Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Cyril Lucaris​—Lehilahy Nihevitra ny Baiboly ho Sarobidy

Cyril Lucaris​—Lehilahy Nihevitra ny Baiboly ho Sarobidy

Cyril Lucaris​Lehilahy Nihevitra ny Baiboly ho Sarobidy

Andro iray tamin’ny fahavaratry ny taona 1638 tamin’izay. Taitra ireo mpanjono teo amin’ny Ranomasin’i Marmara, any akaikin’i Constantinople (Istanbul ankehitriny), renivohitry ny empira ôtômanina, rehefa nahita faty nitsinkafona teny ambonin’ny rano. Rehefa nijery akaiky kokoa izy ireo, dia nihoron-koditra nahita fa tsy inona akory ilay faty nokendaina fa ny fatin’ny patriarika eokiomenikan’i Constantinople, ilay lehiben’ny Eglizy Ôrtôdôksa. Izany no fiafarana mampalahelo nahazo an’i Cyril Lucaris, olona nalaza teo amin’ny sehatry ny fivavahana, tamin’ny taonjato faha-17.

TSY dia naharitra loatra ny andro niainan’i Lucaris, hany ka tsy hitany ny fahatanterahan’ilay nofinofiny, dia ny famoahana fandikan-tenin’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny grika fampiasa andavanandro. Tsy tanteraka mihitsy koa ny nofinofin’i Lucaris hafa iray, dia ny fahitana ny Eglizy Ôrtôdôksa hiverina ho amin’ny “fahatsoran’ny Evanjely”. Iza moa io lehilahy io? Vato misakana inona avy no natrehiny teo amin’ireo ezaka nataony ireo?

Nanaitra azy ny tsy fahampian’ny fahaizana

I Cyril Lucaris dia teraka tamin’ny 1572, tany Candie (Iráklion ankehitriny), any Kreta. Teo ambany fifehezan’i Venise ny tanànan’i Candie tamin’izany. Tena kinga saina i Lucaris, ary nianatra tany Venise sy tany Padoue, any Italia, ary avy eo dia nandeha hatraiza hatraiza tao amin’io firenena io, sy tany an-tany hafa. Sady sosotra tamin’ireo ady nifanaovan’ireo ankolafin’olona teo anivon’ny eglizy izy no voasinton’ireo fihetsiketsehana ho fitakiam-panavaozana tany Eoropa, ka nety ho nitsidika an’i Genève, izay teo ambany vahohon’ny fampianaran’i Calvin tamin’izany fotoana izany.

Fony nitsidika an’i Polonina i Lucaris, dia hitany fa tao anatin’ny toe-piainana ara-panahy nampahonena ny Ôrtôdôksa tany, na ny pretra izany na ny lahika, vokatry ny tsy fahampian’ny fianarana azon’izy ireo. Rehefa niverina tany Aleksandria sy Constantinople izy, dia nahavelom-panahiana azy ny nahita fa hatramin’ny polipitra famakiana ny Soratra Masina aza, dia nesorina tany amin’ny eglizy sasany!

Tamin’ny 1602, dia nandeha tany Aleksandria i Lucaris. Tany izy dia nandimby toerana an’ilay havany, dia ny Patriarika Meletios, hany ka tonga eveka nitantana an’io faritra io. Nanomboka nifanoratra tamin’ireo teôlôjianina maro samihafa tia fanavaozana tany Eoropa izy tamin’izany fotoana izany. Tao amin’ny iray tamin’ireny taratasy ireny, dia nomarihiny fa nihazona fanao maro diso ny Eglizy Ôrtôdôksa. Nohamafisiny tao amin’ny taratasy hafa fa mila manaisotra ny finoanoam-poana ny eglizy, ka manolo izany amin’ny “fahatsoran’ny Evanjely”, ary tsy mila miankina afa-tsy amin’ny fahefan’ny Soratra Masina.

Nahavelom-panahiana an’i Lucaris koa ny hoe nohajaina sahala amin’ny tenin’i Jesosy sy ny apostoly ny fahefana ara-panahy nananan’ireo Rain’ny Eglizy. “Tsy tantiko intsony ny mandre olona miteny hoe mitovy lanja amin’ny Soratra Masina ireo famoaboasana ny lovantsofin’olombelona”, hoy ny nosoratany. (Matio 15:6). Nanampy teny izy hoe nampidi-doza, araka ny heviny, ny fivavahana amin’ny sary. Ny fangatahana amin’ireo “olo-masina”, hoy izy, dia fanaovana tsinontsinona an’ilay Mpanalalana, dia i Jesosy.​—1 Timoty 2:5.

Amidy ny seza fiandrianan’ny patriarika

Ireo hevitra ireo, sy ny tsy fitiavany maizina ny Eglizy Katolika, dia nahatonga an’i Lucaris hiharan’ny fankahalana sy ny fanenjehan’ny Zezoita sy ireo tao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa, izay nankasitraka ny hiraisana tamin’ny Katolika. Na dia teo aza izany fanoherana izany, dia voafidy ho patriarik’i Constantinople ihany i Lucaris, tamin’ny 1620. Tamin’izany fotoana izany, dia teo ambany fifehezan’ny Empira Ôtômanina ny patriarika. Manongana patriarika avy hatrany sy manaiky ny hampidirana patriarika vaovao ny fitondram-panjakana ôtômanina rehefa nisy nanome vola.

Ireo fahavalon’i Lucaris, indrindra fa ireo Zezoita sy ny Congregatio de Propaganda Fide (Kôngregasiôna Natao Hampielezana ny Finoana), izay sady natsangan’ny Papa no nanjaka tokana sy nampahatahotra, dia tsy nitsahatra nanendrikendrika sy nanao tetika hamelezana azy. “Nanao izay hahatratrarana izany tanjona izany ny Zezoita ka nampiasa ny fomba rehetra toy ny fitaka, ny fanendrikendrehana, ny fandokafana, ary indrindra fa ny tsolotra, izay fiadiana tena faran’izay nandaitra mba hahazoana sitraka tamin’ireo mpitondra fanjakana [ôtômanina]”, hoy ny fanamarihan’ilay asa soratra hoe Kyrillos Loukaris. Vokatr’izany, tamin’ny 1622, dia natao sesitany tany amin’ny nosy Rodhes i Lucaris, ary nividy ilay toerana tamin’ny vola madinika volafotsy 20 000 i Grégoire avy any Amasya. Tsy afaka nahita ilay vola nampanantenainy anefa i Grégoire, ka i Anthimus avy any Andrinople no nividy ilay toerana. Nametra-pialana anefa izy io tatỳ aoriana. Nahagaga fa naverina teo amin’ny seza fiandrianan’ny patriarika i Lucaris.

Tapa-kevitra ny hampiasa an’io fahafahana vaovao io i Lucaris mba hampianarana ireo mpitondra fivavahana sy lahika ôrtôdôksa, tamin’ny famoahana fandikan-tenin’ny Baiboly sy trakta momba ny teôlôjia. Mba hanatontosana izany, dia nanao fandaharana mialoha izy mba hitondrana milina fanontam-pirinty iray ho any Constantinople, teo ambany fiarovan’ny ambasadaoron’i Angletera. Rehefa tonga anefa ilay milina, tamin’ny Jona 1627, dia niampanga azy ho nampiasa azy io ho amin’ny zava-kendrena ara-politika ireo fahavalon’i Lucaris, ka dia nopotehin’izy ireo ilay milina tamin’ny farany. Voatery nampiasa milina fanontam-pirinty tany Genève i Lucaris izao.

Dikan-tenin’ny Soratra Kristianina

Nanaja fatratra ny Baiboly sy ny herin’izy io hampianatra ny hafa i Lucaris, ka niredareda tao aminy ny faniriana hanao izay hahatonga ny teny raketin’izy io ho mora azon’ny sarambaben’olona kokoa. Takany fa tsy azon’ny olon-tsotra intsony ny teny ampiasaina ao amin’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly, izany hoe ireo sora-tanana grika ara-tsindrimandry tany am-boalohany. Koa ny boky voalohany nampanaovin’i Lucaris àry dia dikan-tenin’ny Soratra Grika Kristianina ho amin’ny teny grika fampiasa tamin’ny androny. Nanomboka an’io asa io, tamin’ny Martsa 1629, i Maximus Callipolites, moanina iray manam-pahaizana. Maro tamin’ny Ôrtôdôksa no nihevitra ny fandikana ny Soratra Masina ho zava-pady, na toy inona na toy inona nety ho tsy fahazoan’ny mpamaky ny hevitra raketiny. Mba hampitonena azy ireo, dia nataon’i Lucaris tao anatin’ny tsanganana roa nifanila ny soratra tany am-boalohany sy ny dikan-teny maoderina, ka nasiany fanamarihana vitsivitsy monja. Koa satria maty taoriana kelin’ny nanaterana ilay sora-tanana i Callipolites, dia i Lucaris ihany no namaky ilay dikan-teny hasiam-panitsiana. Natao pirinty fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Lucaris tamin’ny 1638 io fandikan-teny io.

Na dia teo aza ny fitandremana nataon’i Lucaris, dia nampirongatra ny tsy fankasitrahan’ny eveka maro io fandikan-teny io. Niharihary be tao amin’ny sasin-tenin’io fandikan-tenin’ny Baiboly io ny fitiavan’i Lucaris ny Tenin’Andriamanitra. Nanoratra izy hoe ny Soratra Masina, izay atao amin’ny fiteny ampiasain’ny olona, dia “hafatra mahafinaritra, nomena antsika avy any an-danitra”. Nampirisika ny olona “hiezaka hahalala sy hahafantatra tsara ny ao [anatin’ny Baiboly] manontolo” izy, ary nilaza fa tsy misy fomba hafa azo ianarana momba “ireo zavatra mahakasika marina ny finoana (...) raha tsy amin’ny alalan’ny Evanjely masin’Andriamanitra”.​—Filipiana 1:9, 10.

I Lucaris dia nanameloka mafy an’ireo nandrara ny fianarana ny Baiboly, sy ireo izay nanda ny handikana ho amin’ny teny hafa ny soratra tany am-boalohany. Hoy tokoa mantsy izy: “Raha miteny na mamaky teny isika, nefa tsy mahazo ny heviny, dia toy ny mandefa ny tenintsika ho amin’ny rivotra.” (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 14:7-9.) Izao no nosoratany teo am-pamaranana ilay sasin-teny: “Eo am-pamakianareo rehetra an’ity Evanjely masin’Andriamanitra ity amin’ny fiteninareo, dia raiso ny soa azo avy amin’ny famakiana azy, (...) ary Andriamanitra anie hanazava mandrakariva ny lalanareo ho amin’izay tsara.”​—Ohabolana 4:18.

Fanekem-pinoana

Taorian’ny nanombohany an’io fandikan-tenin’ny Baiboly io, dia nanao dingana hafa iray feno fahasahiana i Lucaris. Tamin’ny 1629, dia namoaka Fanekem-pinoana iray tany Genève izy. Tsy inona izy io fa filazana ny zavatra inoan’ny tena, izay nantenainy horaisin’ny Eglizy Ôrtôdôksa. Araka ilay boky hoe The Orthodox Church, io Fanekem-pinoana io dia “mahatonga ny foto-pampianarana ôrtôdôksan’ireo pretra sy relijiozy ho tsy misy heviny tanteraka, ary manameloka ny fanehoana fanajana ara-pivavahana ny sary masina sy ny fiantsoana an’ireo olo-masina, ho endrika fanompoan-tsampy”.

Misy andininy 18 ilay Fanekem-pinoana. Ambaran’ny andininy faharoa fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Masina ary mihoatra ny an’ny eglizy ny fahefany. Izao no lazain’izy io: “Mino ny Soratra Masina ho nomen’Andriamanitra izahay (...) Mino izahay fa ambony noho ny fahefan’ny Eglizy ny fahefan’ny Soratra Masina. Zavatra hafa lavitra noho ny ampianarin’olombelona ny ampianarin’ny Fanahy Masina.”​—2 Timoty 3:16.

Ny andininy fahavalo sy fahafolo dia manizingizina fa i Jesosy Kristy no hany Mpanalalana sy Mpisoronabe ary Lohan’ny kôngregasiôna. Izao no nosoratan’i Lucaris: “Mino izahay fa i Jesoa Kristy Tompo dia mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Rainy, ary any Izy no mangataka ho antsika, ka Izy irery ihany no manao ny asan’ny mpisoronabe sy mpanalalana tena izy sy ara-dalàna.”​—Matio 23:10.

Ny andininy faha-12 dia manambara fa mety hanao fahadisoana ny eglizy, ka hanao ny diso ho marina. Ny fahazavan’ny fanahy masina anefa dia afaka manafaka azy amin’izany, amin’ny alalan’ny asa mafy ataon’ireo mpitory teny mahatoky. Eo amin’ny andininy faha-18, dia manizingizina i Lucaris fa zavatra noforomporonina fotsiny ny afofandiovana. Hoy tokoa mantsy izy: “Miharihary fa tsy tokony hekena ilay zavatra noforomporonina hoe Afofandiovana.”

Ny fanazavana fanampiny ao amin’ilay Fanekem-pinoana dia mirakitra fanontaniana sy valiny maromaro. Ao dia hamafisin’i Lucaris aloha fa tokony hovakin’ny mpino tsirairay ny Soratra Masina, ary manimba ny tsy famakian’ny Kristianina ny Tenin’Andriamanitra. Nanampy teny izy avy eo fa tokony hohalavirina ireo boky apôkrifa.​—Apokalypsy 22:18, 19.

Hoy ny fanontaniana fahefatra: “Ahoana no tokony hiheverantsika ireo Sary Masina?” Izao no avalin’i Lucaris: “Isika dia ampianarin’ny Soratra Masin’Andriamanitra, izay milaza mazava hoe: ‘Tsy hanao sampy ho an’ny tenanao ianao, na sarin-javatra na inona na inona izay eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany; tsy hankalaza azy ireny ianao, na hivavaka aminy; [Eksodosy 20:4, 5]’ satria tsy tokony hivavaka amin’ny zavaboary isika, fa amin’ilay Mpamorona sy Mpanao ny lanitra sy ny tany irery ihany, ary Izy irery ihany no tokony hankalazaina. (...) Ny fivavahana sy ny fanompoana [ireo sary masina], satria voarara (...) ao amin’ny Soratra Masina, dia lavintsika, fandrao hohadinointsika, ary tsy mankalaza an’ilay Mpamorona sy Mpanao izy ireny, fa mankalaza kosa loko sy zavakanto ary zavaboary.”​—Asan’ny Apostoly 17:29.

Tsy afaka nahatakatra tamin’ny fomba feno ny zava-diso rehetra i Lucaris, tamin’ilay vanim-potoan’ny haizina ara-panahy niainany. * Na izany aza anefa, dia nanao ezaka mendri-piderana izy mba hahatonga ny Baiboly hanam-pahefana eo amin’ny foto-pampianaran’ny eglizy sy mba hampianarana ny olona momba ny fampianarana raketiny.

Taorian’ny namoahana an’io Fanekem-pinoana io avy hatrany, dia nirongatra indray ny fanoherana an’i Lucaris. Tamin’ny 1633, dia niezaka niady varotra tamin’ny Ôtômanina mba hahazoana ny sezan’ny patriarika i Cyril Contari, arsevekan’i Berée (Alep ankehitriny), fahavalon’i Lucaris manokana, izay notohanan’ny Zezoita. Tsy nahomby anefa ilay tetika rehefa tsy nahaloa ilay vola i Contari. Nijanona teo amin’ny toerany i Lucaris. Ny taona nanaraka, dia nandoa vola madinika volafotsy 60 000 i Athanase avy any Tesalonika mba hahazoana ilay toerana. Naongana indray i Lucaris. Tao anatin’ny iray volana anefa, dia nantsoina indray izy ka naverina tamin’ny toerany. Tamin’izay fotoana izay, dia efa nahangona vola madinika volafotsy 50 000 i Cyril Contari. Tamin’io indray mandeha io, dia natao sesitany tany Rhodes i Lucaris. Rehefa afaka enim-bolana, dia afaka namerina azy indray teo amin’ny toerany ireo namany.

Tamin’ny 1638 anefa, dia niampanga an’i Lucaris ho nanao zavatra hanonganana ny Empira Ôtômanina ireo Zezoita sy ireo Ôrtôdôksa mpiara-miasa tamin’izy ireo. Tamin’io indray mandeha io, dia nandidy ny hamonoana azy ho faty ny mpanjaka. Nosamborina i Lucaris, ary tamin’ny 27 Jolay 1638, dia nentina tamin’ny sambo kely, toy ny hoe hatao sesitany, izy. Raha vantany vao teny afovoan-dranomasina ilay sambo, dia nokendaina izy. Nalevina teo amoron-dranomasina ny fatiny, ary nofongarina indray avy eo ka natsipy tany an-dranomasina. Hitan’ny mpanjono ilay faty ary nalevin’ireo naman’i Lucaris, tatỳ aoriana.

Lesona ho antsika

“Tsy tokony hodian-tsy hita fa ny iray tamin’ireo tanjon[’i Lucaris] lehibe indrindra dia ny hampianatra sy ny hampiakatra ny fari-pahaizan’ireo mpitondra fivavahana sy andian’ondry niadidiany, satria efa nilatsaka tany amin’ny farany ambany ny fari-pahaizan’izy ireo tamin’ny taonjato fahenina ambin’ny folo sy teo am-piandohan’ny taonjato fahafito ambin’ny folo”, hoy ny manam-pahaizana iray. Tsy nahatratra ny zava-nokendreny i Lucaris noho ny fisian’ny vato misakana maro be. Indimy nesorina teo amin’ny seza fiandrianan’ny patriarika izy. Efatra amby telopolo taona taorian’ny nahafatesany, dia nomelohin’ny synoda tao Jerosalema ho herezia ireo zavatra ninoany. Nanambara izy ireo fa ny Soratra Masina dia “tsy tokony hovakin’izao olona rehetra izao. Tsy misy tokony hamaky azy io afa-tsy ireo izay mandinika akaiky ny zava-dalin’ny fanahy, rehefa avy nanao fikarohana araka ny tokony ho izy”​—izany hoe tsy misy afa-tsy ireo mpitondra fivavahana izay noheverina ho nahita fianarana.

Teto indray koa ny kilasin’ny mpitondra fivavahana teo amin’ny fahefana dia nisakana ny ezaka natao mba hananan’ny andian’ondriny ny Tenin’Andriamanitra. Nampiasa herisetra izy ireo mba hanampenam-bava olona iray izay nisarika ny saina ho amin’ny sasany tamin’ny fahadisoan’ireo zavatra ninoan’izy ireo tsy ara-baiboly. Hita ho anisan’ireo fahavalo ratsy indrindran’ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahamarinana izy ireo. Mampalahelo fa fihetsika iray mbola misy hatramin’izao androntsika izao izy io. Izany dia fampahatsiahivana mampieritreritra ny amin’izay mitranga rehefa manohitra ny fahalalahana hanana fomba fihevitra sy haneho hevitra, ny teti-dratsy ataon’ireo mpitondra fivavahana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Ao amin’ilay Fanekem-pinoana nosoratany, dia manohana ny Andriamanitra telo izay iray, sy ny foto-pinoana momba ny lahatra, ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme), i Lucaris. Fampianarana tsy ara-baiboly avokoa ireo.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Nanao ezaka mendri-piderana i Lucaris mba hahatonga ny Baiboly hanam-pahefana eo amin’ny foto-pampianaran’ny eglizy sy mba hampianarana ny olona momba ny fampianarana raketiny

[Efajoro/Sary, pejy 28]

Lucaris sy ny Kôdeksa Alexandrinus

Ny iray amin’ireo zava-tsarobidy ao amin’ny British Library (Tranomboky Britanika), dia ny Kôdeksa Alexandrinus, sora-tanana amin’ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-5 am.f.i. Azo inoana fa nisy takelaka 820 izy io tany am-boalohany, ary mbola voatahiry ny 773 amin’ireo.

Fony i Lucaris mbola patriarika tany Aleksandria, tany Ejipta, dia nanana boky maro dia maro izy, tao amin’ny fitambaram-bokiny. Rehefa tonga patriarika tany Constantinople izy, dia nentiny niaraka taminy ny Kôdeksa Alexandrinus. Tamin’ny 1624, dia natolony ny ambasadaoron’i Grande-Bretagne tany Torkia izy io, mba ho fanomezana ho an’i James I, mpanjaka anglisy. Natolotra an’i Charles I, ilay nandimby an’i James I, izy io, telo taona tatỳ aoriana.

Tamin’ny 1757, dia nomena ny firenena britanika ny Tranombokim-panjakan’ny Mpanjaka. Ankehitriny, dia ampirantiana ao amin’ny John Ritblat Gallery ao amin’ny Tranomboky Britanika vaovao io kôdeksa tsara dia tsara io.

[Sary nahazoan-dalana]

Gewerbehalle, Vol. 10

Avy amin’ny The Codex Alexandrinus in Reduced Photographic Facsimile, 1909

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Bib. Publ. Univ. de Genève