Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 14

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Tohanantsika

Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Tohanantsika

INONA NO HORESAHINA ATO?

Tsy anisan’ity tontolo ity isika, satria vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra

1, 2. a) Inona ny tenin’i Jesosy arahin’ny Kristianina hatramin’izao? b) Inona no nataon’ny fahavalontsika, ary inona no vokany?

HOY i Jesosy tamin’i Pilato, ilay mpitsara ambony indrindra tany Jodia: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Nasain’i Pilato novonoina àry i Jesosy taoriana kelin’ny nilazany an’ireo. Marina fa nandresy ny fahavalon’i Jesosy tamin’izay, nefa vetivety ihany izany, satria nitsangana tamin’ny maty izy. Niezaka foana koa ny tena Kristianina, mba tsy ho anisan’ity tontolo ity mihitsy, toa an’i Jesosy. Nataon’ny mpanjaka romanina koa àry izay handripahana azy ireo. Tsy nahomby anefa izany, fa vao mainka aza ry zareo nahavita nitory tany amin’ny faritra maro.—Kol. 1:23.

2 Nisy manam-pahefana sy mpanao politika nitady handripaka antsika koa, taorian’ny 1914. Tsy nisy natanjaka toa azy ireo, nefa tsy naharesy antsika ry zareo. Nisy aza nanery antsika hanohana azy rehefa nisy ady. Tsy niandany tamin’izy ireo anefa isika, satria tsy te hiady tamin’ny rahalahintsika tany an-tany hafa. Tsy nahavita nampizarazara antsika àry izy ireo. Mifankatia sy miray saina foana isika, na dia miparitaka eran-tany aza, ary tsy miditra amin’ny politika mihitsy. Hita amin’izany fa tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mitarika sy manitsy ary miaro antsika ilay Mpanjakan’izy io. Hojerentsika izao hoe inona no ataony amin’izany. Ho hitantsika ato koa fa nataony nandresy imbetsaka isika, rehefa niakatra fitsarana noho isika tsy te ho “anisan’izao tontolo izao.”—Jaona 17:14.

Hanao miaramila sa tsia?

3, 4. a) Inona no nitranga rehefa nanomboka nitondra ilay Fanjakana? b) Inona ny porofo fa tsy tonga dia nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny dikan’ny hoe tsy anisan’ity tontolo ity?

3 Nisy ady tany an-danitra rehefa nanomboka nitondra ilay Fanjakana. Resy i Satana tamin’izay, ka nazera tetỳ an-tany. (Vakio ny Apokalypsy 12:7-10, 12.) Nisy ady koa tetỳ, ary mafy tamin’ny vahoakan’i Jehovah ilay izy. Tsy te ho anisan’ity tontolo ity toa an’i Jesosy mantsy izy ireo, ka tsy te hiditra  tamin’ilay ady. Tsy fantatr’izy ireo tsara anefa hoe inona no tokony hataony amin’izany.

4 Nampirisika ny Kristianina tsy handeha hiady, ohatra, ny Boky Faha-6 tamin’ilay boky hoe Fiandohan’ny Arivo Taona, tamin’ny 1904. * Voalaza tao anefa fa raha voantso ho miaramila izy, dia tokony hangataka hoe hampanaovina asa tsy hahatonga azy hamono olona. Raha tsy ekena izany fa mbola alefa any an’ady ihany izy, dia tokony hitandrina tsara mba tsy hamono olona. Nitantara ny zava-nisy tamin’izany i Herbert Senior, izay nipetraka tany Grande-Bretagne sy natao batisa tamin’ny 1905. Hoy izy: “Samy nanana ny heviny ny mpiara-manompo. Tsy nazava taminay koa raha mety na tsia ny hoe manao miaramila ihany saingy miaramila tsy mandeha miady.”

5. Inona no voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1915?

5 Lasa nazava kokoa anefa tatỳ aoriana hoe inona no tokony hatao. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1915, momba an’ilay fanazavana tao amin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona: ‘Sao dia mba lasa anisan’ity tontolo ity ihany àry isika raha manaiky hanao miaramila? Marina aloha fa hisy hiteny hoe: “Dia ahoana raha terena hanao akanjo miaramila isika na hanao miaramila mihitsy, fa raha tsy izany dia hotifirina?” Izao anefa: Iza no tsara kokoa? Notifirina satria tsy nivadika tamin’ilay Andrianan’ny Fiadanana sady nankatò azy foana, sa voatifitry ny fahavalo tany an’ady? Ianao amin’io heverin’ny olona hoe nanohana mpitondra olombelona, sady tsy nankatò ny didin’ilay Mpanjakantsika any an-danitra. Raha samy ho faty ihany, tsy aleo lavitra ve maty ho an’ilay Mpanjakantsika?’ Na izany aza, dia nilaza ilay gazety hoe: “Tsy hoe manery anareo hanao izany izahay fa soso-kevitra ihany ny anay.”

6. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’ny Rahalahy Herbert Senior?

6 Lasa nazava tsara tamin’ny rahalahy sasany àry hoe tsy mety ny manao miaramila, ary vonona hizaka ny vokany izy ireo. Hoy ihany i Herbert: ‘Nitatitra bala avy tao anaty sambo no asa nampanaovina ny olona sasany nanaiky hanao miaramila fa tsy nanaiky handeha tany an’ady. Tsy hitako anefa izay maha samihafa an’izany amin’ny hoe manisy bala ao anaty basy, dia mitifitra olona.’ (Lioka 16:10) Tsy nety nanao miaramila àry izy, satria tsy neken’ny eritreriny izany. Nogadraina tany Richmond, any Grande-Bretagne, izy sy ny rahalahy efatra hafa. Nisy olona 11 avy amin’ny fivavahana hafa koa niara-nigadra tamin’izy 5, satria tsy nety nanao miaramila. Nalefa mangingina tany Frantsa tamin’ny sambo izy ireo avy eo. Nalahatra mba hotifirina izy ireo tany, kanjo tsy novonoina indray fa nosazina higadra folo taona.

“Lasa nazava tamiko hoe tokony hihavana amin’ny olona rehetra foana ny Kristianina, na misy ady aza.”—Simon Kraker (Jereo ny fehintsoratra 7)

7. Inona no lasa nazava kokoa tamin’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny Ady Lehibe II?

7 Vao mainka nazava tamin’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny Ady Lehibe II, hoe inona no tokony hataony raha tsy te ho  anisan’ity tontolo ity toa an’i Jesosy izy ireo. (Mat. 26:51-53; Jaona 17:14-16; 1 Pet. 2:21) Nisy lahatsoratra hoe “Tsy Manohana na Iza na Iza”, ohatra, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1939. Voalaza tao hoe: “Tsy tokony hanohana na iza na iza mihitsy ny vahoakan’i Jehovah manomboka izao, rehefa misy firenena miady.” Hoy i Simon Kraker, izay niasa tany amin’ny Betelan’i Brooklyn, any New York, tatỳ aoriana: “Lasa nazava tamiko hoe tokony hihavana amin’ny olona rehetra foana ny Kristianina, na misy ady aza.” Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay lahatsoratra. Noterena hivadika tamin’ilay Fanjakana mantsy ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izay.

Fanenjehana toy ny “renirano” mahery be

8, 9. Tanteraka ve ny faminanian’ny apostoly Jaona? Hazavao.

8 Naminany ny apostoly Jaona fa ‘handoa rano toy ny renirano’ i Satana Devoly, mba handripahana an’izay manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. * (Vakio ny Apokalypsy 12:9, 15.) Izany tokoa no nitranga taorian’ny 1914. Nisy fanenjehana toy ny renirano be, nanomboka tamin’ny 1920. Maro tamin’ireo rahalahy tany Amerika Avaratra, ohatra, no nigadra, satria tsy nivadika tamin’ilay Fanjakana, tamin’ny Ady Lehibe  II. Anisan’izy ireny ny Rahalahy Kraker. Marina fa nisy olon-kafa nogadraina koa tany, satria tsy nety tamin’ny eritreriny ny nanao miaramila. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa no betsaka indrindra.

9 Niady mafy ny Devoly sy ny vahoakany mba hitaomana ny vahoakan’i Jehovah eran-tany hivadika amin’ilay Fanjakana. Nampakarina fitsarana, ohatra, ny rahalahintsika tany Afrika sy Eoropa ary Etazonia. Tsy nety nanohana fitondran’olombelona izy ireo, ka nogadraina sy nampijalijalina ary natao lasa kilemaina mihitsy. Anisan’izany ny Vavolombelona tany Alemaina. Tsy nety nandeha niady na nanao an’ilay fiarahabana hoe “Heil Hitler” izy ireo, ka 6 000 teo ho eo no nogadraina tany amin’ny fonjan’ny Nazia. Nahatratra 1 600 mahery koa ny Vavolombelona alemà sy avy any an-tany hafa maty nampijalijalina. Tsy nahavita nandripaka tanteraka ny vahoakan’i Jehovah anefa ny Devoly.—Mar. 8:34, 35.

Hitelina an’ilay “renirano” ny “tany”

10. Inona ilay “tany” resahin’ny Apokalypsy 12:16, ary inona no nataony mba hanampiana ny vahoakan’Andriamanitra?

10 Naminany koa ny apostoly Jaona hoe hitelina an’ilay “renirano” ny “tany.” (Vakio ny Apokalypsy 12:16.) Tsy inona ilay “tany” fa olona ambony malala-tsaina. Matetika no nisy olona toy izany nanampy ny vahoakan’ilay Fanjakana, taorian’ny Ady Lehibe II, rehefa nisy nanenjika izy ireo. Be dia be, ohatra, ny fitsarana ambony nilaza fa zon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tsy manaiky hanao miaramila. Zon’izy ireo koa ny tsy manaiky hanindrahindra tanindrazana. Hojerentsika àry aloha ny didim-pitsarana sasany navoakan’ny fitsarana momba antsika, rehefa tsy nety nanao miaramila isika. Tena niavaka ilay izy, ka hita hoe nanampy antsika i Jehovah.—Sal. 68:20.

11, 12. Inona no nanjo an’i Anthony sy Iakovos, ary inona no vokatry ny fitsarana azy ireo?

11 Etazonia: Zanaka Vavolombelon’i Jehovah i Anthony Sicurella. Natao batisa izy tamin’izy 15 taona. Nangataka ny tsy hanao miaramila izy tamin’izy 21 taona, fa hatao hoe mpitory teny. Nangataka indray izy, roa taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1950, hoe tsy hanao miaramila mihitsy satria tsy eken’ny eritreriny izany. Tsy nampaninona ny Birao Federaly Momba ny Famotorana (FBI) ilay izy, saingy tsy nanaiky ny Minisiteran’ny Fitsarana. Niakatra fitsarana imbetsaka àry i Anthony, ka tonga tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina nony farany. Nilaza io fitsarana io fa tsy diso izy. Nampiasaina tany Etazonia izany didim-pitsarana izany tatỳ aoriana, isaky ny nisy olon-kafa tsy nety nanao miaramila satria hoe tsy neken’ny eritreriny ilay izy.

12 Gresy: Nogadraina i Iakovos Thlimmenos tamin’ny 1983, satria tsy nety nanao akanjo miaramila. Rehefa afaka izy, dia nanao fangatahana ho lasa mpanao kaonty. Tsy  nekena anefa ny fangatahany satria hoe efa nigadra izy. Nampakarin’i Iakovos fitsarana àry ilay raharaha, satria nahatsiaro ho niharan’ny tsy rariny izy. Resy anefa izy tany. Nampakariny tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina indray àry ilay izy. Nodinihin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’io fitsarana io ny momba azy. Mpitsara 17 izy ireo, ary samy nanome rariny an’i Iakovos daholo, tamin’ny taona 2000. Lasa azo nampiasaina ny didim-pitsarana navoakan’izy ireo, rehefa nisy olona niharan’ny tsy rariny. Nisy rahalahy 3 500 mahery, ohatra, nailikilika toa an’i Iakovos, satria efa nigadra noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. Taorian’ilay didim-pitsarana anefa, dia nisy lalàna navoakan’ny fanjakana grika mba hamahana an’ilay olana, ka lasa tsy nomarihina tao amin’ny taratasy momba an’ireo rahalahy ireo intsony hoe efa nigadra izy ireo. Efa nisy lalàna navoaka koa talohan’izay hoe afaka manao asa hafa izay tsy te hanao miaramila. Rehefa nohavaozina àry ny Lalàm-panorenan’i Gresy tatỳ aoriana, dia nosoratana tao io lalàna io sady natao mazava kokoa.

“Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho talohan’ny nidirako tao amin’ny fitsarana, dia lasa tony aho avy eo.”—Ivailo Stefanov (Jereo ny fehintsoratra 13)

13, 14. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Ivailo Stefanov sy Vahan Bayatyan?

13 Boligaria: Voantso hanao miaramila i Ivailo Stefanov tamin’ny 1994, tamin’izy 19 taona. Tsy nety anefa izy sady tsy nety nanao asa hafa ho solon’izany, raha mbola misy ifandraisany amin’ny ady ilay izy. Voaheloka higadra 18 volana àry izy, ka nampakariny fitsarana ilay raharaha. Nohazavainy fa manan-jo tsy hanao miaramila izy satria tsy eken’ny eritreriny izany. Tonga tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina izy nony farany. Nanaiky hanao raharaham-pihavanana taminy anefa ny fanjakana tany Boligaria, tamin’ny 2001, talohan’ny nandinihan’ny Fitsarana Eoropeanina an’ilay raharaha. Tsy nigadra indray àry izy. Navela hanao asa hafa koa izay rehetra tsy te hanao miaramila. *

14 Armenia: Voantso ho miaramila i Vahan Bayatyan tamin’ny 2001. * Tsy neken’ny eritreriny anefa izany. Niverimberina tany amin’ny fitsarana àry izy, saingy resy foana. Voasazy higadra roa taona sy tapany izy, tamin’ny Septambra 2002, nefa navotsotra rehefa avy nigadra folo volana sy tapany. Nitory tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina izy, tamin’izy mbola nigadra. Nivoaka ny didim-pitsarana ny 27 Oktobra 2009, ary nampalahelo fa tsy nanome rariny azy koa io fitsarana io. Kivy be tamin’izay ny rahalahy rehetra tsy nety nanao miaramila tany Armenia. Nandinika an’ilay raharaha anefa ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ilay fitsarana, ka nanome rariny an’i Vahan Bayatyan tamin’ny 7 Jolay 2011. Sambany tamin’izay ny Fitsarana Eoropeanina no nanaiky hoe tsy meloka ny olona raha mandà tsy hanao miaramila noho ny fivavahany. Nohazavain’ilay fitsarana hoe manana zo hanao  izay eritreretiny fa mety ny olona, ary manana zo hanaraka izay zavatra ampianarin’ny fivavahany. Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany àry no lasa tsy voasazy nanomboka teo rehefa tsy nety nanao miaramila, fa olona an-jatony tapitrisa any amin’ny tany anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina. *

Faly ny rahalahy any Armenia satria neken’ny Fitsarana Eoropeanina hoe manana zo hanao izay eritreretiny fa mety ny olona, ka afaka mandà tsy hanao miaramila noho ny fivavahany

Nampangaina hoe tsy tia tanindrazana

15. Nahoana isika no tsy manindrahindra tanindrazana?

15 Hitantsika teo fa ny Fanjakan’ny Mesia foana no tohanantsika, ka tsy manao miaramila isika. Tsy izay ihany anefa fa tsy manindrahindra tanindrazana koa isika. Izany indray izao no hojerentsika. Lasa nanindrahindra loatra ny tanindrazany ny olona, indrindra rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II. Terena hivoady, ohatra, ny olona any amin’ny tany maro hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazany. Asaina manao hiram-pirenena koa izy na asaina manangan-tsaina, ka toy ny hoe mivavaka amin’ilay firenena mihitsy. Tsy manao an’izany anefa isika, satria i Jehovah irery no ivavahantsika. (Eks. 20:4, 5) Misy  “renirano” be mitady handripaka antsika àry indraindray. Soa ihany fa mbola ampiasain’i Jehovah koa ny “tany”, mba hitelina an’ilay “renirano.” Nasainy nanampy antsika koa i Kristy, ka imbetsaka isika no nandresy.—Sal. 3:8.

16, 17. Inona no nanjo an’i Lillian sy William Gobitas, ary inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’izy ireo?

16 Etazonia: Tsy te hivadika tamin’i Jehovah i Lillian Gobitas, 12 taona, sy William Gobitas, 10 taona, ka tsy nety nanangan-tsaina sy tsy nety nivoady hoe tsy hivadika amin’ny tanindrazany. Voaroaka tany am-pianarana àry izy ireo. Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony ilay raharaha tamin’ny 1940, ary nantsoina hoe Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis. * Mpitsara 9 no nitsara an’ilay izy, ka tsy nanome rariny azy ireo ny 8. Nilaza ilay fitsarana fa tsy diso ilay sekoly raha nanery azy mianadahy hanangan-tsaina sy hanao an’ilay voady. Tokony hanao an’ireo mantsy, hono, ny olona, araka ny lalàm-panorenana, satria natao “hampiray hina ny olom-pirenena rehetra” ireo. Be dia be àry ny ankizy voaroaka tany am-pianarana, taorian’izay. Ny olon-dehibe kosa noroahina tamin’ny asany. Nisy koa nampijalin’ny olona. Nilaza ny boky Ny Zava-bitan’ny Firenentsika (anglisy) fa “nampijalina be ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia, tamin’ny 1941 ka hatramin’ny 1943. Io no zavatra mahatsiravina indrindra nataon’ny Amerikanina tamin’ny fivavahana, tamin’ny taonjato faha-20.”

17 Naharesy ny fahavalontsika tamin’izay. Vetivety ihany anefa izany. Nisy olana hoatran’ny an-dry Gobitas indray mantsy tamin’ny 1943. Nantsoina hoe Filan-kevitry ny Fampianarana any Virginie Andrefana miady amin’i Barnette izy io. Nanome rariny antsika ny Fitsarana Tampony tamin’izay. Tamin’io ilay fitsarana vao mba niova hevitra tao anatin’ny fotoana fohy. Tsy dia nampijaly ny vahoakan’i Jehovah intsony ny olona tany Etazonia taorian’izay. Tsy vitan’izay fa lasa nohajaina kokoa ny zon’ny mponina rehetra tany.

18, 19. Inona no nolazain’i Pablo Barros fa nanampy azy tsy hivadika mihitsy, ary inona no azontsika atao mba hanahafana azy?

18 Arzantina: Valo taona i Pablo Barros, ary fito taona i Hugo Barros, tamin’ny 1976. Voaroaka tany am-pianarana izy roa lahy, satria tsy nety nanangan-tsaina. Indray mandeha aza natosiky ny direktrisiny mafy be i Pablo, sady nokapohiny ny lohany. Tsy navelany nody koa izy roa lahy rehefa nirava fa nasainy nijanona adiny iray, ka notereny hanao fombafomba manindrahindra tanindrazana. Hoy i Pablo: “Soa ihany aho fa nampian’i Jehovah fa raha tsy izany dia efa nivadika.”

19 Niakatra fitsarana ry zareo, ka nilaza ny mpitsara fa tsy diso ilay sekoly raha nandroaka azy roa lahy. Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Arzantina àry ilay raharaha, ka nofoanan’io fitsarana io ilay didim-pitsarana teo aloha, tamin’ny 1979. Izao no nolazainy: “Tsy mety ilay sazy [fandroahana] satria tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana.  Voalaza ao fa manana zo hianatra ny ankizy (Andininy 14), ary tsy maintsy ataon’ny fanjakana izay hahavitany ny fianarany any amin’ny fanabeazana fototra (Andininy 5).” Nahasoa zanaka Vavolombelon’i Jehovah 1 000 teo ho eo io didim-pitsarana io. Tsy norahonana hoe ho voaroaka intsony ny ankizy sasany, ary ny hafa kosa naverina nianatra indray, anisan’izany i Pablo sy Hugo.

Be dia be ny ankizy Vavolombelona tsy mivadika mihitsy, na dia asaina manao zavatra tsy eken’ny eritreriny aza

20, 21. Nanatanjaka ny finoanao ve ny tantaran’i Roel sy Emily Embralinag? Nahoana?

20 Philippines: Sivy taona i Roel Embralinag, * ary folo taona i Emily anabaviny, tamin’ny 1990. Voaroaka tany am-pianarana izy ireo sy ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah 66 teo ho eo, satria tsy nety nanangan-tsaina. Niezaka niresaka tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ilay sekoly i Leonardo, dadan-dry Roel, saingy tsy nisy vokany fa vao mainka nitatra be ilay olana. Nampakarin’i Leonardo tany amin’ny Fitsarana Tampony àry ilay izy. Tsy nanam-bola hanakaramana mpisolovava anefa izy. Nisy naneso sy nananihany foana koa ny zanany. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah àry izy mianakavy  mba hahalalany izay tokony hatao. Nahatsapa hoe toy ny atody miady amam-bato i Leonardo, satria tsy nahay resaka lalàna.

21 Inona anefa no nitranga? Nisy rahalahy mpisolovava atao hoe Felino Ganal nanampy azy ireo. Niasa tao amin’ny fikambanana mpisolovava anisan’ny nalaza indrindra tany Philippines izy taloha, ary lasa Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana. Samy nanaiky ireo mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony fa tsy diso ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nasainy naverina nianatra izy mianadahy. Tsy nahavoa indray ny fahavalontsika tamin’izay.

Lasa miray saina

22, 23. a) Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no nandresy imbetsaka tany amin’ny fitsarana? b) Mifankatia ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Manaporofo inona izany?

22 Nahoana ny vahoakan’i Jehovah no nandresy imbetsaka, ary nahoana izany no miavaka? Eritrereto ange e! Tsy mpanao politika isika ka hoe afaka manery ny mpitsara hanome rariny antsika. Matetika anefa isika no mahazo rariny amin’izy ireny, na aiza na aiza misy antsika. Tsy maharesy antsika àry ny mpanohitra antsika, na dia miezaka mafy aza. Lasa ampiasaina hanamafisana ny lalàm-panorenana koa ny didim-pitsarana navoaka momba antsika. Hita mihitsy hoe manampy antsika i Kristy. (Vakio ny Apokalypsy 6:2.) Fa nahoana tokoa moa isika no mitaky ny zontsika? Tsy hoe te hanova ny lalàna ao amin’ny tany misy antsika akory isika. Te hanohana an’i Jesosy Kristy Mpanjaka kosa isika, ary tsy tiantsika hisy hanakantsakana antsika amin’izany.—Asa. 4:29.

23 Mifandramatra noho ny politika ny olona eto amin’ity tontolo ity sady mifankahala. Isika kosa ampian’i Jesosy Kristy Mpanjaka, ka mahavita mitandrina mba tsy ho anisan’ity tontolo ity mihitsy. Tsy nahavita nampisara-bazana antsika i Satana sady tsy naharesy antsika. Efa an-tapitrisany izao ny olona voangon’ilay Fanjakana eran-tany, ary ‘tsy mianatra ady intsony’ izy ireo. Mifankatia izy ireo, ka porofo tsy azo lavina izany fa efa mitondra io Fanjakana io.—Isaia 2:4.

^ feh. 4 Nantsoina koa hoe Ny Zavaboary Vaovao io Boky Faha-6 io. Novana hoe Fianarana ny Soratra Masina ilay hoe Fiandohan’ny Arivo Taona, tatỳ aoriana.

^ feh. 8 Manazava an’io faminaniana io ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, toko 27, pejy 184-186.

^ feh. 13 Tsy maintsy nanaiky koa ny fanjakana tany Boligaria hoe azo ampanaovina asa tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny miaramila ilay olona, sady tsy miaramila no mibaiko azy.

^ feh. 14 Efa 450 mahery ny tanora Vavolombelona nogadraina tany Armenia, tao anatin’ny 20 taona. Tamin’ny Novambra 2013 no afaka ny farany tamin’izy ireo.

^ feh. 16 Diso kely ny nanoratan’ny fitsarana ny anarany.

^ feh. 20 Diso kely ny nanoratan’ny fitsarana ny anarany, ka lasa hoe Ebralinag.