Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!

 TOKO 10

‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay Mpanjaka

‘Nanadio’ ny Vahoakany Ilay Mpanjaka

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nanadio ny vahoakany teo amin’ny lafiny ara-panahy i Jesosy

1-3. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nahita an’ireo mpivarotra sy mpanakalo vola tao amin’ny tempoly?

TENA nanaja ny tempoly tany Jerosalema i Jesosy, satria fantany fa izy io no toerana natao hivavahana tamin’i Jehovah tamin’izany. Andriamanitra masina i Jehovah, ka tokony ho masina sy hadio ny fivavahana aminy. Eritrereto àry hoe inona no tsapan’i Jesosy rehefa hitany izay nitranga tao amin’ilay tempoly, tamin’ny 10 Nisana taona 33. Fa nisy inona tao?—Vakio ny Matio 21:12, 13.

2 Nisy mpivarotra sy mpanakalo vola teo amin’ny Tokotanin’ny Hafa Firenena tao amin’ny tempoly. Tia vola izy ireo ka nanararaotra be an’izay olona tonga hanao fanatitra ho an’i Jehovah tao. Noroahin’i Jesosy àry izay rehetra nivarotra sy nividy tao, ary nazerany ny latabatry ny mpanakalo vola. (Ampitahao amin’ny Nehemia 13:7-9.) Noteneniny mafy ry zareo satria lasa nataon’izy ireo “lava-bato fieren-jiolahy” ny tranon’i Jehovah. * Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa nanaja ny tempoly izy, ary tokony ho masina foana ny fivavahana amin’ny Rainy.

3 Mbola nanadio tempoly hafa koa i Jesosy tatỳ aoriana, rehefa lasa Mpanjaka. Mila fantatsika hoe inona io tempoly io, raha tiantsika hankasitrahan’i Jehovah izay zavatra ataontsika mba hivavahana aminy. Handinika an’izany isika izao.

Nodiovina ny “taranak’i Levy”

4, 5. a) Ahoana no nanadiovana ny voahosotra? b) Tsy nodiovina intsony ve ny vahoakan’i Jehovah taorian’izay? Hazavao.

4 Hitantsika tao amin’ny Toko 2 fa nandinika ny tempoly ara-panahy niaraka tamin’i Jehovah i Jesosy, rehefa lasa Mpanjaka tamin’ny 1914. Tsy inona io tempoly io fa ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanompoana azy. * Hitan’i Jesosy fa nila ‘nodiovina’ ny “taranak’i Levy”, izany hoe ny voahosotra. (Mal. 3:1-3) Ahoana no nanadiovana azy ireo? Navelan’i Jehovah hiaritra olana sy fitsapana mivaivay toy ny afo izy ireo, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. Tafavoaka soa aman-tsara izy ireo, ka toy ny hoe nadio kokoa. Vonona kokoa hanohana an’ilay Mpanjakany àry izy ireo.

 5 Mbola manampy ny vahoakany hadio foana anefa i Jehovah sy Jesosy hatramin’izao. Amin’izay izy ireo afaka manompo foana ao amin’ilay tempoly ara-panahy. Ho hitantsika ao amin’ireo toko roa manaraka hoe ahoana no nanampian’i Jesosy antsika hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly, ary inona no nataony mba hanatsarana zavatra sasany teo anivon’ny fandaminana. Hojerentsika anefa aloha hoe ahoana no nanadiovana antsika ara-panahy. Hampahery antsika izany. Tonga dia niharihary indraindray ny zavatra nataon’i Jesosy, fa nisy kosa tsy hita be.

“Aoka hadio ianareo”

6. Inona no atao hoe madio ara-panahy, rehefa jerena ny tenin’i Jehovah tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona?

6 Inona no atao hoe madio ara-panahy? Hojerentsika ny tenin’i Jehovah tamin’ny Jiosy babo tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. Efa hiala tany Babylona izy ireo tamin’io. (Vakio ny Isaia 52:11.) Hanorina indray ny tempoly sy hiverina hanompo an’i Jehovah no tena antony hodian’izy ireo any Jerosalema. (Ezra 1:2-4) Tsy tian’i Jehovah hanaraka ny fanaon’ny fivavahana tany Babylona intsony izy ireo na ny kely aza, ka nilazany hoe: “Aza mikasika an’izay maloto! Mivoaha avy ao aminy, ary aoka hadio ianareo.” Masina ny fivavahana amin’i Jehovah, ka tsy tokony hampifangaroana amin’ny fivavahan-diso. Ny hoe madio ara-panahy àry dia hoe tsy manaraka ny fampianarana sy fanaon’ny fivavahan-diso mihitsy.

7. Iza no asain’i Jesosy manampy ny mpanara-dia azy hadio foana ara-panahy?

7 Inona àry no nataon’i Jesosy mba hanampiana ny vahoakany hadio ara-panahy? Nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy tamin’ny 1919, ary tonga dia fantatra hoe notendreny izy io. (Mat. 24:45) Efa be dia be tamin’izay ny fampianaran-diso tsy narahin’ny Mpianatra ny Baiboly intsony. Mbola nila nodiovina anefa izy ireo, satria mbola nanao fety sy fanaon’ny mpanompo sampy. Nataon’i Jesosy àry izay hahitan’izy ireo tsikelikely an’izany, ka ny mpanompo mendri-pitokisana no nampiasainy. (Ohab. 4:18) Hijery ohatra vitsivitsy isika izao.

Krismasy

8. Inona no efa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly momba ny Krismasy, nefa inona no mbola tsy azon’izy ireo tsara?

8 Efa ela ny Mpianatra ny Baiboly no nahalala fa fetin’ny mpanompo sampy ny Krismasy taloha, ary tsy 25 Desambra i Jesosy no teraka. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana Desambra 1881: “Mpanompo sampy an-tapitrisany no lasa nanaraka ny fivavahana kristianina. Ny anaran’izy ireo fotsiny anefa no tena niova. Lasa nantsoina hoe pasitera na mompera, ohatra, ny lehiben’ny mpanompo sampy. Novana koa ny anaran’ny fetin’izy ireo mba ho lasa fety kristianina, anisan’izany ny Krismasy.” Nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1883 koa fa voalohandohan’ny Oktobra i Jesosy no teraka. * Mbola tsy tena azon’ny Mpianatra ny Baiboly anefa tamin’izany hoe tsy  tokony hanao Krismasy intsony ry zareo. Mbola nankalaza azy io, na dia ny Betelan’i Brooklyn aza. Niova anefa izany taorian’ny 1926. Fa inona no nitranga?

9. Inona no lasa nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly momba ny Krismasy?

9 Nandinika tsara ny Soratra Masina ny Mpianatra ny Baiboly, ka lasa azon’izy ireo hoe manala baraka an’Andriamanitra izy raha mbola manao Krismasy. Nahoana? Nisy lahatsoratra hoe “Avy Aiza ny Krismasy?” tao amin’ny gazety Fotoam-pahasambarana 14 Desambra 1927. Nilaza ilay gazety fa fetin’ny mpanompo sampy ny Krismasy, ary misy fanaon’ny mpanompo sampy amin’izy io. Natao hifalifaliana fotsiny koa io fety io. Nohazavaina tsara tao fa tsy nasain’i Kristy hankalaza azy io ny Kristianina. Hoy koa ilay gazety: ‘Satrin’ity tontolo ity sy ny Devoly aza hisy foana io fety io. Isika rahateo tsy lavorary, ka zarantsika hifety foana. Tsy tokony hankalaza an’io fety io àry izay efa nanokan-tena hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.’ Tsy mahagaga raha tsy nankalaza Krismasy intsony ny Betelan’i Brooklyn, nanomboka tamin’ny Desambra 1927.

10. a) Inona no nohazavaina bebe kokoa tamin’ny Desambra 1928? (Jereo koa ilay hoe “ Iza no Namorona ny Krismasy?”) b) Ny Krismasy ihany ve no tsy tokony hankalazain’ny Kristianina? (Jereo ilay hoe “ Fety Hafa Tsy Tokony Hankalazain’ny Kristianina.”)

10 Nohazavaina bebe kokoa tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny momba ny Krismasy, herintaona taorian’izay, tamin’ny 12 Desambra 1928. Nanao lahateny tao amin’ny radio tamin’izay i Richard Barber, rahalahy avy ao amin’ny Betelan’i Brooklyn. Nasongadiny fa fetin’ny mpanompo sampy ny Krismasy taloha. Ahoana no nandraisan’ny vahoakan’i Jehovah an’izany? Tsy nanao Krismasy intsony, ohatra, ny Rahalahy  Charles Brandlein sy ny fianakaviany. Hoy izy: ‘Fetin’ny mpanompo sampy ve dia mbola hataonay ihany? Tonga dia najanonay ilay izy! Hoatran’ny hoe nisy tasy tsy nety afaka ny akanjonay, dia nesorinay fotsiny ary narianay.’ Toy izany koa ny Rahalahy Henry Cantwell, izay lasa mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ aoriana. Hoy izy: “Faly izahay fa nahavita nampandefitra ny zavatra nahafinaritra anay, mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe tianay izy.” Nanaiky avy hatrany àry ny tena Kristianina hoe tsy hanao Krismasy intsony, rehefa nahalala ny niavian’izy io. *Jaona 15:19; 17:14.

11. Inona no tokony hataontsika raha te hanohana an’ilay Mesia Mpanjaka isika?

11 Tena modely ho antsika ny Mpianatra ny Baiboly. Mieritrereta àry hoe: ‘Ahoana no ataoko rehefa misy toromarika avy amin’ny fandaminana? Faly ve aho ka mankatò an’ilay izy?’ Ilay Mpanjakantsika no mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana, mba hanome sakafo ara-panahy antsika amin’ny fotoana ilantsika izany. Manohana azy isika, raha tonga dia mankatò an’izay lazain’izy io.—Asa. 16:4, 5.

Lakroa

Lakroa misy satroboninahitra (Jereo ny fehintsoratra 12 sy 13)

12. Ahoana no niheveran’ny Mpianatra ny Baiboly ny lakroa, taloha?

12 Nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly taloha fa anisan’ny amantarana ny Kristianina ny lakroa. Marina aloha fa tsy nivavaka tamin’ny lakroa ry zareo, satria efa fantany hoe manompo sampy izy raha manao izany. (1 Kor. 10:14; 1 Jaona 5:21) Efa tamin’ny 1883 Ny Tilikambo Fiambenana no nilaza fa “halan’Andriamanitra rehefa mety ho fanompoan-tsampy.”  Nihevitra anefa ny Mpianatra ny Baiboly fa azo atao ny mampiasa lakroa, raha tsy ivavahana ilay izy. Nasiany lakroa kely misy satroboninahitra, ohatra, teo amin’ny tratran’akanjony, mba hampiavaka azy amin’olon-kafa. Nanampy azy hitadidy, hono, ilay izy hoe raha tsy mivadika mandra-pahafatiny izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana. Lasa nisy sarina lakroa kely misy satroboninahitra mihitsy aza teo amin’ny pejy voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1891.

13. Inona no nohazavaina bebe kokoa momba ny lakroa? (Jereo koa ilay hoe “ Nazava Tsikelikely hoe Tsy Mety ny Mampiasa Lakroa.”)

13 Tena tian’ny Mpianatra ny Baiboly ilay lakroa misy satroboninahitra. Nohazavaina tsikelikely tamin’izy ireo anefa taloha kelin’ny 1930 hoe tsy mety ny mampiasa lakroa. Noresahina, ohatra, izany tamin’ny fivoriambe iray tany Detroit, any Etazonia, tamin’ny 1928. Hoy ny Rahalahy Grant Suiter, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana: “Nohazavaina tamin’ilay fivoriambe fa sady tsy ilaina ny lakroa misy satroboninahitra no tsy mety mihitsy ny manao azy ireny.” Vao mainka nazava kokoa, tatỳ aoriana, hoe tsy tokony hampiasa na hanana lakroa mihitsy ny Kristianina raha te hadio ara-panahy.

14. Ahoana no nandraisan’ny vahoakan’i Jehovah ny fanazavana momba ny lakroa?

14 Ahoana no nandraisan’ny vahoakan’i Jehovah an’izany fanazavana izany? Mbola nampiasa an’ilay lakroa misy satroboninahitra ihany ve izy ireo, satria tiany be ilay izy? Hoy i Lela Roberts, izay efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela: ‘Tonga dia tsy nampiasa lakroa intsony izahay raha vao fantatray hoe sampy ilay izy.’ Hoy koa ny anabavy iray atao hoe Ursula Serenco: ‘Tianay be mihitsy ny nampiasa lakroa, satria nihevitra izahay hoe izy io no ahatsiarovanay ny nahafatesan’ny Tomponay sy ampisehoanay hoe tena Kristianina izahay. Lasa azonay anefa hoe mpanompo sampy no namorona an’ilay izy. Tena faly izahay fa tanteraka ny Ohabolana 4:18. Lasa nazava kokoa taminay mantsy ny marina momba ny lakroa.’ Be dia be no faly toa an’i Ursula. Hita avy amin’izany fa tsy te hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso intsony ny tena Kristianina.

15, 16. Inona no tokony hataontsika mba tsy haloto mihitsy ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy?

15 Mitovy amin’izany koa isika. Hitantsika miharihary hoe mampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina i Kristy, mba hanampy antsika hadio ara-panahy foana. Mankatò avy hatrany àry isika rehefa mampitandrina antsika io mpanompo io hoe misy fety na fanao tsy tokony hataontsika, satria misy fombafomban’ny fivavahan-diso amin’ilay izy. Manompo an’i Jehovah eo an-tokotanin’ilay tempoly ara-panahy isika, ka hiezaka mafy tsy handoto azy io. Manahaka an’ireo rahalahy sy anabavintsika voalohandohany isika raha manao izany.

16 Misy fomba hafa anampian’i Kristy antsika koa anefa, ary tsy hita miharihary ilay izy. Misy olona atahorana hitaona  antsika tsy hankatò an’i Jehovah, ohatra, ka arovany tsy ho voatarik’izy ireny isika. Ahoana no anaovany izany?

‘Avahana amin’ny olo-marina ny ratsy fanahy’

17, 18. Inona no dikan’ny hoe a) nisy ‘harato tarihina nalatsaka tao an-dranomasina’, b) ‘voangona ny karazan-trondro rehetra’, d) angonina “ho ao anaty fitoerany” izay trondro tsara, ary e) ariana izay trondro “ratsy”?

17 Mandinika foana izay mitranga eo anivon’ny fiangonana eran-tany i Jesosy Kristy Mpanjaka, ka manavaka ny tena Kristianina amin’ireo tsy tena te hanaraka ny fivavahana marina. Manampy azy amin’izany ny anjely. Tsy tena hitantsika miharihary anefa ny zavatra ataony. Niresaka an’izany izy tao amin’ilay fanoharana momba ny harato tarihina. (Vakio ny Matio 13:47-50.). Inona no tiany holazaina tamin’ilay fanoharana?

Ny fitoriana momba ilay Fanjakana no harato tarihina, ary ny olona itoriana no ranomasina (Jereo ny fehintsoratra 18)

18 Nisy ‘harato tarihina nalatsaka tao an-dranomasina.’ Ny fitoriana momba ilay Fanjakana no harato tarihina, ary ny olona itoriana no ranomasina. ‘Voangona ny karazan-trondro rehetra.’ Be dia be ny olona mihaino ny vaovao tsara. Misy amin’izy ireny lasa tena Kristianina. Maro koa anefa no liana ihany, saingy tsy tena tapa-kevitra hanaraka ny fivavahana marina. * Angonina “ho ao anaty fitoerany” izay trondro tsara. Ny fiangonana kristianina ilay fitoerany, ary ny olona tena tia ny fahamarinana no trondro tsara. Angonina mankao izy ireo mba hanompo an’i Jehovah. Ariana izay trondro “ratsy.” Ny olona mbola te hanaraka fampianaran-diso sy fanao ratsy no trondro ratsy. Manavaka azy ireo amin’ny olo-marina i Kristy sy ny anjeliny, amin’izao andro farany izao. * Tsy avelany hijanona ao amin’ny fiangonana izy ireo, sao mandoto azy io. *

19. Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’izay nataon’i Jesosy ianao?

19 Hitantsika tato àry fa mbola mafana fo toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany i Jesosy Kristy Mpanjaka. Mbola manadio ny tempoly ara-panahy izy sady miaro ny mpanompon’i Jehovah. Tsy mampahery antsika ve izany? Hankasitraka an’i Jesosy àry isika, ary hanohana ny Fanjakany ka tsy hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso mihitsy.

^ feh. 2 Nisy hetra naloa tao amin’ny tempoly isan-taona. Vola vahiny anefa no nentin’ny Jiosy sasany avy any an-tany hafa, ka tsy maintsy natakalo vao afaka nandoavana an’ilay hetra. Nisy mpanakalo vola àry tao amin’ny tempoly. Nisy mpivarotra biby koa tao, satria mety ho tsy nitondra biby hatao fanatitra ilay olona. Naka tombony be loatra anefa ry zareo, ka izany angamba no niantsoan’i Jesosy azy ireo hoe “jiolahy.”

^ feh. 4 Toy ny hoe ao amin’ny tokotanin’io tempoly ara-panahy io ny vahoakan’i Jehovah. Ao izy ireo no manompo azy.

^ feh. 8 Nilaza io lahatsoratra io fa ‘nisy mpiandry ondry tany an-tsaha tamin’i Jesosy teraka. Tsy tamin’ny ririnina àry izy no teraka, satria tsy hisy mpiandry ondry hamoaka ny ondriny any an-tsaha mihitsy amin’ny andro ririnina.’—Lioka 2:8.

^ feh. 10 Nanoratra toy izao ny Rahalahy Frederick Franz, tamin’ny 14 Novambra 1927: “Tsy hanao Krismasy intsony isika amin’ity taona ity. Nanapa-kevitra mantsy ny fianakavian’ny Betela fa tsy hankalaza Krismasy intsony.” Mbola nanoratra indray izy, tamin’ny 6 Febroary 1928 hoe: “Mampianatra zavatra diso be dia be ny Devoly, ka i Babylona Lehibe no ampiasainy amin’izany. Manadio antsika tsikelikely ho afaka amin’ireny anefa ny Tompo.”

^ feh. 18 Nisy 19 241 252, ohatra, ny nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny 2013, nefa 7 965 954 tamin’ireo fotsiny no mpitory.

^ feh. 18 Tsy ilay fanavahana ny ondry sy osy akory io. (Mat. 25:31-46) Mandritra ny fahoriana lehibe mantsy vao havahana na hotsaraina ny ondry sy osy. Mandra-pahatongan’izany, dia mbola afaka miverina amin’i Jehovah izay toy ny trondro ratsy, ka hangonina ao amin’ny fitoerany, izany hoe ao amin’ny fiangonana.—Mal. 3:7.

^ feh. 18 Hatsipy any amin’ny lafaoro mirehitra ny trondro ratsy amin’ny farany, izany hoe haringana.

Fanampim-panazavana

Mankasitraka ny Lovantsika Ara-panahy ve Ianao?

Ho tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ianao, rehefa mahafantatra sy mankasitraka an’ireo lovantsika ara-panahy.

‘Mahazo Tsara ny Hevitry ny Soratra Masina’ ve Ianao?

Inona no dikan’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay mpamafy natory sy ilay harato tarihina ary ilay zanaka adala?