Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanambara toy izao ny apostoly Paoly, ao amin’ny Romana 12:19: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana”. Te hilaza ve izy, araka izany, fa tsy tokony ho tezitra ny Kristianina?

Tsia, raha ny marina. Niresaka ny amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ny apostoly Paoly eo. Mazava ho azy, fa tsy midika akory izany hoe tsy mampaninona raha entin-katezerana ny Kristianina. Manoro hevitra antsika mazava ny Baiboly ny amin’ny tsy tokony hahatezitra antsika. Andeha isika handinika ny santionany amin’ny torohevitra avy amin’Andriamanitra.

“Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana”. (Salamo 37:8). “Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana”. (Matio 5:22). “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana”. (Galata 5:19, 20, Fandikan-teny Katolika). “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. (Efesiana 4:31 ). “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”. (Jakoba 1:19). Ankoatra izany, ny bokin’ny Ohabolana koa dia mamerimberina manoro hevitra antsika ny amin’ny hoe tsy tokony hoentin-katezerana isika, na hirona ho tezitra noho ny fanafintohinana madinika sy ny fahadisoana madinika amin’ny maha olombelona ny olombelona.​—Ohabolana 12:16; 14:17, 29; 15:1; 16:32; 17:14; 19:11, 19; 22:24; 25:28; 29:22.

Mifanaraka amin’izany torohevitra izany ny teny manodidina ny Romana 12:19. Araka ny torohevitr’i Paoly, dia tsy tokony hisy fihatsarambelatsihy ny fitiavantsika, tokony hisaotra an’izay manenjika antsika isika, tokony hiezaka hanaja ny hafa, tsy tokony hamaly ratsy ny ratsy, ary tokony hiezaka mafy hihavana amin’ny olona rehetra. Nampirisika toy izao i Paoly nony avy eo: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’.”​—Romana 12:9, 14, 16-19.

Eny, tsy tokony havelantsika hanosika antsika hanao valy faty ny fahatezerana. Tsy lavorary ny fahalalantsika ny toe-javatra sy ny fahaizantsika manavaka ny rariny. Raha avelantsika hanosika antsika hanao valy faty ny fahatezerana, dia hanao zavatra tsy mety isika matetika. Hanatanteraka ny zava-kendren’ny Devoly, ilay Fahavalon’Andriamanitra, izany. Izao no nosoratan’i Paoly, ao amin’ny andinin-teny hafa: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.”​—Efesiana 4:26, 27.

Ny fomba tsara kokoa sy maneho fahendrena kokoa, dia ny hamelana an’Andriamanitra hamaritra izay fotoana hamaliany sy izay olona hampiharany famaliana. Afaka manao izany izy, satria mahafantatra tsara ny zava-misy, ary hanome taratry ny rariny tsy misy tomika ny famaliana entiny. Takatsika fa izany no tian’i Paoly holazaina ao amin’ny Romana 12:19, satria hitantsika fa naka teny tao amin’ny Deoteronomia 32:35, 41, izay misy ireto teny ireto, izy: “Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana”. (Ampitahao amin’ny Hebreo 10:30.) Noho izany, dia mpandika teny maoderina maro no nampiditra ny teny hoe ‘an’Andriamanitra’, ao amin’ny Romana 12:19, na dia tsy hita ao amin’ny soratra grika aza io teny io. Izany dia nitarika ho amin’ny dikan-teny toy ny hoe: “Aoka Andriamanitra no hamaly” (The Contemporary English Version); “ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany” (Kat.); “aoka Andriamanitra no hamaly raha hamaly izy” (The New Testament in Modern English); “omeo toerana ny famalian’Andriamanitra”.​—The New English Bible.

Na dia atao ratsy fitondra aza isika, na enjehin’ny fahavalon’ny fahamarinana, dia azontsika atao ny maneho ny fatokisantsika izao filazalazana ren’i Mosesy momba an’i Jehovah Andriamanitra izao: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, [tsy mora tezitra, “NW”] sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa [tsy hanafaka velively amin’ny sazy, “NW”]”.​—Eksodosy 34:6, 7.