Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voatosika Hanao Zavatra toa An’i Jesosy ve Ianao?

Voatosika Hanao Zavatra toa An’i Jesosy ve Ianao?

Voatosika Hanao Zavatra toa An’i Jesosy ve Ianao?

“Nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy (...) Izy.”​—MARKA 6:34.

1. Nahoana no mora azo ny antony mahatonga ny olona sasany haneho toetra tsara mahate hidera?

NANDRITRA ny tantara manontolo, dia nisy olona maro naneho toetra tsara mahate hidera. Mety ho azonao ny anton’izany. I Jehovah Andriamanitra dia manana no sady maneho fitiavana, hatsaram-panahy, fahalalahan-tanana sy toetra tsara hafa izay sarobidy amintsika. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. Koa takatsika àry ny antony anehoan’ny olona maro fitiavana sy hatsaram-panahy sy fangoraham-po ary toetra tsara hafa araka an’Andriamanitra, amin’ny fetra sasany, tsy misy hafa amin’ny hoe hita taratra eo amin’ny ankamaroan’ny olona ny fiasan’ny feon’ny fieritreretana. (Genesisy 1:26; Romana 2:14, 15). Mety ho takatrao anefa fa mora kokoa amin’ny olona sasany noho ny amin’ny hafa, ny maneho ireo toetra tsara ireo.

2. Inona avy ireo asa soa sasany mety hataon’ny olona, angamba noho ny fiheverana fa manahaka an’i Kristy ny tenany?

2 Angamba ianao mahafantatra lehilahy sy vehivavy izay matetika no mamangy na manampy ny marary, mangoraka ny sembana, na malala-tanana amin’ny mahantra. Eritrereto koa ny amin’ireo olona izay atosiky ny fangoraham-pony, ka mandany ny fiainany hiasana any amin’ireo toby misy ny boka, na any amin’ireo toerana fitaizana zaza kamboty. Eo ireo manao asa an-tsitrapo any amin’ny hopitaly na any amin’ireo toerana fikarakarana olona efa eo ambavahoana. Eo koa ireo olona mifofotra manampy ny tsy manan-kialofana na ny mpitsoa-ponenana. Azo inoana fa mihevitra ny sasany amin’izy ireny hoe manahaka an’i Jesosy, izay namela modely ho an’ny Kristianina, ny tenany. Vakintsika ao amin’ireo Filazantsara fa nanasitrana ny marary sy nanome sakafo ny noana i Kristy. (Marka 1:34; 8:1-9; Lioka 4:40). Ny fanehoan’i Jesosy fitiavana sy firaiketam-po ary fangoraham-po dia taratry ny “sain’i Kristy”, izay nanahaka kosa ilay Rainy any an-danitra.​—1 Korintiana 2:16.

3. Inona no ilaintsika hodinihina, mba hananana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny asa soa nataon’i Jesosy?

3 Voamarikao anefa ve fa amin’izao andro izao dia maro amin’ireo nihetsi-po noho ny fitiavana sy ny fangoraham-pon’i Jesosy, no tsy mahita akory ny lafiny tena lehibe iray amin’ny sain’i Kristy? Afaka mahatakatra tsara izany isika amin’ny fandinihana amim-pitandremana ny Marka toko faha-6. Vakintsika ao fa nitondra marary tany amin’i Jesosy ny olona, mba hositraniny. Fantatsika amin’ny teny manodidina koa fa, rehefa hitan’i Jesosy fa nanjary noana ireo olona an’arivony maro tonga teo aminy, dia namahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga izy. (Marka 6:35-44, 54-56). Ny nanasitranana ny marary sy ny namahanana ny noana dia fomba niavaka nampisehoana fangoraham-po niharo fitiavana, kanefa izany ve no fomba voalohany indrindra nanampian’i Jesosy ny hafa? Ary ahoana no azontsika anahafana amin’ny fomba tsara indrindra ny ohatra tonga lafatra navelany mahakasika ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy ary ny fangoraham-po, toy ny nanahafany an’i Jehovah?

Voatosika hanome izay ilaina ara-panahy

4. Inona no toe-javatra nanodidina ilay fitantarana ao amin’ny Marka 6:30-34?

4 Nitsetra ireo nanodidina azy i Jesosy, noho izy ireo nila voalohany indrindra zavatra ara-panahy. Faran’izay lehibe izany zavatra ilaina izany, manoatra noho ny zavatra ilaina ara-nofo mihitsy aza. Diniho ilay fitantarana ao amin’ny Marka 6:30-34. Niseho teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia ilay zava-nitranga voatantara ao, nanakaiky ny fotoan’ny Paska 32 am.f.i. Nientam-po erỳ ireo apostoly, ary nisy antony matoa izy ireo toy izany. Vao avy nitety faritra maro izy ireo ka tonga tany amin’i Jesosy, tsy isalasalana fa dodona ny hilaza taminy ireo zavatra hitan’izy ireo. Nisy vahoaka nitangorona anefa. Maro be aoka izany ny olona, ka tsy afaka nihinana na niala sasatra i Jesosy sy ny apostoliny. Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoly: “Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely”. (Marka 6:31). Niondrana an-tsambokely izy ireo, angamba teo akaikin’i Kapernaomy, ka nita ny Ranomasin’i Galilia mba hamonjy toerana nilamina sy nangina. Nihazakazaka nanaraka ny moron-drano anefa ilay vahoaka, ka tonga talohan’ilay sambokely. Hanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? Ho sosotra ve izy, satria voahelingelina? Tsy izany velively!

5. Inona no tsapan’i Jesosy tamin’ilay vahoaka izay tonga teo aminy, ary inona no nataony nanoloana izany?

5 Nanohina ny fon’i Jesosy ny nahitany io vahoaka nisy olona an’arivony maro io, anisan’izany ny marary, izay niandry azy tamim-pahadodonana. (Matio 14:14; Marka 6:44). Nifantoka tamin’izay zavatra nanentana ny fangoraham-pon’i Jesosy sy tamin’ny fihetsiny nanoloana izany i Marka, ka nanoratra toy izao: “Nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.” (Marka 6:34). Tsy fitambaran’olona bambaray fotsiny no hitan’i Jesosy. Nahita olona tsirairay nila zavatra ara-panahy kosa izy. Toy ny ondry very tsy afa-manoatra izy ireo, tsy mba nanana mpiandry hitari-dalana azy tany amin’ny kijana maitso, na mba hiaro azy. Fantatr’i Jesosy fa nanao tsinontsinona ny sarambaben’olona sy nanao tsirambina ny zavatra nilain’izy ireo ara-panahy, raha ny marina, ireo mpitarika ara-pivavahana mafy fo, izay tokony ho mpiandry be fiahiana. (Ezekiela 34:2-4; Jaona 7:47-49). Ho hafa ny fomba hitondran’i Jesosy azy ireo, ka hanao soa be indrindra araka izay azo atao ho azy ireo izy. Nanomboka nampianatra azy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

6, 7. a) Laharam-pahamehana inona no ahariharin’ireo Filazantsara, raha ny amin’ny fihetsik’i Jesosy nanoloana ny zavatra nilain’ny olona? b) Inona no antony nanosika an’i Jesosy hitory sy hampianatra?

6 Mariho ny filaharan’izay nitranga sy izay tiana haseho ho laharam-pahamehana, araka izay aharihary ao amin’ny fitantarana iray mifanitsy amin’ny an’i Marka. Izy io dia nosoratan’i Lioka, izay sady dokotera no liana fatratra tamin’ny fahasalaman’ny hafa ara-batana. “Ny vahoaka (...) dia nanaraka [an’i Jesosy]; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.” (Lioka 9:11, izahay no manao sora-mandry; Kolosiana 4:14). Inona no nomarihina voalohany tao amin’ny fitantaran’i Lioka ara-tsindrimandry, tamin’io indray mitoraka io, na dia tsy toy izany foana aza ny fitantarana fahagagana rehetra? Izany dia ny hoe: Nampianatra ny olona i Jesosy.

7 Raha ny marina, izany dia mifanaraka amin’ilay fanantitranterana hitantsika ao amin’ny Marka 6:34. Asehon’io andinin-teny io mazava tsara ny hoe voatosika voalohany indrindra hanao inona i Jesosy mba hanehoany ny fitserany. Nampianatra ny olona izy, ka nanome izay zavatra nilain’izy ireo ara-panahy. Niteny toy izao i Jesosy, tany aloha kokoa, nandritra ny fanompoany: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:43). Na izany aza, dia ho diso fandray isika raha mihevitra fa nanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana noho ny adidy fotsiny i Jesosy, toy ny hoe fahazarana fotsiny no nanaovany ilay asa fitoriana tsy maintsy nataony. Tsia, ny fangoraham-pony niharo fitiavana no antony fototra nanosika azy hizara ny vaovao tsara tamin’izy ireo. Ny soa fara tampony azon’i Jesosy natao​—na dia ho an’ny marary, ny nampahorin’ny demonia, ny nahantra, na ny noana, aza​—dia ny nanampy azy ireo hahafantatra sy hanaiky ary ho tia ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Faran’izay zava-dehibe izany fahamarinana izany, noho ny anjara asan’ilay Fanjakana eo amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy eo amin’ny fanomezana fitahiana maharitra ho an’ny olombelona.

8. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny fitoriana sy ny fampianarana nataony?

8 Anisan’ny antony fototra nahatongavan’i Jesosy teto an-tany ny fitoriany tamim-pahavitrihana ilay Fanjakana. Rehefa nadiva hifarana ny fanompoany teto an-tany, dia hoy i Jesosy tamin’i Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (Jaona 18:37). Efa nomarihintsika tao amin’ireo lahatsoratra roa teo aloha fa i Jesosy dia olona nanana fihetseham-po feno firaiketam-po: be fiahiana, mora nohatonina, be fiheverana, natoky olona, ary ambonin’izany rehetra izany, dia be fitiavana, izy. Mila mahazo tsara ny hevitr’ireo lafin-toetra maha izy azy ireo isika, raha tiantsika marina ny hahatakatra ny atao hoe ny sain’i Kristy. Zava-dehibe toy izany koa ny fahatakarana fa voafaoka ao amin’ny hoe ny sain’i Kristy ny fanaovany ho laharam-pahamehana ny asa fitoriana sy fampianarana nataony.

Nampirisika ny hafa hitory izy

9. Tokony ho laharam-pahamehana ho an’iza ny fitoriana sy ny fampianarana?

9 Tsy natao ho an’i Jesosy irery akory ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fitoriana sy ny fampianarana, izay fanehoam-pitiavana sy fangoraham-po. Nampirisihin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hanahaka ireo antony nanosika azy sy ireo nataony ho laharam-pahamehana ary ireo asa nataony. Rehefa avy nofantenan’i Jesosy, ohatra, ireo apostoliny 12, dia inona no tokony hataon’izy ireo? Milaza amintsika toy izao ny Marka 3:14, 15: “Nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.” (Izahay no manao sora-mandry.) Misy zavatra tokony hataon’ireo apostoly ho laharam-pahamehana ve hitanao eo?

10, 11. a) Inona no nasain’i Jesosy nataon’ireo apostoly, rehefa naniraka azy ireo izy? b) Inona no zavatra nifantohana, tamin’ilay nanirahana ireo apostoly?

10 Rehefa nandeha ny fotoana, dia tena nataon’i Jesosy afaka nanasitrana ny hafa sy namoaka demonia tokoa izy 12 lahy. (Matio 10:1; Lioka 9:1). Avy eo, dia nirahiny hitety ny faritra rehetra nisy “ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely”, izy ireo. Mba hanao inona? Izao no toromarika nomen’i Jesosy azy ireo: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia”. (Matio 10:5-8; Lioka 9:2). Inona no nataon’izy ireo, raha ny marina? “Dia lasa nandeha izy ireo ka [1] nitory fa tokony hibebaka ny olona. Ary [2] demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.”​—Marka 6:12, 13.

11 Koa satria tsy tononina voalohany foana ny fampianarana, isaky ny fitantarana, moa ve ny fanamarihana ilay filaharana etsy ambony midika ho fanantitranterana be loatra ny raharaha mahakasika ny laharam-pahamehana na ny antony manosika tafiditra tamin’izany? (Lioka 10:1-8). Tsy tokony hohamaivanintsika ny hoe voaresaka matetika kokoa alohan’ny fanasitranana ny fampianarana. Diniho ireo teny manodidina amin’ity ohatra ity. Taloha kelin’ny nanirahan’i Jesosy ireo apostoly 12, dia nanohina ny fony ny toe-piainana nisy ny vahoaka. Izao no vakintsika: “Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra. Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.”​—Matio 9:35-38.

12. Niasa ho amin’ny zava-kendrena fanampiny inona koa ireo asa mahagaga nataon’i Jesosy sy ireo apostoly?

12 Rehefa niaraka taminy ireo apostoly, dia afaka nandray ny sasany tamin’ny sain’i Kristy izy ireo. Afaka nahatakatra izy ireo fa tafiditra tamin’ny tena fitiavany ny olona sy ny tena fangorahany azy ireny ny fitoriana sy fampianarana momba ilay Fanjakana​—ka izany dia tokony ho lafiny iray lehibe tamin’ireo asa soa nataon’izy ireo. Mifanaraka amin’izany, dia tsy vitan’ny hoe nanampy ny mahantra fotsiny ireo asa soa ara-nofo, toy ny fanasitranana ny marary. Azonao an-tsaina fa nisy olona nety ho voasinton’ny fanasitranana sy ny sakafo nomena tamin’ny fomba mahagaga. (Matio 4:24, 25; 8:16; 9:32, 33; 14:35, 36; Jaona 6:26). Ankoatra ny fanampiana ara-nofo nentin’ireny asa ireny anefa, dia nanosika ny mpitazana koa izy ireny, raha ny marina, hanaiky fa i Jesosy no ilay Zanak’Andriamanitra sy “Ilay Mpaminany” efa nambaran’i Mosesy mialoha.​—Jaona 6:14; Deoteronomia 18:15.

13. Anjara asa inona no nohamafisin’ny faminaniana ao amin’ny Deoteronomia 18:18 fa hataon’ilay “Mpaminany” ho avy?

13 Nahoana no zava-dehibe ny hoe i Jesosy no “Ilay Mpaminany”? Inona moa no anjara asa lehibe voalaza mialoha fa hataon’izy io? Moa ve “Ilay Mpaminany” halaza noho ny fanaovana fanasitranana mahagaga, sa noho ny fanomezana sakafo amim-pangoraham-po ho an’ny mahantra? Nilaza mialoha toy izao ny Deoteronomia 18:18: “Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao [Mosesy], ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.” Koa sady nianatra hanana sy haneho fihetseham-po feno firaiketam-po ireo apostoly, no afaka nanatsoaka hevitra fa ny sain’i Kristy dia tokony hoporofoina koa eo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ataon’izy ireo. Izany no zavatra tsara indrindra azon’izy ireo natao ho an’ny olona. Tamin’izany fomba izany no nahafahan’ny narary sy ny nahantra nahazo soa maharitra, fa tsy soa voafetra ho nandritra ny andro vitsy niainan’ny olombelona fotsiny, na ho sakafo indray mandeha na indroa monja.​—Jaona 6:26-30.

Aoka ianao hamboly miandalana ny sain’i Kristy amin’izao andro izao

14. Amin’ny ahoana ny fananana ny sain’i Kristy no voafaoka ao amin’ny fitoriantsika?

14 Tsy misy amintsika hihevitra fa ny sain’i Kristy dia natao manokana ho an’ny taonjato voalohany​—ho an’i Jesosy sy ireo mpianany tany am-boalohany izay nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Izahay manana ny sain’i Kristy.” (1 Korintiana 2:16). Ary hanaiky tsy amim-pisalasalana isika fa manana adidy hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20). Na izany aza, dia mahasoa ny hisaintsainana ny amin’ny antony manosika antsika manokana hanao izany asa izany. Tsy tokony ho noho ny fahatsapana adidy fotsiny izany. Ny fitiavana an’Andriamanitra no anisan’ny antony voalohany indrindra andraisantsika anjara amin’ny fanompoana, ary voafaoka amin’ny tena fitoviana amin’i Jesosy ny hoe ny fangoraham-po no manosika antsika hitory sy hampianatra.​—Matio 22:37-39.

15. Nahoana ny fangoraham-po no tapany iray mety tsara amin’ny fanompoantsika ampahibemaso?

15 Marina aloha fa tsy mora foana ny mangoraka ireo olona tsy mitovy zavatra inoana amintsika, indrindra fa rehefa tojo tsy firaharahana, fandavana, na fanoherana isika. Raha sanatria ka verintsika anefa ny fitiavantsika sy ny fangorahantsika ny olona, dia mety ho verintsika koa ny antony iray tena lehibe manosika antsika handray anjara amin’ny fanompoana kristianina. Ahoana àry no azontsika ambolena fangoraham-po? Azontsika atao ny miezaka hihevitra ny olona toy ny niheveran’i Jesosy azy ireny, dia hoe “nampahantraina (...) ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36). Tsy toy izany ve no azo ilazalazana ny olona maro amin’izao andro izao? Nanao tsirambina sy nanajamba azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy ireo mpiandry ara-pivavahana sandoka. Vokatr’izany, dia tsy fantatry ny olona ilay tari-dalana marina hita ao amin’ny Baiboly, ary tsy fantany koa ny toe-piainana paradisa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela eto an-tany. Miatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro​—anisan’izany ny fahantrana, ny tsy fifanarahan’ny mpianakavy, ny aretina sy ny fahafatesana​—izy ireo, kanefa tsy manana ilay fanantenana ny amin’ilay Fanjakana. Manana izay ilain’izy ireo isika: ilay vaovao tsara mamonjy aina momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay efa miorina any an-danitra ankehitriny!

16. Nahoana isika no tokony haniry hizara ny vaovao tsara amin’ny hafa?

16 Rehefa misaintsaina toy izany ny amin’ny zavatra ara-panahy ilain’ireo manodidina anao ianao, moa ve ny fonao tsy manosika anao haniry hanao izay rehetra azonao atao mba hiresahana amin’izy ireo ny amin’ny fikasan’Andriamanitra feno fitiavana? Eny, asa fanehoam-pangoraham-po ny asantsika. Rehefa mangoraka ny olona toy ny nataon’i Jesosy isika, dia hiharihary eo amin’ny toe-peontsika sy eo amin’ny endritsika ary eo amin’ny fomba fampianatsika izany. Izany rehetra izany no hahatonga ny hafatra entintsika hanintona kokoa an’ireo olona ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’.​—Asan’ny Apostoly 13:48, NW.

17. a) Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika anehoana ny fitiavantsika sy ny fangorahantsika ny hafa? b) Nahoana izany no tsy hoe na manao asa soa, na mandray anjara amin’ny fanompoana ampahibemaso, fotsiny?

17 Mazava ho azy fa tokony hiharihary eo amin’ny fiainantsika manontolo ny fitiavantsika sy ny fangoraham-pontsika. Tafiditra amin’izany ny hanehoantsika hatsaram-panahy amin’ny tsy ambinina sy ny marary ary ny mahantra​—ka hanao izay azontsika atao ara-drariny, mba hanamaivanana ny fahorian’izy ireo. Voafaoka amin’izany ireo ezaka ataontsika eo amin’ny teny sy ny atao mba hampisinda ny alahelon’ireo namoy havan-tiana tamin’ny fahafatesana. (Lioka 7:11-15; Jaona 11:33-35). Na izany aza anefa, ny fanehoam-pitiavana sy hatsaram-panahy ary fangoraham-po toy izany dia tsy tokony hanjary ho vaindohan-draharaha eo amin’ny asa soa ataontsika, toy ny ataon’ny mpanao asa soa sasany. Maharitra lavitra ny halehiben’ny ezaka atao izay atosik’ireo toetra tsara araka an’Andriamanitra voalaza ireo, saingy aseho kosa amin’ny fandraisana anjara amin’ilay asa kristianina fitoriana sy fampianarana. Tsarovy izay nolazain’i Jesosy momba ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, nanao hoe: “Mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.” (Matio 23:23). Ny an’i Jesosy dia tsy hoe na ity, na irỳ​—izany hoe, na hanampy ny olona eo amin’izay ilainy ara-nofo, na hampianatra azy ireo zavatra ara-panahy manome fiainana. Samy nataon’i Jesosy izy roa ireo. Na izany aza, dia mazava fa loha laharana ny asa fampianarana nataony, satria ny soa vitany tamin’io fomba io no afaka nanampy ho mandrakizay.​—Jaona 20:16.

18. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fandinihantsika ny sain’i Kristy?

18 Tena velom-pankasitrahana tokoa isika fa nahariharin’i Jehovah tamintsika ny sain’i Kristy! Amin’ny alalan’ireo Filazantsara, dia azontsika fantarina tsara kokoa ny fisainan’ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, ny fihetseham-pony, ireo toetra tsarany, ireo asany ary ireo nataony ho laharam-pahamehana. Anjarantsika ny mamaky sy ny misaintsaina ary ny mampihatra izay ahariharin’ny Baiboly momba an’i Jesosy. Tadidio fa raha tiantsika marina ny hanao zavatra toy ny nataon’i Jesosy, dia tsy maintsy ianarantsika aloha ny misaina sy ny manana fihetseham-po ary ny manomban-javatra toy ny nataony, araka izay vitantsika, amin’ny maha olombelona tsy lavorary antsika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hamboly sy haneho ny sain’i Kristy. Tsy misy fomba fiaina tsara kokoa noho izany, na fomba fitondra olona tsara kokoa noho izany, ary tsy misy fomba tsara kokoa noho izany ahafahantsika sy ny hafa manatona akaiky an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika be firaiketam-po, izay nasehon’i Kristy tamin’ny fomba tonga lafatra.​—2 Korintiana 1:3; Hebreo 1:3.

Ahoana no Havalinao?

• Fahatakarana tsara inona no omen’ny Baiboly mahakasika ny fihetsika nasehon’i Jesosy matetika teo anoloan’ny olona nila fanampiana?

• Inona no nohamafisin’i Jesosy rehefa nanome toromarika ny mpanara-dia azy izy?

• Ahoana no azontsika anehoana “ny sain’i Kristy” eo amin’izay ataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

[Sary, pejy 24]

Inona no soa lehibe indrindra azon’ny Kristianina atao ho an’ny hafa?