Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) MEY 2013

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

Tsy Nivadika tao Anatin’ny “Fitsapana”

Tsy Nivadika tao Anatin’ny “Fitsapana”

NIHARIHARY tamin’ny rehetra hoe tsy miady ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny Ady Lehibe I, tamin’ny 1914. (Isaia 2:2-4; Jaona 18:36; Efes. 6:12) Manaporofo an’izany izay nitranga tany Grande-Bretagne.

Henry Hudson

Nisy lalàna navoaka tany tamin’ny 1916, hoe tsy maintsy manao miaramila ny lehilahy mpitovo rehetra, 18 taona ka hatramin’ny 40 taona. Afaka tsy nanao miaramila anefa ny olona sasany, noho “ny zavatra inoany na ny fitsipika arahiny momba ny fitondran-tena.” Nanangana tribonaly ny fanjakana mba hamaritra hoe iza no mahazo tsy manao miaramila, ary inona no tsy ataony.

Na izany aza, dia tsy nahazo alalana tsy hanao miaramila ny Mpianatra ny Baiboly sasany, ka 40 teo ho eo no nalefa tany amin’ny fonjan’ny miaramila, ary 8 nalefa tany an’ady tany Frantsa. Tena tsy rariny ilay izy, ka nandefa fitarainana tany amin’ny Praiminisitra Herbert Asquith ireo rahalahy tany Grande-Bretagne, ary nampiarahiny tamin’ny sonian’olona 5 500.

Re tatỳ aoriana hoe nohelohina ho faty ireo rahalahy valo nalefa tany Frantsa, satria tsy nanaiky hiady. Rehefa nilahatra mba hotifirina anefa izy ireo, dia novana indray ny saziny. Nivadika ho sazy folo taona an-tranomaizina ilay izy, ary tany Angletera izy ireo no nanefa ilay sazy.

James Scott

Nantsoina hanao miaramila koa ny lehilahy manambady tatỳ aoriana, ka niakatra fitsarana koa ny rahalahy nanambady. Anisan’izany ilay dokotera atao hoe Henry Hudson, izay notsaraina tany Manchester, any Angletera. Nilaza ilay fitsarana tamin’ny 3 Aogositra 1916 hoe nandika lalàna izy, ka nasaina nandoa lamandy ary natolotra teo am-pelatanan’ireo miaramila. Nandritra izany fotoana izany, dia notsaraina tany Édimbourg, any Ekosy i James Scott, mpisava lalana, izay 25 taona. Rehefa nivoaka ny didy hoe tsy meloka izy, dia nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana ambony kokoa ny fanjakana. Navelan’izy ireo anefa io raharaha io, fa naleon’izy ireo nikarakara ny raharaha momba an’i Herbert Kipps, tany Londres. Voaheloka i Kipps, nasaina nandoa lamandy, ary natolotra teo am-pelatanan’ny miaramila.

Pryce Hughes

Efa nahatratra 264 ny rahalahy nangataka tsy hanao miaramila tamin’ny Septambra 1916. Nekena ny fangatahan’ny 5 tamin’izy ireo. Ny 154 kosa nasaina nanao asa ho an’ny fanjakana. Ny 23 natao miaramila tsy mandeha miady. Ny 82 kosa natolotra ny miaramila, ka ny sasany nogadraina satria tsy nankatò ny baiko nomena azy. Tsy faly ny vahoaka rehefa nahalala fa nampijalina izy ireo. Nesorin’ny fanjakana avy tany amin’ny fonjan’ny miaramila àry izy ireo, ary nalefa tany amin’ny fonja sivily.

 Nalefa nanamboatra tohodrano tany Pays de Galles i Edgar Clay, niaraka tamin’i Pryce Hughes izay lasa mpiandraikitra ny sampana tany Grande-Bretagne tatỳ aoriana. Nalefa tany amin’ny Fonjan’i Wakefield, any Yorkshire, any Angletera, kosa i Herbert Senior, izay anisan’ireo rahalahy valo niverina avy tany Frantsa. Nisy koa nampanaovina asa an-terivozona tao amin’ny Fonjan’i Dartmoor, izay tena ratsy be. Tao amin’io fonja io no nisy olona tsy nety nanao miaramila betsaka indrindra.

Efa nanaiky hanao asa hafa tsy mifandray amin’ny ady i Frank Platt, nefa noterena hankany an’ady ihany. Nanda tsy hiady anefa izy, ka nampijalina ela be. I Atkinson Padgett indray nahalala ny fahamarinana, taoriana kelin’ny nisoratany anarana ho miaramila. Tsy nety nandeha niady àry izy, ka nampijalijalin’ny miaramila.

Herbert Senior

Niezaka nampifaly an’i Jehovah ireny rahalahintsika ireny, na dia mbola tsy takatr’izy ireo tsara aza ny atao hoe tsy naman’izao tontolo izao. Tena ohatra tsara izy ireny, satria tsy nivadika tao anatin’ny “fitsapana” faran’izay mafy. (Apok. 3:10)—Avy any amin’ny tahirintsika any Grande-Bretagne.

Fanampim-panazavana