Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro sy Ampianaro ny Fitondran-tena Kristianina

Ianaro sy Ampianaro ny Fitondran-tena Kristianina

Ianaro sy Ampianaro ny Fitondran-tena Kristianina

“Ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?”—ROMANA 2:21.

1, 2. Inona avy no antony hanirianao hianatra ny Baiboly?

MANANA antony maro hianarana ny Tenin’Andriamanitra ianao. Irinao ho fantatra izay tena raketiny, dia ireo olona, zava-nitranga, toerana ary zavatra hafa koa. Irinao ho fantatra ireo foto-pampianarana marina izay mifanipaka amin’ireo lainga ara-pivavahana, toy ny Andriamanitra telo izay iray, na ny afobe. (Jaona 8:32) Tokony haniry hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah koa ianao, mba hanahafanao azy bebe kokoa, ka handehananao amim-pahitsiana eo anatrehany.—1 Mpanjaka 15:4, 5.

2 Izao koa no antony lehibe mifandray amin’izany, tokony hianaranao ny Baiboly: Ny hahatonga anao ho vonona hampianatra olon-kafa, toy ny havan-tianao, olom-pantatrao sy ireo olona mety ho mbola tsy fantatrao akory aza. Tsy maintsy manao izany ny Kristianina marina. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, . . . mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”—Matio 28:19, 20.

3, 4. Nahoana no mendri-kaja ny fampianarana ataonao, araka ny nandidian’i Jesosy?

3 Mendri-kaja sy mahafa-po foana ny fianarana Baiboly, raha atosiky ny faniriana hampianatra olon-kafa. Asa mendri-kaja hatramin’ny ela ny fampianarana. Izao no lazain’ny rakipahalalana iray: “Olon-dehibe jiosy maro no nihevitra ny mpampianatra ho mpitarika ho amin’ny famonjena, ka nampirisika ny ankizy hanome voninahitra ny mpampianatra azy mihoatra noho ny ray aman-dreniny mihitsy.” Mendri-kaja manokana anefa ny Kristianina mampiana-tena, izany hoe mianatra Baiboly, ary mampianatra olon-kafa avy eo.

4 “Maro kokoa ny olona miditra amin’ny fampianarana noho ny miditra amin’ny asa hafa. Misy 48 tapitrisa eo ho eo ny lehilahy sy vehivavy mpampianatra maneran-tany.” (Rakipahalalan’izao Tontolo Izao, anglisy) Omena andraikitra hanabe tanora ny mpampianatra, ka mety hanan-kery eo amin’izy ireny mandritra ny taona maro. Lasa lavitra kokoa aza ny vokany, rehefa mankatò ny didin’i Jesosy hampianatra olon-kafa ianao, satria ho voakasika amin’izany ny hoavin’izy ireny mandrakizay. Nasongadin’i Paoly izany rehefa nampirisika an’i Timoty toy izao izy: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16) Eny, mifandray amin’ny fahazoana famonjena ny fampianarana ataonao.

5. Nahoana no ambony indrindra ny karazana fampianarana ataon’ny Kristianina?

5 Ilay Loharanon’ny fampianarana, dia ny Tompon’izao rehetra izao, no mamela sy mitarika anao hampianatra ny tenanao sy ny olon-kafa. Izany no mahatonga io lafim-pampianarana io ho ambony noho ny fampianarana hafa, toy ny fanabeazana fototra, na ny fianarana asa, ary na dia ny fianarana ara-pitsaboana manokana aza. Tafiditra amin’ny fampianarana ataon’ny Kristianina ny fampianarana an’ilay mpianatra hanahaka an’i Kristy Jesosy, Zanak’Andriamanitra, sy hampianatra olon-kafa hanao toy izany koa.—Jaona 15:10.

Nahoana ianao no mampianatra ny tenanao?

6, 7. a) Nahoana isika no tsy maintsy mampiana-tena aloha? b) Nahoana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany no mpampianatra tsy nahomby?

6 Nahoana no lazaina fa tsy maintsy mampiana-tena aloha isika? Tsy afaka mampianatra olon-kafa araka ny tokony ho izy isika, raha tsy efa nianatra aloha. Nanamafy izany i Paoly tao amin’ny andalan-teny iray nampisaintsaina ny Jiosy tamin’ny androny, sady mbola mampita hafatra lehibe amin’ny Kristianina ankehitriny. Hoy ny fanontanian’i Paoly: “Ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao? Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va hianao? Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va hianao amin’ny andikanao ny lalàna?”—Romana 2:21-23.

7 Zava-dratsy roa resahina mivantana ao amin’ny Didy Folo no nasehon’i Paoly tamin’ny endrika fanontaniana tsy niandry valiny, dia ny hoe: Aza mangalatra, sy aza mijangajanga. (Eksodosy 20:14, 15) Nisy Jiosy tamin’ny andron’i Paoly, nirehareha noho izy ireo nanana ny Lalàn’Andriamanitra. ‘Efa nampianarina ny lalàna izy ireo ary natoky ny tenany ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny tao amin’ny maizina, ary mpampianatra ny bodo.” (Romana 2:17-20) Nihatsaravelatsihy anefa ny sasany, satria nangalatra, na nijangajanga ihany. Nanala baraka ny Lalàna sy ny Loharanony any an-danitra izany. Hitanao fa tsy nahafeno fepetra hampianatra olon-kafa izy ireny. Tsy nampianatra ny tenany akory aza izy ireny.

8. Inona no mety ho dikan’ilay hoe “nandroba tempoly” ny Jiosy sasany tamin’ny andron’i Paoly?

8 Niresaka momba ny fandrobana tempoly i Paoly. Nisy Jiosy nandroba tempoly tokoa ve? Inona no tao an-tsain’i Paoly? Kely dia kely ny fanazavana momba io andininy io, ka tsy afaka ny ho hentitra isika raha ny amin’ny fomba ‘nandroban’ny Jiosy tempoly.’ Nambaran’ny mpitahiry ny didy tany Efesosy, fa tsy “nandroba tempoly” ireo naman’i Paoly. Nilaza izany fa nisy olona nieritreritra hoe nandroba tempoly ny Jiosy. (Asan’ny Apostoly 19:29-37) Moa ve izy ireny nampiasa, na nivarotra zava-tsarobidy avy tany amin’ireo tempolin’ny mpanompo sampy norobain’ny mpanafika, na mpivavaka nafana fo loatra? Tsy maintsy nopotehina fa tsy azo nampiasaina tamin’ny fomba hafa ny volamena sy volafotsin’ireo sampy, araka ny Lalàn’Andriamanitra. (Deoteronomia 7:25) * Nety ho ireo Jiosy tsy niraharaha izany ka nampiasa, na naka tombony tamin’ireny zavatra ireny, àry no nasian’i Paoly firesahana teo.

9. Inona avy no fanao ratsy nifandray tamin’ny tempolin’i Jerosalema, ka toy ny fandrobana azy io?

9 Nitantara raharaha iray nanala baraka nitranga tany Roma koa i Josèphe. Jiosy efatra no tafiditra tamin’izy io, ary mpampianatra Lalàna ilay mpitarika azy ireo. Nandresy lahatra vehivavy romanina iray, proselyta jiosy, izy ireo mba hanome volamena sy zava-tsarobidy hafa, ho fanomezana ho an’ny tempolin’i Jerosalema. Nampiasain’izy ireo ilay harena raha vao azony, ka toy ny fandrobana ny tempoly izany. * Azo heverina ho nandroba ny tempolin’Andriamanitra koa ireo nanao fanatitra nisy kilema sy nivarotra tao mba hahazoana harem-be. Nataon’izy ireo “zohy fieren’ny jiolahy” ilay tempoly.—Matio 21:12, 13; Malakia 1:12-14; 3:8, 9.

Ampianaro ny olona ny fitondran-tena kristianina

10. Inona ny hevi-dehibe tokony ho takatsika, nolazain’i Paoly ao amin’ny Romana 2:21-23?

10 Tokony ho takatsika tsara ny hevi-dehibe nolazain’i Paoly, na inona na inona fanao tamin’ny taonjato voalohany noresahiny, toy ny fangalarana, fanitsakitsaham-bady, ary fandrobana tempoly. Hoy izy nanontany: “Ka moa hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va?” Tsara homarihina fa nifandray tamin’ny fitondran-tena ny ohatra noraisin’i Paoly. Tsy fianarana foto-pampianarana, na tantara ara-baiboly, no noresahin’ny apostoly Paoly tamin’ilay hoe fampianaran-tena sy fampianarana olon-kafa eto, fa fianarana fitsipi-pitondran-tena kosa.

11. Nahoana ianao no tokony handinika an’ireo fitsipi-pitondran-tena ho an’ny Kristianina, rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra?

11 Izao no tokony hatao raha mampihatra ny lesona ao amin’ny Romana 2:21-23 isika: mianatra ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mampihatra izay nianarantsika, ary mampianatra ny olon-kafa hanao izany koa. Fantaro àry ireo fitsipik’i Jehovah momba izay tsara sy ratsy rehefa mianatra Baiboly ianao, mba hahitanao ny tena fitondran-tena kristianina. Saintsaino ny torohevitra sy lesona hitanao ao amin’ny Baiboly. Avy eo dia manàna herim-po hampihatra izay nianaranao. Mitaky herim-po sy fahatapahan-kevitra tokoa ny fanaovana izany. Mora mantsy ny mitady fialan-tsiny mba hilazana fa misy toe-javatra manokana mamela, na mitaky mihitsy ny tsy hiraharahana ny fitsipik’Andriamanitra. Efa fetsifetsy sy nanamarin-tena ary namitaka toy izany foana angamba ireo Jiosy noresahin’i Paoly. Asehon’ny teniny anefa, fa tsy tokony hohamaivanina, na tsy horaharahaina ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly.

12. Inona no vokatry ny fitondran-tena tsara, na ratsy eo amin’i Jehovah Andriamanitra? Nahoana no mahasoa ny mitadidy izany?

12 Nanasongadina antony tena lehibe hianarana sy hampiharana ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly ilay apostoly. Nisy vokany teo amin’i Jehovah ny fitondran-tena ratsin’ireo Jiosy: “Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an’Andriamanitra ihany va hianao amin’ny andikanao ny lalàna? Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.” (Romana 2:23, 24) Manala baraka ny Loharanon’ireo fitsipi-pitondran-tena ireo koa isika, raha tsy miraharaha azy ireny. Tsara kosa ny vokany raha manaraka akaiky ireny isika, satria manome voninahitra an’Andriamanitra izany. (Isaia 52:5; Ezekiela 36:20) Raha tsapanao izany, dia ho vonona kokoa ianao hijoro rehefa tojo fakam-panahy, na toe-javatra mety hieritreretanao fa ny tsy firaharahana ny fitsipik’Andriamanitra no mora indrindra, na mety indrindra hanaovan-javatra. Mampianatra antsika zavatra hafa koa ny tenin’i Paoly. Tsapanao fa misy akony eo amin’Andriamanitra ny fitondran-tenanao. Ampianaro koa anefa ny olon-kafa hahatakatra fa hisy akony eo amin’i Jehovah ny fomba hampiharany ny fitsipi-pitondran-tena ianarany. Tsy vitan’ny hoe mahafa-po sy miaro ny fahasalamana ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly, fa misy akony koa eo amin’Ilay nanome izany sy mampirisika ny hanarahana izany.—Salamo 74:10; Jakoba 3:17.

13. a) Inona no fanampiana ara-pitondran-tena omen’ny Baiboly antsika? b) Lazao ny hevi-dehibe raketin’ny torohevitra ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:3-7.

13 Misy vokany eo amin’ny olon-kafa koa ny fitondran-tenantsika. Misy ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho fa mahasoa ny mampihatra ny fitsipik’Andriamanitra, ary misy vokany ratsy ny tsy firaharahana azy ireny. (Genesisy 39:1-9, 21; Josoa 7:1-25) Hahita torohevitra ara-pitondran-tena tsara toy ireto koa ianao: “Izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany; . . . Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana.”—1 Tesaloniana 4:3-7.

14. Inona avy no fanontaniana mety hapetrakao amin’ny tenanao, mahakasika ny torohevitra ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:3-7?

14 Hitan’ny ankamaroantsika avy amin’io andalan-teny io, fa tsy mety raha maloto fitondran-tena ny Kristianina. Mbola azo halalinina anefa ny hevitra fonosin’izy io. Misy andinin-teny azo ianarana sy saintsainina lalina, mba hahatakarana marina sy lalina azy kokoa. Mety hieritreritra ianao, ohatra, hoe inona no tian’i Paoly hambara rehefa nilaza izy fa ‘mifetsy ny rahalahiny’ ny olona mijangajanga. Rehefa jerena ny teny nampiasaina tany am-boalohany, ilay teny hoe ‘mifetsy’ dia azo faritana hoe ‘manitsakitsaka ny zo.’ Inona avy ireo zo tafiditra, ary nahoana ny fahatakarana tsara an’izany no handrisika anao kokoa mba hanana fitondran-tena tsara hatrany? Nahoana ny vokatry ny fikarohana toy izany no hahatonga anao ho vonona kokoa hampianatra sy hanampy olon-kafa hanome voninahitra an’Andriamanitra?

Mianara mba ho afaka hampianatra

15. Inona avy ireo fitaovana azonao ampiasaina mba hianaranao samirery?

15 Manana fitaovana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaovany fikarohana momba ireo fanontaniana, na raharaha iadian-kevitra mipoitra, rehefa mampiana-tena izy, na mampianatra olon-kafa. Fitaovana misy amin’ny fiteny maro ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho afaka hampiasa azy io ianao mba hahitana fanazavana ao amin’ireo boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao atao ny mikaroka ao amin’ireo foto-kevitra, na ao amin’ny fanondroana andininy. Eo koa ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM (ampiasana ordinatera), misy amin’ny fiteny lehibe maro. Mirakitra boky sy gazety maro be io CD-ROM io. Azo karohina ao anatin’izy io ny loha hevitra sy fanazavana andinin-teny. Ampiasao tsy tapaka mba hianaranao ny Tenin’Andriamanitra sy hampianaranao olon-kafa izay anananao amin’ireo fitaovana ireo.

16, 17. a) Aiza no hahitanao fanazavana mahaliana momba ilay ‘hafetsena’, na zo voalazan’ny 1 Tesaloniana 4:6? b) Amin’ny lafiny inona avy ny mpijangajanga no manitsakitsaka ny zon’ny olon-kafa?

16 Andeha horaisintsika, ohatra, ny 1 Tesaloniana 4:3-7, voalaza etsy ambony. Momba ilay hoe ‘zo’ ny hevitra hokarohina. Zon’iza? Ary nahoana no lazaina fa manitsakitsaka ireo zo ireo ilay olona manota? Inoana fa hahita fanazavana mahaliana maromaro momba ireo andininy ireo, sy momba ilay fanitsakitsahana zo noresahin’i Paoly koa ianao, raha mampiasa ireo fitaovam-pianarana voalaza etsy ambony. Azonao atao ny mamaky izany fanazavana izany ao amin’ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 1, pejy 921; Ahoana no Hahitanao ny Tena Fiadanana sy Filaminana? (frantsay) pejy 145; Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1990, pejy 31.

17 Raha tohizinao ilay fianarana, dia ho hitanao fa tena mampiseho ny fahamarinan’ny tenin’i Paoly ireo boky sy gazety ireo. Manota amin’Andriamanitra ny mpijangajanga ary mety ho voan’aretina. (1 Korintiana 6:18, 19; Hebreo 13:4) Manitsakitsaka ny zon’ilay vehivavy manota miaraka aminy izy. Nanjary maloto sy tsy manana feon’ny fieritreretana madio intsony ilay vehivavy. Raha mpitovo io vehivavy io, dia nanjary very ny zony hiditra mbola virjiny ao amin’ny fanambadiana, ary very ny zon’ilay ho vadiny hanantena azy ho mbola virjiny. Mandratra ny fon’ny ray aman-drenin’ilay vehivavy sy ny an’ny vadin’ilay vehivavy ilay mpijangajanga, raha manambady ilay vehivavy. Simbain’io lehilahy maloto fitondran-tena io ny zon’ny fianakaviany hanana laza tsara. Halany baraka ny fiangonana kristianina, raha Kristianina izy.—1 Korintiana 5:1.

18. Inona no soa azonao avy amin’ny fianarana mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly?

18 Tsy manampy anao hahatakatra ny hevitra lalina kokoa fonosin’ilay andinin-teny ve ny fanazavana toy ireo? Tena sarobidy ny karazam-pianarana toy izany. Mampiana-tena ianao rehefa miezaka hanao izany. Mitombo ny fahatakaranao ny fahamarinana sy ny herin’ny hafatr’Andriamanitra. Matanjaka kokoa ny fahatapahan-kevitrao hanaraka hatrany ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly, na inona na inona fakam-panahy mety hipoitra. Ary eritrereto fa ho mpampianatra tena hahita vokatra ianao! Afaka mampiseho ny fomba hahatakarana tsara kokoa ny hevitry ny 1 Tesaloniana 4:3-7 ianao, rehefa mampianatra ny fahamarinana ara-baiboly, ohatra. Ho takatr’ilay mpianatra sy hankasitrahany kokoa amin’izay ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly. Manampy anao sy ny maro hafa mba hanome voninahitra an’Andriamanitra àry ny fianarana ataonao. Ohatra iray monja avy ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Tesaloniana anefa io noresahintsika io. Mbola misy lafiny maro amin’ireny fitsipi-pitondran-tena ireny, ary misy koa ny ohatra sy torohevitra ara-baiboly mifanaraka amin’izany, azonao ianarana sy ampiharina ary ampianarina.

19. Nahoana no tena ilainao ny manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly?

19 Tsy isalasalana fa fahendrena ny hananana fitondran-tena tsara hatrany. Lazain’ny Jakoba 3:17 fa “madio aloha” ny “fahendrena izay avy any ambony”, izany hoe avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Midika izany fa tokony harahina ny fitsipi-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra. Takin’i Jehovah mba ho modely “amin’ny fahadiovana”, ireo misolo tena azy amin’ny fampianarana ny Baiboly, raha ny marina. (1 Timoty 4:12) Manaporofo ny fahamarinan’izany ny fomba fiainan’ireo mpianatra tany am-boalohany, toa an-dry Paoly sy Timoty. Nifehy tena mba tsy haloto fitondran-tena izy ireo, ka nanoratra toy izao mihitsy i Paoly: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy.”—Efesiana 5:3, 4.

20, 21. Nahoana ianao no manaiky izay nosoratan’ny apostoly Jaona ao amin’ny 1 Jaona 5:3?

20 Tsy enta-mavesatra ny manaraka ny fitsipi-pitondran-tena asehon’ny Tenin’Andriamanitra, na dia mazava sy voafaritra tsara aza. Hitan’i Jaona, ilay apostoly ela velona indrindra, ny fahamarinan’izany. Fantany, noho ny zavatra nomarihiny nandritra ny am-polo taona niainany, fa tsy manimba ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny Baiboly. Tsara sy mahasoa ary hahazoana fitahiana kosa izy ireny. Nanamafy izany i Jaona rehefa nanoratra hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

21 Mariho anefa ny antony maha tsara ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanarahana ny fitsipiny, nolazain’i Jaona. Tsy vitan’ny hoe miaro antsika amin’ny zava-manahirana, sy ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana fotsiny izany, fa fisehoan’ny fitiavantsika an’i Jehovah Andriamanitra koa, ary fahafahana sarobidy hanehoantsika ny fitiavantsika azy. Ny fampianaran-tena sy ny fampianarana olon-kafa ho tia an’Andriamanitra dia tena mitaky ny hanekentsika sy hampiharantsika ny fitsipiny ambony. Eny, midika ho fampianaran-tena sy fampianarana olon-kafa an’ireo fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Tsy nanimbazimba zava-masina ny Jiosy, hoy i Josèphe, nefa izao no fomba nilazany ny lalàn’Andriamanitra: “Aoka tsy hisy hanimbazimba ny andriamanitry ny tanàna hafa, na handroba tempolin’ny vahiny, na haka harena notokanana tamin’ny anaran’andriamanitra na iza na iza.” (Izahay no manao sora-mandry.)—Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), Boky 4, toko 8, fehintsoratra 10.

^ feh. 9 Rakitry ny Ela Jiosy, Boky 18, toko 3, fehintsoratra 5.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tsy maintsy mampianatra ny tenantsika vao mampianatra ny olon-kafa?

• Inona no vokatry ny fitondran-tenantsika eo amin’i Jehovah?

• Mety hanitsakitsaka ny zon’iza ny mpijangajanga?

• Tapa-kevitra hanao inona ianao, mahakasika ny fitondran-tena kristianina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

“Tsy mavesatra ny didiny”