Jesosy Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany.”Efesiana 1:7.

I Jesosy Kristy no manana anjara lehibe indrindra amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. (Hebreo 2:10) Noho ny sorom-panavotany no hahafahan’i Jehovah hanangana ny taranak’i Adama sasany ho anisan’ny fianakaviany any an-danitra. Io koa no hahafahany hanaisotra ny vokatry ny fahotan’i Adama eo amin’ny olombelona, nefa tsy hampihena ny fitokisana ny Lalàny sy toro lalany. (Matio 20:28; 1 Timoty 2:6) Marina sy ara-drariny tanteraka ny fomba nanaovan’i Jehovah zavatra.—Romana 3:22-26.

‘Ny zava-miafin’Andriamanitra’

Tsy tena nampahafantarin’i Jehovah ny fomba hanatanterahany ny fikasany ho an’ny tany, nandritra ny an’arivo taona. “Nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony” ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Efesiana 1:9) Takatr’i Paoly sy ny Kristianina voahosotra namany tsara ny anjara asa miavaka nomena an’i Jesosy Kristy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Nanomboka takatr’izy ireo koa ny anjara asany manokana, dia ny hoe mpiray lova amin’i Kristy amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ireo. (Efesiana 3:5, 6, 8-11) Eny, ilay Fanjakana tantanan’i Jesosy Kristy sy ny mpiara-manjaka aminy no hampiasain’Andriamanitra mba hitondra fiadanana maharitra, tsy any an-danitra ihany, fa eto an-tany koa. (Matio 6:9, 10) Amin’ny alalan’izy io no hamerenan’i Jehovah ny toe-piainana eto an-tany ho toy ny nikasany azy tany am-boalohany.—Isaia 45:18; 65:21-23; Asan’ny Apostoly 3:21.

Mbola amin’ny hoavy ny fotoana notendren’i Jehovah hanesorany ny fampahoriana sy ny tsy rariny rehetra eto an-tany. Tamin’ny Pentekosta taona 33 anefa izy no efa nanomboka ilay famerenana amin’ny laoniny. Tamin’ny fomba ahoana? Nanomboka nangonina “ny any an-danitra”, izany hoe ireo hiara-manjaka amin’i Kristy, ka anisan’izany ny Kristianina tany Efesosy. (Efesiana 2:4-7) Manangona “ny etỳ an-tany” koa i Jehovah ankehitriny. (Efesiana 1:10) Torina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakany tantanan’i Jesosy Kristy, mba ho fantatry ny firenena rehetra. Efa angonina dieny izao mba ho voaro sy ho sitrana ara-panahy ireo mandray tsara io vaovao tsara io. (Jaona 10:16) Kely sisa dia tsy hiharan’ny tsy rariny sy tsy hijaly intsony izy ireo, ao amin’ny tany paradisa voadio.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 11:18.

“Maro ny fandrosoana mahagaga” nataon’ny mpanao asa soa mba hanampiana ny olombelona ory. (Ny Ankizy Eran-tany 2000) Ny fisalovanan’i Kristy Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy any an-danitra anefa no tena hahagaga indrindra. Handamina tanteraka ny fototry ny tsy fifanarahana sy zava-dratsy hafa rehetra mianjady amintsika izy. Eny, hamaha tanteraka ny olana rehetra mianjady amin’ny olombelona izy.—Apokalypsy 21:1-4.

[Sary, pejy 4]

Tsy mahavaha tanteraka ny olan’ny olombelona ny fanaovana asa soa

[Sary, pejy 6]

Namonjy ny olombelona tamin’ny otan’i Adama ny sorom-panavotan’i Kristy

[Sary, pejy 7]

Azo atao ny mahita fiarovana sy fanasitranana ara-panahy ankehitriny

[Sary, pejy 7]

Kely sisa dia hanafaka tanteraka amin’ny olana ny Fanjakan’ny Mesia